Arad Destroyed
1. And when king Arad the Canaanite, which dwelt in the south, heard tell that Israel came by the way of the spies; then he fought against Israel, and took some of them prisoners.
1. Le roi d`Arad, Cananéen, qui habitait le midi, apprit qu`Israël venait par le chemin d`Atharim. Il combattit Israël, et emmena des prisonniers.
1. "Ary raha ren' ilay Kananita, Arada mpanjaka, izay nonina tao amin' ny tany atsimo fa efa nandeha tamin' ny lalan' ny mpisafo tany ny Isiraely; dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin' ny Isiraely."
2. And Israel vowed a vow unto the LORD, and said, If thou wilt indeed deliver this people into my hand, then I will utterly destroy their cities.
2. Alors Israël fit un voeu à l`Éternel, et dit: Si tu livres ce peuple entre mes mains, je dévouerai ses villes par interdit.
2. Dia nivoady tamin' i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ity firenena ity, dia haringako tokoa ny tanànany.
3. And the LORD hearkened to the voice of Israel, and delivered up the Canaanites; and they utterly destroyed them and their cities: and he called the name of the place Hormah.
3. "L`Éternel entendit la voix d`Israël, et livra les Cananéens. On les dévoua par interdit, eux et leurs villes; et l`on nomma ce lieu Horma."
3. "Ary Jehovah nihaino ny feon' ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita; ary dia naringany tokoa ireo sy ny tanànany; koa ny anaran' izany toerana izany dia nataony hoe: Horma."
The Bronze Snake
4. And they journeyed from mount Hor by the way of the Red sea, to compass the land of Edom: and the soul of the people was much discouraged because of the way.
4. Ils partirent de la montagne de Hor par le chemin de la mer Rouge, pour contourner le pays d`Édom. Le peuple s`impatienta en route,
4. "Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin' ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy tokoa ny fanahin' ny olona noho ny lalana."
5. And the people spake against God, and against Moses, Wherefore have ye brought us up out of Egypt to die in the wilderness? for there is no bread, neither is there any water; and our soul loatheth this light bread.
5. et parla contre Dieu et contre Moïse: Pourquoi nous avez-vous fait monter hors d`Égypte, pour que nous mourions dans le désert? car il n`y a point de pain, et il n`y a point d`eau, et notre âme est dégoûtée de cette misérable nourriture.
5. "Ary niteny nanome tsiny an' Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta izahay ho faty aty an' efitra? fa tsy misy mofo na rano aty; ary leo an' ity mofo maivana ity ny fanahinay."
6. And the LORD sent fiery serpents among the people, and they bit the people; and much people of Israel died.
6. "Alors l`Éternel envoya contre le peuple des serpents brûlants; ils mordirent le peuple, et il mourut beaucoup de gens en Israël."
6. "Ary Jehovah dia nampandeha menaran' afo teny amin' ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny Isiraely."
7. Therefore the people came to Moses, and said, We have sinned, for we have spoken against the LORD, and against thee; pray unto the LORD, that he take away the serpents from us. And Moses prayed for the people.
7. Le peuple vint à Moïse, et dit: Nous avons péché, car nous avons parlé contre l`Éternel et contre toi. Prie l`Éternel, afin qu`il éloigne de nous ces serpents. Moïse pria pour le peuple.
7. Koa nankeo amin' i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanohitra an' i Jehovah sy ianao: Mivavaha amin' i Jehovah, mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nivavaka ho an' ny olona Mosesy.
8. And the LORD said unto Moses, Make thee a fiery serpent, and set it upon a pole: and it shall come to pass, that every one that is bitten, when he looketh upon it, shall live.
8. "L`Éternel dit à Moïse: Fais-toi un serpent brûlant, et place-le sur une perche; quiconque aura été mordu, et le regardera, conservera la vie."
8. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Manaova menaran' afo ianao, dia ahantòny amin' ny hazo lava, ary izao no hiseho, izay rehetra voakaikitra, dia ho velona, raha mijery izany.
9. And Moses made a serpent of brass, and put it upon a pole, and it came to pass, that if a serpent had bitten any man, when he beheld the serpent of brass, he lived.
9. "Moïse fit un serpent d`airain, et le plaça sur une perche; et quiconque avait été mordu par un serpent, et regardait le serpent d`airain, conservait la vie."
9. Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin' ny hazo lava, ary izao no niseho, raha voakaikitry ny menarana ny olona, ka nijery ilay menarana varahina izy, dia velona.
The Journey to Moab
10. And the children of Israel set forward, and pitched in Oboth.
10. Les enfants d`Israël partirent, et ils campèrent à Oboth.
10. Ary ny Zanak' Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
11. And they journeyed from Oboth, and pitched at Ijeabarim, in the wilderness which is before Moab, toward the sunrising.
11. Ils partirent d`Oboth et ils campèrent à Ijjé Abarim, dans le désert qui est vis-à-vis de Moab, vers le soleil levant.
11. Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin' ny efitra izay mifanolotra amin' i Moaba, tandrifin' ny fiposahan' ny masoandro.
12. From thence they removed, and pitched in the valley of Zared.
12. De là ils partirent, et ils campèrent dans la vallée de Zéred.
12. Ary nony niala tao izy dia nitoby tao amin' ny lohasahan' i Zareda.
13. From thence they removed, and pitched on the other side of Arnon, which is in the wilderness that cometh out of the coasts of the Amorites: for Arnon is the border of Moab, between Moab and the Amorites.
13. "De là ils partirent, et ils campèrent de l`autre côté de l`Arnon, qui coule dans le désert en sortant du territoire des Amoréens; car l`Arnon est la frontière de Moab, entre Moab et les Amoréens."
13. "Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin' i Arnona, izay any an' efitra sady avy amin' ny sisin-tanin' ny Amorita; fa Arnona no faritanin' i Moaba, eo anelanelan' i Moaba sy ny Amorita."
14. Wherefore it is said in the book of the wars of the LORD, What he did in the Red sea, and in the brooks of Arnon,
14. C`est pourquoi il est dit dans le livre des Guerres de l`Éternel: ...Vaheb en Supha, et les torrents de l`Arnon,
14. Koa izany no ilazana eo amin' ny Bokin' ny Adin' i Jehovah hoe: izay nataony teo amin' ny Ranomasina Mena sy teo amin' ny renirano kelin' i Arnona,
15. And at the stream of the brooks that goeth down to the dwelling of Ar, and lieth upon the border of Moab.
15. et le cours des torrents, qui s`étend du côté d`Ar et touche à la frontière de Moab.
15. Ary ny ony avy amin' ny renirano kely izay mandroso mankao Ara, ka mipaka amin' ny faritanin' i Moaba.
16. And from thence they went to Beer: that is the well whereof the LORD spake unto Moses, Gather the people together, and I will give them water.
16. De là ils allèrent à Beer. C`est ce Beer, où l`Éternel dit à Moïse: Rassemble le peuple, et je leur donnerai de l`eau.
16. "Ary niala tao izy hankany Bera; io ilay lavaka fantsakana nilazan' i Jehovah tamin' i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy."
17. Then Israel sang this song, Spring up, O well; sing ye unto it:
17. Alors Israël chanta ce cantique: Monte, puits! Chantez en son honneur!
17. Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! ataovinareo an-kira izany.
18. The princes digged the well, the nobles of the people digged it, by the direction of the lawgiver, with their staves. And from the wilderness they went to Mattanah:
18. Puits, que des princes ont creusé, Que les grands du peuple ont creusé, Avec le sceptre, avec leurs bâtons!
18. Nandavaka fantsakana ny lehilahy, ny manankaja teo amin' ny olona no nandavaka izany tamin' ny tehiny, dia ny fitarihan' ny mpanome ny lalàna. Ary nony niala tany an' efitra izy, dia nankao Matana.
19. And from Mattanah to Nahaliel: and from Nahaliel to Bamoth:
19. "Du désert ils allèrent à Matthana; de Matthana, à Nahaliel; de Nahaliel, à Bamoth;"
19. "Ary nony niala tao Matana izy dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;"
20. And from Bamoth in the valley, that is in the country of Moab, to the top of Pisgah, which looketh toward Jeshimon.
20. de Bamoth, à la vallée qui est dans le territoire de Moab, au sommet du Pisga, en regard du désert.
20. Ary nony niala tao an-dohasaha Bamota izay ao amin' ny fari-tanin' i Moaba izy dia nankany an-tampon' i Pisga izay manatrika an' i Jesimona.
Defeat of Sihon and Og
21. And Israel sent messengers unto Sihon king of the Amorites, saying,
21. Israël envoya des messagers à Sihon, roi des Amoréens, pour lui dire:
21. Ary ny Isiraely nandefa iraka ho any amin' i Sihona mpanjakan' ny Amorita ka nanao hoe:
22. Let me pass through thy land: we will not turn into the fields, or into the vineyards; we will not drink of the waters of the well: but we will go along by the king's high way, until we be past thy borders.
22. "Laisse-moi passer par ton pays; nous n`entrerons ni dans les champs, ni dans les vignes, et nous ne boirons pas l`eau des puits; nous suivrons la route royale, jusqu`à ce que nous ayons franchi ton territoire."
22. "Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; tsy hania ho amin' ny saha, na ho amin' ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin' ny lavaka fantsakana; fa ny lalamben' ny mpanjaka ihany no halehanay mandra-pahafakay ny faritaninao."
23. And Sihon would not suffer Israel to pass through his border: but Sihon gathered all his people together, and went out against Israel into the wilderness: and he came to Jahaz, and fought against Israel.
23. "Sihon n`accorda point à Israël le passage sur son territoire; il rassembla tout son peuple, et sortit à la rencontre d`Israël, dans le désert; il vint à Jahats, et combattit Israël."
23. "Ary Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka hanohitra ny Isiraely tany an' efitra; dia nankany Jahaza izy ka niady tamin' ny Isiraely."
24. And Israel smote him with the edge of the sword, and possessed his land from Arnon unto Jabbok, even unto the children of Ammon: for the border of the children of Ammon was strong.
24. "Israël le frappa du tranchant de l`épée et s`empara de son pays depuis l`Arnon jusqu`au Jabbok, jusqu`à la frontière des enfants d`Ammon; car la frontière des enfants d`Ammon était fortifiée."
24. "Ary ny Isiraely namely azy tamin' ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, dia hatramin' ny taranak' i Amona; fa mafy ny faritanin' ny taranak' i Amona."
25. And Israel took all these cities: and Israel dwelt in all the cities of the Amorites, in Heshbon, and in all the villages thereof.
25. Israël prit toutes les villes, et s`établit dans toutes les villes des Amoréens, à Hesbon et dans toutes les villes de son ressort.
25. "Dia nalain' ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenan' ny Isiraely ny tanànan' ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra."
26. For Heshbon was the city of Sihon the king of the Amorites, who had fought against the former king of Moab, and taken all his land out of his hand, even unto Arnon.
26. "Car Hesbon était la ville de Sihon, roi des Amoréens; il avait fait la guerre au précédent roi de Moab, et lui avait enlevé tout son pays jusqu`à l`Arnon."
26. Hesbona no tanànan' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan' i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
27. Wherefore they that speak in proverbs say, Come into Heshbon, let the city of Sihon be built and prepared:
27. C`est pourquoi les poètes disent: Venez à Hesbon! Que la ville de Sihon soit rebâtie et fortifiée!
27. "Izany no nanaovan' ny mpanao ohabolana hoe: Midira ao Hesbona ianareo, aoka haorina sy hamboarina ny tanànan' i Sihona;"
28. For there is a fire gone out of Heshbon, a flame from the city of Sihon: it hath consumed Ar of Moab, and the lords of the high places of Arnon.
28. "Car il est sorti un feu de Hesbon, Une flamme de la ville de Sihon; Elle a dévoré Ar Moab, Les habitants des hauteurs de l`Arnon."
28. Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona sy lelafo avy tao an-tanànan' i Sihona, ka nandevona an' i Aran' i Moaba sy ny tompon' ny havoan' i Arnona.
29. Woe to thee, Moab! thou art undone, O people of Chemosh: he hath given his sons that escaped, and his daughters, into captivity unto Sihon king of the Amorites.
29. Malheur à toi, Moab! Tu es perdu, peuple de Kemosch! Il a fait de ses fils des fuyards, Et il a livré ses filles captives A Sihon, roi des Amoréens.
29. Loza ho anao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon' i Kemosy! Foiny handositra ny zanany lahy, ary avelany ho babo ny zanany vavy, ho an' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita.
30. We have shot at them; Heshbon is perished even unto Dibon, and we have laid them waste even unto Nophah, which reacheth unto Medeba.
30. "Nous avons lancé sur eux nos traits: De Hesbon à Dibon tout est détruit; Nous avons étendu nos ravages jusqu`à Nophach, Jusqu`à Médeba."
30. "Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an' i Medeba."
31. Thus Israel dwelt in the land of the Amorites.
31. Israël s`établit dans le pays des Amoréens.
31. Dia nitoetra tao amin' ny tanin' ny Amorita ny Isiraely.
32. And Moses sent to spy out Jaazer, and they took the villages thereof, and drove out the Amorites that were there.
32. "Moïse envoya reconnaître Jaezer; et ils prirent les villes de son ressort, et chassèrent les Amoréens qui y étaient."
32. "Ary Mosesy naniraka olona hisafo an' i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany."
33. And they turned and went up by the way of Bashan: and Og the king of Bashan went out against them, he, and all his people, to the battle at Edrei.
33. Ils changèrent ensuite de direction, et montèrent par le chemin de Basan. Og, roi de Basan, sortit à leur rencontre, avec tout son peuple, pour les combattre à Édréi.
33. "Ary niverina ny olona ka niakatra tamin' ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan' i Basana, hanohitra azy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy."
34. And the LORD said unto Moses, Fear him not: for I have delivered him into thy hand, and all his people, and his land; and thou shalt do to him as thou didst unto Sihon king of the Amorites, which dwelt at Heshbon.
34. "L`Éternel dit à Moïse: Ne le crains point; car je le livre entre tes mains, lui et tout son peuple, et son pays; tu le traiteras comme tu as traité Sihon, roi des Amoréens, qui habitait à Hesbon."
34. "Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, izay nitoetra tany Hesbona."
35. So they smote him, and his sons, and all his people, until there was none left him alive: and they possessed his land.
35. Et ils le battirent, lui et ses fils, et tout son peuple, sans en laisser échapper un seul, et ils s`emparèrent de son pays.
35. "Dia namely azy sy ny zanany lahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy."