1. And the whole multitude of them arose, and led him unto Pilate.
1. Ils se levèrent tous, et ils conduisirent Jésus devant Pilate.
1. Ary nitsangana ny olona rehetra ka nitondra an' i Jesosy tany amin' i Pilato.
2. And they began to accuse him, saying, We found this fellow perverting the nation, and forbidding to give tribute to Caesar, saying that he himself is Christ a King.
2. Ils se mirent à l`accuser, disant: Nous avons trouvé cet homme excitant notre nation à la révolte, empêchant de payer le tribut à César, et se disant lui-même Christ, roi.
2. Dia nanomboka niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an' i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
3. And Pilate asked him, saying, Art thou the King of the Jews? And he answered him and said, Thou sayest it.
3. Pilate l`interrogea, en ces termes: Es-tu le roi des Juifs? Jésus lui répondit: Tu le dis.
3. Ary Pilato nanontany Azy hoe: Ianao va no Mpanjakan' ny Jiosy? Ary namaly azy Izy ka nanao hoe: Voalazanao.
4. Then said Pilate to the chief priests and to the people, I find no fault in this man.
4. Pilate dit aux principaux sacrificateurs et à la foule: Je ne trouve rien de coupable en cet homme.
4. Dia hoy Pilato tamin' ny lohan' ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok' ity Lehilahy ity.
5. And they were the more fierce, saying, He stirreth up the people, teaching throughout all Jewry, beginning from Galilee to this place.
5. Mais ils insistèrent, et dirent: Il soulève le peuple, en enseignant par toute la Judée, depuis la Galilée, où il a commencé, jusqu`ici.
5. Fa vao mainka nisafoaka ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy, sady nampianatra eran' i Jodia rehetra nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
6. When Pilate heard of Galilee, he asked whether the man were a Galilaean.
6. "Quand Pilate entendit parler de la Galilée, il demanda si cet homme était Galiléen;"
6. Raha nandre ny amin' i Galilia i Pilato, dia nanontaniany raha Galiliana ralehilahy.
7. And as soon as he knew that he belonged unto Herod's jurisdiction, he sent him to Herod, who himself also was at Jerusalem at that time.
7. et, ayant appris qu`il était de la juridiction d`Hérode, il le renvoya à Hérode, qui se trouvait aussi à Jérusalem en ces jours-là.
7. Ary rehefa fantatr' i Pilato fa avy tamin' ny tany tapahin' i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin' i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin' izany andro izany.
8. And when Herod saw Jesus, he was exceeding glad: for he was desirous to see him of a long season, because he had heard many things of him; and he hoped to have seen some miracle done by him.
8. "Lorsque Hérode vit Jésus, il en eut une grande joie; car depuis longtemps, il désirait le voir, à cause de ce qu`il avait entendu dire de lui, et il espérait qu`il le verrait faire quelque miracle."
8. "Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an' i Jesosy, fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre zavatra maro ny Aminy; ary nanantena hahita fahagagana hataony."
9. Then he questioned with him in many words; but he answered him nothing.
9. "Il lui adressa beaucoup de questions; mais Jésus ne lui répondit rien."
9. "Ary nanontany Azy teny maro izy; fa tsy namaly teny azy akory Izy."
10. And the chief priests and scribes stood and vehemently accused him.
10. Les principaux sacrificateurs et les scribes étaient là, et l`accusaient avec violence.
10. Ary ny lohan' ny mpisorona sy ny mpanoradalàna nijanona teo dia nitompo teny fantatra niampanga Azy.
11. And Herod with his men of war set him at nought, and mocked him, and arrayed him in a gorgeous robe, and sent him again to Pilate.
11. "Hérode, avec ses gardes, le traita avec mépris; et, après s`être moqué de lui et l`avoir revêtu d`un habit éclatant, il le renvoya à Pilate."
11. Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka naneso Azy, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin' i Pilato.
12. And the same day Pilate and Herod were made friends together: for before they were at enmity between themselves.
12. Ce jour même, Pilate et Hérode devinrent amis, d`ennemis qu`ils étaient auparavant.
12. "Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin' izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan' izany."
13. And Pilate, when he had called together the chief priests and the rulers and the people,
13. Pilate, ayant assemblé les principaux sacrificateurs, les magistrats, et le peuple, leur dit:
13. Ary rehefa nasain' i Pilato novorina ny lohan' ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
14. Said unto them, Ye have brought this man unto me, as one that perverteth the people: and, behold, I, having examined him before you, have found no fault in this man touching those things whereof ye accuse him:
14. "Vous m`avez amené cet homme comme excitant le peuple à la révolte. Et voici, je l`ai interrogé devant vous, et je ne l`ai trouvé coupable d`aucune des choses dont vous l`accusez;"
14. "Dia hoy izy taminy: entinareo aty amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok' ity Lehilahy ity amin' izay iampanganareo Azy."
15. No, nor yet Herod: for I sent you to him; and, lo, nothing worthy of death is done unto him.
15. Hérode non plus, car il nous l`a renvoyé, et voici, cet homme n`a rien fait qui soit digne de mort.
15. "Tsia, na dia Heroda koa aza,fa namerina Azy ho aty amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;"
16. I will therefore chastise him, and release him.
16. Je le relâcherai donc, après l`avoir fait battre de verges.
16. Koa hofaiziko Izy, dia halefako.
17. (For of necessity he must release one unto them at the feast.)
17. A chaque fête, il était obligé de leur relâcher un prisonnier.
17. (Fa tsy maintsy mandefa anankiray ho an' ny olona izy amin' ny andro firavoravoana).
18. And they cried out all at once, saying, Away with this man, and release unto us Barabbas:
18. Ils s`écrièrent tous ensemble: Fais mourir celui-ci, et relâche-nous Barabbas.
18. Fa niantso mafy indray miredona izy rehetra nanao hoe: Vonoy io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
19. (Who for a certain sedition made in the city, and for murder, was cast into prison.)
19. Cet homme avait été mis en prison pour une sédition qui avait eu lieu dans la ville, et pour un meurtre.
19. (Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoana olona).
20. Pilate therefore, willing to release Jesus, spake again to them.
20. Pilate leur parla de nouveau, dans l`intention de relâcher Jésus.
20. Ary satria tian' i Pilato halefa Jesosy, dia niteny tamin' ireo indray izy.
21. But they cried, saying, Crucify him, crucify him.
21. Et ils crièrent: Crucifie, crucifie-le!
21. Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy amin' ny hazofijaliana Izy, homboy amin' ny hazofijaliana Izy!
22. And he said unto them the third time, Why, what evil hath he done? I have found no cause of death in him: I will therefore chastise him, and let him go.
22. Pilate leur dit pour la troisième fois: Quel mal a-t-il fait? Je n`ai rien trouvé en lui qui mérite la mort. Je le relâcherai donc, après l`avoir fait battre de verges.
22. Fa hoy izy taminy fanintelony: Nahoana, ary inona no ratsy nataony? tsy hitako izay antony tokony hahafaty Azy, koa hofaiziko Izy, dia halefako.
23. And they were instant with loud voices, requiring that he might be crucified. And the voices of them and of the chief priests prevailed.
23. Mais ils insistèrent à grands cris, demandant qu`il fût crucifié. Et leurs cris l`emportèrent:
23. Fa niantso tamin' ny feo mahery ny olona ka nangataka fa tokony hohomboana amin' ny hazofijaliana Izy. Ary nahery ny feon' ny olona sy ny feon' ny lohan' ny mpisorona.
24. And Pilate gave sentence that it should be as they required.
24. Pilate prononça que ce qu`ils demandaient serait fait.
24. Ary nandidy Pilato hanao izay nangatahiny.
25. And he released unto them him that for sedition and murder was cast into prison, whom they had desired; but he delivered Jesus to their will.
25. "Il relâcha celui qui avait été mis en prison pour sédition et pour meurtre, et qu`ils réclamaient; et il livra Jésus à leur volonté."
25. "Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoana olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony."
26. And as they led him away, they laid hold upon one Simon, a Cyrenian, coming out of the country, and on him they laid the cross, that he might bear it after Jesus.
26. Comme ils l`emmenaient, ils prirent un certain Simon de Cyrène, qui revenait des champs, et ils le chargèrent de la croix, pour qu`il la porte derrière Jésus.
26. Ary raha nitondra an' i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazofijaliana hanaraka an' i Jesosy.
27. And there followed him a great company of people, and of women, which also bewailed and lamented him.
27. Il était suivi d`une grande multitude des gens du peuple, et de femmes qui se frappaient la poitrine et se lamentaient sur lui.
27. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy sy vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
28. But Jesus turning unto them said, Daughters of Jerusalem, weep not for me, but weep for yourselves, and for your children.
28. "Jésus se tourna vers elles, et dit: Filles de Jérusalem, ne pleurez pas sur moi; mais pleurez sur vous et sur vos enfants."
28. Fa nitodika taminy Jesosy ka nanao hoe: Ry zanakavavin' i Jerosalema, aza mitomany ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
29. For, behold, the days are coming, in the which they shall say, Blessed are the barren, and the wombs that never bare, and the paps which never gave suck.
29. Car voici, des jours viendront où l`on dira: Heureuses les stériles, heureuses les entrailles qui n`ont point enfanté, et les mamelles qui n`ont point allaité!
29. Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
30. Then shall they begin to say to the mountains, Fall on us; and to the hills, Cover us.
30. Alors ils se mettront à dire aux montagnes: Tombez sur nous! Et aux collines: Couvrez-nous!
30. Dia hilaza amin' ny tendrombohitra izy hoe: Mianjerà aminay, ary amin' ny havoana hoe: Saròny izahay.
31. For if they do these things in a green tree, what shall be done in the dry?
31. Car, si l`on fait ces choses au bois vert, qu`arrivera-t-il au bois sec?
31. Fa raha ataony amin' ny hazo maitso izany, hatao ahoana amin' ny maina?
32. And there were also two other, malefactors, led with him to be put to death.
32. On conduisait en même temps deux malfaiteurs, qui devaient être mis à mort avec Jésus.
32. Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
33. And when they were come to the place, which is called Calvary, there they crucified him, and the malefactors, one on the right hand, and the other on the left.
33. Lorsqu`ils furent arrivés au lieu appelé Crâne, ils le crucifièrent là, ainsi que les deux malfaiteurs, l`un à droite, l`autre à gauche.
33. Ary rehefa tonga teo amin' ny tany atao hoe Kalvary izy, dia teo no nanomboany an' i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany.
34. Then said Jesus, Father, forgive them; for they know not what they do. And they parted his raiment, and cast lots.
34. Jésus dit: Père, pardonne-leur, car ils ne savent ce qu`ils font. Ils se partagèrent ses vêtements, en tirant au sort.
34. Ary hoy Jesosy: Ray ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
35. And the people stood beholding. And the rulers also with them derided him, saying, He saved others; let him save himself, if he be Christ, the chosen of God.
35. "Le peuple se tenait là, et regardait. Les magistrats se moquaient de Jésus, disant: Il a sauvé les autres; qu`il se sauve lui-même, s`il est le Christ, l`élu de Dieu!"
35. Ary nijanona teo ny olona ka nijery.Ary ny loholona koa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, aoka hovonjeny koa ny tenany, raha Izy no Kristy, ilay nofidin' Andriamanitra.
36. And the soldiers also mocked him, coming to him, and offering him vinegar,
36. "Les soldats aussi se moquaient de lui; s`approchant et lui présentant du vinaigre,"
36. Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo aminy ka nanome Azy vinaingitra,
37. And saying, If thou be the king of the Jews, save thyself.
37. ils disaient: Si tu es le roi des Juifs, sauve-toi toi-même!
37. Sady nanao hoe: Raha Ianao no Mpanjakan' ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
38. And a superscription also was written over him in letters of Greek, and Latin, and Hebrew, THIS IS THE KING OF THE JEWS.
38. Il y avait au-dessus de lui cette inscription: Celui-ci est le roi des Juifs.
38. Ary nisy soratra teo amboniny tamin' ny teny Grika, sy Latina, ary Hebreo nanao hoe: Ity no Mpanjakan' ny Jiosy.
39. And one of the malefactors which were hanged railed on him, saying, If thou be Christ, save thyself and us.
39. L`un des malfaiteurs crucifiés l`injuriait, disant: N`es-tu pas le Christ? Sauve-toi toi-même, et sauve-nous!
39. Ary ny anankiray tamin' ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Raha Ianao no Kristy, dia vonjeo ny tenanao sy izahay.
40. But the other answering rebuked him, saying, Dost not thou fear God, seeing thou art in the same condemnation?
40. Mais l`autre le reprenait, et disait: Ne crains-tu pas Dieu, toi qui subis la même condamnation?
40. Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an' Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41. And we indeed justly; for we receive the due reward of our deeds: but this man hath done nothing amiss.
41. "Pour nous, c`est justice, car nous recevons ce qu`ont mérité nos crimes; mais celui-ci n`a rien fait de mal."
41. "Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin' ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza."
42. And he said unto Jesus, Lord, remember me when thou comest into thy kingdom.
42. Et il dit à Jésus: Souviens-toi de moi, quand tu viendras dans ton règne.
42. Ary hoy izy tamin' i Jesosy: Tompo ô, tsarovy aho, rehefa avy amin' ny fanjakanao Ianao.
43. And Jesus said unto him, Verily I say unto thee, To day shalt thou be with me in paradise.
43. Jésus lui répondit: Je te le dis en vérité, aujourd`hui tu seras avec moi dans le paradis.
43. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
44. And it was about the sixth hour, and there was a darkness over all the earth until the ninth hour.
44. Il était déjà environ la sixième heure, et il y eut des ténèbres sur toute la terre, jusqu`à la neuvième heure.
44. Ary rehefa tokony ho tamin' ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin' ny ora fahasivy izany.
45. And the sun was darkened, and the veil of the temple was rent in the midst.
45. Le soleil s`obscurcit, et le voile du temple se déchira par le milieu.
45. Dia nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin' ny tempoly.
46. And when Jesus had cried with a loud voice, he said, Father, into thy hands I commend my spirit: and having said thus, he gave up the ghost.
46. Jésus s`écria d`une voix forte: Père, je remets mon esprit entre tes mains. Et, en disant ces paroles, il expira.
46. "Ary rehefa niantso tamin' ny feo mahery Jesosy, dia nanao hoe: Ray ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy dia natolony ny fanahiny."
47. Now when the centurion saw what was done, he glorified God, saying, Certainly this was a righteous man.
47. Le centenier, voyant ce qui était arrivé, glorifia Dieu, et dit: Certainement, cet homme était juste.
47. Koa raha nahita izay zavatra tonga teo ilay kapiteny, dia nankalaza an' Andriamanitra nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
48. And all the people that came together to that sight, beholding the things which were done, smote their breasts, and returned.
48. Et tous ceux qui assistaient en foule à ce spectacle, après avoir vu ce qui était arrivé, s`en retournèrent, se frappant la poitrine.
48. Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina niteha-tratra.
49. And all his acquaintance, and the women that followed him from Galilee, stood afar off, beholding these things.
49. Tous ceux de la connaissance de Jésus, et les femmes qui l`avaient accompagné depuis la Galilée, se tenaient dans l`éloignement et regardaient ce qui se passait.
49. Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
50. And, behold, there was a man named Joseph, a counsellor; and he was a good man, and a just:
50. Il y avait un conseiller, nommé Joseph, homme bon et juste,
50. Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan' ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina,
51. (The same had not consented to the counsel and deed of them;) he was of Arimathaea, a city of the Jews: who also himself waited for the kingdom of God.
51. "qui n`avait point participé à la décision et aux actes des autres; il était d`Arimathée, ville des Juifs, et il attendait le royaume de Dieu."
51. "(Tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon' ny sasany izany lehilahy izany); avy tany Arimatia, tanànan' ny Jiosy izy ary niandry koa ny fanjakan' Andriamanitra."
52. This man went unto Pilate, and begged the body of Jesus.
52. Cet homme se rendit vers Pilate, et demanda le corps de Jésus.
52. Izany lehilahy izany dia nankao amin' i Pilato ka nangataka ny fatin' i Jesosy.
53. And he took it down, and wrapped it in linen, and laid it in a sepulchre that was hewn in stone, wherein never man before was laid.
53. Il le descendit de la croix, l`enveloppa d`un linceul, et le déposa dans un sépulcre taillé dans le roc, où personne n`avait encore été mis.
53. Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin' ny fasana nolavahana tamin' ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
54. And that day was the preparation, and the sabbath drew on.
54. C`était le jour de la préparation, et le sabbat allait commencer.
54. Ary andro fiomanana izany andro izany ka efa antomotra ny sabata.
55. And the women also, which came with him from Galilee, followed after, and beheld the sepulchre, and how his body was laid.
55. Les femmes qui étaient venues de la Galilée avec Jésus accompagnèrent Joseph, virent le sépulcre et la manière dont le corps de Jésus y fut déposé,
55. Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay nampandriny ny faty.
56. And they returned, and prepared spices and ointments; and rested the sabbath day according to the commandment.
56. et, s`en étant retournées, elles préparèrent des aromates et des parfums. Puis elles se reposèrent le jour du sabbat, selon la loi.
56. Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin' ny andro sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.
<
>