1. Now when he had ended all his sayings in the audience of the people, he entered into Capernaum.
1. Après avoir achevé tous ces discours devant le peuple qui l`écoutait, Jésus entra dans Capernaüm.
1. Koa rehefa vitany teo anatrehan' ny olona izany teniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
2. And a certain centurion's servant, who was dear unto him, was sick, and ready to die.
2. Un centenier avait un serviteur auquel il était très attaché, et qui se trouvait malade, sur le point de mourir.
2. Ary ny mpanompon' ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
3. And when he heard of Jesus, he sent unto him the elders of the Jews, beseeching him that he would come and heal his servant.
3. Ayant entendu parler de Jésus, il lui envoya quelques anciens des Juifs, pour le prier de venir guérir son serviteur.
3. Koa raha nahare ny amin' i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka ny loholon' ny Jiosy hankeo aminy, hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
4. And when they came to Jesus, they besought him instantly, saying, That he was worthy for whom he should do this:
4. "Ils arrivèrent auprès de Jésus, et lui adressèrent d`instantes supplications, disant: Il mérite que tu lui accordes cela;"
4. Ary rehefa tonga teo amin' i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Mendrika ny hanaovanao izany izy,
5. For he loveth our nation, and he hath built us a synagogue.
5. car il aime notre nation, et c`est lui qui a bâti notre synagogue.
5. Satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
6. Then Jesus went with them. And when he was now not far from the house, the centurion sent friends to him, saying unto him, Lord, trouble not thyself: for I am not worthy that thou shouldest enter under my roof:
6. "Jésus, étant allé avec eux, n`était guère éloigné de la maison, quand le centenier envoya des amis pour lui dire: Seigneur, ne prends pas tant de peine; car je ne suis pas digne que tu entres sous mon toit."
6. "Ary nandeha niaraka taminy Jesosy.Ary rehefa mby teo akaikin' ny trano Izy, dia naniraka sakaiza hitsena Azy ilay kapiteny ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao ianao; fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin' ny tafon-tranoko aho."
7. Wherefore neither thought I myself worthy to come unto thee: but say in a word, and my servant shall be healed.
7. C`est aussi pour cela que je ne me suis pas cru digne d`aller en personne vers toi. Mais dis un mot, et mon serviteur sera guéri.
7. "Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy mendrika hankeo aminao; fa lazao ny teny, dia ho sitrana ny mpanompoko."
8. For I also am a man set under authority, having under me soldiers, and I say unto one, Go, and he goeth; and to another, Come, and he cometh; and to my servant, Do this, and he doeth it.
8. "Car, moi qui suis soumis à des supérieurs, j`ai des soldats sous mes ordres; et je dis à l`un: Va! et il va; à l`autre: Viens! et il vient; et à mon serviteur: Fais cela! et il le fait."
8. "Fa izaho koa lehilahy ambany fahefan' olona ihany, ka mba manana miaramila izay feheziko; koa hoy aho amin' ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin' ny anankiray koa: Avia, dia avy izy, ary amin' ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy."
9. When Jesus heard these things, he marvelled at him, and turned him about, and said unto the people that followed him, I say unto you, I have not found so great faith, no, not in Israel.
9. Lorsque Jésus entendit ces paroles, il admira le centenier, et, se tournant vers la foule qui le suivait, il dit: Je vous le dis, même en Israël je n`ai pas trouvé une aussi grande foi.
9. "Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin' ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin' ny Isiraely aza."
10. And they that were sent, returning to the house, found the servant whole that had been sick.
10. De retour à la maison, les gens envoyés par le centenier trouvèrent guéri le serviteur qui avait été malade.
10. Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa salama tanteraka ilay mpanompo izay narary.
11. And it came to pass the day after, that he went into a city called Nain; and many of his disciples went with him, and much people.
11. "Le jour suivant, Jésus alla dans une ville appelée Naïn; ses disciples et une grande foule faisaient route avec lui."
11. Ary izao no niseho, nony ampitson' iny dia nankany an-tanàna atao hoe Naina Jesosy ary nanaraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka,
12. Now when he came nigh to the gate of the city, behold, there was a dead man carried out, the only son of his mother, and she was a widow: and much people of the city was with her.
12. "Lorsqu`il fut près de la porte de la ville, voici, on portait en terre un mort, fils unique de sa mère, qui était veuve; et il y avait avec elle beaucoup de gens de la ville."
12. "Ary rehefa mby teo akaikin' ny vavahadin' ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin' ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan' ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy."
13. And when the Lord saw her, he had compassion on her, and said unto her, Weep not.
13. Le Seigneur, l`ayant vue, fut ému de compassion pour elle, et lui dit: Ne pleure pas!
13. Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
14. And he came and touched the bier: and they that bare him stood still. And he said, Young man, I say unto thee, Arise.
14. Il s`approcha, et toucha le cercueil. Ceux qui le portaient s`arrêtèrent. Il dit: Jeune homme, je te le dis, lève-toi!
14. Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja.Ary hoy Jesosy: Ry zatovo, hoy Aho aminao: Miarena.
15. And he that was dead sat up, and began to speak. And he delivered him to his mother.
15. Et le mort s`assit, et se mit à parler. Jésus le rendit à sa mère.
15. Dia niarina ny maty sady nanomboka niteny ary dia natolony tamin-dreniny.
16. And there came a fear on all: and they glorified God, saying, That a great prophet is risen up among us; and, That God hath visited his people.
16. Tous furent saisis de crainte, et ils glorifiaient Dieu, disant: Un grand prophète a paru parmi nous, et Dieu a visité son peuple.
16. "Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an' Andriamanitra nanao hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa namangy ny olony."
17. And this rumour of him went forth throughout all Judaea, and throughout all the region round about.
17. Cette parole sur Jésus se répandit dans toute la Judée et dans tout le pays d`alentour.
17. Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin' ny tany manodidina rehetra ny lazan' i Jesosy ny amin' izany zavatra izany.
18. And the disciples of John shewed him of all these things.
18. Jean fut informé de toutes ces choses par ses disciples.
18. Ary ny mpianatr' i Jaona nanambara izany zavatra rehetra izany taminy.
19. And John calling unto him two of his disciples sent them to Jesus, saying, Art thou he that should come? or look we for another?
19. Il en appela deux, et les envoya vers Jésus, pour lui dire: Es-tu celui qui doit venir, ou devons-nous en attendre un autre?
19. Ary niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy Jaona, dia naniraka azy hankany amin' i Jesosy hanao hoe: Ianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
20. When the men were come unto him, they said, John Baptist hath sent us unto thee, saying, Art thou he that should come? or look we for another?
20. Arrivés auprès de Jésus, ils dirent: Jean Baptiste nous a envoyés vers toi, pour dire: Es-tu celui qui doit venir, ou devons-nous en attendre un autre?
20. Ary nony tonga teo aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankaty aminao hanao hoe: Ianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
21. And in that same hour he cured many of their infirmities and plagues, and of evil spirits; and unto many that were blind he gave sight.
21. A l`heure même, Jésus guérit plusieurs personnes de maladies, d`infirmités, et d`esprits malins, et il rendit la vue à plusieurs aveugles.
21. Ary tamin' izany ora izany dia nahasitrana olona maro tamin' ny rofy sy ny areti-mandringana ary ny fanahy ratsy Izy, ary nampahiratra ny jamba maro.
22. Then Jesus answering said unto them, Go your way, and tell John what things ye have seen and heard; how that the blind see, the lame walk, the lepers are cleansed, the deaf hear, the dead are raised, to the poor the gospel is preached.
22. Et il leur répondit: Allez rapporter à Jean ce que vous avez vu et entendu: les aveugles voient, les boiteux marchent, les lépreux sont purifiés, les sourds entendent, les morts ressuscitent, la bonne nouvelle est annoncée aux pauvres.
22. Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin' i Jaona izay zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty ary ny mahantra dia itoriana ny filazantsara.
23. And blessed is he, whosoever shall not be offended in me.
23. Heureux celui pour qui je ne serai pas une occasion de chute!
23. Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
24. And when the messengers of John were departed, he began to speak unto the people concerning John, What went ye out into the wilderness for to see? A reed shaken with the wind?
24. Lorsque les envoyés de Jean furent partis, Jésus se mit à dire à la foule, au sujet de Jean: Qu`êtes-vous allés voir au désert? un roseau agité par le vent?
24. Ary rehefa lasa ny irak' i Jaona, dia nilaza an' i Jaona tamin' ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an' efitra? Volotara nohozongozonin' ny rivotra va?
25. But what went ye out for to see? A man clothed in soft raiment? Behold, they which are gorgeously apparelled, and live delicately, are in kings' courts.
25. Mais, qu`êtes-vous allés voir? un homme vêtu d`habits précieux? Voici, ceux qui portent des habits magnifiques, et qui vivent dans les délices, sont dans les maisons des rois.
25. Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon' ny mpanjaka.
26. But what went ye out for to see? A prophet? Yea, I say unto you, and much more than a prophet.
26. Qu`êtes-vous donc allés voir? un prophète? Oui, vous dis-je, et plus qu`un prophète.
26. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
27. This is he, of whom it is written, Behold, I send my messenger before thy face, which shall prepare thy way before thee.
27. C`est celui dont il est écrit: Voici, j`envoie mon messager devant ta face, Pour préparer ton chemin devant toi.
27. Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao
28. For I say unto you, Among those that are born of women there is not a greater prophet than John the Baptist: but he that is least in the kingdom of God is greater than he.
28. Je vous le dis, parmi ceux qui sont nés de femmes, il n`y en a point de plus grand que Jean. Cependant, le plus petit dans le royaume de Dieu est plus grand que lui.
28. "Fa lazaiko aminareo: Amin' izay nateraky ny vehivavy, tsy misy mpaminany lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin' ny fanjakan' Andriamanitra dia lehibe noho izy."
29. And all the people that heard him, and the publicans, justified God, being baptized with the baptism of John.
29. "Et tout le peuple qui l`a entendu et même les publicains ont justifié Dieu, en se faisant baptiser du baptême de Jean;"
29. Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra izay nandre, dia nanamarina an' Andriamanitra, satria natao batisa tamin' ny batisan' i Jaona ireo.
30. But the Pharisees and lawyers rejected the counsel of God against themselves, being not baptized of him.
30. mais les pharisiens et les docteurs de la loi, en ne se faisant pas baptiser par lui, ont rendu nul à leur égard le dessein de Dieu.
30. Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan' Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon' i Jaona batisa izy.
31. And the Lord said, Whereunto then shall I liken the men of this generation? and to what are they like?
31. A qui donc comparerai-je les hommes de cette génération, et à qui ressemblent-ils?
31. Ary hoy ny Tompo: Tahaka ny inona àry no hanoharako ny olona amin' ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
32. They are like unto children sitting in the marketplace, and calling one to another, and saying, We have piped unto you, and ye have not danced; we have mourned to you, and ye have not wept.
32. "Ils ressemblent aux enfants assis dans la place publique, et qui, se parlant les uns aux autres, disent: Nous vous avons joué de la flûte, et vous n`avez pas dansé; nous vous avons chanté des complaintes, et vous n`avez pas pleuré."
32. "Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso manao hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo."
33. For John the Baptist came neither eating bread nor drinking wine; and ye say, He hath a devil.
33. Car Jean Baptiste est venu, ne mangeant pas de pain et ne buvant pas de vin, et vous dites: Il a un démon.
33. Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, dia hoy ianareo: Misy devoly izy.
34. The Son of man is come eating and drinking; and ye say, Behold a gluttonous man, and a winebibber, a friend of publicans and sinners!
34. Le Fils de l`homme est venu, mangeant et buvant, et vous dites: C`est un mangeur et un buveur, un ami des publicains et des gens de mauvaise vie.
34. Tonga ny Zanak' olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan' ny mpamory hetra sy ny mpanota!
35. But wisdom is justified of all her children.
35. Mais la sagesse a été justifiée par tous ses enfants.
35. Fa ny fahendrena dia hamarinin' ny zanany rehetra.
36. And one of the Pharisees desired him that he would eat with him. And he went into the Pharisee's house, and sat down to meat.
36. Un pharisien pria Jésus de manger avec lui. Jésus entra dans la maison du pharisien, et se mit à table.
36. "Ary ny anankiray tamin' ny Fariseo naniry an' i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon' ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana."
37. And, behold, a woman in the city, which was a sinner, when she knew that Jesus sat at meat in the Pharisee's house, brought an alabaster box of ointment,
37. Et voici, une femme pécheresse qui se trouvait dans la ville, ayant su qu`il était à table dans la maison du pharisien, apporta un vase d`albâtre plein de parfum,
37. Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa nipetraka nihinana tao an-tranon' ilay Fariseo Jesosy, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy,
38. And stood at his feet behind him weeping, and began to wash his feet with tears, and did wipe them with the hairs of her head, and kissed his feet, and anointed them with the ointment.
38. "et se tint derrière, aux pieds de Jésus. Elle pleurait; et bientôt elle lui mouilla les pieds de ses larmes, puis les essuya avec ses cheveux, les baisa, et les oignit de parfum."
38. Ary nijanona teo ivohony tanilan' ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin' ny ranomasony sy namaoka azy tamin' ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra izany tamin' ny menaka manitra.
39. Now when the Pharisee which had bidden him saw it, he spake within himself, saying, This man, if he were a prophet, would have known who and what manner of woman this is that toucheth him: for she is a sinner.
39. Le pharisien qui l`avait invité, voyant cela, dit en lui-même: Si cet homme était prophète, il connaîtrait qui et de quelle espèce est la femme qui le touche, il connaîtrait que c`est une pécheresse.
39. Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany ity lehilahy ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny: fa mpanota io.
40. And Jesus answering said unto him, Simon, I have somewhat to say unto thee. And he saith, Master, say on.
40. Jésus prit la parole, et lui dit: Simon, j`ai quelque chose à te dire. -Maître, parle, répondit-il. -
40. Ary namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao àry, Mpampianatra ô!
41. There was a certain creditor which had two debtors: the one owed five hundred pence, and the other fifty.
41. Un créancier avait deux débiteurs: l`un devait cinq cents deniers, et l`autre cinquante.
41. Nisy roa lahy nananan' ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria dimanjato, ary ny iray kosa dimampolo.
42. And when they had nothing to pay, he frankly forgave them both. Tell me therefore, which of them will love him most?
42. Comme ils n`avaient pas de quoi payer, il leur remit à tous deux leur dette. Lequel l`aimera le plus?
42. Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy dia samy navelany. Koa lazao Ahy, iza moa amin' ireo no ho tia azy indrindra?
43. Simon answered and said, I suppose that he, to whom he forgave most. And he said unto him, Thou hast rightly judged.
43. Simon répondit: Celui, je pense, auquel il a le plus remis. Jésus lui dit: Tu as bien jugé.
43. Namaly Simona ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
44. And he turned to the woman, and said unto Simon, Seest thou this woman? I entered into thine house, thou gavest me no water for my feet: but she hath washed my feet with tears, and wiped them with the hairs of her head.
44. "Puis, se tournant vers la femme, il dit à Simon: Vois-tu cette femme? Je suis entré dans ta maison, et tu ne m`as point donné d`eau pour laver mes pieds; mais elle, elle les a mouillés de ses larmes, et les a essuyés avec ses cheveux."
44. "Ary nitodika tany amin-dravehivavy Jesosy ka nanao tamin' i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nanasa ny tongotro tamin' ny ranomasony, dia namaoka azy tamin' ny volon-dohany."
45. Thou gavest me no kiss: but this woman since the time I came in hath not ceased to kiss my feet.
45. "Tu ne m`as point donné de baiser; mais elle, depuis que je suis entré, elle n`a point cessé de me baiser les pieds."
45. "Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa io vehivavy io, hatrizay nidirako, dia tsy mba ni-tsahatra nanoroka fatratra ny tongotro."
46. My head with oil thou didst not anoint: but this woman hath anointed my feet with ointment.
46. "Tu n`as point versé d`huile sur ma tête; mais elle, elle a versé du parfum sur mes pieds."
46. "Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa io vehivavy io kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro."
47. Wherefore I say unto thee, Her sins, which are many, are forgiven; for she loved much: but to whom little is forgiven, the same loveth little.
47. C`est pourquoi, je te le dis, ses nombreux péchés ont été pardonnés: car elle a beaucoup aimé. Mais celui à qui on pardonne peu aime peu.
47. "Ary amin' izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin' ny kely dia kely fitiavana."
48. And he said unto her, Thy sins are forgiven.
48. Et il dit à la femme: Tes péchés sont pardonnés.
48. Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
49. And they that sat at meat with him began to say within themselves, Who is this that forgiveth sins also?
49. Ceux qui étaient à table avec lui se mirent à dire en eux-mêmes: Qui est celui-ci, qui pardonne même les péchés?
49. Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia nanomboka niteny anakampo hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka koa?
50. And he said to the woman, Thy faith hath saved thee; go in peace.
50. Mais Jésus dit à la femme: Ta foi t`a sauvée, va en paix.
50. "Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara."
<
>