The Man With Leprosy
1. When he was come down from the mountain, great multitudes followed him.
1. Lorsque Jésus fut descendu de la montagne, une grande foule le suivit.
1. Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
2. And, behold, there came a leper and worshipped him, saying, Lord, if thou wilt, thou canst make me clean.
2. Et voici, un lépreux s`étant approché se prosterna devant lui, et dit: Seigneur, si tu le veux, tu peux me rendre pur.
2. Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.
3. And Jesus put forth his hand, and touched him, saying, I will; be thou clean. And immediately his leprosy was cleansed.
3. Jésus étendit la main, le toucha, et dit: Je le veux, sois pur. Aussitôt il fut purifié de sa lèpre.
3. "Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin’ny habokany niaraka tamin’izay izy."
4. And Jesus saith unto him, See thou tell no man; but go thy way, shew thyself to the priest, and offer the gift that Moses commanded, for a testimony unto them.
4. "Puis Jésus lui dit: Garde-toi d`en parler à personne; mais va te montrer au sacrificateur, et présente l`offrande que Moïse a prescrite, afin que cela leur serve de témoignage."
4. "Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona, ka mitondrà ny fanomezana izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo."
The Faith of the Centurion
5. And when Jesus was entered into Capernaum, there came unto him a centurion, beseeching him,
5. Comme Jésus entrait dans Capernaüm, un centenier l`aborda,
5. Ary nony niditra tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy,
6. And saying, Lord, my servant lieth at home sick of the palsy, grievously tormented.
6. le priant et disant: Seigneur, mon serviteur est couché à la maison, atteint de paralysie et souffrant beaucoup.
6. Nanao hoe: Tompoko ô, ny mpanompoko mandry ao an-trano, mararin’ny paralysisa mihovitrovitra ka mijaly loatra.
7. And Jesus saith unto him, I will come and heal him.
7. Jésus lui dit: J`irai, et je le guérirai.
7. Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.
8. The centurion answered and said, Lord, I am not worthy that thou shouldest come under my roof: but speak the word only, and my servant shall be healed.
8. "Le centenier répondit: Seigneur, je ne suis pas digne que tu entres sous mon toit; mais dis seulement un mot, et mon serviteur sera guéri."
8. "Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambany tafon-tranoko aho; fa lazao fotsiny ny teny, dia ho sitrana ny mpanompoko."
9. For I am a man under authority, having soldiers under me: and I say to this man, Go, and he goeth; and to another, Come, and he cometh; and to my servant, Do this, and he doeth it.
9. "Car, moi qui suis soumis à des supérieurs, j`ai des soldats sous mes ordres; et je dis à l`un: Va! et il va; à l`autre: Viens! et il vient; et à mon serviteur: Fais cela! et il le fait."
9. "Fa izaho koa mba lehilahy ambany fahefan’ny hafa ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy aho amin’ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy."
10. When Jesus heard it, he marvelled, and said to them that followed, Verily I say unto you, I have not found so great faith, no, not in Israel.
10. Après l`avoir entendu, Jésus fut dans l`étonnement, et il dit à ceux qui le suivaient: Je vous le dis en vérité, même en Israël je n`ai pas trouvé une aussi grande foi.
10. Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga Izy ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ny Isiraely aza.
11. And I say unto you, That many shall come from the east and west, and shall sit down with Abraham, and Isaac, and Jacob, in the kingdom of heaven.
11. Or, je vous déclare que plusieurs viendront de l`orient et de l`occident, et seront à table avec Abraham, Isaac et Jacob, dans le royaume des cieux.
11. "Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra;"
12. But the children of the kingdom shall be cast out into outer darkness: there shall be weeping and gnashing of teeth.
12. Mais les fils du royaume seront jetés dans les ténèbres du dehors, où il y aura des pleurs et des grincements de dents.
12. "Fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify."
13. And Jesus said unto the centurion, Go thy way; and as thou hast believed, so be it done unto thee. And his servant was healed in the selfsame hour.
13. Puis Jésus dit au centenier: Va, qu`il te soit fait selon ta foi. Et à l`heure même le serviteur fut guéri.
13. "Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao; dia sitrana tamin’izany ora izany ilay mpanompony."
Jesus Heals Many
14. And when Jesus was come into Peter's house, he saw his wife's mother laid, and sick of a fever.
14. Jésus se rendit ensuite à la maison de Pierre, dont il vit la belle-mère couchée et ayant la fièvre.
14. Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’i Petera, dia nahita ny rafozambavin’i Petera nandry teo, nanavin’ny tazo.
15. And he touched her hand, and the fever left her: and she arose, and ministered unto them.
15. "Il toucha sa main, et la fièvre la quitta; puis elle se leva, et le servit."
15. "Ary nanendry ny tanany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo azy ireo."
16. When the even was come, they brought unto him many that were possessed with devils: and he cast out the spirits with his word, and healed all that were sick:
16. Le soir, on amena auprès de Jésus plusieurs démoniaques. Il chassa les esprits par sa parole, et il guérit tous les malades,
16. "Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ny olona tany aminy ny olona maro azon' ny devoly; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,"
17. That it might be fulfilled which was spoken by Esaias the prophet, saying, Himself took our infirmities, and bare our sicknesses.
17. afin que s`accomplît ce qui avait été annoncé par Ésaïe, le prophète: Il a pris nos infirmités, et il s`est chargé de nos maladies.
17. Mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: “naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika Izy”.
The Cost of Following Jesus
18. Now when Jesus saw great multitudes about him, he gave commandment to depart unto the other side.
18. Jésus, voyant une grande foule autour de lui, donna l`ordre de passer à l`autre bord.
18. Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Azy, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.
19. And a certain scribe came, and said unto him, Master, I will follow thee whithersoever thou goest.
19. Un scribe s`approcha, et lui dit: Maître, je te suivrai partout où tu iras.
19. Ary nanatona ny mpanoradalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.
20. And Jesus saith unto him, The foxes have holes, and the birds of the air have nests; but the Son of man hath not where to lay his head.
20. "Jésus lui répondit: Les renards ont des tanières, et les oiseaux du ciel ont des nids; mais le Fils de l`homme n`a pas où reposer sa tête."
20. "Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina eny amin' ny habakabaka manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay ipetrahan’ny lohany."
21. And another of his disciples said unto him, Lord, suffer me first to go and bury my father.
21. Un autre, d`entre les disciples, lui dit: Seigneur, permets-moi d`aller d`abord ensevelir mon père.
21. Ary nisy hafa koa tamin’ny mpianany niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
22. But Jesus said unto him, Follow me; and let the dead bury their dead.
22. Mais Jésus lui répondit: Suis-moi, et laisse les morts ensevelir leurs morts.
22. "Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy."
Jesus Calms the Storm
23. And when he was entered into a ship, his disciples followed him.
23. Il monta dans la barque, et ses disciples le suivirent.
23. Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.
24. And, behold, there arose a great tempest in the sea, insomuch that the ship was covered with the waves: but he was asleep.
24. Et voici, il s`éleva sur la mer une si grande tempête que la barque était couverte par les flots. Et lui, il dormait.
24. Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, ka dia nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely, fa Izy natory.
25. And his disciples came to him, and awoke him, saying, Lord, save us: we perish.
25. Les disciples s`étant approchés le réveillèrent, et dirent: Seigneur, sauve-nous, nous périssons!
25. Ary nanatona Azy ny mpianany, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!
26. And he saith unto them, Why are ye fearful, O ye of little faith? Then he arose, and rebuked the winds and the sea; and there was a great calm.
26. Il leur dit: Pourquoi avez-vous peur, gens de peu de foi? Alors il se leva, menaça les vents et la mer, et il y eut un grand calme.
26. Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
27. But the men marvelled, saying, What manner of man is this, that even the winds and the sea obey him!
27. Ces hommes furent saisis d`étonnement: Quel est celui-ci, disaient-ils, à qui obéissent même les vents et la mer?
27. Fa talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!
The Healing of Two Demon-possessed Men
28. And when he was come to the other side into the country of the Gergesenes, there met him two possessed with devils, coming out of the tombs, exceeding fierce, so that no man might pass by that way.
28. Lorsqu`il fut à l`autre bord, dans le pays des Gadaréniens, deux démoniaques, sortant des sépulcres, vinrent au-devant de lui. Ils étaient si furieux que personne n`osait passer par là.
28. Ary nony tonga teny am-pita teo amin’ny tanin’ny Gerasena Izy, dia nifanena taminy ny olona roa lahy feno devoly, nivoaka avy teny amin’ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin’izany lalana izany.
29. And, behold, they cried out, saying, What have we to do with thee, Jesus, thou Son of God? art thou come hither to torment us before the time?
29. Et voici, ils s`écrièrent: Qu`y a-t-il entre nous et toi, Fils de Dieu? Es-tu venu ici pour nous tourmenter avant le temps?
29. Ary, indro, niantso izy ireo ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy Zanak’Andriamanitra ô! Tonga ety va Ianao hampijaly anay alohan’ny fotoana?
30. And there was a good way off from them an herd of many swine feeding.
30. Il y avait loin d`eux un grand troupeau de pourceaux qui paissaient.
30. Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
31. So the devils besought him, saying, If thou cast us out, suffer us to go away into the herd of swine.
31. Les démons priaient Jésus, disant: Si tu nous chasses, envoie-nous dans ce troupeau de pourceaux.
31. Ary ny devoly nifona tamin’i Jesosy ka nanao taminy hoe: Raha avoakanao àry izahay, dia iraho hankany anatin’ireo kisoa andiany ireo.
32. And he said unto them, Go. And when they were come out, they went into the herd of swine: and, behold, the whole herd of swine ran violently down a steep place into the sea, and perished in the waters.
32. Il leur dit: Allez! Ils sortirent, et entrèrent dans les pourceaux. Et voici, tout le troupeau se précipita des pentes escarpées dans la mer, et ils périrent dans les eaux.
32. "Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin’ny andian-kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina, ka dia maty tany anatin’ny rano."
33. And they that kept them fled, and went their ways into the city, and told every thing, and what was befallen to the possessed of the devils.
33. Ceux qui les faisaient paître s`enfuirent, et allèrent dans la ville raconter tout ce qui s`était passé et ce qui était arrivé aux démoniaques.
33. Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra sy izay nitranga tamin’ireo azon' ny devoly.
34. And, behold, the whole city came out to meet Jesus: and when they saw him, they besought him that he would depart out of their coasts.
34. "Alors toute la ville sortit à la rencontre de Jésus; et, dès qu`ils le virent, ils le supplièrent de quitter leur territoire."
34. "Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an’i Jesosy; ka nony nahita Azy izy ireo, dia nifona taminy mba hiala amin’ny faritaniny."