1. In thee, O LORD, do I put my trust: let me never be put to confusion.
1. Éternel! je cherche en toi mon refuge: Que jamais je ne sois confondu!
1. IANAO Jehovah ô, no tena itokiako, aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
2. Deliver me in thy righteousness, and cause me to escape: incline thine ear unto me, and save me.
2. Dans ta justice, sauve-moi et délivre-moi! Incline vers moi ton oreille, et secours-moi!
2. "Afaho noho ny fahamarinanao aho mba hahazoako mandositra; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho."
3. Be thou my strong habitation, whereunto I may continually resort: thou hast given commandment to save me; for thou art my rock and my fortress.
3. Sois pour moi un rocher qui me serve d`asile, Où je puisse toujours me retirer! Tu as résolu de me sauver, Car tu es mon rocher et ma forteresse.
3. "Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Ianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambato sy batery fiarovana ho ahy Ianao."
4. Deliver me, O my God, out of the hand of the wicked, out of the hand of the unrighteous and cruel man.
4. Mon Dieu, délivre-moi de la main du méchant, De la main de l`homme inique et violent!
4. Andriamanitro ô, afaho amin' ny tanan' ny ratsy fanahy aho, dia amin' ny tanan' ny mpanao heloka sy ny lozabe.
5. For thou art my hope, O Lord GOD: thou art my trust from my youth.
5. Car tu es mon espérance, Seigneur Éternel! En toi je me confie dès ma jeunesse.
5. Fa Ianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
6. By thee have I been holden up from the womb: thou art he that took me out of my mother's bowels: my praise shall be continually of thee.
6. "Dès le ventre de ma mère je m`appuie sur toi; C`est toi qui m`as fait sortir du sein maternel; tu es sans cesse l`objet de mes louanges."
6. "Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; Ianao no deraiko mandrakariva."
7. I am as a wonder unto many; but thou art my strong refuge.
7. Je suis pour plusieurs comme un prodige, Et toi, tu es mon puissant refuge.
7. "Tonga toa zava-mahagaga eo imason' ny maro aho; nefa Ianao no fialofana mafy ho ahy."
8. Let my mouth be filled with thy praise and with thy honour all the day.
8. Que ma bouche soit remplie de tes louanges, Que chaque jour elle te glorifie!
8. Aoka ny vavako ho feno ny fiderana Anao sy ny fankalazana Anao mandritra ny andro.
9. Cast me not off in the time of old age; forsake me not when my strength faileth.
9. "Ne me rejette pas au temps de la vieillesse; Quand mes forces s`en vont, ne m`abandonne pas!"
9. "Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko."
10. For mine enemies speak against me; and they that lay wait for my soul take counsel together,
10. Car mes ennemis parlent de moi, Et ceux qui guettent ma vie se consultent entre eux,
10. "Fa miresaka manohitra ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko,"
11. Saying, God hath forsaken him: persecute and take him; for there is none to deliver him.
11. "Disant: Dieu l`abandonne; Poursuivez, saisissez-le; il n`y a personne pour le délivrer."
11. "Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy ka sambory, fa tsy misy mamonjy azy."
12. O God, be not far from me: O my God, make haste for my help.
12. O Dieu, ne t`éloigne pas de moi! Mon Dieu, viens en hâte à mon secours!
12. "Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingàna hamonjy ahy."
13. Let them be confounded and consumed that are adversaries to my soul; let them be covered with reproach and dishonour that seek my hurt.
13. Qu`ils soient confus, anéantis, ceux qui en veulent à ma vie! Qu`ils soient couverts de honte et d`opprobre, ceux qui cherchent ma perte!
13. "Aoka ho menatra sy ho levona ny fahavalon' ny fanahiko; aoka hitafy latsa sy fahafaham-baràka izay mikatsaka ny fahavoazako."
14. But I will hope continually, and will yet praise thee more and more.
14. Et moi, j`espérerai toujours, Je te louerai de plus en plus.
14. Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fiderako Anao.
15. My mouth shall shew forth thy righteousness and thy salvation all the day; for I know not the numbers thereof.
15. Ma bouche publiera ta justice, ton salut, chaque jour, Car j`ignore quelles en sont les bornes.
15. "Ny vavako hanambara ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandritra ny andro; fa tsy fantatro ny isany."
16. I will go in the strength of the Lord GOD: I will make mention of thy righteousness, even of thine only.
16. Je dirai tes oeuvres puissantes, Seigneur Éternel! Je rappellerai ta justice, la tienne seule.
16. "Handeha amin' ny herin' i Jehovah Tompo aho; hanambara ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany."
17. O God, thou hast taught me from my youth: and hitherto have I declared thy wondrous works.
17. O Dieu! tu m`as instruit dès ma jeunesse, Et jusqu`à présent j`annonce tes merveilles.
17. "Andriamanitra ô, efa nampianatra ahy hatry ny fahatanorako Ianao; ary mandraka ankehitriny dia manambara ny asanao mahagaga aho."
18. Now also when I am old and greyheaded, O God, forsake me not; until I have shewed thy strength unto this generation, and thy power to every one that is to come.
18. Ne m`abandonne pas, ô Dieu! même dans la blanche vieillesse, Afin que j`annonce ta force à la génération présente, Ta puissance à la génération future!
18. Koa ankehitriny, raha antitra sy fotsy volo aho, ry Andriamanitra ô, dia aza mahafoy ahy mandra-pilazako ny sandrinao amin' ity taranaka ity, sy ny herinao amin' izay taranaka ho avy.
19. Thy righteousness also, O God, is very high, who hast done great things: O God, who is like unto thee!
19. "Ta justice, ô Dieu! atteint jusqu`au ciel; Tu as accompli de grandes choses: ô Dieu! qui est semblable à toi?"
19. "Avo indrindra koa ny fahamarinanao, Andriamanitro ô, izay efa nanao asa lehibe; Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao!"
20. Thou, which hast shewed me great and sore troubles, shalt quicken me again, and shalt bring me up again from the depths of the earth.
20. "Tu nous as fait éprouver bien des détresses et des malheurs; Mais tu nous redonneras la vie, Tu nous feras remonter des abîmes de la terre."
20. Ianao izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray ka hampiakatra ahy indray hiala amin' ny fitoerana lalina amin' ny tany.
21. Thou shalt increase my greatness, and comfort me on every side.
21. Relève ma grandeur, Console-moi de nouveau!
21. Ianao no hampitombo ny fahalehibeazako sy hampionona ahy amin' ny lafiny rehetra.
22. I will also praise thee with the psaltery, even thy truth, O my God: unto thee will I sing with the harp, O thou Holy One of Israel.
22. Et je te louerai au son du luth, je chanterai ta fidélité, mon Dieu, Je te célébrerai avec la harpe, Saint d`Israël!
22. "Izaho kosa hidera Anao amin' ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro ô; hankalaza Anao amin' ny harpa aho, ry Iray Masin' ny Isiraely ô."
23. My lips shall greatly rejoice when I sing unto thee; and my soul, which thou hast redeemed.
23. "En te célébrant, j`aurai la joie sur les lèvres, La joie dans mon âme que tu as délivrée;"
23. Hihoby tokoa ny molotro raha mihira ho Anao aho, ary ny fanahiko izay navotanao.
24. My tongue also shall talk of thy righteousness all the day long: for they are confounded, for they are brought unto shame, that seek my hurt.
24. Ma langue chaque jour publiera ta justice, Car ceux qui cherchent ma perte sont honteux et confus.
24. "Hilaza ny fahamarinanao mandritra ny andro koa ny lelako; fa ho menatra sy mangaihay izay mikatsaka ny fahavoazako."