Supplementary Offerings

1. And the LORD spake unto Moses, saying,
1. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
1. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
2. Speak unto the children of Israel, and say unto them, When ye be come into the land of your habitations, which I give unto you,
2. Parle aux enfants d`Israël, et dis-leur: Quand vous serez entrés dans le pays que je vous donne pour y établir vos demeures,
2. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely ka lazao aminy hoe: raha tonga any amin' ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo,
3. And will make an offering by fire unto the LORD, a burnt offering, or a sacrifice in performing a vow, or in a freewill offering, or in your solemn feasts, to make a sweet savour unto the LORD, of the herd, or of the flock:
3. et que vous offrirez à l`Éternel un sacrifice consumé par le feu, soit un holocauste, soit un sacrifice en accomplissement d`un voeu ou en offrande volontaire, ou bien dans vos fêtes, pour produire avec votre gros ou votre menu bétail une agréable odeur à l`Éternel, -
3. "Ka hanao fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, dia omby, na ondry aman' osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hanalam-boady, na fanati-tsitrapo, na amin' ny andro fivorianareo lehibe sy malaza hanaovana hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah;"
4. Then shall he that offereth his offering unto the LORD bring a meat offering of a tenth deal of flour mingled with the fourth part of an hin of oil.
4. celui qui fera son offrande à l`Éternel présentera en offrande un dixième de fleur de farine pétrie dans un quart de hin d`huile,
4. Izay manolotra ny fanatiny ho an' i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina dia koba tsara toto ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina.
5. And the fourth part of an hin of wine for a drink offering shalt thou prepare with the burnt offering or sacrifice, for one lamb.
5. et tu feras une libation d`un quart de hin de vin, avec l`holocauste ou le sacrifice, pour chaque agneau.
5. Ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-dra, amin' ny isan-janak' ondry iray.
6. Or for a ram, thou shalt prepare for a meat offering two tenth deals of flour mingled with the third part of an hin of oil.
6. Pour un bélier, tu présenteras en offrande deux dixièmes de fleur de farine pétrie dans un tiers de hin d`huile,
6. "Ary ho an' ny isan' ondrilahy iray, dia hanomana koba tsara toto roa ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo ampahatelon' ny hina ianao ho fanatitra hohanina;"
7. And for a drink offering thou shalt offer the third part of an hin of wine, for a sweet savour unto the LORD.
7. et tu feras une libation d`un tiers de hin de vin, comme offrande d`une agréable odeur à l`Éternel.
7. Ary divay ampahatelon' ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah.
8. And when thou preparest a bullock for a burnt offering, or for a sacrifice in performing a vow, or peace offerings unto the LORD:
8. Si tu offres un veau, soit comme holocauste, soit comme sacrifice en accomplissement d`un voeu, ou comme sacrifice d`actions de grâces à l`Éternel,
8. Ary raha manomana omby ho fanatitra dorana, na ho fanatitra hanalam-boady ianao, na ho fanati-pihavanana ho an' i Jehovah,
9. Then shall he bring with a bullock a meat offering of three tenth deals of flour mingled with half an hin of oil.
9. on présentera en offrande, avec le veau, trois dixièmes de fleur de farine pétrie dans un demi-hin d`huile,
9. "Dia fanatitra hohanina koa no hateriny miaraka amin' ny omby iray, sy koba tsara toto telo ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo an-tsasaky ny hina;"
10. And thou shalt bring for a drink offering half an hin of wine, for an offering made by fire, of a sweet savour unto the LORD.
10. et tu feras une libation d`un demi-hin de vin: c`est un sacrifice consumé par le feu, d`une agréable odeur à l`Éternel.
10. Ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah.
11. Thus shall it be done for one bullock, or for one ram, or for a lamb, or a kid.
11. On fera ainsi pour chaque boeuf, pour chaque bélier, pour chaque petit des brebis ou des chèvres.
11. Izany no hatao amin' ny isan' omby iray, na isan' ondrilahy iray, na isan-janak' ondry iray, na isan-janak' osy iray.
12. According to the number that ye shall prepare, so shall ye do to every one according to their number.
12. Suivant le nombre des victimes, vous ferez ainsi pour chacune, d`après leur nombre.
12. Tahaka izany no hamboarinareo amin' izy rehetra, araka ny isan' ny zavatra aterinareo.
13. All that are born of the country shall do these things after this manner, in offering an offering made by fire, of a sweet savour unto the LORD.
13. Tout indigène fera ces choses ainsi, lorsqu`il offrira un sacrifice consumé par le feu, d`une agréable odeur à l`Éternel.
13. Ny tera-tany rehetra dia samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah izy.
14. And if a stranger sojourn with you, or whosoever be among you in your generations, and will offer an offering made by fire, of a sweet savour unto the LORD; as ye do, so he shall do.
14. Si un étranger séjournant chez vous, ou se trouvant à l`avenir au milieu de vous, offre un sacrifice consumé par le feu, d`une agréable odeur à l`Éternel, il l`offrira de la même manière que vous.
14. Ary raha misy vahiny mivahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo amin' ny taranakareo mifandimby, ka hanolotra fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
15. One ordinance shall be both for you of the congregation, and also for the stranger that sojourneth with you, an ordinance for ever in your generations: as ye are, so shall the stranger be before the LORD.
15. "Il y aura une seule loi pour toute l`assemblée, pour vous et pour l`étranger en séjour au milieu de vous; ce sera une loi perpétuelle parmi vos descendants: il en sera de l`étranger comme de vous, devant l`Éternel."
15. "Ny amin' ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany koa no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo, dia lalàna mandrakizay amin' ny taranakareo mifandimby izany; tsy hisy hafa eo anatrehan' i Jehovah na ianareo, na ny vahiny."
16. One law and one manner shall be for you, and for the stranger that sojourneth with you.
16. Il y aura une seule loi et une seule ordonnance pour vous et pour l`étranger en séjour parmi vous.
16. Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny mivahiny eo aminareo.
17. And the LORD spake unto Moses, saying,
17. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
17. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
18. Speak unto the children of Israel, and say unto them, When ye come into the land whither I bring you,
18. Parle aux enfants d`Israël, et dis-leur: Quand vous serez arrivés dans le pays où je vous ferai entrer,
18. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely ka lazao aminy hoe: Raha tonga any amin' ny tany izay itondrako anareo ianareo,
19. Then it shall be, that, when ye eat of the bread of the land, ye shall offer up an heave offering unto the LORD.
19. et que vous mangerez du pain de ce pays, vous prélèverez une offrande pour l`Éternel.
19. Dia izao no hisy, rehefa mihinana mofo avy amin' ny vokatry ny tany ianareo, dia hanolotra fanatitra asandratra ho an' i Jehovah ianareo.
20. Ye shall offer up a cake of the first of your dough for an heave offering: as ye do the heave offering of the threshingfloor, so shall ye heave it.
20. "Vous présenterez par élévation un gâteau, les prémices de votre pâte; vous le présenterez comme l`offrande qu`on prélève de l`aire."
20. "Hanatitra mofo iray izay atao amin' ny voalohan' ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay anaovanareo ny fanatitra asandratra avy amin' ny famoloana no hanevahevanareo azy."
21. Of the first of your dough ye shall give unto the LORD an heave offering in your generations.
21. Vous prélèverez pour l`Éternel une offrande des prémices de votre pâte, dans les temps à venir.
21. Ny voalohan' ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an' i Jehovah ho fanatitra ahevaheva amin' ny taranakareo mifandimby.

Offerings for Unintentional Sins

22. And if ye have erred, and not observed all these commandments, which the LORD hath spoken unto Moses,
22. Si vous péchez involontairement, en n`observant pas tous ces commandements que l`Éternel a fait connaître à Moïse,
22. Ary raha nanao fahadisoana ianareo, ka tsy nankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy,
23. Even all that the LORD hath commanded you by the hand of Moses, from the day that the LORD commanded Moses, and henceforward among your generations;
23. "tout ce que l`Éternel vous a ordonné par Moïse, depuis le jour où l`Éternel a donné des commandements et plus tard dans les temps à venir;"
23. "Dia izay rehetra nandidian' i Jehovah anareo tamin' ny alalan' i Mosesy, hatramin' ny andro izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ka hatramin' ny taranakareo mifandimby;"
24. Then it shall be, if ought be committed by ignorance without the knowledge of the congregation, that all the congregation shall offer one young bullock for a burnt offering, for a sweet savour unto the LORD, with his meat offering, and his drink offering, according to the manner, and one kid of the goats for a sin offering.
24. "si l`on a péché involontairement, sans que l`assemblée s`en soit aperçue, toute l`assemblée offrira un jeune taureau en holocauste d`une agréable odeur à l`Éternel, avec l`offrande et la libation, d`après les règles établies; elle offrira encore un bouc en sacrifice d`expiation."
24. Koa izao no hisy, raha natao tsy nahy izany, ka tsy fantatry ny fiangonana, dia hanolotra vantotr' ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah, mbamin' ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
25. And the priest shall make an atonement for all the congregation of the children of Israel, and it shall be forgiven them; for it is ignorance: and they shall bring their offering, a sacrifice made by fire unto the LORD, and their sin offering before the LORD, for their ignorance:
25. "Le sacrificateur fera l`expiation pour toute l`assemblée des enfants d`Israël, et il leur sera pardonné; car ils ont péché involontairement, et ils ont apporté leur offrande, un sacrifice consumé par le feu en l`honneur de l`Éternel et une victime expiatoire devant l`Éternel, à cause du péché qu`ils ont involontairement commis."
25. "Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an' ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tamin' ny tsy fahalalana izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan' i Jehovah, noho ny ota nataony tamin' ny tsy fahalalana."
26. And it shall be forgiven all the congregation of the children of Israel, and the stranger that sojourneth among them; seeing all the people were in ignorance.
26. Il sera pardonné à toute l`assemblée des enfants d`Israël et à l`étranger en séjour au milieu d`eux, car c`est involontairement que tout le peuple a péché.
26. "Dia havela ny heloky ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely rehetra sy ny vahiny izay mivahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny tsy fahalalana;"
27. And if any soul sin through ignorance, then he shall bring a she goat of the first year for a sin offering.
27. Si c`est une seule personne qui a péché involontairement, elle offrira une chèvre d`un an en sacrifice pour le péché.
27. Ary raha misy fanahy iray manota noho ny tsy fahalalana, dia hanatitra osivavy iray, izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
28. And the priest shall make an atonement for the soul that sinneth ignorantly, when he sinneth by ignorance before the LORD, to make an atonement for him; and it shall be forgiven him.
28. Le sacrificateur fera l`expiation pour la personne qui a péché involontairement devant l`Éternel: quand il aura fait l`expiation pour elle, il lui sera pardonné.
28. Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an' ny fanahy izay nanota noho ny tsy fahalalana eo anatrehan' i Jehovah, hanao fanavotana ho azy, ka dia havela ny helony.
29. Ye shall have one law for him that sinneth through ignorance, both for him that is born among the children of Israel, and for the stranger that sojourneth among them.
29. Pour l`indigène parmi les enfants d`Israël et pour l`étranger en séjour au milieu d`eux, il y aura pour vous une même loi, quand on péchera involontairement.
29. Lalàna iray ihany no hatao amin' izay manota tsy nahy noho ny tsy fahalalana, na amin' ny Zanak' Isiraely, na amin' ny vahiny izay mivahiny eo aminy.
30. But the soul that doeth ought presumptuously, whether he be born in the land, or a stranger, the same reproacheth the LORD; and that soul shall be cut off from among his people.
30. "Mais si quelqu`un, indigène ou étranger, agit la main levée, il outrage l`Éternel; celui-là sera retranché du milieu de son peuple."
30. Fa ny fanahy izay manota sahisahy, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an' i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny izany fanahy izany.
31. Because he hath despised the word of the LORD, and hath broken his commandment, that soul shall utterly be cut off; his iniquity shall be upon him.
31. Il a méprisé la parole de l`Éternel, et il a violé son commandement: celui-là sera retranché, il portera la peine de son iniquité.
31. "Fa ny tenin' i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany fanahy izany; ny helony dia ho aminy ihany."

The Sabbath-Breaker Put to Death

32. And while the children of Israel were in the wilderness, they found a man that gathered sticks upon the sabbath day.
32. Comme les enfants d`Israël étaient dans le désert, on trouva un homme qui ramassait du bois le jour du sabbat.
32. Ary raha tany an' efitra ny Zanak' Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin' ny andro sabata.
33. And they that found him gathering sticks brought him unto Moses and Aaron, and unto all the congregation.
33. Ceux qui l`avaient trouvé ramassant du bois l`amenèrent à Moïse, à Aaron, et à toute l`assemblée.
33. Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin' i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.
34. And they put him in ward, because it was not declared what should be done to him.
34. On le mit en prison, car ce qu`on devait lui faire n`avait pas été déclaré.
34. Dia nambenana ralehilahy satria tsy mbola nambara izay hatao aminy.
35. And the LORD said unto Moses, The man shall be surely put to death: all the congregation shall stone him with stones without the camp.
35. L`Éternel dit à Moïse: Cet homme sera puni de mort, toute l`assemblée le lapidera hors du camp.
35. "Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan' ny toby ny fiangonana rehetra."
36. And all the congregation brought him without the camp, and stoned him with stones, and he died; as the LORD commanded Moses.
36. Toute l`assemblée le fit sortir du camp et le lapida, et il mourut, comme l`Éternel l`avait ordonné à Moïse.
36. Dia namoaka azy ho eny ivelan' ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy.

Tassels on Garments

37. And the LORD spake unto Moses, saying,
37. L`Éternel dit à Moïse:
37. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
38. Speak unto the children of Israel, and bid them that they make them fringes in the borders of their garments throughout their generations, and that they put upon the fringe of the borders a ribband of blue:
38. Parle aux enfants d`Israël, et dis-leur qu`ils se fassent, de génération en génération, une frange au bord de leurs vêtements, et qu`ils mettent un cordon bleu sur cette frange du bord de leurs vêtements.
38. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin' ny fitafiany hatramin' ny taranany mifandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin' ny somotraviaviny.
39. And it shall be unto you for a fringe, that ye may look upon it, and remember all the commandments of the LORD, and do them; and that ye seek not after your own heart and your own eyes, after which ye use to go a whoring:
39. Quand vous aurez cette frange, vous la regarderez, et vous vous souviendrez de tous les commandements de l`Éternel pour les mettre en pratique, et vous ne suivrez pas les désirs de vos coeurs et de vos yeux pour vous laisser entraîner à l`infidélité.
39. "Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin' i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajanga,"
40. That ye may remember, and do all my commandments, and be holy unto your God.
40. Vous vous souviendrez ainsi de mes commandements, vous les mettrez en pratique, et vous serez saints pour votre Dieu.
40. Mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka ho masina ho an' Andriamanitrareo ianareo.
41. I am the LORD your God, which brought you out of the land of Egypt, to be your God: I am the LORD your God.
41. Je suis l`Éternel, votre Dieu, qui vous ai fait sortir du pays d`Égypte, pour être votre Dieu. Je suis l`Éternel, votre Dieu.
41. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
<
>