Balaam's First Oracle

1. And Balaam said unto Balak, Build me here seven altars, and prepare me here seven oxen and seven rams.
1. Balaam dit à Balak: Bâtis-moi ici sept autels, et prépare-moi ici sept taureaux et sept béliers.
1. Ary hoy Balama tamin' i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr' ombilahy fito sy ondrilahy fito.
2. And Balak did as Balaam had spoken; and Balak and Balaam offered on every altar a bullock and a ram.
2. "Balak fit ce que Balaam avait dit; et Balak et Balaam offrirent un taureau et un bélier sur chaque autel."
2. "Dia narahin' i Balaka izay efa nolazain' i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr' ombilahy sy ondrilahy iray avy tao ambonin' ny isan' alitara."
3. And Balaam said unto Balak, Stand by thy burnt offering, and I will go: peradventure the LORD will come to meet me: and whatsoever he sheweth me I will tell thee. And he went to an high place.
3. "Balaam dit à Balak: Tiens-toi près de ton holocauste, et je m`éloignerai; peut-être que l`Éternel viendra à ma rencontre, et je te dirai ce qu`il me révélera. Et il alla sur un lieu élevé."
3. "Dia hoy Balama tamin' i Balaka: Mitoera eto anilan' ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin'ny toerana avo iray izy."
4. And God met Balaam: and he said unto him, I have prepared seven altars, and I have offered upon every altar a bullock and a ram.
4. Dieu vint au-devant de Balaam, et Balaam lui dit: J`ai dressé sept autels, et j`ai offert un taureau et un bélier sur chaque autel.
4. "Ary Andriamanitra dia nihaona tamin' i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr' ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin' ny isan' alitara aho."
5. And the LORD put a word in Balaam's mouth, and said, Return unto Balak, and thus thou shalt speak.
5. L`Éternel mit des paroles dans la bouche de Balaam, et dit: Retourne vers Balak, et tu parleras ainsi.
5. Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan' i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin' i Balaka ary izany no holazainao.
6. And he returned unto him, and, lo, he stood by his burnt sacrifice, he, and all the princes of Moab.
6. "Il retourna vers lui; et voici, Balak se tenait près de son holocauste, lui et tous les chefs de Moab."
6. Dia niverina tany amin' i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan' ny fanatiny dorana izy sy ireo andriandahin' i Moaba rehetra.
7. And he took up his parable, and said, Balak the king of Moab hath brought me from Aram, out of the mountains of the east, saying, Come, curse me Jacob, and come, defy Israel.
7. Balaam prononça son oracle, et dit: Balak m`a fait descendre d`Aram, Le roi de Moab m`a fait descendre des montagnes de l`Orient. -Viens, maudis-moi Jacob! Viens, sois irrité contre Israël!
7. Dia nanao ny oha-teniny Balama ka nilaza hoe: Balaka, mpanjakan' i Moaba nampaka ahy avy tany Arama, avy tany amin' ny tendrombohitra atsinanana, ka nanao hoe: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba, ary mankanesa aty, ka sahatoy ny Isiraely.
8. How shall I curse, whom God hath not cursed? or how shall I defy, whom the LORD hath not defied?
8. Comment maudirais-je celui que Dieu n`a point maudit? Comment serais-je irrité quand l`Éternel n`est point irrité?
8. Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin' Andriamanitra? Ary ataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin' i Jehovah?
9. For from the top of the rocks I see him, and from the hills I behold him: lo, the people shall dwell alone, and shall not be reckoned among the nations.
9. Je le vois du sommet des rochers, Je le contemple du haut des collines: C`est un peuple qui a sa demeure à part, Et qui ne fait point partie des nations.
9. "Fa eto an-tampon' ny vatolampy no ahitako azy; ary eto amin' ny havoana no itazanako azy; indro, firenena hitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan' ny jentilisa izy."
10. Who can count the dust of Jacob, and the number of the fourth part of Israel? Let me die the death of the righteous, and let my last end be like his!
10. Qui peut compter la poussière de Jacob, Et dire le nombre du quart d`Israël? Que je meure de la mort des justes, Et que ma fin soit semblable à la leur!
10. Iza no mahaisa ny vovok' i Jakoba, na ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan' ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
11. And Balak said unto Balaam, What hast thou done unto me? I took thee to curse mine enemies, and, behold, thou hast blessed them altogether.
11. Balak dit à Balaam: Que m`as-tu fait? Je t`ai pris pour maudire mon ennemi, et voici, tu le bénis!
11. Dia hoy Balaka tamin' i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo indro, efa nitsodrano azy rehetra ianao.
12. And he answered and said, Must I not take heed to speak that which the LORD hath put in my mouth?
12. Il répondit, et dit: N`aurai-je pas soin de dire ce que l`Éternel met dans ma bouche?
12. Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon' i Jehovah eto am-bavako?

Balaam's Second Oracle

13. And Balak said unto him, Come, I pray thee, with me unto another place, from whence thou mayest see them: thou shalt see but the utmost part of them, and shalt not see them all: and curse me them from thence.
13. "Balak lui dit: Viens donc avec moi dans un autre lieu, d`où tu le verras; tu n`en verras qu`une partie, tu n`en verras pas la totalité. Et de là maudis-le-moi."
13. "Dia hoy Balaka taminy: Masìna ianao, andeha mba hiaraka amiko ho any amin' ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy."
14. And he brought him into the field of Zophim, to the top of Pisgah, and built seven altars, and offered a bullock and a ram on every altar.
14. "Il le mena au champ de Tsophim, sur le sommet du Pisga; il bâtit sept autels, et offrit un taureau et un bélier sur chaque autel."
14. "Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon' i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr' ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin' ny isan' alitara."
15. And he said unto Balak, Stand here by thy burnt offering, while I meet the LORD yonder.
15. Balaam dit à Balak: Tiens-toi ici, près de ton holocauste, et j`irai à la rencontre de Dieu.
15. Dia hoy izy tamin' i Balaka: Mitoera eto anilan' ny fanatitra doranao, fa izaho hankery hihaona amin' i Jehovah.
16. And the LORD met Balaam, and put a word in his mouth, and said, Go again unto Balak, and say thus.
16. "L`Éternel vint au-devant de Balaam; il mit des paroles dans sa bouche, et dit: Retourne vers Balak, et tu parleras ainsi."
16. Ary Jehovah nihaona tamin' i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin' i Balaka, ary izany no holazainao.
17. And when he came to him, behold, he stood by his burnt offering, and the princes of Moab with him. And Balak said unto him, What hath the LORD spoken?
17. "Il retourna vers lui; et voici, Balak se tenait près de son holocauste, avec les chefs de Moab. Balak lui dit: Qu`est-ce que l`Éternel a dit?"
17. Ary nony tonga tany aminy izy, dia indreo, teo anilan' ny fanatiny dorana izy sy ireo andriandahin' i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana ny nolazain' i Jehovah?
18. And he took up his parable, and said, Rise up, Balak, and hear; hearken unto me, thou son of Zippor:
18. Balaam prononça son oracle, et dit: Lève-toi, Balak, écoute! Prête-moi l`oreille, fils de Tsippor!
18. "Dia nanao ny oha-teniny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa; atongilano amiko ny sofinao, ry zanakalahin' i Zipora;"
19. God is not a man, that he should lie; neither the son of man, that he should repent: hath he said, and shall he not do it? or hath he spoken, and shall he not make it good?
19. Dieu n`est point un homme pour mentir, Ni fils d`un homme pour se repentir. Ce qu`il a dit, ne le fera-t-il pas? Ce qu`il a déclaré, ne l`exécutera-t il pas?
19. "Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak' olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hoefainy? na efa niteny va Izy ka tsy ho toviny tsara?"
20. Behold, I have received commandment to bless: and he hath blessed; and I cannot reverse it.
20. Voici, j`ai reçu l`ordre de bénir: Il a béni, je ne le révoquerai point.
20. "Indro, ny hitahy no didy efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho."
21. He hath not beheld iniquity in Jacob, neither hath he seen perverseness in Israel: the LORD his God is with him, and the shout of a king is among them.
21. "Il n`aperçoit point d`iniquité en Jacob, Il ne voit point d`injustice en Israël; L`Éternel, son Dieu, est avec lui, Il est son roi, l`objet de son allégresse."
21. "Tsy mijery heloka eo amin' i Jakoba Izy, ary tsy mahita faharatsiana eo amin' ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no momba azy, ary ny hoby fanao amin' ny mpanjaka no re eo aminy."
22. God brought them out of Egypt; he hath as it were the strength of an unicorn.
22. Dieu les a fait sortir d`Égypte, Il est pour eux comme la vigueur du buffle.
22. Nentin' Andriamanitra nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta izy, ary manan-kery tahaka ny ombimanga.
23. Surely there is no enchantment against Jacob, neither is there any divination against Israel: according to this time it shall be said of Jacob and of Israel, What hath God wrought!
23. "L`enchantement ne peut rien contre Jacob, Ni la divination contre Israël; Au temps marqué, il sera dit à Jacob et à Israël: Quelle est l`oeuvre de Dieu."
23. Tsy misy fisikidiana tokoa eo amin' i Jakoba, ary tsy misy fankatòvana eo amin' ny Isiraely. Fa hatramin' izao fotoana izao no hilazana amin' i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon' i Jehovah.
24. Behold, the people shall rise up as a great lion, and lift up himself as a young lion: he shall not lie down until he eat of the prey, and drink the blood of the slain.
24. "C`est un peuple qui se lève comme une lionne, Et qui se dresse comme un lion; Il ne se couche point jusqu`à ce qu`il ait dévoré la proie, Et qu`il ait bu le sang des blessés."
24. "Indro, firenena mitsangana toy ny liona lehibe sy miarina toy ny liona tanora; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ràn' ny voavono."
25. And Balak said unto Balaam, Neither curse them at all, nor bless them at all.
25. Balak dit à Balaam: Ne le maudis pas, mais du moins ne le bénis pas.
25. Dia hoy Balaka tamin' i Balama: Aza manozona na mitsodrano azy akory.
26. But Balaam answered and said unto Balak, Told not I thee, saying, All that the LORD speaketh, that I must do?
26. Balaam répondit, et dit à Balak: Ne t`ai-je pas parlé ainsi: Je ferai tout ce que l`Éternel dira?
26. Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin' i Balaka hoe: Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain' i Jehovah, dia izany no hataoko.

Balaam's Third Oracle

27. And Balak said unto Balaam, Come, I pray thee, I will bring thee unto another place; peradventure it will please God that thou mayest curse me them from thence.
27. "Balak dit à Balaam: Viens donc, je te mènerai dans un autre lieu; peut être Dieu trouvera-t-il bon que de là tu me maudisses ce peuple."
27. "Dia hoy Balaka tamin' i Balama: Masìna ianao, andeha hoentiko any amin' izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak' Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy."
28. And Balak brought Balaam unto the top of Peor, that looketh toward Jeshimon.
28. Balak mena Balaam sur le sommet du Peor, en regard du désert.
28. Ary Balama dia nentin' i Balaka ho ao an-tampon' i Peora izay manandrify an' i Jesimona.
29. And Balaam said unto Balak, Build me here seven altars, and prepare me here seven bullocks and seven rams.
29. Balaam dit à Balak: Bâtis-moi ici sept autels, et prépare-moi ici sept taureaux et sept béliers.
29. Dia hoy Balama tamin' i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ary manamboara vantotr' ombilahy fito sy ondrilahy fito eto.
30. And Balak did as Balaam had said, and offered a bullock and a ram on every altar.
30. Balak fit ce que Balaam avait dit, et il offrit un taureau et un bélier sur chaque autel.
30. Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain' i Balama ka nanolotra vantotr' ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin' ny isan' alitara.
<
>