1. And when Balaam saw that it pleased the LORD to bless Israel, he went not, as at other times, to seek for enchantments, but he set his face toward the wilderness.
1. "Balaam vit que l`Éternel trouvait bon de bénir Israël, et il n`alla point comme les autres fois, à la rencontre des enchantements; mais il tourna son visage du côté du désert."
1. Ary rehefa hitan' i Balama fa sitrak' i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
2. And Balaam lifted up his eyes, and he saw Israel abiding in his tents according to their tribes; and the spirit of God came upon him.
2. Balaam leva les yeux, et vit Israël campé selon ses tribus. Alors l`esprit de Dieu fut sur lui.
2. "Dia natopin' i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoetra eo amin' ny lainy araka ny fireneny avy izy; ary dia tonga tamin' i Balama ny Fanahin' Andriamanitra."
3. And he took up his parable, and said, Balaam the son of Beor hath said, and the man whose eyes are open hath said:
3. Balaam prononça son oracle, et dit: Parole de Balaam, fils de Beor, Parole de l`homme qui a l`oeil ouvert,
3. Dia nanao ny oha-teniny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanakalahin' i Beora, ny lehilahy izay voahiratra ny masony,
4. He hath said, which heard the words of God, which saw the vision of the Almighty, falling into a trance, but having his eyes open:
4. Parole de celui qui entend les paroles de Dieu, De celui qui voit la vision du Tout Puissant, De celui qui se prosterne et dont les yeux s`ouvrent.
4. Hoy izy, izay mandre ny tenin' Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin' ny Tsitoha, azon-tsindrimandry nefa voahiratra ny masony:
5. How goodly are thy tents, O Jacob, and thy tabernacles, O Israel!
5. Qu`elles sont belles, tes tentes, ô Jacob! Tes demeures, ô Israël!
5. Endrey ny hatsaran' ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
6. As the valleys are they spread forth, as gardens by the river's side, as the trees of lign aloes which the LORD hath planted, and as cedar trees beside the waters.
6. Elles s`étendent comme des vallées, Comme des jardins près d`un fleuve, Comme des aloès que l`Éternel a plantés, Comme des cèdres le long des eaux.
6. Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha eo amoron' ony, tahaka ny hazo ahalima nambolen' i Jehovah, tahaka ny hazo sedera eo amoron-drano.
7. He shall pour the water out of his buckets, and his seed shall be in many waters, and his king shall be higher than Agag, and his kingdom shall be exalted.
7. L`eau coule de ses seaux, Et sa semence est fécondée par d`abondantes eaux. Son roi s`élève au-dessus d`Agag, Et son royaume devient puissant.
7. Hisy rano mandeha avy eo amin' ny sininy, ary ny taranany ho any amoron' ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany ary handroso voninahitra ny fanjakany.
8. God brought him forth out of Egypt; he hath as it were the strength of an unicorn: he shall eat up the nations his enemies, and shall break their bones, and pierce them through with his arrows.
8. Dieu l`a fait sortir d`Égypte, Il est pour lui comme la vigueur du buffle. Il dévore les nations qui s`élèvent contre lui, Il brise leurs os, et les abat de ses flèches.
8. "Nentin' Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; handany ny firenena fahavalony izy ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin' ny zana-tsipìkany."
9. He couched, he lay down as a lion, and as a great lion: who shall stir him up? Blessed is he that blesseth thee, and cursed is he that curseth thee.
9. Il ploie les genoux, il se couche comme un lion, comme une lionne: Qui le fera lever? Béni soit quiconque te bénira, Et maudit soit quiconque te maudira!
9. Mamitsaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liona lehibe, ka iza no hanaitra azy? Hotahiana anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
10. And Balak's anger was kindled against Balaam, and he smote his hands together: and Balak said unto Balaam, I called thee to curse mine enemies, and, behold, thou hast altogether blessed them these three times.
10. "La colère de Balak s`enflamma contre Balaam; il frappa des mains, et dit à Balaam: C`est pour maudire mes ennemis que je t`ai appelé, et voici, tu les as bénis déjà trois fois."
10. "Dia nirehitra tamin' i Balama ny fahatezeran' i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin' i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitsodrano azy intelo ianao izao."
11. Therefore now flee thou to thy place: I thought to promote thee unto great honour; but, lo, the LORD hath kept thee back from honour.
11. Fuis maintenant, va-t`en chez toi! J`avais dit que je te rendrais des honneurs, mais l`Éternel t`empêche de les recevoir.
11. Koa ankehitriny, mandosira ho any amin' ny fonenanao ianao. Nihevitra ny hanandratra anao ho amin' ny voninahitra lehibe tokoa aho: fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
12. And Balaam said unto Balak, Spake I not also to thy messengers which thou sentest unto me, saying,
12. Balaam répondit à Balak: Eh! n`ai-je pas dit aux messagers que tu m`as envoyés:
12. Dia hoy Balama tamin' i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin' ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
13. If Balak would give me his house full of silver and gold, I cannot go beyond the commandment of the LORD, to do either good or bad of mine own mind; but what the LORD saith, that will I speak?
13. "Quand Balak me donnerait sa maison pleine d`argent et d`or, je ne pourrais faire de moi-même ni bien ni mal contre l`ordre de l`Éternel; je répéterai ce que dira l`Éternel?"
13. "Na dia omen' i Balaka ahy aza ny tranony feno volamena sy volafotsy, dia tsy mahazo mihoatra ny didin' i Jehovah aho, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin' ny saiko; izay holazain' i Jehovah ihany no holazaiko?"
14. And now, behold, I go unto my people: come therefore, and I will advertise thee what this people shall do to thy people in the latter days.
14. Et maintenant voici, je m`en vais vers mon peuple. Viens, je t`annoncerai ce que ce peuple fera à ton peuple dans la suite des temps.
14. Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin' ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin' izay hataon' ity firenena ity amin' ny vahoakanao any am-parany.

Balaam's Fourth Oracle

15. And he took up his parable, and said, Balaam the son of Beor hath said, and the man whose eyes are open hath said:
15. Balaam prononça son oracle, et dit: Parole de Balaam, fils de Beor, Parole de l`homme qui a l`oeil ouvert,
15. "Dia nanao ny oha-teniny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanakalahin' i Beora, ny lehilahy izay voahiratra ny masony;"
16. He hath said, which heard the words of God, and knew the knowledge of the most High, which saw the vision of the Almighty, falling into a trance, but having his eyes open:
16. Parole de celui qui entend les paroles de Dieu, De celui qui connaît les desseins du Très Haut, De celui qui voit la vision du Tout Puissant, De celui qui se prosterne et dont les yeux s`ouvrent.
16. "Hoy izy, izay mandre ny tenin' Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan' ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin' ny Tsitoha, azon-tsindrimandry nefa voahiratra ny masony;"
17. I shall see him, but not now: I shall behold him, but not nigh: there shall come a Star out of Jacob, and a Sceptre shall rise out of Israel, and shall smite the corners of Moab, and destroy all the children of Sheth.
17. Je le vois, mais non maintenant, Je le contemple, mais non de près. Un astre sort de Jacob, Un sceptre s`élève d`Israël. Il perce les flancs de Moab, Et il abat tous les enfants de Seth.
17. "Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana hiseho avy amin' i Jakoba sy tehim-panjakana hiposaka avy amin' Isiraely ka handrava ny sisin-tanin' i Moaba, ary handringana ny taranak' i Seta rehetra."
18. And Edom shall be a possession, Seir also shall be a possession for his enemies; and Israel shall do valiantly.
18. Il se rend maître d`Édom, Il se rend maître de Séir, ses ennemis. Israël manifeste sa force.
18. "Edoma dia ho fananana, ary Seïra koa dia ho fananan' ny fahavalony; ary Isiraely dia handroso amin-kery."
19. Out of Jacob shall come he that shall have dominion, and shall destroy him that remaineth of the city.
19. Celui qui sort de Jacob règne en souverain, Il fait périr ceux qui s`échappent des villes.
19. Avy amin' i Jakoba no hisehoan' izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.

Balaam's Final Oracles

20. And when he looked on Amalek, he took up his parable, and said, Amalek was the first of the nations; but his latter end shall be that he perish for ever.
20. Balaam vit Amalek. Il prononça son oracle, et dit: Amalek est la première des nations, Mais un jour il sera détruit.
20. Ary raha nahita ny Amalekita izy, dia nanao ny oha-teniny izy ka nanao hoe: Voalohany amin' ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
21. And he looked on the Kenites, and took up his parable, and said, Strong is thy dwellingplace, and thou puttest thy nest in a rock.
21. Balaam vit les Kéniens. Il prononça son oracle, et dit: Ta demeure est solide, Et ton nid posé sur le roc.
21. Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao ny oha-teniny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary ataonao ao amin' ny vatolampy ny fonenanao.
22. Nevertheless the Kenite shall be wasted, until Asshur shall carry thee away captive.
22. Mais le Kénien sera chassé, Quand l`Assyrien t`emmènera captif.
22. Kanefa ho ringana ny Kenita, mandra-pitondran' i Asyra anao ho babo.
23. And he took up his parable, and said, Alas, who shall live when God doeth this!
23. Balaam prononça son oracle, et dit: Hélas! qui vivra après que Dieu l`aura établi?
23. Dia nanao ny oha-teniny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy, iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra!
24. And ships shall come from the coast of Chittim, and shall afflict Asshur, and shall afflict Eber, and he also shall perish for ever.
24. "Mais des navires viendront de Kittim, Ils humilieront l`Assyrien, ils humilieront l`Hébreu; Et lui aussi sera détruit."
24. Ary hisy sambo avy any amin' ny sisin' ny tany Kitima, dia hampietry an' i Asyra sy Ebera ka ho ringana mandrakizay koa izy.
25. And Balaam rose up, and went and returned to his place: and Balak also went his way.
25. Balaam se leva, partit, et retourna chez lui. Balak s`en alla aussi de son côté.
25. "Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin' ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin' izay nalehany."
<
>