1. Now the feast of unleavened bread drew nigh, which is called the Passover.
1. La fête des pains sans levain, appelée la Pâque, approchait.
1. Ary mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy lalivay, dia ilay andro atao hoe Paska.
2. And the chief priests and scribes sought how they might kill him; for they feared the people.
2. "Les principaux sacrificateurs et les scribes cherchaient les moyens de faire mourir Jésus; car ils craignaient le peuple."
2. "Ary ny lohan' ny mpisorona sy ny mpanoradalàna nitady izay hamonoany an' i Jesosy; nefa natahotra ny olona ireo."
3. Then entered Satan into Judas surnamed Iscariot, being of the number of the twelve.
3. Or, Satan entra dans Judas, surnommé Iscariot, qui était du nombre des douze.
3. "Fa Satana niditra tao anatin' i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, izay anisan' ny roa ambin' ny folo lahy;"
4. And he went his way, and communed with the chief priests and captains, how he might betray him unto them.
4. Et Judas alla s`entendre avec les principaux sacrificateurs et les chefs des gardes, sur la manière de le leur livrer.
4. Dia nankao amin' ny lohan' ny mpisorona sy ny lehiben' ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin' izay hamadihany an' i Jesosy amin' ireo.
5. And they were glad, and covenanted to give him money.
5. Ils furent dans la joie, et ils convinrent de lui donner de l`argent.
5. Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
6. And he promised, and sought opportunity to betray him unto them in the absence of the multitude.
6. Après s`être engagé, il cherchait une occasion favorable pour leur livrer Jésus à l`insu de la foule.
6. Ary nampanantena izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin' ireo amin' ny tsy misy vahoaka.
7. Then came the day of unleavened bread, when the passover must be killed.
7. Le jour des pains sans levain, où l`on devait immoler la Pâque, arriva,
7. Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy lalivay, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
8. And he sent Peter and John, saying, Go and prepare us the passover, that we may eat.
8. et Jésus envoya Pierre et Jean, en disant: Allez nous préparer la Pâque, afin que nous la mangions.
8. Ary naniraka an' i Petera sy Jaona Izy ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
9. And they said unto him, Where wilt thou that we prepare?
9. Ils lui dirent: Où veux-tu que nous la préparions?
9. Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
10. And he said unto them, Behold, when ye are entered into the city, there shall a man meet you, bearing a pitcher of water; follow him into the house where he entereth in.
10. "Il leur répondit: Voici, quand vous serez entrés dans la ville, vous rencontrerez un homme portant une cruche d`eau; suivez-le dans la maison où il entrera,"
10. "Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin' ny trano izay hidirany."
11. And ye shall say unto the goodman of the house, The Master saith unto thee, Where is the guestchamber, where I shall eat the passover with my disciples?
11. et vous direz au maître de la maison: Le maître te dit: Où est le lieu où je mangerai la Pâque avec mes disciples?
11. Dia lazao amin' ny tompon-trano hoe: Izao no lazain' ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin' ny mpianatro?
12. And he shall shew you a large upper room furnished: there make ready.
12. Et il vous montrera une grande chambre haute, meublée: c`est là que vous préparerez la Pâque.
12. "Ary hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana izy, izay efa misy fanaka; any no amboary."
13. And they went, and found as he had said unto them: and they made ready the passover.
13. "Ils partirent, et trouvèrent les choses comme il le leur avait dit; et ils préparèrent la Pâque."
13. "Dia nandeha ireo ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy ireo."
14. And when the hour was come, he sat down, and the twelve apostles with him.
14. L`heure étant venue, il se mit à table, et les apôtres avec lui.
14. Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy, ary teo aminy ny apostoly roa ambin' ny folo.
15. And he said unto them, With desire I have desired to eat this passover with you before I suffer:
15. "Il leur dit: J`ai désiré vivement manger cette Pâque avec vous, avant de souffrir;"
15. Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho,
16. For I say unto you, I will not any more eat thereof, until it be fulfilled in the kingdom of God.
16. car, je vous le dis, je ne la mangerai plus, jusqu`à ce qu`elle soit accomplie dans le royaume de Dieu.
16. Fa lazaiko aminareo, tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak' izany ao amin' ny fanjakan' Andriamanitra.
17. And he took the cup, and gave thanks, and said, Take this, and divide it among yourselves:
17. "Et, ayant pris une coupe et rendu grâces, il dit: Prenez cette coupe, et distribuez-la entre vous;"
17. "Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;"
18. For I say unto you, I will not drink of the fruit of the vine, until the kingdom of God shall come.
18. car, je vous le dis, je ne boirai plus désormais du fruit de la vigne, jusqu`à ce que le royaume de Dieu soit venu.
18. Fa lazaiko aminareo fa hatramin' izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan' ny fanjakan' Andriamanitra.
19. And he took bread, and gave thanks, and brake it, and gave unto them, saying, This is my body which is given for you: this do in remembrance of me.
19. "Ensuite il prit du pain; et, après avoir rendu grâces, il le rompit, et le leur donna, en disant: Ceci est mon corps, qui est donné pour vous; faites ceci en mémoire de moi."
19. "Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy."
20. Likewise also the cup after supper, saying, This cup is the new testament in my blood, which is shed for you.
20. Il prit de même la coupe, après le souper, et la leur donna, en disant: Cette coupe est la nouvelle alliance en mon sang, qui est répandu pour vous.
20. Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin' ny rako, izay aidina ho anareo.
21. But, behold, the hand of him that betrayeth me is with me on the table.
21. Cependant voici, la main de celui qui me livre est avec moi à cette table.
21. Fa, indro, ny tanan' izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin' ny latabatra.
22. And truly the Son of man goeth, as it was determined: but woe unto that man by whom he is betrayed!
22. Le Fils de l`homme s`en va selon ce qui est déterminé. Mais malheur à l`homme par qui il est livré!
22. "Fa ny Zanak' Olona mandeha tokoa araka izay voatendry; nefa loza ho an' ny olona izay nahazoana mamadika Azy!"
23. And they began to enquire among themselves, which of them it was that should do this thing.
23. Et ils commencèrent à se demander les uns aux autres qui était celui d`entre eux qui ferait cela.
23. Ary nanomboka nifanontany ireo ny amin' izay anankiray eo aminy hahefa izany.
24. And there was also a strife among them, which of them should be accounted the greatest.
24. Il s`éleva aussi parmi les apôtres une contestation: lequel d`entre eux devait être estimé le plus grand?
24. Ary nisy fifandirana tamin' izy ireo ny amin' izay anankiray ho lehibe indrindra.
25. And he said unto them, The kings of the Gentiles exercise lordship over them; and they that exercise authority upon them are called benefactors.
25. Jésus leur dit: Les rois des nations les maîtrisent, et ceux qui les dominent sont appelés bienfaiteurs.
25. Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan' ny Jentilisa mampanompo azy, ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
26. But ye shall not be so: but he that is greatest among you, let him be as the younger; and he that is chief, as he that doth serve.
26. Qu`il n`en soit pas de même pour vous. Mais que le plus grand parmi vous soit comme le plus petit, et celui qui gouverne comme celui qui sert.
26. "Fa tsy mba toy izany ianareo: fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo."
27. For whether is greater, he that sitteth at meat, or he that serveth? is not he that sitteth at meat? but I am among you as he that serveth.
27. Car quel est le plus grand, celui qui est à table, ou celui qui sert? N`est-ce pas celui qui est à table? Et moi, cependant, je suis au milieu de vous comme celui qui sert.
27. Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
28. Ye are they which have continued with me in my temptations.
28. "Vous, vous êtes ceux qui avez persévéré avec moi dans mes épreuves;"
28. "Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin' ny fakampanahy nihatra tamiko;"
29. And I appoint unto you a kingdom, as my Father hath appointed unto me;
29. c`est pourquoi je dispose du royaume en votre faveur, comme mon Père en a disposé en ma faveur,
29. Koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren' ny Raiko ho Ahy,
30. That ye may eat and drink at my table in my kingdom, and sit on thrones judging the twelve tribes of Israel.
30. afin que vous mangiez et buviez à ma table dans mon royaume, et que vous soyez assis sur des trônes, pour juger les douze tribus d`Israël.
30. Mba hihinana sy hisotro eo amin' ny latabatro amin' ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ireo fokon' Isiraely roa ambin' ny folo.
31. And the Lord said, Simon, Simon, behold, Satan hath desired to have you, that he may sift you as wheat:
31. Le Seigneur dit: Simon, Simon, Satan vous a réclamés, pour vous cribler comme le froment.
31. Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana, efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary tritika.
32. But I have prayed for thee, that thy faith fail not: and when thou art converted, strengthen thy brethren.
32. "Mais j`ai prié pour toi, afin que ta foi ne défaille point; et toi, quand tu seras converti, affermis tes frères."
32. "Nefa nangataka ho anao Aho, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa voaova fo ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao."
33. And he said unto him, Lord, I am ready to go with thee, both into prison, and to death.
33. Seigneur, lui dit Pierre, je suis prêt à aller avec toi et en prison et à la mort.
33. Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na ho any amin' ny fahafatesana.
34. And he said, I tell thee, Peter, the cock shall not crow this day, before that thou shalt thrice deny that thou knowest me.
34. Et Jésus dit: Pierre, je te le dis, le coq ne chantera pas aujourd`hui que tu n`aies nié trois fois de me connaître.
34. Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
35. And he said unto them, When I sent you without purse, and scrip, and shoes, lacked ye any thing? And they said, Nothing.
35. Il leur dit encore: Quand je vous ai envoyés sans bourse, sans sac, et sans souliers, avez-vous manqué de quelque chose? Ils répondirent: De rien.
35. Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
36. Then said he unto them, But now, he that hath a purse, let him take it, and likewise his scrip: and he that hath no sword, let him sell his garment, and buy one.
36. Et il leur dit: Maintenant, au contraire, que celui qui a une bourse la prenne et que celui qui a un sac le prenne également, que celui qui n`a point d`épée vende son vêtement et achète une épée.
36. "Fa hoy Izy taminy: Fa amin' izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy."
37. For I say unto you, that this that is written must yet be accomplished in me, And he was reckoned among the transgressors: for the things concerning me have an end.
37. Car, je vous le dis, il faut que cette parole qui est écrite s`accomplisse en moi: Il a été mis au nombre des malfaiteurs. Et ce qui me concerne est sur le point d`arriver.
37. "Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary natao ho isan' ny mpanota Izy; fa efa ho tanteraka ny amiko."
38. And they said, Lord, behold, here are two swords. And he said unto them, It is enough.
38. Ils dirent: Seigneur, voici deux épées. Et il leur dit: Cela suffit.
38. Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Ampy izay.
39. And he came out, and went, as he was wont, to the mount of Olives; and his disciples also followed him.
39. Après être sorti, il alla, selon sa coutume, à la montagne des Oliviers. Ses disciples le suivirent.
39. Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianany koa nanaraka Azy.
40. And when he was at the place, he said unto them, Pray that ye enter not into temptation.
40. Lorsqu`il fut arrivé dans ce lieu, il leur dit: Priez, afin que vous ne tombiez pas en tentation.
40. Ary raha vao tonga teo amin' izany tany izany, dia hoy Izy tamin' izy ireo: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin' ny fakampanahy.
41. And he was withdrawn from them about a stone's cast, and kneeled down, and prayed,
41. Puis il s`éloigna d`eux à la distance d`environ un jet de pierre, et, s`étant mis à genoux, il pria,
41. Ary nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato Izy, dia nandohalika ka nivavaka,
42. Saying, Father, if thou be willing, remove this cup from me: nevertheless not my will, but thine, be done.
42. disant: Père, si tu voulais éloigner de moi cette coupe! Toutefois, que ma volonté ne se fasse pas, mais la tienne.
42. Nanao hoe: Ray ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity, nefa aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny Anao.
43. And there appeared an angel unto him from heaven, strengthening him.
43. Alors un ange lui apparut du ciel, pour le fortifier.
43. Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
44. And being in an agony he prayed more earnestly: and his sweat was as it were great drops of blood falling down to the ground.
44. Étant en agonie, il priait plus instamment, et sa sueur devint comme des grumeaux de sang, qui tombaient à terre.
44. "Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin' ny tany."
45. And when he rose up from prayer, and was come to his disciples, he found them sleeping for sorrow,
45. Après avoir prié, il se leva, et vint vers les disciples, qu`il trouva endormis de tristesse,
45. Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin' ny mpianany ka nahita azy matorin' alahelo.
46. And said unto them, Why sleep ye? rise and pray, lest ye enter into temptation.
46. et il leur dit: Pourquoi dormez-vous? Levez-vous et priez, afin que vous ne tombiez pas en tentation.
46. Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin' ny fakampanahy.
47. And while he yet spake, behold a multitude, and he that was called Judas, one of the twelve, went before them, and drew near unto Jesus to kiss him.
47. "Comme il parlait encore, voici, une foule arriva; et celui qui s`appelait Judas, l`un des douze, marchait devant elle. Il s`approcha de Jésus, pour le baiser."
47. Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan' ny roa ambin' ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an' i Jesosy hanoroka Azy.
48. But Jesus said unto him, Judas, betrayest thou the Son of man with a kiss?
48. Et Jésus lui dit: Judas, c`est par un baiser que tu livres le Fils de l`homme!
48. Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak' olona?
49. When they which were about him saw what would follow, they said unto him, Lord, shall we smite with the sword?
49. Ceux qui étaient avec Jésus, voyant ce qui allait arriver, dirent: Seigneur, frapperons-nous de l`épée?
49. Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin' ny sabatra va izahay?
50. And one of them smote the servant of the high priest, and cut off his right ear.
50. Et l`un d`eux frappa le serviteur du souverain sacrificateur, et lui emporta l`oreille droite.
50. Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon' ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
51. And Jesus answered and said, Suffer ye thus far. And he touched his ear, and healed him.
51. Mais Jésus, prenant la parole, dit: Laissez, arrêtez! Et, ayant touché l`oreille de cet homme, il le guérit.
51. Fa namaly Jesosy ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza? Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
52. Then Jesus said unto the chief priests, and captains of the temple, and the elders, which were come to him, Be ye come out, as against a thief, with swords and staves?
52. Jésus dit ensuite aux principaux sacrificateurs, aux chefs des gardes du temple, et aux anciens, qui étaient venus contre lui: Vous êtes venus, comme après un brigand, avec des épées et des bâtons.
52. Ary hoy Jesosy tamin' ny lohan' ny mpisorona sy ny lehiben' ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
53. When I was daily with you in the temple, ye stretched forth no hands against me: but this is your hour, and the power of darkness.
53. J`étais tous les jours avec vous dans le temple, et vous n`avez pas mis la main sur moi. Mais c`est ici votre heure, et la puissance des ténèbres.
53. "Raha teo aminareo isan' andro teo amin' ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin' ny maizina."
54. Then took they him, and led him, and brought him into the high priest's house. And Peter followed afar off.
54. Après avoir saisi Jésus, ils l`emmenèrent, et le conduisirent dans la maison du souverain sacrificateur. Pierre suivait de loin.
54. Ary nisambotra an' i Jesosy izy ireo, dia nitondra Azy ho ao an-tranon' ny mpisoronabe. Ary nanaraka teny lavidavitra teny Petera.
55. And when they had kindled a fire in the midst of the hall, and were set down together, Peter sat down among them.
55. Ils allumèrent du feu au milieu de la cour, et ils s`assirent. Pierre s`assit parmi eux.
55. Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
56. But a certain maid beheld him as he sat by the fire, and earnestly looked upon him, and said, This man was also with him.
56. Une servante, qui le vit assis devant le feu, fixa sur lui les regards, et dit: Cet homme était aussi avec lui.
56. Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan' ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity lehilahy ity koa nomba Azy.
57. And he denied him, saying, Woman, I know him not.
57. Mais il le nia disant: Femme, je ne le connais pas.
57. Fa nandà izy ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
58. And after a little while another saw him, and said, Thou art also of them. And Peter said, Man, I am not.
58. Peu après, un autre, l`ayant vu, dit: Tu es aussi de ces gens-là. Et Pierre dit: Homme, je n`en suis pas.
58. Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Ianao koa mba naman' ireny.Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
59. And about the space of one hour after another confidently affirmed, saying, Of a truth this fellow also was with him: for he is a Galilaean.
59. Environ une heure plus tard, un autre insistait, disant: Certainement cet homme était aussi avec lui, car il est Galiléen.
59. Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
60. And Peter said, Man, I know not what thou sayest. And immediately, while he yet spake, the cock crew.
60. Pierre répondit: Homme, je ne sais ce que tu dis. Au même instant, comme il parlait encore, le coq chanta.
60. Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao.Ary niaraka tamin' izay, raha mbola niteny izy, dia naneno ny akoho.
61. And the Lord turned, and looked upon Peter. And Peter remembered the word of the Lord, how he had said unto him, Before the cock crow, thou shalt deny me thrice.
61. Le Seigneur, s`étant retourné, regarda Pierre. Et Pierre se souvint de la parole que le Seigneur lui avait dite: Avant que le coq chante aujourd`hui, tu me renieras trois fois.
61. Ary nitodika ny Tompo, dia nijery an' i Petera.Ary Petera nahatsiaro ilay tenin' ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
62. And Peter went out, and wept bitterly.
62. Et étant sorti, il pleura amèrement.
62. Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy dia mafy.
63. And the men that held Jesus mocked him, and smote him.
63. Les hommes qui tenaient Jésus se moquaient de lui, et le frappaient.
63. Ary ireo lehilahy izay nitana an' i Jesosy dia naneso sady nikapoka Azy.
64. And when they had blindfolded him, they struck him on the face, and asked him, saying, Prophesy, who is it that smote thee?
64. Ils lui voilèrent le visage, et ils l`interrogeaient, en disant: Devine qui t`a frappé.
64. Ary rehefa nanampi-maso Azy izy ireo, ka namely Azy teo amin' ny tavany, dia nanontany Azy hoe: Maminania, iza moa no namely Anao?
65. And many other things blasphemously spake they against him.
65. Et ils proféraient contre lui beaucoup d`autres injures.
65. Ary nanao blasfemia nilaza zavatra maro hafa nanaratsiany Azy izy ireo.
66. And as soon as it was day, the elders of the people and the chief priests and the scribes came together, and led him into their council, saying,
66. Quand le jour fut venu, le collège des anciens du peuple, les principaux sacrificateurs et les scribes, s`assemblèrent, et firent amener Jésus dans leur sanhédrin.
66. Ary raha vao nazava ny andro, dia niangona ny loholona sy ny lohan' ny mpisorona ary ny mpanoradalàna, ka nitondra an' i Jesosy ho eo amin' ny Synedriona, dia nanao hoe:
67. Art thou the Christ? tell us. And he said unto them, If I tell you, ye will not believe:
67. "Ils dirent: Si tu es le Christ, dis-le nous. Jésus leur répondit: Si je vous le dis, vous ne le croirez pas;"
67. Ianao va no Kristy? Lazao anay.Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.
68. And if I also ask you, ye will not answer me, nor let me go.
68. et, si je vous interroge, vous ne répondrez pas.
68. Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo, na hamela Ahy handeha.
69. Hereafter shall the Son of man sit on the right hand of the power of God.
69. Désormais le Fils de l`homme sera assis à la droite de la puissance de Dieu.
69. Fa hatramin' izao ny Zanak' Olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan' ny herin' Andriamanitra.
70. Then said they all, Art thou then the Son of God? And he said unto them, Ye say that I am.
70. Tous dirent: Tu es donc le Fils de Dieu? Et il leur répondit: Vous le dites, je le suis.
70. Dia hoy izy rehetra: Zanak' Andriamanitra va àry Ianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
71. And they said, What need we any further witness? for we ourselves have heard of his own mouth.
71. Alors ils dirent: Qu`avons-nous encore besoin de témoignage? Nous l`avons entendu nous-mêmes de sa bouche.
71. Ary hoy koa ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin' ny vavany.
<
>