1. And it came to pass, that, as the people pressed upon him to hear the word of God, he stood by the lake of Gennesaret,
1. Comme Jésus se trouvait auprès du lac de Génésareth, et que la foule se pressait autour de lui pour entendre la parole de Dieu,
1. "ARY izao no niseho, raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin' Andriamanitra, dia nijanona teo amoron' ny Farihin' i Genesareta Izy;"
2. And saw two ships standing by the lake: but the fishermen were gone out of them, and were washing their nets.
2. il vit au bord du lac deux barques, d`où les pêcheurs étaient descendus pour laver leurs filets.
2. "Ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin' ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony."
3. And he entered into one of the ships, which was Simon's, and prayed him that he would thrust out a little from the land. And he sat down, and taught the people out of the ship.
3. Il monta dans l`une de ces barques, qui était à Simon, et il le pria de s`éloigner un peu de terre. Puis il s`assit, et de la barque il enseignait la foule.
3. Ary niditra tamin' ny iray amin' ireo sambokely, izay an' i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin' ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
4. Now when he had left speaking, he said unto Simon, Launch out into the deep, and let down your nets for a draught.
4. Lorsqu`il eut cessé de parler, il dit à Simon: Avance en pleine eau, et jetez vos filets pour pêcher.
4. Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin' i Simona: Mandrosoa ho any amin' ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
5. And Simon answering said unto him, Master, we have toiled all the night, and have taken nothing: nevertheless at thy word I will let down the net.
5. "Simon lui répondit: Maître, nous avons travaillé toute la nuit sans rien prendre; mais, sur ta parole, je jetterai le filet."
5. "Fa namaly Simona ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, mandritra ny alina no efa nikele-zanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato."
6. And when they had this done, they inclosed a great multitude of fishes: and their net brake.
6. L`ayant jeté, ils prirent une grande quantité de poissons, et leur filet se rompait.
6. Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy ireo, ka efa nisy triatra ny haratony.
7. And they beckoned unto their partners, which were in the other ship, that they should come and help them. And they came, and filled both the ships, so that they began to sink.
7. Ils firent signe à leurs compagnons qui étaient dans l`autre barque de venir les aider. Ils vinrent et ils remplirent les deux barques, au point qu`elles enfonçaient.
7. Ary nanatsika ny namany izay teo amin' ny sambokely hafa ireo, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoina ny sambokely roa, ka efa saika nilentika.
8. When Simon Peter saw it, he fell down at Jesus' knees, saying, Depart from me; for I am a sinful man, O Lord.
8. Quand il vit cela, Simon Pierre tomba aux genoux de Jésus, et dit: Seigneur, retire-toi de moi, parce que je suis un homme pécheur.
8. Ary rehefa hitan' i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin' ny tongotr' i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompo ô, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
9. For he was astonished, and all that were with him, at the draught of the fishes which they had taken:
9. Car l`épouvante l`avait saisi, lui et tous ceux qui étaient avec lui, à cause de la pêche qu`ils avaient faite.
9. Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny habetsahan' ny hazandrano izay nosarihany.
10. And so was also James, and John, the sons of Zebedee, which were partners with Simon. And Jesus said unto Simon, Fear not; from henceforth thou shalt catch men.
10. "Il en était de même de Jacques et de Jean, fils de Zébédée, les associés de Simon. Alors Jésus dit à Simon: Ne crains point; désormais tu seras pêcheur d`hommes."
10. "Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak' i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin' i Simona. Dia hoy Jesosy tamin' i Simona: Aza matahotra; amin' izao sisa izao, dia olona kosa no ho azonao."
11. And when they had brought their ships to land, they forsook all, and followed him.
11. Et, ayant ramené les barques à terre, ils laissèrent tout, et le suivirent.
11. Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy ireo, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an' i Jesosy.
12. And it came to pass, when he was in a certain city, behold a man full of leprosy: who seeing Jesus fell on his face, and besought him, saying, Lord, if thou wilt, thou canst make me clean.
12. "Jésus était dans une des villes; et voici, un homme couvert de lèpre, l`ayant vu, tomba sur sa face, et lui fit cette prière: Seigneur, si tu le veux, tu peux me rendre pur."
12. "Ary izao no niseho, raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro nisy lehilahy heniky ny habokana; ary nony nahita an' i Jesosy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy."
13. And he put forth his hand, and touched him, saying, I will: be thou clean. And immediately the leprosy departed from him.
13. Jésus étendit la main, le toucha, et dit: Je le veux, sois pur. Aussitôt la lèpre le quitta.
13. "Ary naninjitra ny tanany Jesosy, dia nanendry azy ka niteny hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary niala taminy niaraka tamin' izay ny habokana."
14. And he charged him to tell no man: but go, and shew thyself to the priest, and offer for thy cleansing, according as Moses commanded, for a testimony unto them.
14. Puis il lui ordonna de n`en parler à personne. Mais, dit-il, va te montrer au sacrificateur, et offre pour ta purification ce que Moïse a prescrit, afin que cela leur serve de témoignage.
14. "Ary nandrara azy Jesosy tsy hilaza amin' ny olona na dia iray akory aza; fa mandehana, ka misehoa amin' ny mpisorona, dia manatera ny fanadiovana anao, araka ny nandidian' i Mosesy, ho vavolombelona amin' ireo."
15. But so much the more went there a fame abroad of him: and great multitudes came together to hear, and to be healed by him of their infirmities.
15. Sa renommée se répandait de plus en plus, et les gens venaient en foule pour l`entendre et pour être guéris de leurs maladies.
15. Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin' ny rofiny.
16. And he withdrew himself into the wilderness, and prayed.
16. Et lui, il se retirait dans les déserts, et priait.
16. Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an' efitra ka nivavaka.
17. And it came to pass on a certain day, as he was teaching, that there were Pharisees and doctors of the law sitting by, which were come out of every town of Galilee, and Judaea, and Jerusalem: and the power of the Lord was present to heal them.
17. "Un jour Jésus enseignait. Des pharisiens et des docteurs de la loi étaient là assis, venus de tous les villages de la Galilée, de la Judée et de Jérusalem; et la puissance du Seigneur se manifestait par des guérisons."
17. "Ary izao no niseho, indray andro raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin' ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin' ny Tompo dia tao aminy mba hanasitrana azy ireo."
18. And, behold, men brought in a bed a man which was taken with a palsy: and they sought means to bring him in, and to lay him before him.
18. Et voici, des gens, portant sur un lit un homme qui était paralytique, cherchaient à le faire entrer et à le placer sous ses regards.
18. Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin' ny fandriana, izay mararin' ny paralysisa mihovitrovitra, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy eo anatrehany.
19. And when they could not find by what way they might bring him in because of the multitude, they went upon the housetop, and let him down through the tiling with his couch into the midst before Jesus.
19. Comme ils ne savaient par où l`introduire, à cause de la foule, ils montèrent sur le toit, et ils le descendirent par une ouverture, avec son lit, au milieu de l`assemblée, devant Jésus.
19. Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan' ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin' ny fandriany ho eo afovoan' ny olona, dia teo anatrehan' i Jesosy.
20. And when he saw their faith, he said unto him, Man, thy sins are forgiven thee.
20. Voyant leur foi, Jésus dit: Homme, tes péchés te sont pardonnés.
20. Ary raha hitan' i Jesosy ny finoan' ireo, dia hoy Izy taminy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
21. And the scribes and the Pharisees began to reason, saying, Who is this which speaketh blasphemies? Who can forgive sins, but God alone?
21. Les scribes et les pharisiens se mirent à raisonner et à dire: Qui est celui-ci, qui profère des blasphèmes? Qui peut pardonner les péchés, si ce n`est Dieu seul?
21. Fa ny mpanoradalàna sy ny Fariseo niara-nisaina nanao hoe: Iza moa Ity manao blasfemia ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?
22. But when Jesus perceived their thoughts, he answering said unto them, What reason ye in your hearts?
22. Jésus, connaissant leurs pensées, prit la parole et leur dit: Quelles pensées avez-vous dans vos coeurs?
22. Fa rehefa nahafantatra ny eritreriny Jesosy, dia namaly ka nanao taminy hoe: Inona no eritreretinareo ao am-ponareo?
23. Whether is easier, to say, Thy sins be forgiven thee; or to say, Rise up and walk?
23. Lequel est le plus aisé, de dire: Tes péchés te sont pardonnés, ou de dire: Lève-toi, et marche?
23. Inona moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
24. But that ye may know that the Son of man hath power upon earth to forgive sins, (he said unto the sick of the palsy,) I say unto thee, Arise, and take up thy couch, and go into thine house.
24. Or, afin que vous sachiez que le Fils de l`homme a sur la terre le pouvoir de pardonner les péchés: Je te l`ordonne, dit-il au paralytique, lève-toi, prends ton lit, et va dans ta maison.
24. Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak' olona manana fahefana ety ambonin' ny tany hamela heloka, (dia hoy Izy tamin' ilay mararin' ny paralysisa mihovitrovitra): Hoy Aho aminao: Mitsangàna, dia batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
25. And immediately he rose up before them, and took up that whereon he lay, and departed to his own house, glorifying God.
25. Et, à l`instant, il se leva en leur présence, prit le lit sur lequel il était couché, et s`en alla dans sa maison, glorifiant Dieu.
25. Ary niaraka tamin' izay, dia nitsangana teo anatrehan' ny olona izy ka nambata ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an' Andriamanitra.
26. And they were all amazed, and they glorified God, and were filled with fear, saying, We have seen strange things to day.
26. "Tous étaient dans l`étonnement, et glorifiaient Dieu; remplis de crainte, ils disaient: Nous avons vu aujourd`hui des choses étranges."
26. Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an' Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
27. And after these things he went forth, and saw a publican, named Levi, sitting at the receipt of custom: and he said unto him, Follow me.
27. Après cela, Jésus sortit, et il vit un publicain, nommé Lévi, assis au lieu des péages. Il lui dit: Suis-moi.
27. "Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra sy ny fadintseranana; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy."
28. And he left all, rose up, and followed him.
28. Et, laissant tout, il se leva, et le suivit.
28. Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
29. And Levi made him a great feast in his own house: and there was a great company of publicans and of others that sat down with them.
29. Lévi lui donna un grand festin dans sa maison, et beaucoup de publicains et d`autres personnes étaient à table avec eux.
29. "Ary nanao fanasana lehibe ho an' i Jesosy tao an-tranony Levy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa izay niara-nipetraka nihinana teo aminy."
30. But their scribes and Pharisees murmured against his disciples, saying, Why do ye eat and drink with publicans and sinners?
30. Les pharisiens et les scribes murmurèrent, et dirent à ses disciples: Pourquoi mangez-vous et buvez-vous avec les publicains et les gens de mauvaise vie?
30. Fa ny fariseo sy ny mpanoradalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin' ny mpianatr' i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin' ny mpamory hetra sy ny mpanota?
31. And Jesus answering said unto them, They that are whole need not a physician; but they that are sick.
31. Jésus, prenant la parole, leur dit: Ce ne sont pas ceux qui se portent bien qui ont besoin de médecin, mais les malades.
31. "Ary namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy ny salama no mila dokotera, fa ny marary;"
32. I came not to call the righteous, but sinners to repentance.
32. Je ne suis pas venu appeler à la repentance des justes, mais des pécheurs.
32. Tsy avy hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka.
33. And they said unto him, Why do the disciples of John fast often, and make prayers, and likewise the disciples of the Pharisees; but thine eat and drink?
33. Ils lui dirent: Les disciples de Jean, comme ceux des pharisiens, jeûnent fréquemment et font des prières, tandis que les tiens mangent et boivent.
33. Ary hoy ireo taminy: nahoana ny mpianatr' i Jaona no mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an' ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro?
34. And he said unto them, Can ye make the children of the bridechamber fast, while the bridegroom is with them?
34. Il leur répondit: Pouvez-vous faire jeûner les amis de l`époux pendant que l`époux est avec eux?
34. Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan' ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
35. But the days will come, when the bridegroom shall be taken away from them, and then shall they fast in those days.
35. Les jours viendront où l`époux leur sera enlevé, alors ils jeûneront en ces jours-là.
35. Fa ho avy ny andro, rehefa voaesotra hiala aminy ny mpampakatra, dia amin' izany andro izany vao hifady izy.
36. And he spake also a parable unto them; No man putteth a piece of a new garment upon an old; if otherwise, then both the new maketh a rent, and the piece that was taken out of the new agreeth not with the old.
36. "Il leur dit aussi une parabole: Personne ne déchire d`un habit neuf un morceau pour le mettre à un vieil habit; car, il déchire l`habit neuf, et le morceau qu`il en a pris n`est pas assorti au vieux."
36. Ary nanao fanoharana taminy koa Izy nanao hoe: Tsy misy olona maka tapa-damba vaovao hatampina ny lamba tonta, fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin' ny vaovao dia tsy hifanaraka amin' ny tonta.
37. And no man putteth new wine into old bottles; else the new wine will burst the bottles, and be spilled, and the bottles shall perish.
37. "Et personne ne met du vin nouveau dans de vieilles outres; autrement, le vin nouveau fait rompre les outres, il se répand, et les outres sont perdues;"
37. "Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao hahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra."
38. But new wine must be put into new bottles; and both are preserved.
38. mais il faut mettre le vin nouveau dans des outres neuves.
38. Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao, dia samy haharitra izy roroa.
39. No man also having drunk old wine straightway desireth new: for he saith, The old is better.
39. Et personne, après avoir bu du vin vieux, ne veut du nouveau, car il dit: Le vieux est bon.
39. Tsy misy olona, rehefa nisotro divay ela, no maniry ny vaovao, fa hoy izy: Ny ela no tsara kokoa.