The Greatest in the Kingdom of Heaven
1. At the same time came the disciples unto Jesus, saying, Who is the greatest in the kingdom of heaven?
1. En ce moment, les disciples s`approchèrent de Jésus, et dirent: Qui donc est le plus grand dans le royaume des cieux?
1. TAMIN' izany fotoana izany dia nankeo amin' i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin' ny fanjakan' ny lanitra?
2. And Jesus called a little child unto him, and set him in the midst of them,
2. Jésus, ayant appelé un petit enfant, le plaça au milieu d`eux,
2. Ary niantso zaza kely anankiray hankeo aminy Jesosy, dia nametraka azy teo afovoany,
3. And said, Verily I say unto you, Except ye be converted, and become as little children, ye shall not enter into the kingdom of heaven.
3. et dit: Je vous le dis en vérité, si vous ne vous convertissez et si vous ne devenez comme les petits enfants, vous n`entrerez pas dans le royaume des cieux.
3. Ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova fo ianareo ka ho tonga tahaka ny zaza kely, dia tsy hiditra amin' ny fanjakan' ny lanitra ianareo.
4. Whosoever therefore shall humble himself as this little child, the same is greatest in the kingdom of heaven.
4. C`est pourquoi, quiconque se rendra humble comme ce petit enfant sera le plus grand dans le royaume des cieux.
4. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zaza kely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin' ny fanjakan' ny lanitra.
5. And whoso shall receive one such little child in my name receiveth me.
5. Et quiconque reçoit en mon nom un petit enfant comme celui-ci, me reçoit moi-même.
5. Ary na zovy na zovy no handray zaza kely anankiray tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.
6. But whoso shall offend one of these little ones which believe in me, it were better for him that a millstone were hanged about his neck, and that he were drowned in the depth of the sea.
6. Mais, si quelqu`un scandalisait un de ces petits qui croient en moi, il vaudrait mieux pour lui qu`on suspendît à son cou une meule de moulin, et qu`on le jetât au fond de la mer.
6. Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin' ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-barimbazaha ny vozony, ka alentika any amin' ny ranomasina lalina izy.
7. Woe unto the world because of offences! for it must needs be that offences come; but woe to that man by whom the offence cometh!
7. "Malheur au monde à cause des scandales! Car il est nécessaire qu`il arrive des scandales; mais malheur à l`homme par qui le scandale arrive!"
7. Loza ho an' izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa loza ho an' ny olona mahatonga ny fahatafintohinana!
8. Wherefore if thy hand or thy foot offend thee, cut them off, and cast them from thee: it is better for thee to enter into life halt or maimed, rather than having two hands or two feet to be cast into everlasting fire.
8. "Si ta main ou ton pied est pour toi une occasion de chute, coupe-les et jette-les loin de toi; mieux vaut pour toi entrer dans la vie boiteux ou manchot, que d`avoir deux pieds ou deux mains et d`être jeté dans le feu éternel."
8. "Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin' ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin' ny afo maharitra mandrakizay."
9. And if thine eye offend thee, pluck it out, and cast it from thee: it is better for thee to enter into life with one eye, rather than having two eyes to be cast into hell fire.
9. "Et si ton oeil est pour toi une occasion de chute, arrache-le et jette-le loin de toi; mieux vaut pour toi entrer dans la vie, n`ayant qu`un oeil, que d`avoir deux yeux et d`être jeté dans le feu de la géhenne."
9. "Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra tokamaso any amin' ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin' ny helo mirehitra afo."
The Parable of the Lost Sheep
10. Take heed that ye despise not one of these little ones; for I say unto you, That in heaven their angels do always behold the face of my Father which is in heaven.
10. "Gardez-vous de mépriser un seul de ces petits; car je vous dis que leurs anges dans les cieux voient continuellement la face de mon Père qui est dans les cieux."
10. "Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin' ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan' ny Raiko Izay any an-danitra."
11. For the Son of man is come to save that which was lost.
11. Car le Fils de l`homme est venu sauver ce qui était perdu.
11. Fa tonga ny Zanak' Olona hamonjy ny very.
12. How think ye? if a man have an hundred sheep, and one of them be gone astray, doth he not leave the ninety and nine, and goeth into the mountains, and seeketh that which is gone astray?
12. Que vous en semble? Si un homme a cent brebis, et que l`une d`elles s`égare, ne laisse-t-il pas les quatre-vingt-dix-neuf autres sur les montagnes, pour aller chercher celle qui s`est égarée?
12. Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray, moa tsy hamela ny sivy amby sivifolo va izy ka hankany an-tendrombohitra sy hitady ilay nania?
13. And if so be that he find it, verily I say unto you, he rejoiceth more of that sheep, than of the ninety and nine which went not astray.
13. Et, s`il la trouve, je vous le dis en vérité, elle lui cause plus de joie que les quatre-vingt-dix-neuf qui ne se sont pas égarées.
13. Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy kokoa iny ondry iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.
14. Even so it is not the will of your Father which is in heaven, that one of these little ones should perish.
14. De même, ce n`est pas la volonté de votre Père qui est dans les cieux qu`il se perde un seul de ces petits.
14. Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin' ireny madinika ireny.
A Brother Who Sins Against You
15. Moreover if thy brother shall trespass against thee, go and tell him his fault between thee and him alone: if he shall hear thee, thou hast gained thy brother.
15. Si ton frère a péché, va et reprends-le entre toi et lui seul. S`il t`écoute, tu as gagné ton frère.
15. "Ary koa, raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ambarao aminy ny fahadisoany, raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;"
16. But if he will not hear thee, then take with thee one or two more, that in the mouth of two or three witnesses every word may be established.
16. Mais, s`il ne t`écoute pas, prends avec toi une ou deux personnes, afin que toute l`affaire se règle sur la déclaration de deux ou de trois témoins.
16. Fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin' ny tenin' ny vavolombelona roa na telo.
17. And if he shall neglect to hear them, tell it unto the church: but if he neglect to hear the church, let him be unto thee as an heathen man and a publican.
17. "S`il refuse de les écouter, dis-le à l`Église; et s`il refuse aussi d`écouter l`Église, qu`il soit pour toi comme un païen et un publicain."
17. "Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin' ny fiangonana; fa raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy."
18. Verily I say unto you, Whatsoever ye shall bind on earth shall be bound in heaven: and whatsoever ye shall loose on earth shall be loosed in heaven.
18. Je vous le dis en vérité, tout ce que vous lierez sur la terre sera lié dans le ciel, et tout ce que vous délierez sur la terre sera délié dans le ciel.
18. "Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin' ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin' ny tany dia hovahana any an-danitra."
19. Again I say unto you, That if two of you shall agree on earth as touching any thing that they shall ask, it shall be done for them of my Father which is in heaven.
19. Je vous dis encore que, si deux d`entre vous s`accordent sur la terre pour demander une chose quelconque, elle leur sera accordée par mon Père qui est dans les cieux.
19. Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin' ny tany, na amin' inona na amin' inona, ka hangataka izany, dia hatao aminy avy amin' ny Raiko Izay any an-danitra izany.
20. For where two or three are gathered together in my name, there am I in the midst of them.
20. Car là où deux ou trois sont assemblés en mon nom, je suis au milieu d`eux.
20. Fa na aiza na aiza no iangonan' ny roa na telo amin' ny anarako, dia ao afovoany Aho.
The Parable of the Unmerciful Servant
21. Then came Peter to him, and said, Lord, how oft shall my brother sin against me, and I forgive him? till seven times?
21. Alors Pierre s`approcha de lui, et dit: Seigneur, combien de fois pardonnerai-je à mon frère, lorsqu`il péchera contre moi? Sera-ce jusqu`à sept fois?
21. Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan' ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin' ny impito va?
22. Jesus saith unto him, I say not unto thee, Until seven times: but, Until seventy times seven.
22. Jésus lui dit: Je ne te dis pas jusqu`à sept fois, mais jusqu`à septante fois sept fois.
22. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin' ny impito, fa hatramin' ny fitopolo impito.
23. Therefore is the kingdom of heaven likened unto a certain king, which would take account of his servants.
23. C`est pourquoi, le royaume des cieux est semblable à un roi qui voulut faire rendre compte à ses serviteurs.
23. Koa amin'izany ny fanjakan' ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin' ny mpanompony ny amin' ny volany.
24. And when he had begun to reckon, one was brought unto him, which owed him ten thousand talents.
24. Quand il se mit à compter, on lui en amena un qui devait dix mille talents.
24. Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.
25. But forasmuch as he had not to pay, his lord commanded him to be sold, and his wife, and children, and all that he had, and payment to be made.
25. Comme il n`avait pas de quoi payer, son maître ordonna qu`il fût vendu, lui, sa femme, ses enfants, et tout ce qu`il avait, et que la dette fût acquittée.
25. Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nodidian' ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin' ny fananany rehetra handoavana ny trosa.
26. The servant therefore fell down, and worshipped him, saying, Lord, have patience with me, and I will pay thee all.
26. Le serviteur, se jetant à terre, se prosterna devant lui, et dit: Seigneur, aie patience envers moi, et je te paierai tout.
26. Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, manàna faharetana amiko, fa haloako ny anao rehetra.
27. Then the lord of that servant was moved with compassion, and loosed him, and forgave him the debt.
27. Ému de compassion, le maître de ce serviteur le laissa aller, et lui remit la dette.
27. Ary ny tompon' izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
28. But the same servant went out, and found one of his fellowservants, which owed him an hundred pence: and he laid hands on him, and took him by the throat, saying, Pay me that thou owest.
28. Après qu`il fut sorti, ce serviteur rencontra un de ses compagnons qui lui devait cent deniers. Il le saisit et l`étranglait, en disant: Paie ce que tu me dois.
28. "Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao."
29. And his fellowservant fell down at his feet, and besought him, saying, Have patience with me, and I will pay thee all.
29. Son compagnon, se jetant à terre, le suppliait, disant: Aie patience envers moi, et je te paierai.
29. Fa niankohoka teo an-tongony ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Manàna faharetana amiko, fa haloako ny anao rehetra.
30. And he would not: but went and cast him into prison, till he should pay the debt.
30. Mais l`autre ne voulut pas, et il alla le jeter en prison, jusqu`à ce qu`il eût payé ce qu`il devait.
30. Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
31. So when his fellowservants saw what was done, they were very sorry, and came and told unto their lord all that was done.
31. Ses compagnons, ayant vu ce qui était arrivé, furent profondément attristés, et ils allèrent raconter à leur maître tout ce qui s`était passé.
31. Ary nony hitan' ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tamin' ny tompony izay rehetra efa natao.
32. Then his lord, after that he had called him, said unto him, O thou wicked servant, I forgave thee all that debt, because thou desiredst me:
32. "Alors le maître fit appeler ce serviteur, et lui dit: Méchant serviteur, je t`avais remis en entier ta dette, parce que tu m`en avais supplié;"
32. Ary rehefa nampanalain' ny tompony ralehilahy dia noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao satria nitalaho tamiko ianao.
33. Shouldest not thou also have had compassion on thy fellowservant, even as I had pity on thee?
33. ne devais-tu pas aussi avoir pitié de ton compagnon, comme j`ai eu pitié de toi?
33. Moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin' ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
34. And his lord was wroth, and delivered him to the tormentors, till he should pay all that was due unto him.
34. Et son maître, irrité, le livra aux bourreaux, jusqu`à ce qu`il eût payé tout ce qu`il devait.
34. Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin' ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra taminy.
35. So likewise shall my heavenly Father do also unto you, if ye from your hearts forgive not every one his brother their trespasses.
35. C`est ainsi que mon Père céleste vous traitera, si chacun de vous ne pardonne à son frère de tout son coeur.
35. Ary tahaka izany koa no hataon' ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny fahadisoan' ny rahalahinareo amin' ny fonareo avy ianareo.