Tenifikasana
Genesisy 9.11
en.And I will establish my covenant with you; neither shall all flesh be cut off any more by the waters of a flood; neither shall there any more be a flood to destroy the earth.
fr.J`établis mon alliance avec vous: aucune chair ne sera plus exterminée par les eaux du déluge, et il n`y aura plus de déluge pour détruire la terre.
mg."Ary haoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin' ny ranon' ny safodrano intsony ny nofo rehetra; ary tsy hisy safodrano hanimba ny tany intsony."
Genesisy 9.13
en.I do set my bow in the cloud, and it shall be for a token of a covenant between me and the earth.
fr.j`ai placé mon arc dans la nue, et il servira de signe d`alliance entre moi et la terre.
mg.Apetrako eny amin' ny rahona ny avako, ary ho famantarana ny fanekena amiko sy amin' ny tany izany.
Deotornomia 7.9
en.Know therefore that the LORD thy God, he is God, the faithful God, which keepeth covenant and mercy with them that love him and keep his commandments to a thousand generations;
fr.Sache donc que c`est l`Éternel, ton Dieu, qui est Dieu. Ce Dieu fidèle garde son alliance et sa miséricorde jusqu`à la millième génération envers ceux qui l`aiment et qui observent ses commandements.
mg."Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao, dia Izy no Andriamanitra, Ilay Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin' izay tia Azy sy mitandrina ny didiny hatramin' ny taranaka arivo mandimby;"
Josoa 23.14
en.And, behold, this day I am going the way of all the earth: and ye know in all your hearts and in all your souls, that not one thing hath failed of all the good things which the LORD your God spake concerning you; all are come to pass unto you, and not one thing hath failed thereof.
fr."Voici, je m`en vais maintenant par le chemin de toute la terre. Reconnaissez de tout votre coeur et de toute votre âme qu`aucune de toutes les bonnes paroles prononcées sur vous par l`Éternel, votre Dieu, n`est restée sans effet; toutes se sont accomplies pour vous, aucune n`est restée sans effet."
mg."Ary indro, handeha ho amin' ny lalana falehan' ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo amin' ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza tamin' ny zava-tsoa rehetra izay nilazan' i Jehovah Andriamanitrareo momba anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra ary tsy nisy latsaka izany na dia zavatra iray akory aza."
Isaia 40.31
en.But they that wait upon the LORD shall renew their strength; they shall mount up with wings as eagles; they shall run, and not be weary; and they shall walk, and not faint.
fr."Mais ceux qui se confient en l`Éternel renouvellent leur force. Ils prennent le vol comme les aigles; Ils courent, et ne se lassent point, Ils marchent, et ne se fatiguent point."
mg."Fa izay miandry an' i Jehovah kosa, dia hanavao ny heriny; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka."
Isaia 41.10
en.Fear thou not; for I am with thee: be not dismayed; for I am thy God: I will strengthen thee; yea, I will help thee; yea, I will uphold thee with the right hand of my righteousness.
fr."Ne crains rien, car je suis avec toi; Ne promène pas des regards inquiets, car je suis ton Dieu; Je te fortifie, je viens à ton secours, Je te soutiens de ma droite triomphante."
mg."Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; hampahery anao Aho sady hamonjy anao; eny, hitantana anao amin' ny tanana ankavanan' ny fahamarinako Aho."
Isaia 43.2
en.When thou passest through the waters, I will be with thee; and through the rivers, they shall not overflow thee: when thou walkest through the fire, thou shalt not be burned; neither shall the flame kindle upon thee.
fr."Si tu traverses les eaux, je serai avec toi; Et les fleuves, ils ne te submergeront point; Si tu marches dans le feu, tu ne te brûleras pas, Et la flamme ne t`embrasera pas."
mg."Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho, ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izany; raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, ary tsy hirehitra aminao ny lelafo."
Jeremia 7.5
en.For if ye throughly amend your ways and your doings; if ye throughly execute judgment between a man and his neighbour;
fr.Si vous réformez vos voies et vos oeuvres, Si vous pratiquez la justice envers les uns et les autres,
mg.Fa raha atsarainareo mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin' ny olona amin' ny namany ianareo,
Jeremia 29.11
en.For I know the thoughts that I think toward you, saith the LORD, thoughts of peace, and not of evil, to give you an expected end.
fr.Car je connais les projets que j`ai formés sur vous, dit l`Éternel, projets de paix et non de malheur, afin de vous donner un avenir et de l`espérance.
mg.Fa izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza mba hanome anareo farany misy fanantenana.
Matio 7.7
en.Ask, and it shall be given you; seek, and ye shall find; knock, and it shall be opened unto you:
fr."Demandez, et l`on vous donnera; cherchez, et vous trouverez; frappez, et l`on vous ouvrira."
mg."Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo;"
Jaona 3.16
en.For God so loved the world, that he gave his only begotten Son, that whosoever believeth in him should not perish, but have everlasting life.
fr.Car Dieu a tant aimé le monde qu`il a donné son Fils unique, afin que quiconque croit en lui ne périsse point, mais qu`il ait la vie éternelle.
mg.Fa notiavin' Andriamanitra indrindra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Jaona 11.25
en.Jesus said unto her, I am the resurrection, and the life: he that believeth in me, though he were dead, yet shall he live:
fr."Jésus lui dit: Je suis la résurrection et la vie. Celui qui croit en moi vivra, quand même il serait mort;"
mg."Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray."
2 Korintiana 7.1
en.Having therefore these promises, dearly beloved, let us cleanse ourselves from all filthiness of the flesh and spirit, perfecting holiness in the fear of God.
fr.Ayant donc de telles promesses, bien-aimés, purifions-nous de toute souillure de la chair et de l`esprit, en achevant notre sanctification dans la crainte de Dieu.
mg.Koa raha manana ireo tenifikasana ireo isika, ry malala indrindra, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo, na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
Galatiana 3.22
en.But the scripture hath concluded all under sin, that the promise by faith of Jesus Christ might be given to them that believe.
fr.Mais l`Écriture a tout renfermé sous le péché, afin que ce qui avait été promis fût donné par la foi en Jésus Christ à ceux qui croient.
mg.Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin’ny fahotana, mba homena ny mino ny tenifikasana noho ny finoana an’i Jesosy Kristy.
1 Tesaloniana 5.24
en.Faithful is he that calleth you, who also will do it.
fr.Celui qui vous a appelés est fidèle, et c`est lui qui le fera.
mg.Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
1 Timoty 4.8
en.For bodily exercise profiteth little: but godliness is profitable unto all things, having promise of the life that now is, and of that which is to come.
fr."Exerce-toi à la piété; car l`exercice corporel est utile à peu de chose, tandis que la piété est utile à tout, ayant la promesse de la vie présente et de celle qui est à venir."
mg."Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny tenifikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa."
Hebreo 8.6
en.But now hath he obtained a more excellent ministry, by how much also he is the mediator of a better covenant, which was established upon better promises.
fr.Mais maintenant il a obtenu un ministère d`autant supérieur qu`il est le médiateur d`une alliance plus excellente, qui a été établie sur de meilleures promesses.
mg.Fa ankehitriny efa nahazo fanompoana tsara dia tsara kokoa noho ny an’ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ireo tenifikasana tsara lavitra.
Hebreo 9.15
en.And for this cause he is the mediator of the new testament, that by means of death, for the redemption of the transgressions that were under the first testament, they which are called might receive the promise of eternal inheritance.
fr.Et c`est pour cela qu`il est le médiateur d`une nouvelle alliance, afin que, la mort étant intervenue pour le rachat des transgressions commises sous la première alliance, ceux qui ont été appelés reçoivent l`héritage éternel qui leur a été promis.
mg.Ary noho izany, dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fandikan-dalàna natao tamin’ny fanekena voalohany, mba hahazoan’izay voantso ny fampanantenana ny amin' ny lova mandrakizay.
Hebreo 10.23
en.Let us hold fast the profession of our faith without wavering; (for he is faithful that promised;)
fr.Retenons fermement la profession de notre espérance, car celui qui a fait la promesse est fidèle.
mg."Aoka hazonintsika mafy ny fanekena ny finoantsika mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny tenifikasana);"
1 Petera 5.10
en.But the God of all grace, who hath called us unto his eternal glory by Christ Jesus, after that ye have suffered a while, make you perfect, stablish, strengthen, settle you.
fr.Le Dieu de toute grâce, qui vous a appelés en Jésus Christ à sa gloire éternelle, après que vous aurez souffert un peu de temps, vous perfectionnera lui-même, vous affermira, vous fortifiera, vous rendra inébranlables.
mg."Fa Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso antsika ho amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy Jesosy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia hahatanteraka sy hampiorina, ary hanatanjaka sy hampitoetra anareo;"
2 Petera 1.4
en.Whereby are given unto us exceeding great and precious promises: that by these ye might be partakers of the divine nature, having escaped the corruption that is in the world through lust.
fr.lesquelles nous assurent de sa part les plus grandes et les plus précieuses promesses, afin que par elles vous deveniez participants de la nature divine, en fuyant la corruption qui existe dans le monde par la convoitise,
mg."Ary izany no nanomezany antsika ireo tenifikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny toetran’Andriamanitra ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filàna;"
2 Petera 3.9
en.The Lord is not slack concerning his promise, as some men count slackness; but is longsuffering to us-ward, not willing that any should perish, but that all should come to repentance.
fr."Le Seigneur ne tarde pas dans l`accomplissement de la promesse, comme quelques-uns le croient; mais il use de patience envers vous, ne voulant pas qu`aucun périsse, mais voulant que tous arrivent à la repentance."
mg."Ny Tompo tsy mahela ny tenifikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po amintsika Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra."
1 Jaona 3.2
en.Beloved, now are we the sons of God, and it doth not yet appear what we shall be: but we know that, when he shall appear, we shall be like him; for we shall see him as he is.
fr."Bien-aimés, nous sommes maintenant enfants de Dieu, et ce que nous serons n`a pas encore été manifesté; mais nous savons que, lorsque cela sera manifesté, nous serons semblables à lui, parce que nous le verrons tel qu`il est."
mg."Ry malala, ankehitriny dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay; fa fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika; fa ho hitantsika Izy, araka izay maha-Izy azy."
Apokalypsy 3.5
en.He that overcometh, the same shall be clothed in white raiment; and I will not blot out his name out of the book of life, but I will confess his name before my Father, and before his angels.
fr."Celui qui vaincra sera revêtu ainsi de vêtements blancs; je n`effacerai point son nom du livre de vie, et je confesserai son nom devant mon Père et devant ses anges."
mg.Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny.
Apokalypsy 3.20
en.Behold, I stand at the door, and knock: if any man hear my voice, and open the door, I will come in to him, and will sup with him, and he with me.
fr.Voici, je me tiens à la porte, et je frappe. Si quelqu`un entend ma voix et ouvre la porte, j`entrerai chez lui, je souperai avec lui, et lui avec moi.
mg."Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy Amiko."