The Census

1. And the LORD spake unto Moses in the wilderness of Sinai, in the tabernacle of the congregation, on the first day of the second month, in the second year after they were come out of the land of Egypt, saying,
1. L`Éternel parla à Moïse dans le désert de Sinaï, dans la tente d`assignation, le premier jour du second mois, la seconde année après leur sortie du pays d`Égypte. Il dit:
1. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy tany an' efitr' i Sinay, tao amin' ny tranolay fihaonana tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana faharoa, tamin' ny taona faharoa taorian' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Egypta, ka nanao hoe:
2. Take ye the sum of all the congregation of the children of Israel, after their families, by the house of their fathers, with the number of their names, every male by their polls;
2. Faites le dénombrement de toute l`assemblée des enfants d`Israël, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant par tête les noms de tous les mâles,
2. Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny ankohonan' ny rainy, araka ny isan' ny anarany, ny lehilahy rehetra araka ny lohany avy.
3. From twenty years old and upward, all that are able to go forth to war in Israel: thou and Aaron shall number them by their armies.
3. "depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux d`Israël en état de porter les armes; vous en ferez le dénombrement selon leurs divisions, toi et Aaron."
3. "Dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika eo amin' ny Zanak' Isiraely; hanisa azy araka ny antokony avy ianao sy Arona."
4. And with you there shall be a man of every tribe; every one head of the house of his fathers.
4. Il y aura avec vous un homme par tribu, chef de la maison de ses pères.
4. Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pianakaviana ho namanareo, dia izay samy lohan' ny fianakaviany avy.
5. And these are the names of the men that shall stand with you: of the tribe of Reuben; Elizur the son of Shedeur.
5. "Voici les noms des hommes qui se tiendront avec vous. Pour Ruben: Élitsur, fils de Schedéur;"
5. "Ary izao no anaran' ireo lehilahy izay hiaraka aminareo: ny avy amin' i Robena dia Elizora, zanakalahin' i Sedeora;"
6. Of Simeon; Shelumiel the son of Zurishaddai.
6. "pour Siméon: Schelumiel, fils de Tsurischaddaï;"
6. "Ny avy amin' i Simeona dia Selomiela, zanakalahin' i Zorisaday;"
7. Of Judah; Nahshon the son of Amminadab.
7. "pour Juda: Nachschon, fils d`Amminadab;"
7. "Ny avy amin' i Joda dia Nasona, zanakalahin' i Aminadaba;"
8. Of Issachar; Nethaneel the son of Zuar.
8. "pour Issacar: Nethaneel, fils de Tsuar;"
8. "Ny avy amin' i Isakara dia Netanela, zanakalahin' i Zoara;"
9. Of Zebulun; Eliab the son of Helon.
9. "pour Zabulon: Éliab, fils de Hélon;"
9. "Ny avy amin' i Zebolona dia Eliaba, zanakalahin' i Helona;"
10. Of the children of Joseph: of Ephraim; Elishama the son of Ammihud: of Manasseh; Gamaliel the son of Pedahzur.
10. "pour les fils de Joseph, -pour Éphraïm: Élischama, fils d`Ammihud; -pour Manassé: Gamliel, fils de Pedahtsur;"
10. "Ny avy amin' ny zanak' i Josefa, avy amin' i Efraima dia Elisama, zanakalahin' i Amihoda; ny avy amin' i Manase dia Gamaliela, zanakalahin' i Pedazora;"
11. Of Benjamin; Abidan the son of Gideoni.
11. "pour Benjamin: Abidan, fils de Guideoni;"
11. "Ny avy amin' i Benjamina dia Abidana, zanakalahin' i Gideony;"
12. Of Dan; Ahiezer the son of Ammishaddai.
12. "pour Dan: Ahiézer, fils d`Ammischaddaï;"
12. "Ny avy amin' i Dana dia Ahiezera, zanakalahin' i Amisaday;"
13. Of Asher; Pagiel the son of Ocran.
13. "pour Aser: Paguiel, fils d`Ocran;"
13. "Ny avy amin' i Asera dia Pagiela zanakalahin' i Okrana;"
14. Of Gad; Eliasaph the son of Deuel.
14. "pour Gad: Éliasaph, fils de Déuel;"
14. "Ny avy amin' i Gada dia Eliasafa, zanakalahin' i Doela;"
15. Of Naphtali; Ahira the son of Enan.
15. pour Nephthali: Ahira, fils d`Énan.
15. Ny avy amin' i Naftaly dia Ahira, zanakalahin' i Enana.
16. These were the renowned of the congregation, princes of the tribes of their fathers, heads of thousands in Israel.
16. Tels sont ceux qui furent convoqués à l`assemblée, princes des tribus de leurs pères, chefs des milliers d`Israël.
16. Ireo no malaza teo amin' ny fiangonana, dia lohan' ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin' ny Isiraely.
17. And Moses and Aaron took these men which are expressed by their names:
17. Moïse et Aaron prirent ces hommes, qui avaient été désignés par leurs noms,
17. Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
18. And they assembled all the congregation together on the first day of the second month, and they declared their pedigrees after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, by their polls.
18. et ils convoquèrent toute l`assemblée, le premier jour du second mois. On les enregistra selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant par tête les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus.
18. Dia namory ny fiangonana rehetra tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana faharoa izy ka nampanoratra ny anarany avy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, araka ny anaran' ny tsirairay hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra.
19. As the LORD commanded Moses, so he numbered them in the wilderness of Sinai.
19. Moïse en fit le dénombrement dans le désert de Sinaï, comme l`Éternel le lui avait ordonné.
19. Araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nanisany azy tany an' efitr' i Sinay.
20. And the children of Reuben, Israel's eldest son, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, by their polls, every male from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
20. On enregistra les fils de Ruben, premier-né d`Israël, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant par tête les noms de tous les mâles, depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
20. "Ary tamin' ny zanak' i Robena lahimatoan' Isiraely, araka ny taranany, sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
21. Those that were numbered of them, even of the tribe of Reuben, were forty and six thousand and five hundred.
21. les hommes de la tribu de Ruben dont on fit le dénombrement furent quarante-six mille cinq cents.
21. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Robena dia dimanjato amby enina arivo sy efatra alina.
22. Of the children of Simeon, by their generations, after their families, by the house of their fathers, those that were numbered of them, according to the number of the names, by their polls, every male from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
22. "On enregistra les fils de Siméon, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères; on en fit le dénombrement, en comptant par tête les noms de tous les mâles depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:"
22. "Ary tamin' ny zanak' i Simeona, araka ny taranany, sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
23. Those that were numbered of them, even of the tribe of Simeon, were fifty and nine thousand and three hundred.
23. les hommes de la tribu de Siméon dont on fit le dénombrement furent cinquante-neuf mille trois cents.
23. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Simeona dia telonjato amby sivy arivo sy dimy alina.
24. Of the children of Gad, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
24. On enregistra les fils de Gad, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
24. "Ary tamin' ny zanak' i Gada araka ny taranany sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
25. Those that were numbered of them, even of the tribe of Gad, were forty and five thousand six hundred and fifty.
25. les hommes de la tribu de Gad dont on fit le dénombrement furent quarante-cinq mille six cent cinquante.
25. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Gada dia dimampolo amby eninjato sy dimy arivo sy efatra alina.
26. Of the children of Judah, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
26. On enregistra les fils de Juda, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
26. "Ary tamin' ny zanak' i Joda araka ny taranany sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
27. Those that were numbered of them, even of the tribe of Judah, were threescore and fourteen thousand and six hundred.
27. les hommes de la tribu de Juda dont on fit le dénombrement furent soixante-quatorze mille six cents.
27. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Joda dia eninjato amby efatra arivo sy fito alina.
28. Of the children of Issachar, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
28. On enregistra les fils d`Issacar, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
28. "Ary tamin' ny zanak' Isakara araka ny taranany sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
29. Those that were numbered of them, even of the tribe of Issachar, were fifty and four thousand and four hundred.
29. les hommes de la tribu d`Issacar dont on fit le dénombrement furent cinquante-quatre mille quatre cents.
29. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' isakara dia efajato amby efatra arivo sy dimy alina.
30. Of the children of Zebulun, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
30. On enregistra les fils de Zabulon, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
30. " Ary tamin' ny zanak' i Zebolona araka ny taranany sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
31. Those that were numbered of them, even of the tribe of Zebulun, were fifty and seven thousand and four hundred.
31. les hommes de la tribu de Zabulon dont on fit le dénombrement furent cinquante-sept mille quatre cents.
31. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Zebolona dia efajato amby fito arivo sy dimy alina.
32. Of the children of Joseph, namely, of the children of Ephraim, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
32. On enregistra, d`entre les fils de Joseph, les fils d`Éphraïm, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
32. "Ary tamin' ny zanak' i Josefa, izay voatonona dia ny zanakalahin' i Efraima araka ny taranany sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
33. Those that were numbered of them, even of the tribe of Ephraim, were forty thousand and five hundred.
33. les hommes de la tribu d`Éphraïm dont on fit le dénombrement furent quarante mille cinq cents.
33. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Efraima dia dimanjato amby efatra alina.
34. Of the children of Manasseh, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
34. On enregistra les fils de Manassé, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
34. "Ary tamin' ny zanak' i Manase, araka ny taranany sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
35. Those that were numbered of them, even of the tribe of Manasseh, were thirty and two thousand and two hundred.
35. les hommes de la tribu de Manassé dont on fit le dénombrement furent trente-deux mille deux cents.
35. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Manase dia roanjato amby roa arivo sy telo alina.
36. Of the children of Benjamin, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
36. On enregistra les fils de Benjamin, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
36. "Ary tamin' ny zanak' i Benjamina, araka ny taranany sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
37. Those that were numbered of them, even of the tribe of Benjamin, were thirty and five thousand and four hundred.
37. les hommes de la tribu de Benjamin dont on fit le dénombrement furent trente-cinq mille quatre cents.
37. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Benjamina dia efajato amby dimy arivo sy telo alina.
38. Of the children of Dan, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
38. On enregistra les fils de Dan, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
38. Ary tamin' ny zanak' i Dana, araka ny taranany sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika.
39. Those that were numbered of them, even of the tribe of Dan, were threescore and two thousand and seven hundred.
39. les hommes de la tribu de Dan dont on fit le dénombrement furent soixante-deux mille sept cents.
39. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Dana dia fitonjato amby roa arivo sy enina alina.
40. Of the children of Asher, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
40. On enregistra les fils d`Aser, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
40. "Ary tamin' ny zanak' i Asera araka ny taranany sy ny fianakaviany, amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
41. Those that were numbered of them, even of the tribe of Asher, were forty and one thousand and five hundred.
41. les hommes de la tribu d`Aser dont on fit le dénombrement furent quarante et un mille cinq cents.
41. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Asera dia dimanjato amby arivo sy efatra alina.
42. Of the children of Naphtali, throughout their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war;
42. On enregistra les fils de Nephthali, selon leurs familles, selon les maisons de leurs pères, en comptant les noms depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux en état de porter les armes:
42. "Ary tamin' ny zanak' i Naftaly, araka ny taranany sy ny fianakaviany amin' ny ankohonan' ny rainy, araka ny anarany tsirairay, araka ny lohany avy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika;"
43. Those that were numbered of them, even of the tribe of Naphtali, were fifty and three thousand and four hundred.
43. les hommes de la tribu de Nephthali dont on fit le dénombrement furent cinquante-trois mille quatre cents.
43. Ireo izay voaisa avy tamin' ny fokon' i Naftaly dia efajato amby telo arivo sy dimy alina.
44. These are those that were numbered, which Moses and Aaron numbered, and the princes of Israel, being twelve men: each one was for the house of his fathers.
44. "Tels sont ceux dont le dénombrement fut fait par Moïse et Aaron, et par les douze hommes, princes d`Israël; il y avait un homme pour chacune des maisons de leurs pères."
44. Ireo no voaisa, dia izay voaisan' i Mosesy sy Arona ary ny andrianan' ny Isiraely roa ambin' ny folo lahy, izay samy avy amin' ny ankohonan' ny rainy.
45. So were all those that were numbered of the children of Israel, by the house of their fathers, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war in Israel;
45. Tous ceux des enfants d`Israël dont on fit le dénombrement, selon les maisons de leurs pères, depuis l`âge de vingt ans et au-dessus, tous ceux d`Israël en état de porter les armes,
45. "Ary ireo rehetra izay voaisa tamin' ny Zanak' Isiraely, araka ny ankohonan' ny rainy, hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay azo nalefa hanafika teo amin' ny Isiraely;"
46. Even all they that were numbered were six hundred thousand and three thousand and five hundred and fifty.
46. tous ceux dont on fit le dénombrement furent six cent trois mille cinq cent cinquante.
46. Izay voaisa dia dimampolo amby dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.
47. But the Levites after the tribe of their fathers were not numbered among them.
47. Les Lévites, selon la tribu de leurs pères, ne firent point partie de ce dénombrement.
47. Fa ny Levita araka ny fireneny kosa dia tsy mba nisaina niaraka tamin' ireo.
48. For the LORD had spoken unto Moses, saying,
48. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
48. Fa Jehovah efa niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
49. Only thou shalt not number the tribe of Levi, neither take the sum of them among the children of Israel:
49. Tu ne feras point le dénombrement de la tribu de Lévi, et tu n`en compteras point les têtes au milieu des enfants d`Israël.
49. "Ny fokon' i Levy no tsy isaina, na alaina isa eo amin' ny Zanak' Isiraely;"
50. But thou shalt appoint the Levites over the tabernacle of testimony, and over all the vessels thereof, and over all things that belong to it: they shall bear the tabernacle, and all the vessels thereof; and they shall minister unto it, and shall encamp round about the tabernacle.
50. Remets aux soins des Lévites le tabernacle du témoignage, tous ses ustensiles et tout ce qui lui appartient. Ils porteront le tabernacle et tous ses ustensiles, ils en feront le service, et ils camperont autour du tabernacle.
50. "Fa tendreo ny Levita hitandrina ny tabernakelin' ny vavolombelona sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny zavatra rehetra izay azy; izy no hitondra ny tabernakeliny sy ny fanaka rehetra ao sady hanao ny asa fanompoana ao izy, ka manodidina ny tabernakely no hitobiany."
51. And when the tabernacle setteth forward, the Levites shall take it down: and when the tabernacle is to be pitched, the Levites shall set it up: and the stranger that cometh nigh shall be put to death.
51. "Quand le tabernacle partira, les Lévites le démonteront; quand le tabernacle campera, les Lévites le dresseront; et l`étranger qui en approchera sera puni de mort."
51. "Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely dia ny Levita no hanangana azy; ary ny vahiny izay manakaiky dia hatao maty."
52. And the children of Israel shall pitch their tents, every man by his own camp, and every man by his own standard, throughout their hosts.
52. Les enfants d`Israël camperont chacun dans son camp, chacun près de sa bannière, selon leurs divisions.
52. Dia hanorina ny lainy ny Zanak' Isiraely samy araka ny tobiny avy, ary samy eo amin' ny fanevany avy, araka ny antokony.
53. But the Levites shall pitch round about the tabernacle of testimony, that there be no wrath upon the congregation of the children of Israel: and the Levites shall keep the charge of the tabernacle of testimony.
53. "Mais les Lévites camperont autour du tabernacle du témoignage, afin que ma colère n`éclate point sur l`assemblée des enfants d`Israël; et les Lévites auront la garde du tabernacle du témoignage."
53. "Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin' ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin' ny Vavolombelona."
54. And the children of Israel did according to all that the LORD commanded Moses, so did they.
54. "Les enfants d`Israël se conformèrent à tous les ordres que l`Éternel avait donnés à Moïse; ils firent ainsi."
54. "Dia nataon' ny Zanak' Isiraely araka izay rehetra nandidian' i Jehovah an' i Mosesy izany; eny, nataony izany."
<
>