1. The mighty God, even the LORD, hath spoken, and called the earth from the rising of the sun unto the going down thereof.
1. Psaume d`Asaph. Dieu, Dieu, l`Éternel, parle, et convoque la terre, Depuis le soleil levant jusqu`au soleil couchant.
1. [Salamo nataon' i Asafa.] ANDRIAMANITRA mahery, dia Jehovah no niteny, ka niantso ny tany hatramin' ny fiposahan' ny masoandro ka hatramin' ny filentehany.
2. Out of Zion, the perfection of beauty, God hath shined.
2. De Sion, beauté parfaite, Dieu resplendit.
2. Avy ao Ziona, izay tanteraka amin' ny fahatsaran-tarehy, no amirapiratan' Andriamanitra.
3. Our God shall come, and shall not keep silence: a fire shall devour before him, and it shall be very tempestuous round about him.
3. "Il vient, notre Dieu, il ne reste pas en silence; Devant lui est un feu dévorant, Autour de lui une violente tempête."
3. "Ho avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no handevona eo anoloany, ary tafio-drivotra mahery no hanodidina azy."
4. He shall call to the heavens from above, and to the earth, that he may judge his people.
4. Il crie vers les cieux en haut, Et vers la terre, pour juger son peuple:
4. Hiantso ny lanitra any ambony izy sy ny tany koa, mba hitsarany ny olony.
5. Gather my saints together unto me; those that have made a covenant with me by sacrifice.
5. Rassemblez-moi mes fidèles, Qui ont fait alliance avec moi par le sacrifice! -
5. Angony ety amiko ny oloko masina, izay manao fanekena amiko amin' ny fanatitra.
6. And the heavens shall declare his righteousness: for God is judge himself. Selah.
6. Et les cieux publieront sa justice, Car c`est Dieu qui est juge. -Pause.
6. "Hasehon' ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.[Sela.]"
7. Hear, O my people, and I will speak; O Israel, and I will testify against thee: I am God, even thy God.
7. "Écoute, mon peuple! et je parlerai; Israël! et je t`avertirai. Je suis Dieu, ton Dieu."
7. "Mihainoa, ry oloko, fa hiteny aho; ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao."
8. I will not reprove thee for thy sacrifices or thy burnt offerings, to have been continually before me.
8. "Ce n`est pas pour tes sacrifices que je te fais des reproches; Tes holocaustes sont constamment devant moi."
8. Tsy ny fanatitrao no hananarako anao, na ny fanatitra doranao izay efa eo anatrehako mandrakariva.
9. I will take no bullock out of thy house, nor he goats out of thy folds.
9. Je ne prendrai pas de taureau dans ta maison, Ni de bouc dans tes bergeries.
9. "Tsy haka vantotr' ombilahy amin' ny tranonao aho, na osilahy amin' ny valanao;"
10. For every beast of the forest is mine, and the cattle upon a thousand hills.
10. "Car tous les animaux des forêts sont à moi, Toutes les bêtes des montagnes par milliers;"
10. Fa ahy ny biby rehetra any an' ala, sy ny biby eny an-kavoana arivoarivo.
11. I know all the fowls of the mountains: and the wild beasts of the field are mine.
11. Je connais tous les oiseaux des montagnes, Et tout ce qui se meut dans les champs m`appartient.
11. "Fantatro ny voro-manidina rehetra eny an-tendrombohitra; Ahy ny biby dia rehetra any an-tsaha."
12. If I were hungry, I would not tell thee: for the world is mine, and the fulness thereof.
12. Si j`avais faim, je ne te le dirais pas, Car le monde est à moi et tout ce qu`il renferme.
12. "Raha mba noana aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy."
13. Will I eat the flesh of bulls, or drink the blood of goats?
13. Est-ce que je mange la chair des taureaux? Est-ce que je bois le sang des boucs?
13. Hihinana ny nofon' ombilahy va aho, na hisotro ny ràn' osilahy?
14. Offer unto God thanksgiving; and pay thy vows unto the most High:
14. Offre pour sacrifice à Dieu des actions de grâces, Et accomplis tes voeux envers le Très Haut.
14. "Manatera fanati-pisaorana ho an' Andriamanitra; ary efao amin' ny Avo Indrindra ny voadinao;"
15. And call upon me in the day of trouble: I will deliver thee, and thou shalt glorify me.
15. "Et invoque-moi au jour de la détresse; Je te délivrerai, et tu me glorifieras."
15. Ary antsoy Aho amin' ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
16. But unto the wicked God saith, What hast thou to do to declare my statutes, or that thou shouldest take my covenant in thy mouth?
16. Et Dieu dit au méchant: Quoi donc! tu énumères mes lois, Et tu as mon alliance à la bouche,
16. Fa amin' ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: Ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
17. Seeing thou hatest instruction, and casteth my words behind thee.
17. Toi qui hais les avis, Et qui jettes mes paroles derrière toi!
17. Fa mankahala fananarana ianao, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
18. When thou sawest a thief, then thou consentedst with him, and hast been partaker with adulterers.
18. Si tu vois un voleur, tu te plais avec lui, Et ta part est avec les adultères.
18. Raha mahita mpangalatra ianao dia mifanaiky aminy, ary miray anjara amin' ny mpijangajanga.
19. Thou givest thy mouth to evil, and thy tongue frameth deceit.
19. Tu livres ta bouche au mal, Et ta langue est un tissu de tromperies.
19. Alefanao hiteny ratsy ny vavanao, ary mamorom-pitaka ny lelanao.
20. Thou sittest and speakest against thy brother; thou slanderest thine own mother's son.
20. Tu t`assieds, et tu parles contre ton frère, Tu diffames le fils de ta mère.
20. Mipetraka sy miteny manohitra ny rahalahinao ianao, sady manaratsy ny zanakalahin-dreninao.
21. These things hast thou done, and I kept silence; thou thoughtest that I was altogether such an one as thyself: but I will reprove thee, and set them in order before thine eyes.
21. "Voilà ce que tu as fait, et je me suis tu. Tu t`es imaginé que je te ressemblais; Mais je vais te reprendre, et tout mettre sous tes yeux."
21. Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! fa hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
22. Now consider this, ye that forget God, lest I tear you in pieces, and there be none to deliver.
22. Prenez-y donc garde, vous qui oubliez Dieu, De peur que je ne déchire, sans que personne délivre.
22. "Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an' Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho ka tsy misy hamonjy;"
23. Whoso offereth praise glorifieth me: and to him that ordereth his conversation aright will I shew the salvation of God.
23. Celui qui offre pour sacrifice des actions de grâces me glorifie, Et à celui qui veille sur sa voie Je ferai voir le salut de Dieu.
23. "Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen' Andriamanitra."