Leaders and Prophets Rebuked

1. And I said, Hear, I pray you, O heads of Jacob, and ye princes of the house of Israel; Is it not for you to know judgment?
1. Je dis: Écoutez, chefs de Jacob, Et princes de la maison d`Israël! N`est-ce pas à vous à connaître la justice?
1. Ary hoy aho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon' i Jakoba, sy ianareo mpanapaka ny taranak' Isiraely: Tsy anjaranareo va ny hahalala ny rariny?
2. Who hate the good, and love the evil; who pluck off their skin from off them, and their flesh from off their bones;
2. "Vous haïssez le bien et vous aimez le mal; Vous leur arrachez la peau et la chair de dessus les os."
2. Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, izay manendaka ny hoditry ny olona sy ny nofony amin' ny taolany,
3. Who also eat the flesh of my people, and flay their skin from off them; and they break their bones, and chop them in pieces, as for the pot, and as flesh within the caldron.
3. "Ils dévorent la chair de mon peuple, Lui arrachent la peau, Et lui brisent les os; Ils le mettent en pièces comme ce qu`on cuit dans un pot, Comme de la viande dans une chaudière."
3. "Dia ianareo izay homana ny nofon' ny oloko koa sady manendaka ny hodiny ary mamakivaky ny taolany; sy mitetika azy toy ny hatao am-bilany sady toy ny hena ao anatin' ny fahandroan-kena."
4. Then shall they cry unto the LORD, but he will not hear them: he will even hide his face from them at that time, as they have behaved themselves ill in their doings.
4. "Alors ils crieront vers l`Éternel, Mais il ne leur répondra pas; Il leur cachera sa face en ce temps-là, Parce qu`ils ont fait de mauvaises actions."
4. "Amin' izany dia hitaraina amin' i Jehovah izy, nefa tsy hohenoiny; hanafina ny tavany aminy amin' izany fotoana izany Izy araka ny faharatsian' ny nataon' ireo."
5. Thus saith the LORD concerning the prophets that make my people err, that bite with their teeth, and cry, Peace; and he that putteth not into their mouths, they even prepare war against him.
5. Ainsi parle l`Éternel sur les prophètes qui égarent mon peuple, Qui annoncent la paix si leurs dents ont quelque chose à mordre, Et qui publient la guerre si on ne leur met rien dans la bouche:
5. Izao no lazain' i Jehovah ny amin' ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, izay manaikitra amin' ny nifiny, sy miantsoantso Fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia hanomanany ady hanoherana azy.
6. Therefore night shall be unto you, that ye shall not have a vision; and it shall be dark unto you, that ye shall not divine; and the sun shall go down over the prophets, and the day shall be dark over them.
6. A cause de cela, vous aurez la nuit..., et plus de visions! Vous aurez les ténèbres..., et plus d`oracles! Le soleil se couchera sur ces prophètes, Le jour s`obscurcira sur eux.
6. "Koa izany no hisian' ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, ary ho maizina aminy ny andro."
7. Then shall the seers be ashamed, and the diviners confounded: yea, they shall all cover their lips; for there is no answer of God.
7. "Les voyants seront confus, les devins rougiront, Tous se couvriront la barbe; Car Dieu ne répondra pas."
7. "Dia ho menatra ny mpahita, ary hangaihay ny mpanao fankatovana; eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, satria tsy misy valiny avy amin' Andriamanitra."
8. But truly I am full of power by the spirit of the LORD, and of judgment, and of might, to declare unto Jacob his transgression, and to Israel his sin.
8. Mais moi, je suis rempli de force, de l`esprit de l`Éternel, Je suis rempli de justice et de vigueur, Pour faire connaître à Jacob son crime, Et à Israël son péché.
8. Fa Izaho kosa dia feno hery amin' ny fanahin' i Jehovah, mbamin' ny rariny sy ny faherezana, mba hanambara amin' i Jakoba ny helony sy amin' Isiraely ny fahotany.
9. Hear this, I pray you, ye heads of the house of Jacob, and princes of the house of Israel, that abhor judgment, and pervert all equity.
9. Écoutez donc ceci, chefs de la maison de Jacob, Et princes de la maison d`Israël, Vous qui avez en horreur la justice, Et qui pervertissez tout ce qui est droit,
9. Masìna ianareo, mihainoa izao, ry loholon' ny taranak' i Jakoba, sy ny mpanapaka ny taranak' Isiraely, dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana, sy mamadika ny hitsiny rehetra.
10. They build up Zion with blood, and Jerusalem with iniquity.
10. Vous qui bâtissez Sion avec le sang, Et Jérusalem avec l`iniquité!
10. Dia izay manangana an' i Ziona amin' ny fandatsahan-drà sy Jerosalema amin' ny faharatsiana.
11. The heads thereof judge for reward, and the priests thereof teach for hire, and the prophets thereof divine for money: yet will they lean upon the LORD, and say, Is not the LORD among us? none evil can come upon us.
11. "Ses chefs jugent pour des présents, Ses sacrificateurs enseignent pour un salaire, Et ses prophètes prédisent pour de l`argent; Et ils osent s`appuyer sur l`Éternel, ils disent: L`Éternel n`est-il pas au milieu de nous? Le malheur ne nous atteindra pas."
11. "Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, ary ny mpisorona mampianatra hahazoany karama, ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; nefa Jehovah mbola iankinany, sady hoy izy: tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika."
12. Therefore shall Zion for your sake be plowed as a field, and Jerusalem shall become heaps, and the mountain of the house as the high places of the forest.
12. C`est pourquoi, à cause de vous, Sion sera labourée comme un champ, Jérusalem deviendra un monceau de pierres, Et la montagne du temple une sommité couverte de bois.
12. Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
<
>