1. Plead my cause, O LORD, with them that strive with me: fight against them that fight against me.
1. De David. Éternel! défends-moi contre mes adversaires, Combats ceux qui me combattent!
1. "[Salamo nataon' i Davida.] JEHOVAH ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin' izay miady amiko."
2. Take hold of shield and buckler, and stand up for mine help.
2. Saisis le petit et le grand bouclier, Et lève-toi pour me secourir!
2. Raiso ny ampinga lehibe sy ny ampinga kely, ka mitsangàna mba hamonjy ahy.
3. Draw out also the spear, and stop the way against them that persecute me: say unto my soul, I am thy salvation.
3. Brandis la lance et le javelot contre mes persécuteurs! Dis à mon âme: Je suis ton salut!
3. "Ary raiso ny lefona, ka sakano ny lalan' izay manenjika ahy; lazao amin' ny fanahiko hoe: famonjena anao Aho."
4. Let them be confounded and put to shame that seek after my soul: let them be turned back and brought to confusion that devise my hurt.
4. Qu`ils soient honteux et confus, ceux qui en veulent à ma vie! Qu`ils reculent et rougissent, ceux qui méditent ma perte!
4. "Aoka ho very hevitra sy menatra izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy."
5. Let them be as chaff before the wind: and let the angel of the LORD chase them.
5. Qu`ils soient comme la balle emportée par le vent, Et que l`ange de l`Éternel les chasse!
5. "Aoka ho tahaka ny akofa aelin' ny rivotra izy ireny; ary aoka handroaka azy ny Anjelin' i Jehovah."
6. Let their way be dark and slippery: and let the angel of the LORD persecute them.
6. Que leur route soit ténébreuse et glissante, Et que l`ange de l`Éternel les poursuive!
6. "Aoka ho maizina sy malama ny lalany; ary aoka hanenjika azy ny Anjelin' i Jehovah."
7. For without cause have they hid for me their net in a pit, which without cause they have digged for my soul.
7. Car sans cause ils m`ont tendu leur filet sur une fosse, Sans cause ils l`ont creusée pour m`ôter la vie.
7. "Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanafenany fandri-totofana ho ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hahazoany ny aiko."
8. Let destruction come upon him at unawares; and let his net that he hath hid catch himself: into that very destruction let him fall.
8. Que la ruine les atteigne à l`improviste, Qu`ils soient pris dans le filet qu`ils ont tendu, Qu`ils y tombent et périssent!
8. "Aoka ho tonga tampoka aminy ny fandringanana; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka aoka ho latsaka ao amin' izany fandringanana izany izy."
9. And my soul shall be joyful in the LORD: it shall rejoice in his salvation.
9. Et mon âme aura de la joie en l`Éternel, De l`allégresse en son salut.
9. Ary hifaly amin' i Jehovah kosa ny fanahiko sy ho ravoravo amin' ny famonjeny.
10. All my bones shall say, LORD, who is like unto thee, which deliverest the poor from him that is too strong for him, yea, the poor and the needy from him that spoileth him?
10. Tous mes os diront: Éternel! qui peut, comme toi, Délivrer le malheureux d`un plus fort que lui, Le malheureux et le pauvre de celui qui le dépouille?
10. Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka anao, izay manafaka ny ory amin' izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin' izay mamabo azy.
11. False witnesses did rise up; they laid to my charge things that I knew not.
11. De faux témoins se lèvent: Ils m`interrogent sur ce que j`ignore.
11. "Nitsangana tokoa ny vavolombelona tsy marina; ka izay tsy fantatro no nanadinany ahy."
12. They rewarded me evil for good to the spoiling of my soul.
12. Ils me rendent le mal pour le bien: Mon âme est dans l`abandon.
12. Namaly ratsy ahy ho solon' ny soa izy, mba hanimbana ny fanahiko.
13. But as for me, when they were sick, my clothing was sackcloth: I humbled my soul with fasting; and my prayer returned into mine own bosom.
13. Et moi, quand ils étaient malades, je revêtais un sac, J`humiliais mon âme par le jeûne, Je priais, la tête penchée sur mon sein.
13. "Fa ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampanetry tena ny fanahiko tamin' ny fifadian-kanina aho; ary nody tao an-tratrako ny fivavako."
14. I behaved myself as though he had been my friend or brother: I bowed down heavily, as one that mourneth for his mother.
14. "Comme pour un ami, pour un frère, je me traînais lentement; Comme pour le deuil d`une mère, je me courbais avec tristesse."
14. "Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin' alahelo toy ny fisaona reny aho."
15. But in mine adversity they rejoiced, and gathered themselves together: yea, the abjects gathered themselves together against me, and I knew it not; they did tear me, and ceased not:
15. "Puis, quand je chancelle, ils se réjouissent et s`assemblent, Ils s`assemblent à mon insu pour m`outrager, Ils me déchirent sans relâche;"
15. "Nefa raha tao amin' ny fahoriako kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; eny, olona faraidiny no nitangorona namely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira ahy tokoa izy ka tsy mba nitsahatra."
16. With hypocritical mockers in feasts, they gnashed upon me with their teeth.
16. Avec les impies, les parasites moqueurs, Ils grincent des dents contre moi.
16. Niaraka tamin' ny mpaneso mihatsaravelatsihy teo amin' ny fanasana no nanidiny vazana tamiko.
17. Lord, how long wilt thou look on? rescue my soul from their destructions, my darling from the lions.
17. Seigneur! Jusques à quand le verras-tu? Protège mon âme contre leurs embûches, Ma vie contre les lionceaux!
17. Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao, vonjeo ny fanahiko ho afaka amin' ny fandringanany, ny malalako ho afaka amin' ny liona.
18. I will give thee thanks in the great congregation: I will praise thee among much people.
18. Je te louerai dans la grande assemblée, Je te célébrerai au milieu d`un peuple nombreux.
18. "Hisaotra Anao eo amin' ny fiangonan-dehibe aho; hidera Anao eo anivon' ny olona maro aho."
19. Let not them that are mine enemies wrongfully rejoice over me: neither let them wink with the eye that hate me without a cause.
19. Que ceux qui sont à tort mes ennemis ne se réjouissent pas à mon sujet, Que ceux qui me haïssent sans cause ne m`insultent pas du regard!
19. "Aoka tsy hifalian' izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hamì-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana."
20. For they speak not peace: but they devise deceitful matters against them that are quiet in the land.
20. Car ils tiennent un langage qui n`est point celui de la paix, Ils méditent la tromperie contre les gens tranquilles du pays.
20. "Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin' ny tany."
21. Yea, they opened their mouth wide against me, and said, Aha, aha, our eye hath seen it.
21. Ils ouvrent contre moi leur bouche, Ils disent: Ah! ah! nos yeux regardent! -
21. Eny, mitanatana vava amiko izy, ka manao hoe: Aha, aha, efa hitan' ny masonay izany.
22. This thou hast seen, O LORD: keep not silence: O Lord, be not far from me.
22. Éternel, tu le vois! ne reste pas en silence! Seigneur, ne t`éloigne pas de moi!
22. "Efa hitanao izany, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadìny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy."
23. Stir up thyself, and awake to my judgment, even unto my cause, my God and my Lord.
23. Réveille-toi, réveille-toi pour me faire justice! Mon Dieu et mon Seigneur, défends ma cause!
23. Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin' ny fitsarana ahy, eny, ho amin' ny adiko, ry Tompoko sy Andriamanitro.
24. Judge me, O LORD my God, according to thy righteousness; and let them not rejoice over me.
24. Juge-moi selon ta justice, Éternel, mon Dieu! Et qu`ils ne se réjouissent pas à mon sujet!
24. "Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian' ireo aho."
25. Let them not say in their hearts, Ah, so would we have it: let them not say, We have swallowed him up.
25. Qu`ils ne disent pas dans leur coeur: Ah! voilà ce que nous voulions! Qu`ils ne disent pas: Nous l`avons englouti!
25. Aoka tsy hanao anakampo izy hoe: Hia, faly izahay! Aoka tsy hanao izy hoe: Efa natelinay izy.
26. Let them be ashamed and brought to confusion together that rejoice at mine hurt: let them be clothed with shame and dishonour that magnify themselves against me.
26. Que tous ensemble ils soient honteux et confus, Ceux qui se réjouissent de mon malheur! Qu`ils revêtent l`ignominie et l`opprobre, Ceux qui s`élèvent contre moi!
26. "Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin' ny faharatrako; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baràka izay mirehareha hanohitra ahy."
27. Let them shout for joy, and be glad, that favour my righteous cause: yea, let them say continually, Let the LORD be magnified, which hath pleasure in the prosperity of his servant.
27. Qu`ils aient de l`allégresse et de la joie, Ceux qui prennent plaisir à mon innocence, Et que sans cesse ils disent: Exalté soit l`Éternel, Qui veut la paix de son serviteur!
27. "Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; eny, aoka izy hanao mandrakariva hoe: Hankalazaina anie Jehovah, izay mankasitraka ny fanambinana ny mpanompony."
28. And my tongue shall speak of thy righteousness and of thy praise all the day long.
28. Et ma langue célébrera ta justice, Elle dira tous les jours ta louange.
28. Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao sy ny fiderana Anao mandrakariva.