The Parable of the Sower
1. The same day went Jesus out of the house, and sat by the sea side.
1. Ce même jour, Jésus sortit de la maison, et s`assit au bord de la mer.
1. Ary tamin’izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron-dranomasina.
2. And great multitudes were gathered together unto him, so that he went into a ship, and sat; and the whole multitude stood on the shore.
2. Une grande foule s`étant assemblée auprès de lui, il monta dans une barque, et il s`assit. Toute la foule se tenait sur le rivage.
2. "Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, ka niditra teo an-tsambokely Izy dia nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia nitsangana teny amoron-dranomasina."
3. And he spake many things unto them in parables, saying, Behold, a sower went forth to sow;
3. Il leur parla en paraboles sur beaucoup de choses, et il dit:
3. "Ary nilaza zavatra maro taminy tamin’ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;"
4. And when he sowed, some seeds fell by the way side, and the fowls came and devoured them up:
4. Un semeur sortit pour semer. Comme il semait, une partie de la semence tomba le long du chemin: les oiseaux vinrent, et la mangèrent.
4. "Ary raha namafy izy, ny sasany dia latsaka teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy;"
5. Some fell upon stony places, where they had not much earth: and forthwith they sprung up, because they had no deepness of earth:
5. "Une autre partie tomba dans les endroits pierreux, où elle n`avait pas beaucoup de terre: elle leva aussitôt, parce qu`elle ne trouva pas un sol profond;"
5. "Ary ny sasany dia latsaka teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina."
6. And when the sun was up, they were scorched; and because they had no root, they withered away.
6. mais, quand le soleil parut, elle fut brûlée et sécha, faute de racines.
6. "Fa rehefa niposaka ny masoandro dia maina ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia nalazo izy."
7. And some fell among thorns; and the thorns sprung up, and choked them:
7. Une autre partie tomba parmi les épines: les épines montèrent, et l`étouffèrent.
7. "Ary ny sasany dia latsaka teny amin’ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy."
8. But other fell into good ground, and brought forth fruit, some an hundredfold, some sixtyfold, some thirtyfold.
8. Une autre partie tomba dans la bonne terre: elle donna du fruit, un grain cent, un autre soixante, un autre trente.
8. "Fa ny sasany dia latsaka teny amin’ny tany tsara, dia namoa; ny sasany avo zato heny; ny sasany avo enimpolo heny; ny sasany avo telopolo heny."
9. Who hath ears to hear, let him hear.
9. Que celui qui a des oreilles pour entendre entende.
9. Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.
10. And the disciples came, and said unto him, Why speakest thou unto them in parables?
10. Les disciples s`approchèrent, et lui dirent: Pourquoi leur parles-tu en paraboles?
10. Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?
11. He answered and said unto them, Because it is given unto you to know the mysteries of the kingdom of heaven, but to them it is not given.
11. Jésus leur répondit: Parce qu`il vous a été donné de connaître les mystères du royaume des cieux, et que cela ne leur a pas été donné.
11. Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy nomena.
12. For whosoever hath, to him shall be given, and he shall have more abundance: but whosoever hath not, from him shall be taken away even that he hath.
12. Car on donnera à celui qui a, et il sera dans l`abondance, mais à celui qui n`a pas on ôtera même ce qu`il a.
12. "Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia hoesorina aminy."
13. Therefore speak I to them in parables: because they seeing see not; and hearing they hear not, neither do they understand.
13. C`est pourquoi je leur parle en paraboles, parce qu`en voyant ils ne voient point, et qu`en entendant ils n`entendent ni ne comprennent.
13. "Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala."
14. And in them is fulfilled the prophecy of Esaias, which saith, By hearing ye shall hear, and shall not understand; and seeing ye shall see, and shall not perceive:
14. "Et pour eux s`accomplit cette prophétie d`Ésaïe: Vous entendrez de vos oreilles, et vous ne comprendrez point; Vous regarderez de vos yeux, et vous ne verrez point."
14. "Dia tanteraka aminy ny faminanian’Isaia, izay manao hoe: “Handre mandrakariva ihany ianareo fa tsy hahafantatra; ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;"
15. For this people's heart is waxed gross, and their ears are dull of hearing, and their eyes they have closed; lest at any time they should see with their eyes and hear with their ears, and should understand with their heart, and should be converted, and I should heal them.
15. "Car le coeur de ce peuple est devenu insensible; Ils ont endurci leurs oreilles, et ils ont fermé leurs yeux, De peur qu`ils ne voient de leurs yeux, qu`ils n`entendent de leurs oreilles, Qu`ils ne comprennent de leur coeur, Qu`ils ne se convertissent, et que je ne les guérisse."
15. "Fa efa nihanatavy ny fon’izao olona izao, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony; fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hiova fo izy, ka hahasitrana azy Aho."
16. But blessed are your eyes, for they see: and your ears, for they hear.
16. Mais heureux sont vos yeux, parce qu`ils voient, et vos oreilles, parce qu`elles entendent!
16. Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.
17. For verily I say unto you, That many prophets and righteous men have desired to see those things which ye see, and have not seen them; and to hear those things which ye hear, and have not heard them.
17. Je vous le dis en vérité, beaucoup de prophètes et de justes ont désiré voir ce que vous voyez, et ne l`ont pas vu, entendre ce que vous entendez, et ne l`ont pas entendu.
17. "Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre."
18. Hear ye therefore the parable of the sower.
18. Vous donc, écoutez ce que signifie la parabole du semeur.
18. Koa amin’izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin’ny mpamafy:
19. When any one heareth the word of the kingdom, and understandeth it not, then cometh the wicked one, and catcheth away that which was sown in his heart. This is he which received seed by the way side.
19. Lorsqu`un homme écoute la parole du royaume et ne la comprend pas, le malin vient et enlève ce qui a été semé dans son coeur: cet homme est celui qui a reçu la semence le long du chemin.
19. Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.
20. But he that received the seed into stony places, the same is he that heareth the word, and anon with joy receiveth it;
20. "Celui qui a reçu la semence dans les endroits pierreux, c`est celui qui entend la parole et la reçoit aussitôt avec joie;"
20. "Fa ilay naharay ny voa teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin’ny hafaliana;"
21. Yet hath he not root in himself, but dureth for a while: for when tribulation or persecution ariseth because of the word, by and by he is offended.
21. mais il n`a pas de racines en lui-même, il manque de persistance, et, dès que survient une tribulation ou une persécution à cause de la parole, il y trouve une occasion de chute.
21. "Nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy."
22. He also that received seed among the thorns is he that heareth the word; and the care of this world, and the deceitfulness of riches, choke the word, and he becometh unfruitful.
22. Celui qui a reçu la semence parmi les épines, c`est celui qui entend la parole, mais en qui les soucis du siècle et la séduction des richesses étouffent cette parole, et la rendent infructueuse.
22. Ary ilay naharay ny voa teny amin’ny tsilo, dia izay mandre ny teny, ary ny fanahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
23. But he that received seed into the good ground is he that heareth the word, and understandeth it; which also beareth fruit, and bringeth forth, some an hundredfold, some sixty, some thirty.
23. "Celui qui a reçu la semence dans la bonne terre, c`est celui qui entend la parole et la comprend; il porte du fruit, et un grain en donne cent, un autre soixante, un autre trente."
23. "Fa ilay naharay ny voa teny amin’ny tany tsara kosa, dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny, ny sasany enimpolo, ny sasany telopolo."
The Parable of the Weeds
24. Another parable put he forth unto them, saying, The kingdom of heaven is likened unto a man which sowed good seed in his field:
24. Il leur proposa une autre parabole, et il dit: Le royaume des cieux est semblable à un homme qui a semé une bonne semence dans son champ.
24. "Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimboliny;"
25. But while men slept, his enemy came and sowed tares among the wheat, and went his way.
25. Mais, pendant que les gens dormaient, son ennemi vint, sema de l`ivraie parmi le blé, et s`en alla.
25. Fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary tritika, dia lasa nandeha.
26. But when the blade was sprung up, and brought forth fruit, then appeared the tares also.
26. Lorsque l`herbe eut poussé et donné du fruit, l`ivraie parut aussi.
26. Ary rehefa naniry ny varimbazaha ka niteraka, dia niposaka koa ny tsimparifary.
27. So the servants of the householder came and said unto him, Sir, didst not thou sow good seed in thy field? from whence then hath it tares?
27. Les serviteurs du maître de la maison vinrent lui dire: Seigneur, n`as-tu pas semé une bonne semence dans ton champ? D`où vient donc qu`il y a de l`ivraie?
27. Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbolinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary?
28. He said unto them, An enemy hath done this. The servants said unto him, Wilt thou then that we go and gather them up?
28. Il leur répondit: C`est un ennemi qui a fait cela. Et les serviteurs lui dirent: Veux-tu que nous allions l`arracher?
28. Dia hoy izy taminy: fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?
29. But he said, Nay; lest while ye gather up the tares, ye root up also the wheat with them.
29. Non, dit-il, de peur qu`en arrachant l`ivraie, vous ne déraciniez en même temps le blé.
29. Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary tritika.
30. Let both grow together until the harvest: and in the time of harvest I will say to the reapers, Gather ye together first the tares, and bind them in bundles to burn them: but gather the wheat into my barn.
30. Laissez croître ensemble l`un et l`autre jusqu`à la moisson, et, à l`époque de la moisson, je dirai aux moissonneurs: Arrachez d`abord l`ivraie, et liez-la en gerbes pour la brûler, mais amassez le blé dans mon grenier.
30. "Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary tritika dia taomy ho any an-tsompitro."
The Parables of the Mustard Seed and the Yeast
31. Another parable put he forth unto them, saying, The kingdom of heaven is like to a grain of mustard seed, which a man took, and sowed in his field:
31. Il leur proposa une autre parabole, et il dit: Le royaume des cieux est semblable à un grain de sénevé qu`un homme a pris et semé dans son champ.
31. "Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain’ny lehilahy anankiray ka nafafiny tany an-tanimboliny;"
32. Which indeed is the least of all seeds: but when it is grown, it is the greatest among herbs, and becometh a tree, so that the birds of the air come and lodge in the branches thereof.
32. "C`est la plus petite de toutes les semences; mais, quand il a poussé, il est plus grand que les légumes et devient un arbre, de sorte que les oiseaux du ciel viennent habiter dans ses branches."
32. Fa kely tokoa noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe kokoa noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina eny amin' ny habakabaka ka mitoetra ao amin’ny ran-tsany.
33. Another parable spake he unto them; The kingdom of heaven is like unto leaven, which a woman took, and hid in three measures of meal, till the whole was leavened.
33. Il leur dit cette autre parabole: Le royaume des cieux est semblable à du levain qu`une femme a pris et mis dans trois mesures de farine, jusqu`à ce que la pâte soit toute levée.
33. Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koba intelon’ny famarana, mandra-pahazon’izy rehetra ny lalivay.
34. All these things spake Jesus unto the multitude in parables; and without a parable spake he not unto them:
34. Jésus dit à la foule toutes ces choses en paraboles, et il ne lui parlait point sans parabole,
34. Fanoharana no nilazan’i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin’ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ny fanoharana,
35. That it might be fulfilled which was spoken by the prophet, saying, I will open my mouth in parables; I will utter things which have been kept secret from the foundation of the world.
35. afin que s`accomplît ce qui avait été annoncé par le prophète: J`ouvrirai ma bouche en paraboles, Je publierai des choses cachées depuis la création du monde.
35. "Mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: “Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho”."
The Parable of the Weeds Explained
36. Then Jesus sent the multitude away, and went into the house: and his disciples came unto him, saying, Declare unto us the parable of the tares of the field.
36. Alors il renvoya la foule, et entra dans la maison. Ses disciples s`approchèrent de lui, et dirent: Explique-nous la parabole de l`ivraie du champ.
36. Dia nampody ny vahoaka Jesosy ka niditra tao an-trano, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny tsimparifary tany an-tanimboly.
37. He answered and said unto them, He that soweth the good seed is the Son of man;
37. "Il répondit: Celui qui sème la bonne semence, c`est le Fils de l`homme;"
37. "Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona;"
38. The field is the world; the good seed are the children of the kingdom; but the tares are the children of the wicked one;
38. "le champ, c`est le monde; la bonne semence, ce sont les fils du royaume; l`ivraie, ce sont les fils du malin;"
38. "Ny tanimboly dia izao tontolo izao, ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana fa ny tsimparifary dia ny zanak’ilay ratsy;"
39. The enemy that sowed them is the devil; the harvest is the end of the world; and the reapers are the angels.
39. "l`ennemi qui l`a semée, c`est le diable; la moisson, c`est la fin du monde; les moissonneurs, ce sont les anges."
39. "Ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny anjely."
40. As therefore the tares are gathered and burned in the fire; so shall it be in the end of this world.
40. Or, comme on arrache l`ivraie et qu`on la jette au feu, il en sera de même à la fin du monde.
40. Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andorana azy amin’ny afo, dia toy izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
41. The Son of man shall send forth his angels, and they shall gather out of his kingdom all things that offend, and them which do iniquity;
41. Le Fils de l`homme enverra ses anges, qui arracheront de son royaume tous les scandales et ceux qui commettent l`iniquité:
41. "Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona sy hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao heloka;"
42. And shall cast them into a furnace of fire: there shall be wailing and gnashing of teeth.
42. et ils les jetteront dans la fournaise ardente, où il y aura des pleurs et des grincements de dents.
42. "Dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify."
43. Then shall the righteous shine forth as the sun in the kingdom of their Father. Who hath ears to hear, let him hear.
43. Alors les justes resplendiront comme le soleil dans le royaume de leur Père. Que celui qui a des oreilles pour entendre entende.
43. Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.
The Parables of the Hidden Treasure and the Pearl
44. Again, the kingdom of heaven is like unto treasure hid in a field; the which when a man hath found, he hideth, and for joy thereof goeth and selleth all that he hath, and buyeth that field.
44. "Le royaume des cieux est encore semblable à un trésor caché dans un champ. L`homme qui l`a trouvé le cache; et, dans sa joie, il va vendre tout ce qu`il a, et achète ce champ."
44. "Koa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny tahiry nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany."
45. Again, the kingdom of heaven is like unto a merchant man, seeking goodly pearls:
45. Le royaume des cieux est encore semblable à un marchand qui cherche de belles perles.
45. "Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray, izay nikatsaka pèrila soa;"
46. Who, when he had found one pearl of great price, went and sold all that he had, and bought it.
46. "Il a trouvé une perle de grand prix; et il est allé vendre tout ce qu`il avait, et l`a achetée."
46. Ary rehefa nahita pèrila iray sarobidy izy, dia nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
The Parable of the Net
47. Again, the kingdom of heaven is like unto a net, that was cast into the sea, and gathered of every kind:
47. Le royaume des cieux est encore semblable à un filet jeté dans la mer et ramassant des poissons de toute espèce.
47. Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihana, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra.
48. Which, when it was full, they drew to shore, and sat down, and gathered the good into vessels, but cast the bad away.
48. "Quand il est rempli, les pêcheurs le tirent; et, après s`être assis sur le rivage, ils mettent dans des vases ce qui est bon, et ils jettent ce qui est mauvais."
48. Ary rehefa feno izany, ka notarihany ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.
49. So shall it be at the end of the world: the angels shall come forth, and sever the wicked from among the just,
49. Il en sera de même à la fin du monde. Les anges viendront séparer les méchants d`avec les justes,
49. "Dia tahaka izany no hisy amin’ny fahataperan’izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,"
50. And shall cast them into the furnace of fire: there shall be wailing and gnashing of teeth.
50. et ils les jetteront dans la fournaise ardente, où il y aura des pleurs et des grincements de dents.
50. "Dia hatsipiny any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify."
51. Jesus saith unto them, Have ye understood all these things? They say unto him, Yea, Lord.
51. Avez-vous compris toutes ces choses? -Oui, répondirent-ils.
51. Ary hoy Jesosy taminy: Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny, Tompoko.
52. Then said he unto them, Therefore every scribe which is instructed unto the kingdom of heaven is like unto a man that is an householder, which bringeth forth out of his treasure things new and old.
52. Et il leur dit: C`est pourquoi, tout scribe instruit de ce qui regarde le royaume des cieux est semblable à un maître de maison qui tire de son trésor des choses nouvelles et des choses anciennes.
52. Dia hoy Izy taminy: Koa amin’izany àry ny mpanoradalàna rehetra izay nampianarina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra dia samy tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ny firaketany zava-baovao sy ela.
A Prophet Without Honor
53. And it came to pass, that when Jesus had finished these parables, he departed thence.
53. Lorsque Jésus eut achevé ces paraboles, il partit de là.
53. Ary izao no niseho, rehefa vitan’i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.
54. And when he was come into his own country, he taught them in their synagogue, insomuch that they were astonished, and said, Whence hath this man this wisdom, and these mighty works?
54. S`étant rendu dans sa patrie, il enseignait dans la synagogue, de sorte que ceux qui l`entendirent étaient étonnés et disaient: D`où lui viennent cette sagesse et ces miracles?
54. Ary nony tonga tany amin’ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin’ny synagogany, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan’ity lehilahy ity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
55. Is not this the carpenter's son? is not his mother called Mary? and his brethren, James, and Joses, and Simon, and Judas?
55. N`est-ce pas le fils du charpentier? n`est-ce pas Marie qui est sa mère? Jacques, Joseph, Simon et Jude, ne sont-ils pas ses frères?
55. Tsy Ity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran’ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josesy sy Simona, ary Jodasy va no rahalahiny?
56. And his sisters, are they not all with us? Whence then hath this man all these things?
56. et ses soeurs ne sont-elles pas toutes parmi nous? D`où lui viennent donc toutes ces choses?
56. Ary ny anabaviny, moa tsy ety amintsika avokoa va izy ireo? Koa avy taiza no nahazoan’ity lehilahy ity izany zavatra rehetra izany?
57. And they were offended in him. But Jesus said unto them, A prophet is not without honour, save in his own country, and in his own house.
57. Et il était pour eux une occasion de chute. Mais Jésus leur dit: Un prophète n`est méprisé que dans sa patrie et dans sa maison.
57. Ary tafintohina taminy izy ireo. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.
58. And he did not many mighty works there because of their unbelief.
58. Et il ne fit pas beaucoup de miracles dans ce lieu, à cause de leur incrédulité.
58. Ary tsy nanao asa lehibe maro tao Izy noho ny tsy finoan’ireo.