1. And Jesus entered and passed through Jericho.
1. Jésus, étant entré dans Jéricho, traversait la ville.
1. Ary niditra sy nandeha namaky an' i Jeriko Jesosy.
2. And, behold, there was a man named Zacchaeus, which was the chief among the publicans, and he was rich.
2. "Et voici, un homme riche, appelé Zachée, chef des publicains, cherchait à voir qui était Jésus;"
2. Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben' ny mpamory hetra sady nanankarena.
3. And he sought to see Jesus who he was; and could not for the press, because he was little of stature.
3. mais il ne pouvait y parvenir, à cause de la foule, car il était de petite taille.
3. Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa tsy afaka noho ny habetsahan' ny olona nifanety, satria fohy izy.
4. And he ran before, and climbed up into a sycomore tree to see him: for he was to pass that way.
4. Il courut en avant, et monta sur un sycomore pour le voir, parce qu`il devait passer par là.
4. "Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika hazo amontana hizaha an' i Jesosy; fa efa handalo tamin' izany lalana izany Izy."
5. And when Jesus came to the place, he looked up, and saw him, and said unto him, Zacchaeus, make haste, and come down; for to day I must abide at thy house.
5. "Lorsque Jésus fut arrivé à cet endroit, il leva les yeux et lui dit: Zachée, hâte-toi de descendre; car il faut que je demeure aujourd`hui dans ta maison."
5. Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nahita azy, dia nanao hoe: Ry Zakaiosy, midìna faingana, fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
6. And he made haste, and came down, and received him joyfully.
6. Zachée se hâta de descendre, et le reçut avec joie.
6. Dia nidina faingana izy sady nampiantrano Azy tamim-pifaliana.
7. And when they saw it, they all murmured, saying, That he was gone to be guest with a man that is a sinner.
7. Voyant cela, tous murmuraient, et disaient: Il est allé loger chez un homme pécheur.
7. Ary raha nahita izany ny olona, dia nimonomonona izy rehetra ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin' izay lehilahy mpanota Izy.
8. And Zacchaeus stood, and said unto the Lord; Behold, Lord, the half of my goods I give to the poor; and if I have taken any thing from any man by false accusation, I restore him fourfold.
8. Mais Zachée, se tenant devant le Seigneur, lui dit: Voici, Seigneur, je donne aux pauvres la moitié de mes biens, et, si j`ai fait tort de quelque chose à quelqu`un, je lui rends le quadruple.
8. "Ary nitsangana Zakaiosy ka nanao tamin' ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an' ny mahantra; ary raha misy zavatr' olona nalaiko tamin' ny fiampangana tsy marina, dia honerako avo efatra heny izany."
9. And Jesus said unto him, This day is salvation come to this house, forsomuch as he also is a son of Abraham.
9. Jésus lui dit: Le salut est entré aujourd`hui dans cette maison, parce que celui-ci est aussi un fils d`Abraham.
9. Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin' ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak' i Abrahama koa.
10. For the Son of man is come to seek and to save that which was lost.
10. Car le Fils de l`homme est venu chercher et sauver ce qui était perdu.
10. Fa efa tonga ny Zanak' olona hitady sy hamonjy ny very.
11. And as they heard these things, he added and spake a parable, because he was nigh to Jerusalem, and because they thought that the kingdom of God should immediately appear.
11. Ils écoutaient ces choses, et Jésus ajouta une parabole, parce qu`il était près de Jérusalem, et qu`on croyait qu`à l`instant le royaume de Dieu allait paraître.
11. Ary raha mbola nihaino izany ny olona dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an' i Jerosalema Izy, ka nataon' ny olona fa hiseho avy hatrany ny fanjakan' Andriamanitra.
12. He said therefore, A certain nobleman went into a far country to receive for himself a kingdom, and to return.
12. Il dit donc: Un homme de haute naissance s`en alla dans un pays lointain, pour se faire investir de l`autorité royale, et revenir ensuite.
12. Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana ho azy, dia hiverina.
13. And he called his ten servants, and delivered them ten pounds, and said unto them, Occupy till I come.
13. Il appela dix de ses serviteurs, leur donna dix mines, et leur dit: Faites-les valoir jusqu`à ce que je revienne.
13. Koa niantso folo lahy tamin' ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandratoa mandra-piaviko.
14. But his citizens hated him, and sent a message after him, saying, We will not have this man to reign over us.
14. Mais ses concitoyens le haïssaient, et ils envoyèrent une ambassade après lui, pour dire: Nous ne voulons pas que cet homme règne sur nous.
14. Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan' iny lehilahy iny izahay.
15. And it came to pass, that when he was returned, having received the kingdom, then he commanded these servants to be called unto him, to whom he had given the money, that he might know how much every man had gained by trading.
15. Lorsqu`il fut de retour, après avoir été investi de l`autorité royale, il fit appeler auprès de lui les serviteurs auxquels il avait donné l`argent, afin de connaître comment chacun l`avait fait valoir.
15. Ary izao no niseho, nony tafaverina izy, ka nandray fanjakana, dia nasainy nantsoina hankeo aminy ireo mpanompo nomeny ny vola ireo, mba hahitany izay azon' ny tsirairay tamin' ny fandrantoana.
16. Then came the first, saying, Lord, thy pound hath gained ten pounds.
16. Le premier vint, et dit: Seigneur, ta mine a rapporté dix mines.
16. Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.
17. And he said unto him, Well, thou good servant: because thou hast been faithful in a very little, have thou authority over ten cities.
17. "Il lui dit: C`est bien, bon serviteur; parce que tu as été fidèle en peu de chose, reçois le gouvernement de dix villes."
17. "Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin' ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo."
18. And the second came, saying, Lord, thy pound hath gained five pounds.
18. Le second vint, et dit: Seigneur, ta mine a produit cinq mines.
18. Dia tonga ny faharoa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.
19. And he said likewise to him, Be thou also over five cities.
19. Il lui dit: Toi aussi, sois établi sur cinq villes.
19. Ary hoy koa izy tamin' io: Manapaha tanàna dimy kosa ianao.
20. And another came, saying, Lord, behold, here is thy pound, which I have kept laid up in a napkin:
20. "Un autre vint, et dit: Seigneur, voici ta mine, que j`ai gardée dans un linge;"
20. Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin' ny mosara,
21. For I feared thee, because thou art an austere man: thou takest up that thou layedst not down, and reapest that thou didst not sow.
21. "car j`avais peur de toi, parce que tu es un homme sévère; tu prends ce que tu n`as pas déposé, et tu moissonnes ce que tu n`as pas semé."
21. Fa natahotra anao aho, satria olona henjana ianao, ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.
22. And he saith unto him, Out of thine own mouth will I judge thee, thou wicked servant. Thou knewest that I was an austere man, taking up that I laid not down, and reaping that I did not sow:
22. "Il lui dit: Je te juge sur tes paroles, méchant serviteur; tu savais que je suis un homme sévère, prenant ce que je n`ai pas déposé, et moissonnant ce que je n`ai pas semé;"
22. "Ary hoy ny tompony taminy: ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa olona henjana aho, ka maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko;"
23. Wherefore then gavest not thou my money into the bank, that at my coming I might have required mine own with usury?
23. pourquoi donc n`as-tu pas mis mon argent dans une banque, afin qu`à mon retour je le retirasse avec un intérêt?
23. Koa nahoana no tsy napetrakao tamin' ny banky ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mbamin-janany?
24. And he said unto them that stood by, Take from him the pound, and give it to him that hath ten pounds.
24. Puis il dit à ceux qui étaient là: Otez-lui la mine, et donnez-la à celui qui a les dix mines.
24. Ary hoy izy tamin' izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo.
25. (And they said unto him, Lord, he hath ten pounds.)
25. Ils lui dirent: Seigneur, il a dix mines. -
25. (fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy).
26. For I say unto you, That unto every one which hath shall be given; and from him that hath not, even that he hath shall be taken away from him.
26. Je vous le dis, on donnera à celui qui a, mais à celui qui n`a pas on ôtera même ce qu`il a.
26. "Fa lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin' izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy."
27. But those mine enemies, which would not that I should reign over them, bring hither, and slay them before me.
27. Au reste, amenez ici mes ennemis, qui n`ont pas voulu que je régnasse sur eux, et tuez-les en ma présence.
27. Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty, ka vonoy eto anatrehako.
28. And when he had thus spoken, he went before, ascending up to Jerusalem.
28. Après avoir ainsi parlé, Jésus marcha devant la foule, pour monter à Jérusalem.
28. Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
29. And it came to pass, when he was come nigh to Bethphage and Bethany, at the mount called the mount of Olives, he sent two of his disciples,
29. Lorsqu`il approcha de Bethphagé et de Béthanie, vers la montagne appelée montagne des Oliviers, Jésus envoya deux de ses disciples,
29. Ary izao no niseho, raha nanakaiky an' i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin' ny mpianany,
30. Saying, Go ye into the village over against you; in the which at your entering ye shall find a colt tied, whereon yet never man sat: loose him, and bring him hither.
30. "en disant: Allez au village qui est en face; quand vous y serez entrés, vous trouverez un ânon attaché, sur lequel aucun homme ne s`est jamais assis; détachez-le, et amenez-le."
30. "Ka nanao hoe: Mankanesa amin' iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan' olona; vahao izy, ka ento ety."
31. And if any man ask you, Why do ye loose him? thus shall ye say unto him, Because the Lord hath need of him.
31. Si quelqu`un vous demande: Pourquoi le détachez-vous? vous lui répondrez: Le Seigneur en a besoin.
31. Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo aminy: Satria misy ilàn' ny Tompo azy.
32. And they that were sent went their way, and found even as he had said unto them.
32. Ceux qui étaient envoyés allèrent, et trouvèrent les choses comme Jésus leur avait dit.
32. Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.
33. And as they were loosing the colt, the owners thereof said unto them, Why loose ye the colt?
33. Comme ils détachaient l`ânon, ses maîtres leur dirent: Pourquoi détachez-vous l`ânon?
33. Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
34. And they said, The Lord hath need of him.
34. Ils répondirent: Le Seigneur en a besoin.
34. Ary hoy ireo: Misy ilàn' ny Tompo azy.
35. And they brought him to Jesus: and they cast their garments upon the colt, and they set Jesus thereon.
35. Et ils amenèrent à Jésus l`ânon, sur lequel ils jetèrent leurs vêtements, et firent monter Jésus.
35. Dia nitondra azy ho any amin' i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin' ny zana-boriky ka nampitaingeniny azy Jesosy.
36. And as he went, they spread their clothes in the way.
36. Quand il fut en marche, les gens étendirent leurs vêtements sur le chemin.
36. Ary raha nandeha Jesosy dia namelatra ny lambany teny an-dàlana izy ireo.
37. And when he was come nigh, even now at the descent of the mount of Olives, the whole multitude of the disciples began to rejoice and praise God with a loud voice for all the mighty works that they had seen;
37. Et lorsque déjà il approchait de Jérusalem, vers la descente de la montagne des Oliviers, toute la multitude des disciples, saisie de joie, se mit à louer Dieu à haute voix pour tous les miracles qu`ils avaient vus.
37. Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin' ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra marobe ka nidera an' Andriamanitra tamin' ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany,
38. Saying, Blessed be the King that cometh in the name of the Lord: peace in heaven, and glory in the highest.
38. Ils disaient: Béni soit le roi qui vient au nom du Seigneur! Paix dans le ciel, et gloire dans les lieux très hauts!
38. "Ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin' ny anaran' i Jehovah; fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin' ny avo indrindra."
39. And some of the Pharisees from among the multitude said unto him, Master, rebuke thy disciples.
39. Quelques pharisiens, du milieu de la foule, dirent à Jésus: Maître, reprends tes disciples.
39. Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin' ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.
40. And he answered and said unto them, I tell you that, if these should hold their peace, the stones would immediately cry out.
40. Et il répondit: Je vous le dis, s`ils se taisent, les pierres crieront!
40. Fa namaly Izy ka nanao hoe: Lazaiko aminareo, fa raha mangina ireo, dia hiantsoantso miaraka amin' izay ny vato.
41. And when he was come near, he beheld the city, and wept over it,
41. Comme il approchait de la ville, Jésus, en la voyant, pleura sur elle, et dit:
41. Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna dia nitomany azy,
42. Saying, If thou hadst known, even thou, at least in this thy day, the things which belong unto thy peace! but now they are hid from thine eyes.
42. Si toi aussi, au moins en ce jour qui t`est donné, tu connaissais les choses qui appartiennent à ta paix! Mais maintenant elles sont cachées à tes yeux.
42. Ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin' ity andro ity ihany aza, ny zavatra momba ny fiadananao! fa ankehitriny miafina amin' ny masonao izany.
43. For the days shall come upon thee, that thine enemies shall cast a trench about thee, and compass thee round, and keep thee in on every side,
43. "Il viendra sur toi des jours où tes ennemis t`environneront de tranchées, t`enfermeront, et te serreront de toutes parts;"
43. Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan' ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina,
44. And shall lay thee even with the ground, and thy children within thee; and they shall not leave in thee one stone upon another; because thou knewest not the time of thy visitation.
44. ils te détruiront, toi et tes enfants au milieu de toi, et ils ne laisseront pas en toi pierre sur pierre, parce que tu n`as pas connu le temps où tu as été visitée.
44. Ary hamongotra anao hatramin' ny tany mbamin' ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin' ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
45. And he went into the temple, and began to cast out them that sold therein, and them that bought;
45. Il entra dans le temple, et il se mit à chasser ceux qui vendaient,
45. "Ary niditra tao amin' ny tempoly Jesosy dia nanomboka nandroaka izay nivarotra sy izay nividy;"
46. Saying unto them, It is written, My house is the house of prayer: but ye have made it a den of thieves.
46. leur disant: Il est écrit: Ma maison sera une maison de prière. Mais vous, vous en avez fait une caverne de voleurs.
46. "Ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana; fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren' ny jiolahy."
47. And he taught daily in the temple. But the chief priests and the scribes and the chief of the people sought to destroy him,
47. "Il enseignait tous les jours dans le temple. Et les principaux sacrificateurs, les scribes, et les principaux du peuple cherchaient à le faire périr;"
47. "Ary nampianatra isan' andro teo amin' ny tempoly Izy. Fa ny lohan' ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;"
48. And could not find what they might do: for all the people were very attentive to hear him.
48. mais ils ne savaient comment s`y prendre, car tout le peuple l`écoutait avec admiration.
48. Nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.