1. Then he called his twelve disciples together, and gave them power and authority over all devils, and to cure diseases.
1. Jésus, ayant assemblé les douze, leur donna force et pouvoir sur tous les démons, avec la puissance de guérir les maladies.
1. Ary niantso ny roa ambin' ny folo-lahy hankeo aminy Izy, ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny devoly rehetra sy hahasitrana aretina.
2. And he sent them to preach the kingdom of God, and to heal the sick.
2. Il les envoya prêcher le royaume de Dieu, et guérir les malades.
2. Ary naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan' Andriamanitra sy hahasitrana ny marary Izy.
3. And he said unto them, Take nothing for your journey, neither staves, nor scrip, neither bread, neither money; neither have two coats apiece.
3. Ne prenez rien pour le voyage, leur dit-il, ni bâton, ni sac, ni pain, ni argent, et n`ayez pas deux tuniques.
3. Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin' ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
4. And whatsoever house ye enter into, there abide, and thence depart.
4. "Dans quelque maison que vous entriez, restez-y; et c`est de là que vous partirez."
4. Ary izay trano idiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
5. And whosoever will not receive you, when ye go out of that city, shake off the very dust from your feet for a testimony against them.
5. Et, si les gens ne vous reçoivent pas, sortez de cette ville, et secouez la poussière de vos pieds, en témoignage contre eux.
5. Ary izay tsy mandray anareo, raha miala amin' izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano mihitsy ny vovoka ho afaka amin' ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
6. And they departed, and went through the towns, preaching the gospel, and healing every where.
6. Ils partirent, et ils allèrent de village en village, annonçant la bonne nouvelle et opérant partout des guérisons.
6. Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
7. Now Herod the tetrarch heard of all that was done by him: and he was perplexed, because that it was said of some, that John was risen from the dead;
7. "Hérode le tétrarque entendit parler de tout ce qui se passait, et il ne savait que penser. Car les uns disaient que Jean était ressuscité des morts;"
7. "Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filàzan' ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin' ny maty."
8. And of some, that Elias had appeared; and of others, that one of the old prophets was risen again.
8. "d`autres, qu`Élie était apparu; et d`autres, qu`un des anciens prophètes était ressuscité."
8. "Ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin' ny mpaminany fahiny no efa nitsangana tamin' ny maty indray."
9. And Herod said, John have I beheaded: but who is this, of whom I hear such things? And he desired to see him.
9. "Mais Hérode disait: J`ai fait décapiter Jean; qui donc est celui-ci, dont j`entends dire de telles choses? Et il cherchait à le voir."
9. Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany, fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary nitady hahita Azy izy.
10. And the apostles, when they were returned, told him all that they had done. And he took them, and went aside privately into a desert place belonging to the city called Bethsaida.
10. Les apôtres, étant de retour, racontèrent à Jésus tout ce qu`ils avaient fait. Il les prit avec lui, et se retira à l`écart, du côté d`une ville appelée Bethsaïda.
10. Ary rehefa niverina ny apostoly dia nanambara tamin' i Jesosy izay rehetra efa nataony. Ary nitondra azy ireo Izy, ka nandeha nitokana nankany amin' ny tanàna atao hoe Betsaida.
11. And the people, when they knew it, followed him: and he received them, and spake unto them of the kingdom of God, and healed them that had need of healing.
11. "Les foules, l`ayant su, le suivirent. Jésus les accueillit, et il leur parlait du royaume de Dieu; il guérit aussi ceux qui avaient besoin d`être guéris."
11. "Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary nandray azy Izy, ka nilaza taminy ny amin' ny fanjakan' Andriamanitra; ary nositraniny izay nila fanasitranana."
12. And when the day began to wear away, then came the twelve, and said unto him, Send the multitude away, that they may go into the towns and country round about, and lodge, and get victuals: for we are here in a desert place.
12. "Comme le jour commençait à baisser, les douze s`approchèrent, et lui dirent: Renvoie la foule, afin qu`elle aille dans les villages et dans les campagnes des environs, pour se loger et pour trouver des vivres; car nous sommes ici dans un lieu désert."
12. "Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin' ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin' ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa aty an-tany foana isika."
13. But he said unto them, Give ye them to eat. And they said, We have no more but five loaves and two fishes; except we should go and buy meat for all this people.
13. Jésus leur dit: Donnez-leur vous-mêmes à manger. Mais ils répondirent: Nous n`avons que cinq pains et deux poissons, à moins que nous n`allions nous-mêmes acheter des vivres pour tout ce peuple.
13. Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy ireo. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy hanina ho an' ireo olona rehetra ireo.
14. For they were about five thousand men. And he said to his disciples, Make them sit down by fifties in a company.
14. Or, il y avait environ cinq mille hommes. Jésus dit à ses disciples: Faites-les asseoir par rangées de cinquante.
14. Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Ary hoy Izy tamin' ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimampolo avy.
15. And they did so, and made them all sit down.
15. Ils firent ainsi, ils les firent tous asseoir.
15. Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy ireo.
16. Then he took the five loaves and the two fishes, and looking up to heaven, he blessed them, and brake, and gave to the disciples to set before the multitude.
16. Jésus prit les cinq pains et les deux poissons, et, levant les yeux vers le ciel, il les bénit. Puis, il les rompit, et les donna aux disciples, afin qu`ils les distribuassent à la foule.
16. Ary noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan' ny vahoaka.
17. And they did eat, and were all filled: and there was taken up of fragments that remained to them twelve baskets.
17. Tous mangèrent et furent rassasiés, et l`on emporta douze paniers pleins des morceaux qui restaient.
17. "Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin' ny folo harona."
18. And it came to pass, as he was alone praying, his disciples were with him: and he asked them, saying, Whom say the people that I am?
18. Un jour que Jésus priait à l`écart, ayant avec lui ses disciples, il leur posa cette question: Qui dit-on que je suis?
18. Ary izao no niseho, raha nivavaka tao amin' ny mangingina Izy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon' ny olona ho iza moa Aho?
19. They answering said, John the Baptist; but some say, Elias; and others say, that one of the old prophets is risen again.
19. "Ils répondirent: Jean Baptiste; les autres, Élie; les autres, qu`un des anciens prophètes est ressuscité."
19. "Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia; ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin' ny mpaminany fahiny no efa nitsangana indray."
20. He said unto them, But whom say ye that I am? Peter answering said, The Christ of God.
20. Et vous, leur demanda-t-il, qui dites-vous que je suis? Pierre répondit: Le Christ de Dieu.
20. Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin' Andriamanitra.
21. And he straitly charged them, and commanded them to tell no man that thing;
21. Jésus leur recommanda sévèrement de ne le dire à personne.
21. Ary niteny mafy azy ireo Izy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin' olona,
22. Saying, The Son of man must suffer many things, and be rejected of the elders and chief priests and scribes, and be slain, and be raised the third day.
22. Il ajouta qu`il fallait que le Fils de l`homme souffrît beaucoup, qu`il fût rejeté par les anciens, par les principaux sacrificateurs et par les scribes, qu`il fût mis à mort, et qu`il ressuscitât le troisième jour.
22. "Ka nanao hoe: Ny Zanak' olona tsy maintsy hiaritra zavatra maro ka holavin' ny loholona sy ny lohan' ny mpisorona mbamin' ny mpanoradalàna sady hovonoiny; ary amin' ny andro fahatelo dia hatsangana amin' ny maty."
23. And he said to them all, If any man will come after me, let him deny himself, and take up his cross daily, and follow me.
23. Puis il dit à tous: Si quelqu`un veut venir après moi, qu`il renonce à lui-même, qu`il se charge chaque jour de sa croix, et qu`il me suive.
23. Ary hoy koa Jesosy tamin' izy rehetra: Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isan' andro ka hanaraka Ahy.
24. For whosoever will save his life shall lose it: but whosoever will lose his life for my sake, the same shall save it.
24. Car celui qui voudra sauver sa vie la perdra, mais celui qui la perdra à cause de moi la sauvera.
24. "Fa na iza na iza no te-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany."
25. For what is a man advantaged, if he gain the whole world, and lose himself, or be cast away?
25. Et que servirait-il à un homme de gagner tout le monde, s`il se détruisait ou se perdait lui-même?
25. Fa inona no soa azon' ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny tenany na ariana izy?
26. For whosoever shall be ashamed of me and of my words, of him shall the Son of man be ashamed, when he shall come in his own glory, and in his Father's, and of the holy angels.
26. Car quiconque aura honte de moi et de mes paroles, le Fils de l`homme aura honte de lui, quand il viendra dans sa gloire, et dans celle du Père et des saints anges.
26. Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak' olona, raha avy amin' ny voninahiny sy ny an' ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.
27. But I tell you of a truth, there be some standing here, which shall not taste of death, till they see the kingdom of God.
27. Je vous le dis en vérité, quelques-uns de ceux qui sont ici ne mourront point qu`ils n`aient vu le royaume de Dieu.
27. Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan' Andriamanitra.
28. And it came to pass about an eight days after these sayings, he took Peter and John and James, and went up into a mountain to pray.
28. Environ huit jours après qu`il eut dit ces paroles, Jésus prit avec lui Pierre, Jean et Jacques, et il monta sur la montagne pour prier.
28. Ary izao no niseho, rehefa tokony ho havaloana taorian' izany teny izany, dia nitondra an' i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
29. And as he prayed, the fashion of his countenance was altered, and his raiment was white and glistering.
29. Pendant qu`il priait, l`aspect de son visage changea, et son vêtement devint d`une éclatante blancheur.
29. Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
30. And, behold, there talked with him two men, which were Moses and Elias:
30. Et voici, deux hommes s`entretenaient avec lui: c`étaient Moïse et Élie,
30. Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
31. Who appeared in glory, and spake of his decease which he should accomplish at Jerusalem.
31. qui, apparaissant dans la gloire, parlaient de son départ qu`il allait accomplir à Jérusalem.
31. Izay niseho tamim-boninahitra ka nilaza ny fahafatesany,izay hoefainy any Jerosalema.
32. But Peter and they that were with him were heavy with sleep: and when they were awake, they saw his glory, and the two men that stood with him.
32. "Pierre et ses compagnons étaient appesantis par le sommeil; mais, s`étant tenus éveillés, ils virent la gloire de Jésus et les deux hommes qui étaient avec lui."
32. "Ary efa navesatry ny tory ny mason' i Petera sy ny namany; ary nony nahatsiaro tsara izy ireo,dia nahita ny voninahitr' i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy."
33. And it came to pass, as they departed from him, Peter said unto Jesus, Master, it is good for us to be here: and let us make three tabernacles; one for thee, and one for Moses, and one for Elias: not knowing what he said.
33. "Au moment où ces hommes se séparaient de Jésus, Pierre lui dit: Maître, il est bon que nous soyons ici; dressons trois tentes, une pour toi, une pour Moïse, et une pour Élie. Il ne savait ce qu`il disait."
33. "Ary izao no niseho, raha nisaraka taminy izy roa lahy, dia hoy Petera tamin' i Jesosy: Mpampianatra ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an' i Mosesy, ary ny anankiray ho an' i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy."
34. While he thus spake, there came a cloud, and overshadowed them: and they feared as they entered into the cloud.
34. "Comme il parlait ainsi, une nuée vint les couvrir; et les disciples furent saisis de frayeur en les voyant entrer dans la nuée."
34. "Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin' ny rahona izy ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy."
35. And there came a voice out of the cloud, saying, This is my beloved Son: hear him.
35. Et de la nuée sortit une voix, qui dit: Celui-ci est mon Fils élu: écoutez-le!
35. Ary nisy feo avy tao amin' ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako: Izy no henoy.
36. And when the voice was past, Jesus was found alone. And they kept it close, and told no man in those days any of those things which they had seen.
36. Quand la voix se fit entendre, Jésus se trouva seul. Les disciples gardèrent le silence, et ils ne racontèrent à personne, en ce temps-là, rien de ce qu`ils avaient vu.
36. Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo, ka tsy nilazalaza tamin' olona na dia iray akory aza tamin' izany andro izany ny amin' izay zavatra efa hitany.
37. And it came to pass, that on the next day, when they were come down from the hill, much people met him.
37. Le lendemain, lorsqu`ils furent descendus de la montagne, une grande foule vint au-devant de Jésus.
37. Ary izao no niseho, ny ampitson' iny raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena Azy.
38. And, behold, a man of the company cried out, saying, Master, I beseech thee, look upon my son: for he is mine only child.
38. Et voici, du milieu de la foule un homme s`écria: Maître, je t`en prie, porte les regards sur mon fils, car c`est mon fils unique.
38. Ary, indro, nisy lehilahy anankiray, avy teo amin' ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô! mangataka Anao aho, jereo ny zanako, fa zanako lahy tokana izy.
39. And, lo, a spirit taketh him, and he suddenly crieth out; and it teareth him that he foameth again, and bruising him hardly departeth from him.
39. "Un esprit le saisit, et aussitôt il pousse des cris; et l`esprit l`agite avec violence, le fait écumer, et a de la peine à se retirer de lui, après l`avoir tout brisé."
39. Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.
40. And I besought thy disciples to cast him out; and they could not.
40. J`ai prié tes disciples de le chasser, et ils n`ont pas pu.
40. Ary niangavy tamin' ny mpianatrao aho mba hamoaka azy fa tsy afany.
41. And Jesus answering said, O faithless and perverse generation, how long shall I be with you, and suffer you? Bring thy son hither.
41. Race incrédule et perverse, répondit Jésus, jusqu`à quand serai-je avec vous, et vous supporterai-je? Amène ici ton fils.
41. Ary namaly Jesosy ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento ety ny zanakao.
42. And as he was yet a coming, the devil threw him down, and tare him. And Jesus rebuked the unclean spirit, and healed the child, and delivered him again to his father.
42. Comme il approchait, le démon le jeta par terre, et l`agita avec violence. Mais Jésus menaça l`esprit impur, guérit l`enfant, et le rendit à son père.
42. Ary raha mbola nanatona izy dia nampianjera sy nampifanintontsintona azy ny devoly. Ary niteny mafy ny fanahy maloto Jesosy ka nahasitrana ny zaza, dia natolony tamin-drainy indray izy.
43. And they were all amazed at the mighty power of God. But while they wondered every one at all things which Jesus did, he said unto his disciples,
43. Et tous furent frappés de la grandeur de Dieu. Tandis que chacun était dans l`admiration de tout ce que faisait Jésus, il dit à ses disciples:
43. Dia talanjona izy rehetra noho ny hery lehiben' Andriamanitra. Fa raha mbola talanjona izy rehetra tamin' izay rehetra nataon' i Jesosy, dia hoy Izy tamin' ny mpianany:
44. Let these sayings sink down into your ears: for the Son of man shall be delivered into the hands of men.
44. Pour vous, écoutez bien ceci: Le Fils de l`homme doit être livré entre les mains des hommes.
44. Ampidironareo ao an-tsofinareo izao teny izao: fa ny Zanak' olona efa hatolotra eo an-tanan' ny olona.
45. But they understood not this saying, and it was hid from them, that they perceived it not: and they feared to ask him of that saying.
45. "Mais les disciples ne comprenaient pas cette parole; elle était voilée pour eux, afin qu`ils n`en eussent pas le sens; et ils craignaient de l`interroger à ce sujet."
45. "Nefa tsy azon' izy ireo io teny io, sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin' io teny io izy."
46. Then there arose a reasoning among them, which of them should be greatest.
46. Or, une pensée leur vint à l`esprit, savoir lequel d`entre eux était le plus grand.
46. Dia nisy fisainana niseho tao am-pon' izy ireo ny amin' izay ho lehibe indrindra ao aminy.
47. And Jesus, perceiving the thought of their heart, took a child, and set him by him,
47. Jésus, voyant la pensée de leur coeur, prit un petit enfant, le plaça près de lui,
47. Ary Jesosy nahalala ny fisainan' ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo akaikiny,
48. And said unto them, Whosoever shall receive this child in my name receiveth me: and whosoever shall receive me receiveth him that sent me: for he that is least among you all, the same shall be great.
48. "et leur dit: Quiconque reçoit en mon nom ce petit enfant me reçoit moi-même; et quiconque me reçoit reçoit celui qui m`a envoyé. Car celui qui est le plus petit parmi vous tous, c`est celui-là qui est grand."
48. "Ary nanao hoe: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no ho lehibe."
49. And John answered and said, Master, we saw one casting out devils in thy name; and we forbad him, because he followeth not with us.
49. "Jean prit la parole, et dit: Maître, nous avons vu un homme qui chasse des démons en ton nom; et nous l`en avons empêché, parce qu`il ne nous suit pas."
49. Ary namaly Jaona ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nahita anankiray namoaka devoly tamin' ny anaranao izahay ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
50. And Jesus said unto him, Forbid him not: for he that is not against us is for us.
50. "Ne l`en empêchez pas, lui répondit Jésus; car qui n`est pas contre vous est pour vous."
50. Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna izy, fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
51. And it came to pass, when the time was come that he should be received up, he stedfastly set his face to go to Jerusalem,
51. Lorsque le temps où il devait être enlevé du monde approcha, Jésus prit la résolution de se rendre à Jérusalem.
51. Ary izao no niseho, rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an' i Jesosy, dia niatrika tsara hankany Jerosalema Izy.
52. And sent messengers before his face: and they went, and entered into a village of the Samaritans, to make ready for him.
52. Il envoya devant lui des messagers, qui se mirent en route et entrèrent dans un bourg des Samaritains, pour lui préparer un logement.
52. "Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin' ny vohitra anankiray izay an' ny Samaritana hamboatra ho Azy."
53. And they did not receive him, because his face was as though he would go to Jerusalem.
53. Mais on ne le reçut pas, parce qu`il se dirigeait sur Jérusalem.
53. Fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.
54. And when his disciples James and John saw this, they said, Lord, wilt thou that we command fire to come down from heaven, and consume them, even as Elias did?
54. Les disciples Jacques et Jean, voyant cela, dirent: Seigneur, veux-tu que nous commandions que le feu descende du ciel et les consume?
54. Ary raha hitan' i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy toy ny nataon' i Elia?
55. But he turned, and rebuked them, and said, Ye know not what manner of spirit ye are of.
55. Jésus se tourna vers eux, et les réprimanda, disant: Vous ne savez de quel esprit vous êtes animés.
55. Fa nitodika Izy, dia niteny mafy azy ka nanao hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo.
56. For the Son of man is not come to destroy men's lives, but to save them. And they went to another village.
56. Car le Fils de l`homme est venu, non pour perdre les âmes des hommes, mais pour les sauver. Et ils allèrent dans un autre bourg.
56. Fa ny Zanak' olona tsy tonga hahavery ny ain' olona, fa hamonjy azy.Dia nankany amin' ny vohitra hafa ireo.
57. And it came to pass, that, as they went in the way, a certain man said unto him, Lord, I will follow thee whithersoever thou goest.
57. Pendant qu`ils étaient en chemin, un homme lui dit: Seigneur, je te suivrai partout où tu iras.
57. Ary izao no niseho, raha nandroso teny an-dalana izy ireo, dia nisy anankiray nanao tamin' i Jesosy hoe: Tompo ô! hanaraka Anao aho n' aiza n' aiza alehanao.
58. And Jesus said unto him, Foxes have holes, and birds of the air have nests; but the Son of man hath not where to lay his head.
58. Jésus lui répondit: Les renards ont des tanières, et les oiseaux du ciel ont des nids: mais le Fils de l`homme n`a pas un lieu où il puisse reposer sa tête.
58. Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina eny amin' ny habakabaka manana fialofana, fa ny Zanak' olona tsy mba manana izay ipetrahan' ny lohany.
59. And he said unto another, Follow me. But he said, Lord, suffer me first to go and bury my father.
59. Il dit à un autre: Suis-moi. Et il répondit: Seigneur, permets-moi d`aller d`abord ensevelir mon père.
59. Ary hoy Izy tamin' ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha andeha handevina ny raiko.
60. Jesus said unto him, Let the dead bury their dead: but go thou and preach the kingdom of God.
60. "Mais Jésus lui dit: Laisse les morts ensevelir leurs morts; et toi, va annoncer le royaume de Dieu."
60. "Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan' Andriamanitra."
61. And another also said, Lord, I will follow thee; but let me first go bid them farewell, which are at home at my house.
61. Un autre dit: Je te suivrai, Seigneur, mais permets-moi d`aller d`abord prendre congé de ceux de ma maison.
61. "Ary hoy koa ny anankiray: Tompoko, hanaraka Anao aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko."
62. And Jesus said unto him, No man, having put his hand to the plough, and looking back, is fit for the kingdom of God.
62. Jésus lui répondit: Quiconque met la main à la charrue, et regarde en arrière, n`est pas propre au royaume de Dieu.
62. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka mendrika ho ao amin' ny fanjakan' Andriamanitra.