Giving to the Needy
1. Take heed that ye do not your alms before men, to be seen of them: otherwise ye have no reward of your Father which is in heaven.
1. "Gardez-vous de pratiquer votre justice devant les hommes, pour en être vus; autrement, vous n`aurez point de récompense auprès de votre Père qui est dans les cieux."
1. Tandremo mba tsy hanao ny fiantranareo eo imason’ny olona ianareo hahitany izany, fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.
2. Therefore when thou doest thine alms, do not sound a trumpet before thee, as the hypocrites do in the synagogues and in the streets, that they may have glory of men. Verily I say unto you, They have their reward.
2. Lors donc que tu fais l`aumône, ne sonne pas de la trompette devant toi, comme font les hypocrites dans les synagogues et dans les rues, afin d`être glorifiés par les hommes. Je vous le dis en vérité, ils reçoivent leur récompense.
2. Koa amin’izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
3. But when thou doest alms, let not thy left hand know what thy right hand doeth:
3. Mais quand tu fais l`aumône, que ta main gauche ne sache pas ce que fait ta droite,
3. Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ny tananao ankavanana,
4. That thine alms may be in secret: and thy Father which seeth in secret himself shall reward thee openly.
4. "afin que ton aumône se fasse en secret; et ton Père, qui voit dans le secret, te le rendra."
4. "Mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao miharihary."
Prayer
5. And when thou prayest, thou shalt not be as the hypocrites are: for they love to pray standing in the synagogues and in the corners of the streets, that they may be seen of men. Verily I say unto you, They have their reward.
5. Lorsque vous priez, ne soyez pas comme les hypocrites, qui aiment à prier debout dans les synagogues et aux coins des rues, pour être vus des hommes. Je vous le dis en vérité, ils reçoivent leur récompense.
5. "Ary raha mivavaka ianao, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan’ny olona azy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa efa azony ny valim-pitiany."
6. But thou, when thou prayest, enter into thy closet, and when thou hast shut thy door, pray to thy Father which is in secret; and thy Father which seeth in secret shall reward thee openly.
6. "Mais quand tu pries, entre dans ta chambre, ferme ta porte, et prie ton Père qui est là dans le lieu secret; et ton Père, qui voit dans le secret, te le rendra."
6. "Fa ianao kosa raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao miharihary."
7. But when ye pray, use not vain repetitions, as the heathen do: for they think that they shall be heard for their much speaking.
7. En priant, ne multipliez pas de vaines paroles, comme les païens, qui s`imaginent qu`à force de paroles ils seront exaucés.
7. "Fa rehefa mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro miverimberina tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy."
8. Be not ye therefore like unto them: for your Father knoweth what things ye have need of, before ye ask him.
8. "Ne leur ressemblez pas; car votre Père sait de quoi vous avez besoin, avant que vous le lui demandiez."
8. "Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo."
9. After this manner therefore pray ye: Our Father which art in heaven, Hallowed be thy name.
9. "Voici donc comment vous devez prier: Notre Père qui es aux cieux! Que ton nom soit sanctifié;"
9. Koa amin’izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny anaranao.
10. Thy kingdom come. Thy will be done in earth, as it is in heaven.
10. "que ton règne vienne; que ta volonté soit faite sur la terre comme au ciel."
10. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
11. Give us this day our daily bread.
11. "Donne-nous aujourd`hui notre pain quotidien;"
11. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
12. And forgive us our debts, as we forgive our debtors.
12. "pardonne-nous nos offenses, comme nous aussi nous pardonnons à ceux qui nous ont offensés;"
12. Ary mamelà ny trosanay tahaka ny namelanay izay mpitrosa taminay.
13. And lead us not into temptation, but deliver us from evil: For thine is the kingdom, and the power, and the glory, for ever. Amen.
13. ne nous induis pas en tentation, mais délivre-nous du malin. Car c`est à toi qu`appartiennent, dans tous les siècles, le règne, la puissance et la gloire. Amen!
13. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakampanahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.
14. For if ye forgive men their trespasses, your heavenly Father will also forgive you:
14. "Si vous pardonnez aux hommes leurs offenses, votre Père céleste vous pardonnera aussi;"
14. "Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra;"
15. But if ye forgive not men their trespasses, neither will your Father forgive your trespasses.
15. mais si vous ne pardonnez pas aux hommes, votre Père ne vous pardonnera pas non plus vos offenses.
15. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
Fasting
16. Moreover when ye fast, be not, as the hypocrites, of a sad countenance: for they disfigure their faces, that they may appear unto men to fast. Verily I say unto you, They have their reward.
16. Lorsque vous jeûnez, ne prenez pas un air triste, comme les hypocrites, qui se rendent le visage tout défait, pour montrer aux hommes qu`ils jeûnent. Je vous le dis en vérité, ils reçoivent leur récompense.
16. "Ary koa raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany."
17. But thou, when thou fastest, anoint thine head, and wash thy face;
17. Mais quand tu jeûnes, parfume ta tête et lave ton visage,
17. Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
18. That thou appear not unto men to fast, but unto thy Father which is in secret: and thy Father, which seeth in secret, shall reward thee openly.
18. "afin de ne pas montrer aux hommes que tu jeûnes, mais à ton Père qui est là dans le lieu secret; et ton Père, qui voit dans le secret, te le rendra."
18. "Mba tsy ho hitan’ny olona fa mifady, fa ho hitan’ny Rainao, izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao miharihary."
Treasures in Heaven
19. Lay not up for yourselves treasures upon earth, where moth and rust doth corrupt, and where thieves break through and steal:
19. "Ne vous amassez pas des trésors sur la terre, où la teigne et la rouille détruisent, et où les voleurs percent et dérobent;"
19. Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamy trano sy mangalatra.
20. But lay up for yourselves treasures in heaven, where neither moth nor rust doth corrupt, and where thieves do not break through nor steal:
20. mais amassez-vous des trésors dans le ciel, où la teigne et la rouille ne détruisent point, et où les voleurs ne percent ni ne dérobent.
20. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.
21. For where your treasure is, there will your heart be also.
21. Car là où est ton trésor, là aussi sera ton coeur.
21. Fa izay itoeran’ny tahirinareo, dia ho any koa ny fonareo.
22. The light of the body is the eye: if therefore thine eye be single, thy whole body shall be full of light.
22. "L`oeil est la lampe du corps. Si ton oeil est en bon état, tout ton corps sera éclairé;"
22. "Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra."
23. But if thine eye be evil, thy whole body shall be full of darkness. If therefore the light that is in thee be darkness, how great is that darkness!
23. mais si ton oeil est en mauvais état, tout ton corps sera dans les ténèbres. Si donc la lumière qui est en toi est ténèbres, combien seront grandes ces ténèbres!
23. Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra: koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’izany fahamaizinana izany!
24. No man can serve two masters: for either he will hate the one, and love the other; or else he will hold to the one, and despise the other. Ye cannot serve God and mammon.
24. "Nul ne peut servir deux maîtres. Car, ou il haïra l`un, et aimera l`autre; ou il s`attachera à l`un, et méprisera l`autre. Vous ne pouvez servir Dieu et Mamon."
24. "Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna ianareo."
Do Not Worry
25. Therefore I say unto you, Take no thought for your life, what ye shall eat, or what ye shall drink; nor yet for your body, what ye shall put on. Is not the life more than meat, and the body than raiment?
25. C`est pourquoi je vous dis: Ne vous inquiétez pas pour votre vie de ce que vous mangerez, ni pour votre corps, de quoi vous serez vêtus. La vie n`est-elle pas plus que la nourriture, et le corps plus que le vêtement?
25. Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
26. Behold the fowls of the air: for they sow not, neither do they reap, nor gather into barns; yet your heavenly Father feedeth them. Are ye not much better than they?
26. "Regardez les oiseaux du ciel: ils ne sèment ni ne moissonnent, et ils n`amassent rien dans des greniers; et votre Père céleste les nourrit. Ne valez-vous pas beaucoup plus qu`eux?"
26. Tsinjovy ny voro-manidina eny amin' ny habakabaka, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny, nefa ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
27. Which of you by taking thought can add one cubit unto his stature?
27. Qui de vous, par ses inquiétudes, peut ajouter une coudée à la durée de sa vie?
27. Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny halavan’ny tenany, na dia hakiho iray monja aza?
28. And why take ye thought for raiment? Consider the lilies of the field, how they grow; they toil not, neither do they spin:
28. "Et pourquoi vous inquiéter au sujet du vêtement? Considérez comment croissent les lis des champs: ils ne travaillent ni ne filent;"
28. "Ary nahoana no manahy ny amin’ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin’ny lilia any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;"
29. And yet I say unto you, That even Solomon in all his glory was not arrayed like one of these.
29. cependant je vous dis que Salomon même, dans toute sa gloire, n`a pas été vêtu comme l`un d`eux.
29. Nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny.
30. Wherefore, if God so clothe the grass of the field, which to day is, and to morrow is cast into the oven, shall he not much more clothe you, O ye of little faith?
30. Si Dieu revêt ainsi l`herbe des champs, qui existe aujourd`hui et qui demain sera jetée au four, ne vous vêtira-t-il pas à plus forte raison, gens de peu de foi?
30. Noho izany, raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?
31. Therefore take no thought, saying, What shall we eat? or, What shall we drink? or, Wherewithal shall we be clothed?
31. Ne vous inquiétez donc point, et ne dites pas: Que mangerons-nous? que boirons-nous? de quoi serons-nous vêtus?
31. Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na, inona no hosotroinay? na, inona no hotafinay?
32. (For after all these things do the Gentiles seek:) for your heavenly Father knoweth that ye have need of all these things.
32. Car toutes ces choses, ce sont les païens qui les recherchent. Votre Père céleste sait que vous en avez besoin.
32. "(Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra); fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany."
33. But seek ye first the kingdom of God, and his righteousness; and all these things shall be added unto you.
33. "Cherchez premièrement le royaume et la justice de Dieu; et toutes ces choses vous seront données par-dessus."
33. Nefa katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
34. Take therefore no thought for the morrow: for the morrow shall take thought for the things of itself. Sufficient unto the day is the evil thereof.
34. "Ne vous inquiétez donc pas du lendemain; car le lendemain aura soin de lui-même. A chaque jour suffit sa peine."
34. "Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy."