1. O LORD, rebuke me not in thy wrath: neither chasten me in thy hot displeasure.
1. (38:1) Psaume de David. Pour souvenir. (38:2) Éternel! ne me punis pas dans ta colère, Et ne me châtie pas dans ta fureur.
1. "[Salamo nataon' i Davida. Ho fampahatsiarovana.] JEHOVAH ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy."
2. For thine arrows stick fast in me, and thy hand presseth me sore.
2. (38:3) Car tes flèches m`ont atteint, Et ta main s`est appesantie sur moi.
2. Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,
3. There is no soundness in my flesh because of thine anger; neither is there any rest in my bones because of my sin.
3. (38:4) Il n`y a rien de sain dans ma chair à cause de ta colère, Il n`y a plus de vigueur dans mes os à cause de mon péché.
3. "Tsy misy fahasalamana ny nofoko rehetra noho ny fahatezeranao; tsy misy fitsaharana ny taolako noho ny fahotako."
4. For mine iniquities are gone over mine head: as an heavy burden they are too heavy for me.
4. "(38:5) Car mes iniquités s`élèvent au-dessus de ma tête; Comme un lourd fardeau, elles sont trop pesantes pour moi."
4. "Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako."
5. My wounds stink and are corrupt because of my foolishness.
5. (38:6) Mes plaies sont infectes et purulentes, Par l`effet de ma folie.
5. Maimbo sy mihalò ny feriko noho ny fahadalako.
6. I am troubled; I am bowed down greatly; I go mourning all the day long.
6. "(38:7) Je suis courbé, abattu au dernier point; Tout le jour je marche dans la tristesse."
6. "Ory aho; mijoretra indrindra aho; misaona mandrakariva aho."
7. For my loins are filled with a loathsome disease: and there is no soundness in my flesh.
7. (38:8) Car un mal brûlant dévore mes entrailles, Et il n`y a rien de sain dans ma chair.
7. "Ary ny vaniako heniky ny aretina mamaivay; ary tsy misy fahasalamana ny nofoko."
8. I am feeble and sore broken: I have roared by reason of the disquietness of my heart.
8. "(38:9) Je suis sans force, entièrement brisé; Le trouble de mon coeur m`arrache des gémissements."
8. "Reraka aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon' ny foko."
9. Lord, all my desire is before thee; and my groaning is not hid from thee.
9. (38:10) Seigneur! tous mes désirs sont devant toi, Et mes soupirs ne te sont point cachés.
9. "Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao."
10. My heart panteth, my strength faileth me: as for the light of mine eyes, it also is gone from me.
10. (38:11) Mon coeur est agité, ma force m`abandonne, Et la lumière de mes yeux n`est plus même avec moi.
10. "Miemponempona ny foko, lany ny heriko; ary ny fahiratan' ny masoko aza efa nandao ahy."
11. My lovers and my friends stand aloof from my sore; and my kinsmen stand afar off.
11. (38:12) Mes amis et mes connaissances s`éloignent de ma plaie, Et mes proches se tiennent à l`écart.
11. "Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; ary ny havako mijanona eny lavitra eny."
12. They also that seek after my life lay snares for me: and they that seek my hurt speak mischievous things, and imagine deceits all the day long.
12. "(38:13) Ceux qui en veulent à ma vie tendent leurs pièges; Ceux qui cherchent mon malheur disent des méchancetés, Et méditent tout le jour des tromperies."
12. "Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fandozana sy misaim-pitaka mandrakariva."
13. But I, as a deaf man, heard not; and I was as a dumb man that openeth not his mouth.
13. "(38:14) Et moi, je suis comme un sourd, je n`entends pas; Je suis comme un muet, qui n`ouvre pas la bouche."
13. "Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;"
14. Thus I was as a man that heareth not, and in whose mouth are no reproofs.
14. (38:15) Je suis comme un homme qui n`entend pas, Et dans la bouche duquel il n`y a point de réplique.
14. Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
15. For in thee, O LORD, do I hope: thou wilt hear, O Lord my God.
15. "(38:16) Éternel! c`est en toi que j`espère; Tu répondras, Seigneur, mon Dieu!"
15. "Fa ianao no antenaiko, Jehovah ô; Ianao no hihaino, ry Tompo Andriamanitro ô."
16. For I said, Hear me, lest otherwise they should rejoice over me: when my foot slippeth, they magnify themselves against me.
16. (38:17) Car je dis: Ne permets pas qu`ils se réjouissent à mon sujet, Qu`ils s`élèvent contre moi, si mon pied chancelle!
16. "Fa hoy aho: Henoy aho, fandrao hifalian' izy ireo aho; ary raha mibolasitra ny tongotro dia hirehareha amiko izy."
17. For I am ready to halt, and my sorrow is continually before me.
17. (38:18) Car je suis près de tomber, Et ma douleur est toujours devant moi.
17. Fa efa ho lavo aho, ary ny alaheloko dia eo anatrehako mandrakariva.
18. For I will declare mine iniquity; I will be sorry for my sin.
18. (38:19) Car je reconnais mon iniquité, Je suis dans la crainte à cause de mon péché.
18. "Fa ny heloko no hambarako; halahelo aho noho ny fahotako."
19. But mine enemies are lively, and they are strong: and they that hate me wrongfully are multiplied.
19. "(38:20) Et mes ennemis sont pleins de vie, pleins de force; Ceux qui me haïssent sans cause sont nombreux."
19. "Fa velona sady mahery ny fahavaloko; ary mitombo ny mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana."
20. They also that render evil for good are mine adversaries; because I follow the thing that good is.
20. "(38:21) Ils me rendent le mal pour le bien; Ils sont mes adversaires, parce que je recherche le bien."
20. Ary fahavaloko koa izay mamaly ratsy ny soa, satria manaraka izay tsara aho.
21. Forsake me not, O LORD: O my God, be not far from me.
21. (38:22) Ne m`abandonne pas, Éternel! Mon Dieu, ne t`éloigne pas de moi!
21. "Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy."
22. Make haste to help me, O Lord my salvation.
22. (38:23) Viens en hâte à mon secours, Seigneur, mon salut!
22. Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, famonjena ahy ô.