Moab Seduces Israel

1. And Israel abode in Shittim, and the people began to commit whoredom with the daughters of Moab.
1. "Israël demeurait à Sittim; et le peuple commença à se livrer à la débauche avec les filles de Moab."
1. Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin' ny zanakavavin' i Moaba izy.
2. And they called the people unto the sacrifices of their gods: and the people did eat, and bowed down to their gods.
2. "Elles invitèrent le peuple aux sacrifices de leurs dieux; et le peuple mangea, et se prosterna devant leurs dieux."
2. Fa ireo niantso ny olona ho amin' ny fanatitra atao ho an' ny andriamaniny, dia nihinana ny olona sady niankohoka tamin' ireo andriamaniny.
3. And Israel joined himself unto Baalpeor: and the anger of the LORD was kindled against Israel.
3. Israël s`attacha à Baal Peor, et la colère de l`Éternel s`enflamma contre Israël.
3. Dia niray tamin' i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran' i Jehovah.
4. And the LORD said unto Moses, Take all the heads of the people, and hang them up before the LORD against the sun, that the fierce anger of the LORD may be turned away from Israel.
4. L`Éternel dit à Moïse: Assemble tous les chefs du peuple, et fais pendre les coupables devant l`Éternel en face du soleil, afin que la colère ardente de l`Éternel se détourne d`Israël.
4. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Alao ny loholona rehetra amin' ny olona, ka ahantòny tandrifin' ny masoandro eo anatrehan' i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan' ny firehetan' ny fahatezeran' i Jehovah amin' ny Isiraely.
5. And Moses said unto the judges of Israel, Slay ye every one his men that were joined unto Baalpeor.
5. Moïse dit aux juges d`Israël: Que chacun de vous tue ceux de ses gens qui se sont attachés à Baal Peor.
5. Dia hoy Mosesy tamin' ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin' i Bala-peora.
6. And, behold, one of the children of Israel came and brought unto his brethren a Midianitish woman in the sight of Moses, and in the sight of all the congregation of the children of Israel, who were weeping before the door of the tabernacle of the congregation.
6. Et voici, un homme des enfants d`Israël vint et amena vers ses frères une Madianite, sous les yeux de Moïse et sous les yeux de toute l`assemblée des enfants d`Israël, tandis qu`ils pleuraient à l`entrée de la tente d`assignation.
6. Ary, indro, avy ny anankiray tamin' ny Zanak' Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin' ny rahalahiny, teo imason' i Mosesy sy ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely rehetra izay nitomany teo amin' ny varavaran' ny tranolay fihaonana.
7. And when Phinehas, the son of Eleazar, the son of Aaron the priest, saw it, he rose up from among the congregation, and took a javelin in his hand;
7. A cette vue, Phinées, fils d`Éléazar, fils du sacrificateur Aaron, se leva du milieu de l`assemblée, et prit une lance, dans sa main.
7. "Ary raha nahita izany Finehasa, zanakalahin' i Eleazara, zanakalahin' i Arona, mpisorona, dia nitsangana niala teo amin' ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tanany;"
8. And he went after the man of Israel into the tent, and thrust both of them through, the man of Israel, and the woman through her belly. So the plague was stayed from the children of Israel.
8. Il suivit l`homme d`Israël dans sa tente, et il les perça tous les deux, l`homme d`Israël, puis la femme, par le bas-ventre. Et la plaie s`arrêta parmi les enfants d`Israël.
8. Dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ilay lehilahy Isiraelita sy ilay vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin' ny kibon-dravehivavy. Dia nitsahatra ny areti-mandringana teo amin' ny Zanak' Isiraely.
9. And those that died in the plague were twenty and four thousand.
9. Il y en eut vingt-quatre mille qui moururent de la plaie.
9. Ary izay maty tamin' ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
10. And the LORD spake unto Moses, saying,
10. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
10. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
11. Phinehas, the son of Eleazar, the son of Aaron the priest, hath turned my wrath away from the children of Israel, while he was zealous for my sake among them, that I consumed not the children of Israel in my jealousy.
11. "Phinées, fils d`Éléazar, fils du sacrificateur Aaron, a détourné ma fureur de dessus les enfants d`Israël, parce qu`il a été animé de mon zèle au milieu d`eux; et je n`ai point, dans ma colère, consumé les enfants d`Israël."
11. "Finehasa, zanakalahin' i Eleazara, zanakalahin' i Arona mpisorona, no nampiala ny fahatezerako tamin' ny Zanak' Isiraely, raha saro-piaro noho ny amiko teo anivon' ireo izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak' Isiraely, tamin' ny fahasarotam-piaroko."
12. Wherefore say, Behold, I give unto him my covenant of peace:
12. C`est pourquoi tu diras que je traite avec lui une alliance de paix.
12. "Noho izany, dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken' ny fihavanako;"
13. And he shall have it, and his seed after him, even the covenant of an everlasting priesthood; because he was zealous for his God, and made an atonement for the children of Israel.
13. Ce sera pour lui et pour sa postérité après lui l`alliance d`un sacerdoce perpétuel, parce qu`il a été zélé pour son Dieu, et qu`il a fait l`expiation pour les enfants d`Israël.
13. Ary izy sy ny taranany mandimby azy, no hanana ny faneken' ny fisoronana mandrakizay, satria saro-piaro ny amin' Andriamaniny izy, ka nanao fanavotana ho an' ny Zanak' Isiraely.
14. Now the name of the Israelite that was slain, even that was slain with the Midianitish woman, was Zimri, the son of Salu, a prince of a chief house among the Simeonites.
14. "L`homme d`Israël, qui fut tué avec la Madianite, s`appelait Zimri, fils de Salu; il était chef d`une maison paternelle des Siméonites."
14. Ary ny anaran' ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanakalahin' i Salo, lohan' ny fianakaviana tamin' ny Simeonita.
15. And the name of the Midianitish woman that was slain was Cozbi, the daughter of Zur; he was head over a people, and of a chief house in Midian.
15. La femme qui fut tuée, la Madianite, s`appelait Cozbi, fille de Tsur, chef des peuplades issues d`une maison paternelle en Madian.
15. Ary ny anaran' ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanakavavin' i Zora, lohan' ny fianakaviana tamin' ny Midianita.
16. And the LORD spake unto Moses, saying,
16. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
16. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
17. Vex the Midianites, and smite them:
17. "Traite les Madianites en ennemis, et tuez-les;"
17. "Rafeso ny Midianita, ka asio;"
18. For they vex you with their wiles, wherewith they have beguiled you in the matter of Peor, and in the matter of Cozbi, the daughter of a prince of Midian, their sister, which was slain in the day of the plague for Peor's sake.
18. car ils se sont montrés vos ennemis, en vous séduisant par leurs ruses, dans l`affaire de Peor, et dans l`affaire de Cozbi, fille d`un chef de Madian, leur soeur, tuée le jour de la plaie qui eut lieu à l`occasion de Peor.
18. Fa izy nandrafy anareo tamin' ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin' ny raharahan' i Peora sy ny raharahan' i Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin' ny andron' ny areti-mandringana noho ny amin' i Peora.
<
>