Chapter 1
1. The burden of the word of the LORD to Israel by Malachi.
1. Oracle, parole de l`Éternel à Israël par Malachie.
1. Ny teny faminaniana avy tamin' i Jehovah nampitondrainy an' i Malakia ho amin' ny Isiraely.
2. I have loved you, saith the LORD. Yet ye say, Wherein hast thou loved us? Was not Esau Jacob's brother? saith the LORD: yet I loved Jacob,
2. Je vous ai aimés, dit l`Éternel. Et vous dites: En quoi nous as-tu aimés? Ésaü n`est-il pas frère de Jacob? dit l`Éternel. Cependant j`ai aimé Jacob,
2. "Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin' i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,"
3. And I hated Esau, and laid his mountains and his heritage waste for the dragons of the wilderness.
3. Et j`ai eu de la haine pour Ésaü, J`ai fait de ses montagnes une solitude, J`ai livré son héritage aux chacals du désert.
3. Fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an' ny dragona any an' efitra.
4. Whereas Edom saith, We are impoverished, but we will return and build the desolate places; thus saith the LORD of hosts, They shall build, but I will throw down; and they shall call them, The border of wickedness, and, The people against whom the LORD hath indignation for ever.
4. Si Édom dit: Nous sommes détruits, Nous relèverons les ruines! Ainsi parle l`Éternel des armées: Qu`ils bâtissent, je renverserai, Et on les appellera pays de la méchanceté, Peuple contre lequel l`Éternel est irrité pour toujours.
4. "Satria hoy Edoma: efa nampahantraina izahay, nefa hiverina sy hanorina ny toerana rava; izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary ireo dia hatao hoe tanin' ny faharatsiana, dia firenena izay tezeran' i Jehovah mandrakizay."
5. And your eyes shall see, and ye shall say, The LORD will be magnified from the border of Israel.
5. Vos yeux le verront, Et vous direz: Grand est l`Éternel Par delà les frontières d`Israël!
5. Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia ho lehibe any ankoatra ny tanin' ny Isiraely.
6. A son honoureth his father, and a servant his master: if then I be a father, where is mine honour? and if I be a master, where is my fear? saith the LORD of hosts unto you, O priests, that despise my name. And ye say, Wherein have we despised thy name?
6. Un fils honore son père, et un serviteur son maître. Si je suis père, où est l`honneur qui m`est dû? Si je suis maître, où est la crainte qu`on a de moi? Dit l`Éternel des armées à vous, sacrificateurs, Qui méprisez mon nom, Et qui dites: En quoi avons-nous méprisé ton nom?
6. "Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza àry izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon' ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: amin' inona no nanamavoanay ny anaranao?"
7. Ye offer polluted bread upon mine altar; and ye say, Wherein have we polluted thee? In that ye say, The table of the LORD is contemptible.
7. Vous offrez sur mon autel des aliments impurs, Et vous dites: En quoi t`avons-nous profané? C`est en disant: La table de l`Éternel est méprisable!
7. Manatitra mofo voaloto eo ambonin' ny alitarako ianareo, nefa manao hoe: amin' inona no nandotoanay Anao? Amin' ny fanaovanareo hoe: ny latabatr' i Jehovah dia fanazimbazimba.
8. And if ye offer the blind for sacrifice, is it not evil? and if ye offer the lame and sick, is it not evil? offer it now unto thy governor; will he be pleased with thee, or accept thy person? saith the LORD of hosts.
8. Quand vous offrez en sacrifice une bête aveugle, n`est-ce pas mal? Quand vous en offrez une boiteuse ou infirme, n`est-ce pas mal? Offre-la donc à ton gouverneur! Te recevra-t-il bien, te fera-t-il bon accueil? Dit l`Éternel des armées.
8. Ary raha jamba no entinareo atao fanatitra, tsy ratsy hoe izany? Ary raha mandringa sy marary no atolotrareo, tsy ratsy hoe izany? Atero ho an' ny governoranao ange izany ankehitriny, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
9. And now, I pray you, beseech God that he will be gracious unto us: this hath been by your means: will he regard your persons? saith the LORD of hosts.
9. Priez Dieu maintenant, pour qu`il ait pitié de nous! C`est de vous que cela vient: Vous recevra-t-il favorablement? Dit l`Éternel des armées.
9. "Koa ankehitriny, masìna ianareo, andeha mifona amin' Andriamanitra hamindrany fo amintsika; ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon' ny maro."
10. Who is there even among you that would shut the doors for nought? neither do ye kindle fire on mine altar for nought. I have no pleasure in you, saith the LORD of hosts, neither will I accept an offering at your hand.
10. Lequel de vous fermera les portes, Pour que vous n`allumiez pas en vain le feu sur mon autel? Je ne prends aucun plaisir en vous, dit l`Éternel des armées, Et les offrandes de votre main ne me sont point agréables.
10. Iza eo aminareo no handrindrina ny varavarana mba tsy handrehitra afo fahatany eo amin' ny alitarako? Tsy hankasitraka anareo Aho, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, na te-handray fanatitra amin' ny tananareo.
11. For from the rising of the sun even unto the going down of the same my name shall be great among the Gentiles; and in every place incense shall be offered unto my name, and a pure offering: for my name shall be great among the heathen, saith the LORD of hosts.
11. "Car depuis le lever du soleil jusqu`à son couchant, Mon nom est grand parmi les nations, Et en tout lieu on brûle de l`encens en l`honneur de mon nom Et l`on présente des offrandes pures; Car grand est mon nom parmi les nations, Dit l`Éternel des armées."
11. "Fa hatramin' ny fiposahan' ny masoandro ka hatramin' ny filentehany dia ho lehibe ny anarako any amin' ny Jentilisa, ary any amin' ny toerana rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an' ny anarako; fa ho lehibe any amin' ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon' ny maro"
12. But ye have profaned it, in that ye say, The table of the LORD is polluted; and the fruit thereof, even his meat, is contemptible.
12. Mais vous, vous le profanez, En disant: La table de l`Éternel est souillée, Et ce qu`elle rapporte est un aliment méprisable.
12. Fa ianareo kosa nanamavo izany amin' ny fanaovanareo hoe: voaloto ny latabatr' i Jehovah ary ny vokany, eny, ny haniny dia tsinontsinona.
13. Ye said also, Behold, what a weariness is it! and ye have snuffed at it, saith the LORD of hosts; and ye brought that which was torn, and the lame, and the sick; thus ye brought an offering: should I accept this of your hand? saith the LORD.
13. "Vous dites: Quelle fatigue! et vous le dédaignez, Dit l`Éternel des armées; Et cependant vous amenez ce qui est dérobé, boiteux ou infirme, Et ce sont les offrandes que vous faites! Puis-je les agréer de vos mains? dit l`Éternel."
13. "Hoy koa ianareo: endrey, hasasarana lahy! Ary ikefonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon' ny maro; entinareo ny noviraviraina sy ny mandringa sy ny marary, toy izany no entinareo ho fanatitra, moa te-handray izany amin' ny tananareo va Aho? hoy Jehovah."
14. But cursed be the deceiver, which hath in his flock a male, and voweth, and sacrificeth unto the LORD a corrupt thing: for I am a great King, saith the LORD of hosts, and my name is dreadful among the heathen.
14. Maudit soit le trompeur qui a dans son troupeau un mâle, Et qui voue et sacrifie au Seigneur une bête chétive! Car je suis un grand roi, dit l`Éternel des armées, Et mon nom est redoutable parmi les nations.
14. Fa voaozona ny mpamitaka izay manana ondrilahy ao amin' ny ondriny, ary mivoady ka manao fanatitra zava-dratsy ho an' i Jehovah. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin' ny jentilisa.
Chapter 2
1. And now, O ye priests, this commandment is for you.
1. Maintenant, à vous cet ordre, sacrificateurs!
1. Ary ankehitriny, ry mpisorona, ho anareo izao didy izao:
2. If ye will not hear, and if ye will not lay it to heart, to give glory unto my name, saith the LORD of hosts, I will even send a curse upon you, and I will curse your blessings: yea, I have cursed them already, because ye do not lay it to heart.
2. "Si vous n`écoutez pas, si vous ne prenez pas à coeur De donner gloire à mon nom, dit l`Éternel des armées, J`enverrai parmi vous la malédiction, et je maudirai vos bénédictions; Oui, je les maudirai, parce que vous ne l`avez pas à coeur."
2. "Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tsodrano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo."
3. Behold, I will corrupt your seed, and spread dung upon your faces, even the dung of your solemn feasts; and one shall take you away with it.
3. Voici, je détruirai vos semences, Et je vous jetterai des excréments au visage, Les excréments des victimes que vous sacrifiez, Et on vous emportera avec eux.
3. Indro, hosimbako ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin' ny andro firavoravoanareo lehibe sy mahatahotra, ary hailika miaraka aminy ianareo.
4. And ye shall know that I have sent this commandment unto you, that my covenant might be with Levi, saith the LORD of hosts.
4. Vous saurez alors que je vous ai adressé cet ordre, Afin que mon alliance avec Lévi subsiste, Dit l`Éternel des armées.
4. Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan' ny fanekeko amin' i Levy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
5. My covenant was with him of life and peace; and I gave them to him for the fear wherewith he feared me, and was afraid before my name.
5. "Mon alliance avec lui était une alliance de vie et de paix, Ce que je lui accordai pour qu`il me craignit; Et il a eu pour moi de la crainte, Il a tremblé devant mon nom."
5. "Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy noho ny fahatahorana izay natahorany Ahy izany, ka natahotra teo anatrehan' ny anarako izy."
6. The law of truth was in his mouth, and iniquity was not found in his lips: he walked with me in peace and equity, and did turn many away from iniquity.
6. "La loi de la vérité était dans sa bouche, Et l`iniquité ne s`est point trouvée sur ses lèvres; Il a marché avec moi dans la paix et dans la droiture, Et il a détourné du mal beaucoup d`hommes."
6. "Ny lalan' ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nahitana heloka teo amin' ny molony; tamin' ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin' ny heloka."
7. For the priest's lips should keep knowledge, and they should seek the law at his mouth: for he is the messenger of the LORD of hosts.
7. Car les lèvres du sacrificateur doivent garder la science, Et c`est à sa bouche qu`on demande la loi, Parce qu`il est un envoyé de l`Éternel des armées.
7. Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary tokony hotadiavina eo am-bavany ny lalàna, satria irak' i Jehovah, Tompon' ny maro izy.
8. But ye are departed out of the way; ye have caused many to stumble at the law; ye have corrupted the covenant of Levi, saith the LORD of hosts.
8. Mais vous, vous vous êtes écartés de la voie, Vous avez fait de la loi une occasion de chute pour plusieurs, Vous avez violé l`alliance de Lévi, Dit l`Éternel des armées.
8. Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin' ny lalàna ary namadika ny fanekena amin' i Levy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
9. Therefore have I also made you contemptible and base before all the people, according as ye have not kept my ways, but have been partial in the law.
9. Et moi, je vous rendrai méprisables et vils Aux yeux de tout le peuple, Parce que vous n`avez pas gardé mes voies, Et que vous avez égard à l`apparence des personnes Quand vous interprétez la loi.
9. Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan' ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan' olona ny amin' ny lalàna.
10. Have we not all one father? hath not one God created us? why do we deal treacherously every man against his brother, by profaning the covenant of our fathers?
10. N`avons-nous pas tous un seul père? N`est-ce pas un seul Dieu qui nous a créés? Pourquoi donc sommes-nous infidèles l`un envers l`autre, En profanant l`alliance de nos pères?
10. Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin' ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin' ny razantsika?
11. Judah hath dealt treacherously, and an abomination is committed in Israel and in Jerusalem; for Judah hath profaned the holiness of the LORD which he loved, and hath married the daughter of a strange god.
11. "Juda s`est montré infidèle, Et une abomination a été commise en Israël et à Jérusalem; Car Juda a profané ce qui est consacré à l`Éternel, ce qu`aime l`Éternel, Il s`est uni à la fille d`un dieu étranger."
11. "Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin' ny Isiraely sy eto Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fahamasinan' i Jehovah izay tiany, ka efa nanambady ny zanakavavin' ny andriamani-kafa."
12. The LORD will cut off the man that doeth this, the master and the scholar, out of the tabernacles of Jacob, and him that offereth an offering unto the LORD of hosts.
12. L`Éternel retranchera l`homme qui fait cela, celui qui veille et qui répond, Il le retranchera des tentes de Jacob, Et il retranchera celui qui présente une offrande A l`Éternel des armées.
12. Hofongoran' i Jehovah hiala amin' ny lain' i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, ny mpampianatra sy ny mpianatra, izay manatitra fanatitra ho an' i Jehovah, Tompon' ny maro.
13. And this have ye done again, covering the altar of the LORD with tears, with weeping, and with crying out, insomuch that he regardeth not the offering any more, or receiveth it with good will at your hand.
13. Voici encore ce que vous faites: Vous couvrez de larmes l`autel de l`Éternel, De pleurs et de gémissements, En sorte qu`il n`a plus égard aux offrandes Et qu`il ne peut rien agréer de vos mains.
13. Ary izao no nataonareo indray: saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran' i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, sady tsy mandray izany amin' ny fankasitrahana avy amin' ny tananareo Izy.
14. Yet ye say, Wherefore? Because the LORD hath been witness between thee and the wife of thy youth, against whom thou hast dealt treacherously: yet is she thy companion, and the wife of thy covenant.
14. Et vous dites: Pourquoi?... Parce que l`Éternel a été témoin entre toi et la femme de ta jeunesse, A laquelle tu es infidèle, Bien qu`elle soit ta compagne et la femme de ton alliance.
14. Nefa hoy ianareo: nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin' ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
15. And did not he make one? Yet had he the residue of the spirit. And wherefore one? That he might seek a godly seed. Therefore take heed to your spirit, and let none deal treacherously against the wife of his youth.
15. Nul n`a fait cela, avec un reste de bon sens. Un seul l`a fait, et pourquoi? Parce qu`il cherchait la postérité que Dieu lui avait promise. Prenez donc garde en votre esprit, Et qu`aucun ne soit infidèle à la femme de sa jeunesse!
15. Moa tsy iray va no nataon’Andriamanitra? Nefa mbola nanana tahirina fanahy Izy. Ary nahoana no iray? Mba hitadiavany taranaka araka an' Andriamanitra. Koa tandremo ny fanahinareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin' ny fahatanorany.
16. For the LORD, the God of Israel, saith that he hateth putting away: for one covereth violence with his garment, saith the LORD of hosts: therefore take heed to your spirit, that ye deal not treacherously.
16. Car je hais la répudiation, Dit l`Éternel, le Dieu d`Israël, Et celui qui couvre de violence son vêtement, Dit l`Éternel des armées. Prenez donc garde en votre esprit, Et ne soyez pas infidèles!
16. "Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa misy manarona herisetra amin' ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon' ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo."
17. Ye have wearied the LORD with your words. Yet ye say, Wherein have we wearied him? When ye say, Every one that doeth evil is good in the sight of the LORD, and he delighteth in them; or, Where is the God of judgment?
17. Vous fatiguez l`Éternel par vos paroles, Et vous dites: En quoi l`avons-nous fatigué? C`est en disant: Quiconque fait le mal est bon aux yeux de l`Éternel, Et c`est en lui qu`il prend plaisir! Ou bien: Où est le Dieu de la justice?
17. Efa nanasatra an' i Jehovah amin' ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: amin' inona moa no anasaranay Azy? Amin' ny fanaovanareo hoe: izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason' i Jehovah ka ankasitrahany, na amin' ny hoe: aiza Andriamanitry ny fitsarana?
Chapter 3
1. Behold, I will send my messenger, and he shall prepare the way before me: and the LORD, whom ye seek, shall suddenly come to his temple, even the messenger of the covenant, whom ye delight in: behold, he shall come, saith the LORD of hosts.
1. "Voici, j`enverrai mon messager; Il préparera le chemin devant moi. Et soudain entrera dans son temple le Seigneur que vous cherchez; Et le messager de l`alliance que vous désirez, voici, il vient, Dit l`Éternel des armées."
1. "Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Iraky ny fanekena Izay irinareo, dia indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro."
2. But who may abide the day of his coming? and who shall stand when he appeareth? for he is like a refiner's fire, and like fullers' soap:
2. Qui pourra soutenir le jour de sa venue? Qui restera debout quand il paraîtra? Car il sera comme le feu du fondeur, Comme la potasse des foulons.
2. Nefa iza no mahatanty ny andro hiaviany? Ary iza no hahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon' ny mpandrendrika sy ny savonin' ny mpanasa lamba.
3. And he shall sit as a refiner and purifier of silver: and he shall purify the sons of Levi, and purge them as gold and silver, that they may offer unto the LORD an offering in righteousness.
3. "Il s`assiéra, fondra et purifiera l`argent; Il purifiera les fils de Lévi, Il les épurera comme on épure l`or et l`argent, Et ils présenteront à l`Éternel des offrandes avec justice."
3. "Ary hipetraka toy ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy Izy; hanadio ny taranak' i Levy izy sy handrendrika azy toy ny volamena sy volafotsy, mba hanaterany fanatitra amim-pahamarinana ho an' i Jehovah."
4. Then shall the offering of Judah and Jerusalem be pleasant unto the LORD, as in the days of old, and as in former years.
4. Alors l`offrande de Juda et de Jérusalem sera agréable à l`Éternel, Comme aux anciens jours, comme aux années d`autrefois.
4. Dia hankasitran' i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin' ny andro fahiny, sy tamin' ny taona taloha.
5. And I will come near to you to judgment; and I will be a swift witness against the sorcerers, and against the adulterers, and against false swearers, and against those that oppress the hireling in his wages, the widow, and the fatherless, and that turn aside the stranger from his right, and fear not me, saith the LORD of hosts.
5. Je m`approcherai de vous pour le jugement, Et je me hâterai de témoigner contre les enchanteurs et les adultères, Contre ceux qui jurent faussement, Contre ceux qui retiennent le salaire du mercenaire, Qui oppriment la veuve et l`orphelin, Qui font tort à l`étranger, et ne me craignent pas, Dit l`Éternel des armées.
5. Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin' ny karamany mbamin' ny mpitondratena sy ny kamboty, ary izay mamily ny vahiny amin' ny rariny izay azy, fa tsy matahotra Ahy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
6. For I am the LORD, I change not; therefore ye sons of Jacob are not consumed.
6. "Car je suis l`Éternel, je ne change pas; Et vous, enfants de Jacob, vous n`avez pas été consumés."
6. "Fa Izaho no Jehovah, tsy miova Aho; koa ianareo ry taranak' i Jakoba dia tsy fongana."
7. Even from the days of your fathers ye are gone away from mine ordinances, and have not kept them. Return unto me, and I will return unto you, saith the LORD of hosts. But ye said, Wherein shall we return?
7. Depuis le temps de vos pères, vous vous êtes écartés de mes ordonnances, Vous ne les avez point observées. Revenez à moi, et je reviendrai à vous, dit l`Éternel des armées. Et vous dites: En quoi devons-nous revenir?
7. Hatramin' ny andron' ny razanareo dia efa niala tamin' ny didiko ianareo ka tsy nitandrina izany. Miverena amiko, dia mba hiverina aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon' ny maro. Nefa hoy ianareo: ahoana àry no ho fiverinay?
8. Will a man rob God? Yet ye have robbed me. But ye say, Wherein have we robbed thee? In tithes and offerings.
8. Un homme trompe-t-il Dieu? Car vous me trompez, Et vous dites: En quoi t`avons-nous trompé? Dans les dîmes et les offrandes.
8. Handroba an' Andriamanitra va ny olona? No dia nandroba Ahy ianareo. Nefa hoy ianareo, ahoana moa no nandrobanay anao? Amin' ny ampahafolony sy ny fanatitra.
9. Ye are cursed with a curse: for ye have robbed me, even this whole nation.
9. Vous êtes frappés par la malédiction, Et vous me trompez, La nation tout entière!
9. Voaozona amin' ny ozona ianareo, fa efa nandroba Ahy ianareo, dia izao firenena manontolo izao.
10. Bring ye all the tithes into the storehouse, that there may be meat in mine house, and prove me now herewith, saith the LORD of hosts, if I will not open you the windows of heaven, and pour you out a blessing, that there shall not be room enough to receive it.
10. "Apportez à la maison du trésor toutes les dîmes, Afin qu`il y ait de la nourriture dans ma maison; Mettez-moi de la sorte à l`épreuve, Dit l`Éternel des armées. Et vous verrez si je n`ouvre pas pour vous les écluses des cieux, Si je ne répands pas sur vous la bénédiction en abondance."
10. Entonareo ny ampahafolony rehetra ho ao an-trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin' izany Aho ankehitriny, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, raha tsy hovohako ho anareo ny varavarankelin' ny lanitra, ka handrotsahako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
11. And I will rebuke the devourer for your sakes, and he shall not destroy the fruits of your ground; neither shall your vine cast her fruit before the time in the field, saith the LORD of hosts.
11. Pour vous je menacerai celui qui dévore, Et il ne vous détruira pas les fruits de la terre, Et la vigne ne sera pas stérile dans vos campagnes, Dit l`Éternel des armées.
11. Ary hasiako teny mafy ny mpandany noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny taninareo intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo eny an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
12. And all nations shall call you blessed: for ye shall be a delightsome land, saith the LORD of hosts.
12. Toutes les nations vous diront heureux, Car vous serez un pays de délices, Dit l`Éternel des armées.
12. "Ary ianareo hataon' ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon' ny maro."
13. Your words have been stout against me, saith the LORD. Yet ye say, What have we spoken so much against thee?
13. Vos paroles sont rudes contre moi, dit l`Éternel. Et vous dites: Qu`avons-nous dit contre toi?
13. "Ny teninareo dia nahery namely Ahy, hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo;inona tokoa no resakay namely Anao?"
14. Ye have said, It is vain to serve God: and what profit is it that we have kept his ordinance, and that we have walked mournfully before the LORD of hosts?
14. "Vous avez dit: C`est en vain que l`on sert Dieu; Qu`avons-nous gagné à observer ses préceptes, Et à marcher avec tristesse A cause de l`Éternel des armées?"
14. "Efa nilaza ianareo hoe: zava-poana ny manompo an' Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin' ny nitandremantsika ny didiny, sy tamin' ny nandehanantsika tamin' ny fisaonana teo anatrehan' i Jehovah, Tompon' ny maro?"
15. And now we call the proud happy; yea, they that work wickedness are set up; yea, they that tempt God are even delivered.
15. "Maintenant nous estimons heureux les hautains; Oui, les méchants prospèrent; Oui, ils tentent Dieu, et ils échappent!"
15. "Ary ankehitriny dia ataontsika hoe: Sambatra ny mpirehareha; eny, voaorina tsara ny mpanao ratsy; eny, izay maka fanahy an' Andriamanitra dia afaka ihany."
16. Then they that feared the LORD spake often one to another: and the LORD hearkened, and heard it, and a book of remembrance was written before him for them that feared the LORD, and that thought upon his name.
16. "Alors ceux qui craignent l`Éternel se parlèrent l`un à l`autre; L`Éternel fut attentif, et il écouta; Et un livre de souvenir fut écrit devant lui Pour ceux qui craignent l`Éternel Et qui honorent son nom."
16. "Koa ireo izay natahotra an' i Jehovah dia samy nifampiresaka matetika; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary ny boky fahatsiarovana dia nosoratana teo anatrehany ho an' izay matahotra an' i Jehovah sy izay mihevitra ny anarany."
17. And they shall be mine, saith the LORD of hosts, in that day when I make up my jewels; and I will spare them, as a man spareth his own son that serveth him.
17. "Ils seront à moi, dit l`Éternel des armées, Ils m`appartiendront, au jour que je prépare; J`aurai compassion d`eux, Comme un homme a compassion de son fils qui le sert."
17. "Ary ho Ahy izy ireny, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, amin' izany andro izany izay hanamboarako ny vatosoako; ary ho antra azy Aho, toy ny olona antra ny zanany lahy izay manompo azy."
18. Then shall ye return, and discern between the righteous and the wicked, between him that serveth God and him that serveth him not.
18. Et vous verrez de nouveau la différence Entre le juste et le méchant, Entre celui qui sert Dieu Et celui qui ne le sert pas.
18. Dia hiverina ianareo ka hamantatra ny fahasamihafan' ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an' Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
Chapter 4
1. For, behold, the day cometh, that shall burn as an oven; and all the proud, yea, and all that do wickedly, shall be stubble: and the day that cometh shall burn them up, saith the LORD of hosts, that it shall leave them neither root nor branch.
1. "Car voici, le jour vient, Ardent comme une fournaise. Tous les hautains et tous les méchants seront comme du chaume; Le jour qui vient les embrasera, Dit l`Éternel des armées, Il ne leur laissera ni racine ni rameau."
1. "Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra, eny ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany."
2. But unto you that fear my name shall the Sun of righteousness arise with healing in his wings; and ye shall go forth, and grow up as calves of the stall.
2. "Mais pour vous qui craignez mon nom, se lèvera Le soleil de la justice, Et la guérison sera sous ses ailes; Vous sortirez, et vous sauterez comme les veaux d`une étable,"
2. "Fa hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako, ny Masoandron' ny fahamarinana, manana fanasitranana eo amin' ny elany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak' omby mifahy."
3. And ye shall tread down the wicked; for they shall be ashes under the soles of your feet in the day that I shall do this, saith the LORD of hosts.
3. Et vous foulerez les méchants, Car ils seront comme de la cendre Sous la plante de vos pieds, Au jour que je prépare, Dit l`Éternel des armées.
3. Ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy: fa ho lavenona eo ambanin' ny faladianareo izy amin' ny andro izay hanaovako izany, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
4. Remember ye the law of Moses my servant, which I commanded unto him in Horeb for all Israel, with the statutes and judgments.
4. Souvenez-vous de la loi de Moïse, mon serviteur, Auquel j`ai prescrit en Horeb, pour tout Israël, Des préceptes et des ordonnances.
4. Tsarovinareo ny lalàn' i Mosesy mpanompoko izay nandidiako azy tao Horeba ho an' ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
5. Behold, I will send you Elijah the prophet before the coming of the great and dreadful day of the LORD:
5. Voici, je vous enverrai Élie, le prophète, Avant que le jour de l`Éternel arrive, Ce jour grand et redoutable.
5. "Indro, haniraka an' i Elia mpaminany ho aminareo Aho, dieny tsy mbola tonga ny andron' i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;"
6. And he shall turn the heart of the fathers to the children, and the heart of the children to their fathers, lest I come and smite the earth with a curse.
6. Il ramènera le coeur des pères à leurs enfants, Et le coeur des enfants à leurs pères, De peur que je ne vienne frapper le pays d`interdit.
6. Ary izy hampody ny fon' ny ray ho amin' ny zanaka, ary ny fon' ny zanaka ho amin' ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin' ny fanozonana.