The Levites

1. These also are the generations of Aaron and Moses in the day that the LORD spake with Moses in mount Sinai.
1. Voici la postérité d`Aaron et de Moïse, au temps où l`Éternel parla à Moïse, sur la montagne de Sinaï.
1. Ary izao koa no taranak' i Arona sy Mosesy tamin' ny andro nitenenan' i Jehovah tamin' i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
2. And these are the names of the sons of Aaron; Nadab the firstborn, and Abihu, Eleazar, and Ithamar.
2. Voici les noms des fils d`Aaron: Nadab, le premier-né, Abihu, Éléazar et Ithamar.
2. Ary izao no anaran' ny zanakalahin' i Arona: Nadaba lahimatoa sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
3. These are the names of the sons of Aaron, the priests which were anointed, whom he consecrated to minister in the priest's office.
3. Ce sont là les noms des fils d`Aaron, qui reçurent l`onction comme sacrificateurs, et qui furent consacrés pour l`exercice du sacerdoce.
3. Ireo no anaran' ny zanakalahin' i Arona, dia ireo mpisorona voahosotra, izay natokany hanao ny asa fanompoana ao amin' ny asan' ny mpisorona.
4. And Nadab and Abihu died before the LORD, when they offered strange fire before the LORD, in the wilderness of Sinai, and they had no children: and Eleazar and Ithamar ministered in the priest's office in the sight of Aaron their father.
4. "Nadab et Abihu moururent devant l`Éternel, lorsqu`ils apportèrent devant l`Éternel du feu étranger, dans le désert de Sinaï; ils n`avaient point de fils. Éléazar et Ithamar exercèrent le sacerdoce, en présence d`Aaron, leur père."
4. "Fa maty teo anatrehan' i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin' izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan' i Jehovah tany an' efitra Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan' i Arona rainy."
5. And the LORD spake unto Moses, saying,
5. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
5. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
6. Bring the tribe of Levi near, and present them before Aaron the priest, that they may minister unto him.
6. Fais approcher la tribu de Lévi, et tu la placeras devant le sacrificateur Aaron, pour qu`elle soit à son service.
6. Ento ny fokon' i Levy hanatona, ka atolory eo anatrehan' i Arona mpisorona mba hanompo azy.
7. And they shall keep his charge, and the charge of the whole congregation before the tabernacle of the congregation, to do the service of the tabernacle.
7. Ils auront le soin de ce qui est remis à sa garde et à la garde de toute l`assemblée, devant la tente d`assignation: ils feront le service du tabernacle.
7. Dia hitandrina ny anjara-raharahan' i Arona sy ny anjara-raharahan' ny fiangonana rehetra eo anoloan' ny tranolay fihaonana ireo, ka hanao ny fanompoana ao amin' ny tabernakely.
8. And they shall keep all the instruments of the tabernacle of the congregation, and the charge of the children of Israel, to do the service of the tabernacle.
8. Ils auront le soin de tous les ustensiles de la tente d`assignation, et de ce qui est remis à la garde des enfants d`Israël: ils feront le service du tabernacle.
8. Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny tranolay fihaonana sy ny anjara-raharahan' ny Zanak' Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin' ny tabernakely.
9. And thou shalt give the Levites unto Aaron and to his sons: they are wholly given unto him out of the children of Israel.
9. "Tu donneras les Lévites à Aaron et à ses fils; ils lui seront entièrement donnés, de la part des enfants d`Israël."
9. "Ary homenao an' i Arona sy ny zanany lahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin' ny Zanak' Isiraely ireo."
10. And thou shalt appoint Aaron and his sons, and they shall wait on their priest's office: and the stranger that cometh nigh shall be put to death.
10. "Tu établiras Aaron et ses fils pour qu`ils observent les fonctions de leur sacerdoce; et l`étranger qui approchera sera puni de mort."
10. "Ary Arona sy ny zanany lahy dia hotendrenao hitandrina ny fisoronana; fa ny vahiny izay manakaiky dia hatao maty."
11. And the LORD spake unto Moses, saying,
11. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
11. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
12. And I, behold, I have taken the Levites from among the children of Israel instead of all the firstborn that openeth the matrix among the children of Israel: therefore the Levites shall be mine;
12. "Voici, j`ai pris les Lévites du milieu des enfants d`Israël, à la place de tous les premiers-nés, des premiers-nés des enfants d`Israël; et les Lévites m`appartiendront."
12. "Ary Izaho, indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin' ny Zanak' Isiraely ho solon' ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin' ny Zanak' Isiraely, ka dia ho Ahy ny Levita;"
13. Because all the firstborn are mine; for on the day that I smote all the firstborn in the land of Egypt I hallowed unto me all the firstborn in Israel, both man and beast: mine shall they be: I am the LORD.
13. "Car tout premier-né m`appartient; le jour où j`ai frappé tous les premiers-nés dans le pays d`Égypte, je me suis consacré tous les premiers-nés en Israël, tant des hommes que des animaux: ils m`appartiendront. Je suis l`Éternel."
13. "Satria Ahy ny lahimatoa rehetra; fa tamin' ny namonoako ny voalohan-teraka rehetra tany amin' ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin' ny Isiraely, na olona na biby; ho Ahy ireo; Izaho no Jehovah."
14. And the LORD spake unto Moses in the wilderness of Sinai, saying,
14. L`Éternel parla à Moïse, dans le désert de Sinaï, et dit:
14. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy tany an' efitr' i Sinay ka nanao hoe:
15. Number the children of Levi after the house of their fathers, by their families: every male from a month old and upward shalt thou number them.
15. "Fais le dénombrement des enfants de Lévi, selon les maisons de leurs pères, selon leurs familles; tu feras le dénombrement de tous les mâles, depuis l`âge d`un mois et au-dessus."
15. Isao ny taranak' i Levy araka ny ankohonan' ny rainy, araka ny fianakaviany, ny lahy rehetra eo aminy hatramin' ny iray volana no ho miakatra no isainao.
16. And Moses numbered them according to the word of the LORD, as he was commanded.
16. Moïse en fit le dénombrement sur l`ordre de l`Éternel, en se conformant à l`ordre qui lui fut donné.
16. Ary Mosesy nanisa azy araka ny tenin' i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
17. And these were the sons of Levi by their names; Gershon, and Kohath, and Merari.
17. Ce sont ici les fils de Lévi, d`après leurs noms: Guerschon, Kehath et Merari. -
17. Ary izao no zanakalahin' i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
18. And these are the names of the sons of Gershon by their families; Libni, and Shimei.
18. Voici les noms des fils de Guerschon, selon leurs familles: Libni et Schimeï.
18. Ary izao no anaran' ny zanakalahin' i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
19. And the sons of Kohath by their families; Amram, and Izehar, Hebron, and Uzziel.
19. "Voici les fils de Kehath, selon leurs familles: Amram, Jitsehar, Hébron et Uziel;"
19. Ary ny zanakalahin' i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
20. And the sons of Merari by their families; Mahli, and Mushi. These are the families of the Levites according to the house of their fathers.
20. et les fils de Merari, selon leurs familles: Machli et Muschi. Ce sont là les familles de Lévi, selon les maisons de leurs pères.
20. Ary ny zanakalahin' i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fianakavian' ny Levita araka ny ankohonan' ny rainy.
21. Of Gershon was the family of the Libnites, and the family of the Shimites: these are the families of the Gershonites.
21. De Guerschon descendent la famille de Libni et la famille de Schimeï, formant les familles des Guerschonites.
21. "Avy tamin' i Gersona ny fianakavian' ny Libnita sy ny fianakavian' ny Simeita; ireo no fianakavian' ny Gersonita."
22. Those that were numbered of them, according to the number of all the males, from a month old and upward, even those that were numbered of them were seven thousand and five hundred.
22. Ceux dont on fit le dénombrement, en comptant tous les mâles depuis l`âge d`un mois et au-dessus, furent sept mille cinq cents.
22. Ireo izay nisaina taminy, araka ny isan' ny lahy rehetra hatramin' ny iray volana no ho miakatra, eny, ireo izay nisaina taminy dia dimanjato amby fito arivo.
23. The families of the Gershonites shall pitch behind the tabernacle westward.
23. Les familles des Guerschonites campaient derrière le tabernacle à l`occident.
23. Ny fianakavian' ny Gersonita dia hitoby eo ivohon' ny tabernakely, dia eo andrefana.
24. And the chief of the house of the father of the Gershonites shall be Eliasaph the son of Lael.
24. Le chef de la maison paternelle des Guerschonites était Éliasaph, fils de Laël.
24. Ary ny ho lohan' ny ankohonan' ny rain' ny fianakavian' ny Gersonita dia Eliasafa, zanakalahin' i Laela.
25. And the charge of the sons of Gershon in the tabernacle of the congregation shall be the tabernacle, and the tent, the covering thereof, and the hanging for the door of the tabernacle of the congregation,
25. "Pour ce qui concerne la tente d`assignation, on remit aux soins des fils de Guerschon le tabernacle et la tente, la couverture, le rideau qui est à l`entrée de la tente d`assignation;"
25. Ary ny ho anjara-raharahan' ny zanakalahin' i Gersona eo amin' ny tranolay fihaonana, dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin' ny varavaran' ny tranolay fihaonana,
26. And the hangings of the court, and the curtain for the door of the court, which is by the tabernacle, and by the altar round about, and the cords of it for all the service thereof.
26. les toiles du parvis et le rideau de l`entrée du parvis, tout autour du tabernacle et de l`autel, et tous les cordages pour le service du tabernacle.
26. Ary ny fefy lamban' ny kianja sy ny vavahady lamba amin' ny vavahadin' ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara ary ny kofehy momba azy ho amin' ny asa fanompoana rehetra.
27. And of Kohath was the family of the Amramites, and the family of the Izeharites, and the family of the Hebronites, and the family of the Uzzielites: these are the families of the Kohathites.
27. De Kehath descendent la famille des Amramites, la famille des Jitseharites, la famille des Hébronites et la famille des Uziélites, formant les familles des Kehathites.
27. "Ary avy amin' i Kehata, dia ny fianakavian' ny Amramita sy ny fianakavian' ny Jizarita sy ny fianakavian' ny Ozielita; ireo no fianakavian' ny Kehatita."
28. In the number of all the males, from a month old and upward, were eight thousand and six hundred, keeping the charge of the sanctuary.
28. En comptant tous les mâles depuis l`âge d`un mois et au-dessus, il y en eut huit mille six cents, qui furent chargés des soins du sanctuaire.
28. Ny isan' ny lahy rehetra hatramin' ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia eninjato amby valo arivo.
29. The families of the sons of Kohath shall pitch on the side of the tabernacle southward.
29. Les familles des fils de Kehath campaient au côté méridional du tabernacle.
29. Ny fianakavian' ny zanakalahin' i Kehata, dia hitoby eo amin' ny lafiny atsimo amin' ny tabernakely.
30. And the chief of the house of the father of the families of the Kohathites shall be Elizaphan the son of Uzziel.
30. Le chef de la maison paternelle des familles des Kehathites était Élitsaphan, fils d`Uziel.
30. Ary ny ho lohan' ny ankohonan' ny rain' ny fianakavian' i Kehata, dia Elisafana, zanakalahin' i Oziela.
31. And their charge shall be the ark, and the table, and the candlestick, and the altars, and the vessels of the sanctuary wherewith they minister, and the hanging, and all the service thereof.
31. On remit à leurs soins l`arche, la table, le chandelier, les autels, les ustensiles du sanctuaire, avec lesquels on fait le service, le voile et tout ce qui en dépend.
31. Ary ny ho anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovanjiro sy ny alitara ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovany ny asa fanompoana ary ny varavarana lamba mbamin' izay rehetra fanaovana ny fanompoana momba izany.
32. And Eleazar the son of Aaron the priest shall be chief over the chief of the Levites, and have the oversight of them that keep the charge of the sanctuary.
32. "Le chef des chefs des Lévites était Éléazar, fils du sacrificateur Aaron; il avait la surveillance de ceux qui étaient chargés des soins du sanctuaire."
32. Ary Eleazara, zanakalahin' i Arona mpisorona no ho lehiben' ny lohan' ny Levita ka ho lehiben' ny mpitandrina ny anjara raharaha ny amin' ny fitoerana masina.
33. Of Merari was the family of the Mahlites, and the family of the Mushites: these are the families of Merari.
33. De Merari descendent la famille de Machli et la famille de Muschi, formant les familles des Merarites.
33. "Avy tamin' i Merary ny fianakavian' ny Malita sy ny fianakavian' ny Mosita; ireo no fianakavian' i Merary."
34. And those that were numbered of them, according to the number of all the males, from a month old and upward, were six thousand and two hundred.
34. Ceux dont on fit le dénombrement, en comptant tous les mâles depuis l`âge d`un mois et au-dessus, furent six mille deux cents.
34. Ary ireo izay nisaina taminy, araka ny isan' ny lahy rehetra hatramin' ny iray volana no ho miakatra, dia roanjato amby enina arivo.
35. And the chief of the house of the father of the families of Merari was Zuriel the son of Abihail: these shall pitch on the side of the tabernacle northward.
35. Le chef de la maison paternelle des familles de Merari était Tsuriel, fils d`Abihaïl. Ils campaient du côté septentrional du tabernacle.
35. " Ary ny lohan' ny ankohonan' ny rain' ny fianakavian' i Merary dia Zoriela, zanakalahin' i Abihaila; ireo no hitoby eo amin' ny lafiny avaratra amin' ny tabernakely."
36. And under the custody and charge of the sons of Merari shall be the boards of the tabernacle, and the bars thereof, and the pillars thereof, and the sockets thereof, and all the vessels thereof, and all that serveth thereto,
36. "On remit à la garde et aux soins des fils de Merari les planches du tabernacle, ses barres, ses colonnes et leurs bases, tous ses ustensiles et tout ce qui en dépend;"
36. Ary ny fitandremana sy ny anjara raharahan' ny zanak' i Merary, dia ny hazofisaka amin' ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
37. And the pillars of the court round about, and their sockets, and their pins, and their cords.
37. les colonnes du parvis tout autour, leurs bases, leurs pieux et leurs cordages.
37. Ary ny tsangantsanganan' ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
38. But those that encamp before the tabernacle toward the east, even before the tabernacle of the congregation eastward, shall be Moses, and Aaron and his sons, keeping the charge of the sanctuary for the charge of the children of Israel; and the stranger that cometh nigh shall be put to death.
38. "Moïse, Aaron et ses fils campaient devant le tabernacle, à l`orient, devant la tente d`assignation, au levant; ils avaient la garde et le soin du sanctuaire, remis à la garde des enfants d`Israël; et l`étranger qui s`approchera sera puni de mort."
38. "Fa ireo izay mitoby eo anoloan' ny tabernakely atsinanana, dia eo anoloan' ny tranolay fihaonana, tandrifin' ny fiposahan' ny masoandro, dia Mosesy sy Arona sy ny zanany lahy, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan' ny Zanak' Isiraely; fa ny vahiny izay manakaiky, dia hatao maty."
39. All that were numbered of the Levites, which Moses and Aaron numbered at the commandment of the LORD, throughout their families, all the males from a month old and upward, were twenty and two thousand.
39. Tous les Lévites dont Moïse et Aaron firent le dénombrement sur l`ordre de l`Éternel, selon leurs familles, tous les mâles depuis l`âge d`un mois et au-dessus, furent vingt-deux mille.
39. Ireo rehetra voaisa tamin' ny Levita dia izay nisain' i Mosesy sy Arona, araka ny didin' i Jehovah, araka ny fianakaviany, ny lahy rehetra hatramin' ny iray volana no ho miakatra dia roa arivo amby roa alina.
40. And the LORD said unto Moses, Number all the firstborn of the males of the children of Israel from a month old and upward, and take the number of their names.
40. L`Éternel dit à Moïse: Fais le dénombrement de tous les premiers-nés mâles parmi les enfants d`Israël, depuis l`âge d`un mois et au-dessus, et compte les d`après leurs noms.
40. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Isao ny lahimatoa rehetra eo amin' ny Zanak' Isiraely hatramin' ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
41. And thou shalt take the Levites for me (I am the LORD) instead of all the firstborn among the children of Israel; and the cattle of the Levites instead of all the firstlings among the cattle of the children of Israel.
41. Tu prendras les Lévites pour moi, l`Éternel, à la place de tous les premiers-nés des enfants d`Israël, et le bétail des Lévites à la place de tous les premiers-nés du bétail des enfants d`Israël.
41. "Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon' ny lahimatoa rehetra eo amin' ny Zanak' Isiraely: (Izaho no Jehovah); ary ny biby fiompin' ny Levita ho solon' ny voalohan-teraka rehetra amin' ny biby fiompin' ny Zanak' Isiraely."
42. And Moses numbered, as the LORD commanded him, all the firstborn among the children of Israel.
42. Moïse fit le dénombrement de tous les premiers-nés parmi les enfants d`Israël, selon l`ordre que l`Éternel lui avait donné.
42. Dia nisain' i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin' ny Zanak' Isiraely, araka izay efa nandidian' i Jehovah azy.
43. And all the firstborn males by the number of names, from a month old and upward, of those that were numbered of them, were twenty and two thousand two hundred and threescore and thirteen.
43. Tous les premiers-nés, dont on fit le dénombrement, en comptant les noms, depuis l`âge d`un mois et au-dessus, furent vingt-deux mille deux cent soixante-treize.
43. Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny isan' ny anarany, hatramin' ny iray volana no ho miakatra, tamin' ireo izay nisaina taminy dia telo amby fitopolo sy roanjato sy roa arivo sy roa alina.
44. And the LORD spake unto Moses, saying,
44. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
44. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
45. Take the Levites instead of all the firstborn among the children of Israel, and the cattle of the Levites instead of their cattle; and the Levites shall be mine: I am the LORD.
45. "Prends les Lévites à la place de tous les premiers-nés des enfants d`Israël, et le bétail des Lévites à la place de leur bétail; et les Lévites m`appartiendront. Je suis l`Éternel."
45. "Alao ny Levita ho solon' ny voalohan-teraka rehetra eo amin' ny Zanak' Isiraely; ary ny biby fiompin' ny Levita ho solon' ny biby fiompiny; ho Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah."
46. And for those that are to be redeemed of the two hundred and threescore and thirteen of the firstborn of the children of Israel, which are more than the Levites;
46. Pour le rachat des deux cent soixante-treize qui dépassent le nombre des Lévites, parmi les premiers-nés des enfants d`Israël,
46. Ary ny amin' ny avotry ny telo amby fitopolo sy roanjato amin' ny lahimatoan' ny Zanak' Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
47. Thou shalt even take five shekels apiece by the poll, after the shekel of the sanctuary shalt thou take them: (the shekel is twenty gerahs:)
47. "tu prendras cinq sicles par tête; tu les prendras selon le sicle du sanctuaire, qui est de vingt guéras."
47. "Dia hangalanao sekely dimy isan' olona; araka ny sekelin' ny fitoerana masina no hangalanao azy (gera roapolo ny sekely iray)."
48. And thou shalt give the money, wherewith the odd number of them is to be redeemed, unto Aaron and to his sons.
48. Tu donneras l`argent à Aaron et à ses fils, pour le rachat de ceux qui dépassent le nombre des Lévites.
48. Dia homenao an' i Arona sy ny zanany lahy ny vola ho avotr' ireo mihoatra isa ireo.
49. And Moses took the redemption money of them that were over and above them that were redeemed by the Levites:
49. "Moïse prit l`argent pour le rachat de ceux qui dépassaient le nombre des rachetés par les Lévites;"
49. "Ary Mosesy nandray ny vola avotra avy amin' ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;"
50. Of the firstborn of the children of Israel took he the money; a thousand three hundred and threescore and five shekels, after the shekel of the sanctuary:
50. il prit l`argent des premiers-nés des enfants d`Israël: mille trois cent soixante-cinq sicles, selon le sicle du sanctuaire.
50. Tamin' ny voalohan-teraky ny Zanak' Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enimpolo sy telonjato sy arivo araka ny sekelin' ny fitoerana masina.
51. And Moses gave the money of them that were redeemed unto Aaron and to his sons, according to the word of the LORD, as the LORD commanded Moses.
51. Et Moïse donna l`argent du rachat à Aaron et à ses fils, sur l`ordre de l`Éternel, en se conformant à l`ordre que l`Éternel avait donné à Moïse.
51. Dia nomen' i Mosesy an' i Arona sy ny zanany lahy izany vola avotra izany, araka ny tenin' i Jehovah, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy.
<
>