1. And he looked up, and saw the rich men casting their gifts into the treasury.
1. Jésus, ayant levé les yeux, vit les riches qui mettaient leurs offrandes dans le tronc.
1. "Ary nanopy ny masony Jesosy ka nahita ny mpanankarena mandatsaka ny fanomezany tao amin' ny fandatsahan-drakitra;"
2. And he saw also a certain poor widow casting in thither two mites.
2. Il vit aussi une pauvre veuve, qui y mettait deux petites pièces.
2. "Ary nahita mpitondratena mahantra anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy;"
3. And he said, Of a truth I say unto you, that this poor widow hath cast in more than they all:
3. "Et il dit: Je vous le dis en vérité, cette pauvre veuve a mis plus que tous les autres;"
3. Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io no efa nandatsaka be noho izy rehetra,
4. For all these have of their abundance cast in unto the offerings of God: but she of her penury hath cast in all the living that she had.
4. car c`est de leur superflu que tous ceux-là ont mis des offrandes dans le tronc, mais elle a mis de son nécessaire, tout ce qu`elle avait pour vivre.
4. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin' ny haben' ny fananany no nandatsahany tao amin' ny rakitr' Andriamanitra, fa izy kosa tamin' ny fahantrany no nandrotsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
5. And as some spake of the temple, how it was adorned with goodly stones and gifts, he said,
5. Comme quelques-uns parlaient des belles pierres et des offrandes qui faisaient l`ornement du temple, Jésus dit:
5. "Ary raha nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanomezana izy; dia hoy Jesosy:"
6. As for these things which ye behold, the days will come, in the which there shall not be left one stone upon another, that shall not be thrown down.
6. Les jours viendront où, de ce que vous voyez, il ne restera pas pierre sur pierre qui ne soit renversée.
6. Ny amin' ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
7. And they asked him, saying, Master, but when shall these things be? and what sign will there be when these things shall come to pass?
7. Ils lui demandèrent: Maître, quand donc cela arrivera-t-il, et à quel signe connaîtra-t-on que ces choses vont arriver?
7. Ary nanontany Azy izy ireo hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
8. And he said, Take heed that ye be not deceived: for many shall come in my name, saying, I am Christ; and the time draweth near: go ye not therefore after them.
8. Jésus répondit: Prenez garde que vous ne soyez séduits. Car plusieurs viendront en mon nom, disant: C`est moi, et le temps approche. Ne les suivez pas.
8. "Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin' ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Kristy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy."
9. But when ye shall hear of wars and commotions, be not terrified: for these things must first come to pass; but the end is not by and by.
9. Quand vous entendrez parler de guerres et de soulèvements, ne soyez pas effrayés, car il faut que ces choses arrivent premièrement. Mais ce ne sera pas encore la fin.
9. Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza mivadi-po, fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin' izay ny farany.
10. Then said he unto them, Nation shall rise against nation, and kingdom against kingdom:
10. "Alors il leur dit: Une nation s`élèvera contre une nation, et un royaume contre un royaume;"
10. "Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana;"
11. And great earthquakes shall be in divers places, and famines, and pestilences; and fearful sights and great signs shall there be from heaven.
11. "il y aura de grands tremblements de terre, et, en divers lieux, des pestes et des famines; il y aura des phénomènes terribles, et de grands signes dans le ciel."
11. Ary hisy horohoron-tany lehibe any amin' ny toerana samihafa, ary mosary sy areti-mandringana, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
12. But before all these, they shall lay their hands on you, and persecute you, delivering you up to the synagogues, and into prisons, being brought before kings and rulers for my name's sake.
12. "Mais, avant tout cela, on mettra la main sur vous, et l`on vous persécutera; on vous livrera aux synagogues, on vous jettera en prison, on vous mènera devant des rois et devant des gouverneurs, à cause de mon nom."
12. Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin' ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka hoentina eo anatrehan' ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
13. And it shall turn to you for a testimony.
13. Cela vous arrivera pour que vous serviez de témoignage.
13. Dia ho tonga vavolombelona aminareo izany.
14. Settle it therefore in your hearts, not to meditate before what ye shall answer:
14. "Mettez-vous donc dans l`esprit de ne pas préméditer votre défense;"
14. Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo.
15. For I will give you a mouth and wisdom, which all your adversaries shall not be able to gainsay nor resist.
15. car je vous donnerai une bouche et une sagesse à laquelle tous vos adversaires ne pourront résister ou contredire.
15. Fa Izaho no hanome anareo vava sy fahendrena, izay tsy azon' ny fahavalonareo valiana na toherina.
16. And ye shall be betrayed both by parents, and brethren, and kinsfolks, and friends; and some of you shall they cause to be put to death.
16. Vous serez livrés même par vos parents, par vos frères, par vos proches et par vos amis, et ils feront mourir plusieurs d`entre vous.
16. Ary havadiky ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
17. And ye shall be hated of all men for my name's sake.
17. Vous serez haïs de tous, à cause de mon nom.
17. Ary ho halan' ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
18. But there shall not an hair of your head perish.
18. "Mais il ne se perdra pas un cheveu de votre tête;"
18. Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin' ny lohanareo aza.
19. In your patience possess ye your souls.
19. par votre persévérance vous sauverez vos âmes.
19. Amin' ny faharetanareo no hahatananareo ny fanahinareo.
20. And when ye shall see Jerusalem compassed with armies, then know that the desolation thereof is nigh.
20. Lorsque vous verrez Jérusalem investie par des armées, sachez alors que sa désolation est proche.
20. Ary raha hahita an' i Jerosalema voahodidin' ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
21. Then let them which are in Judaea flee to the mountains; and let them which are in the midst of it depart out; and let not them that are in the countries enter thereinto.
21. Alors, que ceux qui seront en Judée fuient dans les montagnes, que ceux qui seront au milieu de Jérusalem en sortent, et que ceux qui seront dans les champs n`entrent pas dans la ville.
21. "Ary izay any Jodia amin' izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony."
22. For these be the days of vengeance, that all things which are written may be fulfilled.
22. Car ce seront des jours de vengeance, pour l`accomplissement de tout ce qui est écrit.
22. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
23. But woe unto them that are with child, and to them that give suck, in those days! for there shall be great distress in the land, and wrath upon this people.
23. Malheur aux femmes qui seront enceintes et à celles qui allaiteront en ces jours-là! Car il y aura une grande détresse dans le pays, et de la colère contre ce peuple.
23. Fa loza ho an' ny bevohoka sy ny mampinono amin' izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe amin' ny tany ary fahatezerana amin' ity firenena ity.
24. And they shall fall by the edge of the sword, and shall be led away captive into all nations: and Jerusalem shall be trodden down of the Gentiles, until the times of the Gentiles be fulfilled.
24. Ils tomberont sous le tranchant de l`épée, ils seront emmenés captifs parmi toutes les nations, et Jérusalem sera foulée aux pieds par les nations, jusqu`à ce que les temps des nations soient accomplies.
24. Dia ho ringana amin' ny lelan-tsabatra izy ka hoentina ho babon' ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin' ny Jentilisa mandra-pahatanteraka ny andron' ny Jentilisa.
25. And there shall be signs in the sun, and in the moon, and in the stars; and upon the earth distress of nations, with perplexity; the sea and the waves roaring;
25. Il y aura des signes dans le soleil, dans la lune et dans les étoiles. Et sur la terre, il y aura de l`angoisse chez les nations qui ne sauront que faire, au bruit de la mer et des flots,
25. Ary hisy famantarana eo amin' ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin' ny tany dia hisy fahorian' ny firenena amin' ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon' ny ranomasina sy ny fanonjany,
26. Men's hearts failing them for fear, and for looking after those things which are coming on the earth: for the powers of heaven shall be shaken.
26. "les hommes rendant l`âme de terreur dans l`attente de ce qui surviendra pour la terre; car les puissances des cieux seront ébranlées."
26. "Ka ho reraka ny fon' ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ety ambonin' ny tany; fa ny herin' ny lanitra dia hohozongozonina."
27. And then shall they see the Son of man coming in a cloud with power and great glory.
27. Alors on verra le Fils de l`homme venant sur une nuée avec puissance et une grande gloire.
27. Ary amin' izany andro izany dia hahita ny Zanak' olona avy eo amin' ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
28. And when these things begin to come to pass, then look up, and lift up your heads; for your redemption draweth nigh.
28. Quand ces choses commenceront à arriver, redressez-vous et levez vos têtes, parce que votre délivrance approche.
28. "Ary raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka atrakao ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo."
29. And he spake to them a parable; Behold the fig tree, and all the trees;
29. Et il leur dit une comparaison: Voyez le figuier, et tous les arbres.
29. Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny hazo aviavimbazaha sy ny hazo rehetra,
30. When they now shoot forth, ye see and know of your own selves that summer is now nigh at hand.
30. Dès qu`ils ont poussé, vous connaissez de vous-mêmes, en regardant, que déjà l`été est proche.
30. Raha vao manaroka ireo, dia hitanareo sy fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.
31. So likewise ye, when ye see these things come to pass, know ye that the kingdom of God is nigh at hand.
31. De même, quand vous verrez ces choses arriver, sachez que le royaume de Dieu est proche.
31. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra.
32. Verily I say unto you, This generation shall not pass away, till all be fulfilled.
32. Je vous le dis en vérité, cette génération ne passera point, que tout cela n`arrive.
32. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany io taranaka io mandra-pahatongan' izany rehetra izany.
33. Heaven and earth shall pass away: but my words shall not pass away.
33. Le ciel et la terre passeront, mais mes paroles ne passeront point.
33. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
34. And take heed to yourselves, lest at any time your hearts be overcharged with surfeiting, and drunkenness, and cares of this life, and so that day come upon you unawares.
34. "Prenez garde à vous-mêmes, de crainte que vos coeurs ne s`appesantissent par les excès du manger et du boire, et par les soucis de la vie, et que ce jour ne vienne sur vous à l`improviste;"
34. Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran' ny fahavokisana loatra sy ny fahamamoana ary ny fanahiana izao fiainana izao ka ho avy tampoka aminareo izany andro izany.
35. For as a snare shall it come on all them that dwell on the face of the whole earth.
35. car il viendra comme un filet sur tous ceux qui habitent sur la face de toute la terre.
35. Fa ho tahaka ny fandrika izany andro izany amin' izay rehetra monina manerana ny tany manontolo.
36. Watch ye therefore, and pray always, that ye may be accounted worthy to escape all these things that shall come to pass, and to stand before the Son of man.
36. Veillez donc et priez en tout temps, afin que vous ayez la force d`échapper à toutes ces choses qui arriveront, et de paraître debout devant le Fils de l`homme.
36. Koa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika handositra izany zavatra rehetra hiseho izany ianareo, ary hitsangana eo anatrehan' ny Zanak' olona.
37. And in the day time he was teaching in the temple; and at night he went out, and abode in the mount that is called the mount of Olives.
37. Pendant le jour, Jésus enseignait dans le temple, et il allait passer la nuit à la montagne appelée montagne des Oliviers.
37. "Ary nony antoandro dia nampianatra teo amin' ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy, ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva."
38. And all the people came early in the morning to him in the temple, for to hear him.
38. Et tout le peuple, dès le matin, se rendait vers lui dans le temple pour l`écouter.
38. Ary ny vahoaka rehetra nankeo Aminy maraina koa teo amin' ny tempoly hihaino Azy.
<
>