Redeeming What Is the LORD's

1. And the LORD spake unto Moses, saying,
1. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
1. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
2. Speak unto the children of Israel, and say unto them, When a man shall make a singular vow, the persons shall be for the LORD by thy estimation.
2. Parle aux enfants d`Israël, et tu leur diras: Lorsqu`on fera des voeux, s`il s`agit de personnes, elles seront à l`Éternel d`après ton estimation.
2. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manao voady manokana, dia ho an' i Jehovah izy araka izay hataonao tombany.
3. And thy estimation shall be of the male from twenty years old even unto sixty years old, even thy estimation shall be fifty shekels of silver, after the shekel of the sanctuary.
3. "Si tu as à faire l`estimation d`un mâle de vingt à soixante ans, ton estimation sera de cinquante sicles d`argent, selon le sicle du sanctuaire;"
3. "Ary ny hataonao tomban' ny lehilahy hatramin' ny roapolo taona ka hatramin' ny enimpolo taona dia sekely volafotsy dimampolo araka ny sekelin' ny fitoerana masina;"
4. And if it be a female, then thy estimation shall be thirty shekels.
4. si c`est une femme, ton estimation sera de trente sicles.
4. Fa raha vehivavy dia sekely telopolo kosa no hataonao tombany.
5. And if it be from five years old even unto twenty years old, then thy estimation shall be of the male twenty shekels, and for the female ten shekels.
5. De cinq à vingt ans, ton estimation sera de vingt sicles pour un mâle, et de dix sicles pour une fille.
5. "Ary raha hatramin' ny dimy taona ka hatramin' ny roapolo taona, dia sekely roapolo no hataonao tomban' ny lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa."
6. And if it be from a month old even unto five years old, then thy estimation shall be of the male five shekels of silver, and for the female thy estimation shall be three shekels of silver.
6. D`un mois à cinq ans, ton estimation sera de cinq sicles d`argent pour un mâle, et de trois sicles d`argent pour une fille.
6. "Ary raha hatramin' ny iray volana ka hatramin' ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban' ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban' ny zazavavy."
7. And if it be from sixty years old and above; if it be a male, then thy estimation shall be fifteen shekels, and for the female ten shekels.
7. De soixante ans et au-dessus, ton estimation sera de quinze sicles pour un mâle, et de dix sicles pour une femme.
7. "Ary raha hatramin' ny enimpolo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin' ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa."
8. But if he be poorer than thy estimation, then he shall present himself before the priest, and the priest shall value him; according to his ability that vowed shall the priest value him.
8. Si celui qui a fait le voeu est trop pauvre pour payer ton estimation, on le présentera au sacrificateur, qui le taxera, et le sacrificateur fera une estimation en rapport avec les ressources de cet homme.
8. "Ary raha mihamahantra kosa izy ka tsy mahaloa izay ataonao ho tombany, dia hiseho eo anatrehan' ny mpisorona izy, ka ny mpisorona no hanombana azy; araka ny takatry ny ananan' ilay nivoady no hanombanan' ny mpisorona azy."
9. And if it be a beast, whereof men bring an offering unto the LORD, all that any man giveth of such unto the LORD shall be holy.
9. S`il s`agit d`animaux qui peuvent être offerts en sacrifice à l`Éternel, tout animal qu`on donnera à l`Éternel sera chose sainte.
9. Ary raha biby izay fanao fanatitra ho an' i Jehovah, dia ho masina ho an' i Jehovah izay rehetra omena amin' izany.
10. He shall not alter it, nor change it, a good for a bad, or a bad for a good: and if he shall at all change beast for beast, then it and the exchange thereof shall be holy.
10. "On ne le changera point, et l`on n`en mettra point un mauvais à la place d`un bon ni un bon à la place d`un mauvais; si l`on remplace un animal par un autre, ils seront l`un et l`autre chose sainte."
10. "Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon' ny ratsy, na ny ratsy ho solon' ny tsara; ary raha biby no ho takalozany biby dia samy ho masina izy sy ny takalony."
11. And if it be any unclean beast, of which they do not offer a sacrifice unto the LORD, then he shall present the beast before the priest:
11. S`il s`agit d`animaux impurs, qui ne peuvent être offerts en sacrifice à l`Éternel, on présentera l`animal au sacrificateur,
11. "Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an' i Jehovah kosa izany, dia hoentina eo anatrehan' ny mpisorona ilay biby;"
12. And the priest shall value it, whether it be good or bad: as thou valuest it, who art the priest, so shall it be.
12. qui en fera l`estimation selon qu`il sera bon ou mauvais, et l`on s`en rapportera à l`estimation du sacrificateur.
12. "Ary ny mpisorona hanombana azy, na tsara, na ratsy; koa araka izay ataon' ny mpisorona ho tombany no izy."
13. But if he will at all redeem it, then he shall add a fifth part thereof unto thy estimation.
13. Si on veut le racheter, on ajoutera un cinquième à son estimation.
13. Fa raha te-hanavotra azy ny tompony, dia hampiany ny ampahadiminy izay nataonao tombany.
14. And when a man shall sanctify his house to be holy unto the LORD, then the priest shall estimate it, whether it be good or bad: as the priest shall estimate it, so shall it stand.
14. Si quelqu`un sanctifie sa maison en la consacrant à l`Éternel, le sacrificateur en fera l`estimation selon qu`elle sera bonne ou mauvaise, et l`on s`en tiendra à l`estimation du sacrificateur.
14. "Ary raha misy olona manamasina ny tranony ho an' i Jehovah, dia hotombanan' ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay ataon' ny mpisorona ho tombany no izy."
15. And if he that sanctified it will redeem his house, then he shall add the fifth part of the money of thy estimation unto it, and it shall be his.
15. Si celui qui a sanctifié sa maison veut la racheter, il ajoutera un cinquième au prix de son estimation, et elle sera à lui.
15. Ary raha tian' ny tompony havotana ny tranony izay nohamasininy, dia hampiany ny ampahadiminy ny vola nataonao tombany, dia ho azy ny trano.
16. And if a man shall sanctify unto the LORD some part of a field of his possession, then thy estimation shall be according to the seed thereof: an homer of barley seed shall be valued at fifty shekels of silver.
16. Si quelqu`un sanctifie à l`Éternel un champ de sa propriété, ton estimation sera en rapport avec la quantité de semence, cinquante sicles d`argent pour un homer de semence d`orge.
16. "Ary raha misy olona manamasina ho an' i Jehovah ny sasany amin' ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voambary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimampolo."
17. If he sanctify his field from the year of jubile, according to thy estimation it shall stand.
17. "Si c`est dès l`année du jubilé qu`il sanctifie son champ, on s`en tiendra à ton estimation;"
17. Raha misy manamasina ny taniny, raha vao afaka ny taona Jobily, dia araka izay ataonao ho tombany no izy.
18. But if he sanctify his field after the jubile, then the priest shall reckon unto him the money according to the years that remain, even unto the year of the jubile, and it shall be abated from thy estimation.
18. si c`est après le jubilé qu`il sanctifie son champ, le sacrificateur en évaluera le prix à raison du nombre d`années qui restent jusqu`au jubilé, et il sera fait une réduction sur ton estimation.
18. Fa raha misy manamasina ny taniny aorian' ny Jobily, dia holazain' ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin' ny taona jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.
19. And if he that sanctified the field will in any wise redeem it, then he shall add the fifth part of the money of thy estimation unto it, and it shall be assured to him.
19. Si celui qui a sanctifié son champ veut le racheter, il ajoutera un cinquième au prix de ton estimation, et le champ lui restera.
19. Ary raha tian' ilay nanamasina azy havotana ny taniny, dia hampiany ny ampahadiminy ny vola nataonao tombany, ka dia tapaka ho azy.
20. And if he will not redeem the field, or if he have sold the field to another man, it shall not be redeemed any more.
20. S`il ne rachète point le champ, et qu`on le vende à un autre homme, il ne pourra plus être racheté.
20. Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin' olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany.
21. But the field, when it goeth out in the jubile, shall be holy unto the LORD, as a field devoted; the possession thereof shall be the priest's.
21. "Et quand l`acquéreur en sortira au jubilé, ce champ sera consacré à l`Éternel, comme un champ qui a été dévoué; il deviendra la propriété du sacrificateur."
21. "Fa raha afaka amin' ny jobily ny tany dia ho masina ho an' i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony."
22. And if a man sanctify unto the LORD a field which he hath bought, which is not of the fields of his possession;
22. Si quelqu`un sanctifie à l`Éternel un champ qu`il a acquis et qui ne fait point partie de sa propriété,
22. Ary raha misy manamasina ho an' i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin' ny zara-taniny,
23. Then the priest shall reckon unto him the worth of thy estimation, even unto the year of the jubile: and he shall give thine estimation in that day, as a holy thing unto the LORD.
23. le sacrificateur en évaluera le prix d`après ton estimation jusqu`à l`année du jubilé, et cet homme paiera le jour même le prix fixé, comme étant consacré à l`Éternel.
23. "Dia holazain' ny mpisorona aminy ny ankeviny izay ataonao ho tombany, dia hatramin' ny taona jobily; dia handoa izay nataonao ho tombany amin' izany andro izany izy ho zava-masina ho an' i Jehovah."
24. In the year of the jubile the field shall return unto him of whom it was bought, even to him to whom the possession of the land did belong.
24. L`année du jubilé, le champ retournera à celui de qui il avait été acheté et de la propriété dont il faisait partie.
24. Amin' ny taona jobily no hodian' ny tany amin' izay nividianana azy, dia ho an' izay tompon-dova izany.
25. And all thy estimations shall be according to the shekel of the sanctuary: twenty gerahs shall be the shekel.
25. Toutes tes estimations se feront en sicles du sanctuaire: le sicle est de vingt guéras.
25. "Ary ny tombany rehetra izay ataonao dia ho sekely araka ny fitoerana masina; ho gera roapolo ny sekely iray."
26. Only the firstling of the beasts, which should be the LORD's firstling, no man shall sanctify it; whether it be ox, or sheep: it is the LORD's.
26. "Nul ne pourra sanctifier le premier-né de son bétail, lequel appartient déjà à l`Éternel en sa qualité de premier-né; soit boeuf, soit agneau, il appartient à l`Éternel."
26. "Fa ny voalohan-teraky ny biby, dia izay voalohan-teraka ho an' i Jehovah, tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry; an' i Jehovah izany."
27. And if it be of an unclean beast, then he shall redeem it according to thine estimation, and shall add a fifth part of it thereto: or if it be not redeemed, then it shall be sold according to thy estimation.
27. "S`il s`agit d`un animal impur, on le rachètera au prix de ton estimation, en y ajoutant un cinquième; s`il n`est pas racheté, il sera vendu d`après ton estimation."
27. "Fa raha ny biby maloto kosa, dia havotany araka izay ataonao tombany, ary hampiany ny ampahadiminy; fa raha tsy havotana izy, dia hamidy araka izay nataonao ho tombany."
28. Notwithstanding no devoted thing, that a man shall devote unto the LORD of all that he hath, both of man and beast, and of the field of his possession, shall be sold or redeemed: every devoted thing is most holy unto the LORD.
28. "Tout ce qu`un homme dévouera par interdit à l`Éternel, dans ce qui lui appartient, ne pourra ni se vendre, ni se racheter, que ce soit une personne, un animal, ou un champ de sa propriété; tout ce qui sera dévoué par interdit sera entièrement consacré à l`Éternel."
28. "Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan' ny olona ho an' i Jehovah amin' izay ananany, na olona, na biby, na tany amin' izay ananany, dia tsy azo hamidy, na havotana ; ny zavatra rehetra atokana dia masina indrindra ho an' i Jehovah."
29. None devoted, which shall be devoted of men, shall be redeemed; but shall surely be put to death.
29. Aucune personne dévouée par interdit ne pourra être rachetée, elle sera mise à mort.
29. Ny olona voatokana, izay natokana, dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa.
30. And all the tithe of the land, whether of the seed of the land, or of the fruit of the tree, is the LORD's: it is holy unto the LORD.
30. "Toute dîme de la terre, soit des récoltes de la terre, soit du fruit des arbres, appartient à l`Éternel; c`est une chose consacrée à l`Éternel."
30. "Ary ny ampahafolon' ny tany, na ny ampahafolon' ny vokatry ny tany, na ny an' ny voankazo dia an' i Jehovah; masina ho an' i Jehovah izany."
31. And if a man will at all redeem ought of his tithes, he shall add thereto the fifth part thereof.
31. Si quelqu`un veut racheter quelque chose de sa dîme, il y ajoutera un cinquième.
31. Ary raha misy te-hanavotra ny ampahafolon' izay azy rehetra, dia hampiany ny ampahadiminy izany.
32. And concerning the tithe of the herd, or of the flock, even of whatsoever passeth under the rod, the tenth shall be holy unto the LORD.
32. Toute dîme de gros et de menu bétail, de tout ce qui passe sous la houlette, sera une dîme consacrée à l`Éternel.
32. Ary ny amin' ny ampahafolon' ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon' izay rehetra mandalo eo ambanin' ny tehin' ny mpiandry, dia ho masina ho an' i Jehovah.
33. He shall not search whether it be good or bad, neither shall he change it: and if he change it at all, then both it and the change thereof shall be holy; it shall not be redeemed.
33. "On n`examinera point si l`animal est bon ou mauvais, et l`on ne fera point d`échange; si l`on remplace un animal par un autre, ils seront l`un et l`autre chose sainte, et ne pourront être rachetés."
33. "Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany izany, dia samy ho masina izy sy ny takalony ka tsy havotana."
34. These are the commandments, which the LORD commanded Moses for the children of Israel in mount Sinai.
34. Tels sont les commandements que l`Éternel donna à Moïse pour les enfants d`Israël, sur la montagne de Sinaï.
34. Ireo no didy izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ho amin' ny Zanak' Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.
<
>