1. And he spake a parable unto them to this end, that men ought always to pray, and not to faint;
1. Jésus leur adressa une parabole, pour montrer qu`il faut toujours prier, et ne point se relâcher.
1. Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy noho izany, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ny olona ka tsy reraka,
2. Saying, There was in a city a judge, which feared not God, neither regarded man:
2. Il dit: Il y avait dans une ville un juge qui ne craignait point Dieu et qui n`avait d`égard pour personne.
2. Dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an' Andriamanitra, na menamaso olona,
3. And there was a widow in that city; and she came unto him, saying, Avenge me of mine adversary.
3. Il y avait aussi dans cette ville une veuve qui venait lui dire: Fais-moi justice de ma partie adverse.
3. Ary nisy mpitondratena tao amin' izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin' ilay manana ady amiko.
4. And he would not for a while: but afterward he said within himself, Though I fear not God, nor regard man;
4. Pendant longtemps il refusa. Mais ensuite il dit en lui-même: Quoique je ne craigne point Dieu et que je n`aie d`égard pour personne,
4. "Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo izy hoe: Na dia tsy matahotra an' Andriamanitra aza aho sady tsy menamaso olona,"
5. Yet because this widow troubleth me, I will avenge her, lest by her continual coming she weary me.
5. néanmoins, parce que cette veuve m`importune, je lui ferai justice, afin qu`elle ne vienne pas sans cesse me rompre la tête.
5. Mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
6. And the Lord said, Hear what the unjust judge saith.
6. Le Seigneur ajouta: Entendez ce que dit le juge inique.
6. Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain' ilay mpitsara tsy marina.
7. And shall not God avenge his own elect, which cry day and night unto him, though he bear long with them?
7. Et Dieu ne fera-t-il pas justice à ses élus, qui crient à lui jour et nuit, et tardera-t-il à leur égard?
7. Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman' alina, na dia mitaredretra amin' izy ireo aza Izy?
8. I tell you that he will avenge them speedily. Nevertheless when the Son of man cometh, shall he find faith on the earth?
8. Je vous le dis, il leur fera promptement justice. Mais, quand le Fils de l`homme viendra, trouvera-t-il la foi sur la terre?
8. Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy.Kanefa raha avy ny Zanak' olona, moa hahita finoana ety ambonin' ny tany va Izy?
9. And he spake this parable unto certain which trusted in themselves that they were righteous, and despised others:
9. Il dit encore cette parabole, en vue de certaines personnes se persuadant qu`elles étaient justes, et ne faisant aucun cas des autres:
9. Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin' ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa:
10. Two men went up into the temple to pray; the one a Pharisee, and the other a publican.
10. "Deux hommes montèrent au temple pour prier; l`un était pharisien, et l`autre publicain."
10. Nisy roa lahy niakatra teo amin' ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
11. The Pharisee stood and prayed thus with himself, God, I thank thee, that I am not as other men are, extortioners, unjust, adulterers, or even as this publican.
11. "Le pharisien, debout, priait ainsi en lui-même: O Dieu, je te rends grâces de ce que je ne suis pas comme le reste des hommes, qui sont ravisseurs, injustes, adultères, ou même comme ce publicain;"
11. Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho, fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
12. I fast twice in the week, I give tithes of all that I possess.
12. je jeûne deux fois la semaine, je donne la dîme de tous mes revenus.
12. "Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny ampahafolon' izay ananako rehetra aho."
13. And the publican, standing afar off, would not lift up so much as his eyes unto heaven, but smote upon his breast, saying, God be merciful to me a sinner.
13. "Le publicain, se tenant à distance, n`osait même pas lever les yeux au ciel; mais il se frappait la poitrine, en disant: O Dieu, sois apaisé envers moi, qui suis un pécheur."
13. Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
14. I tell you, this man went down to his house justified rather than the other: for every one that exalteth himself shall be abased; and he that humbleth himself shall be exalted.
14. Je vous le dis, celui-ci descendit dans sa maison justifié, plutôt que l`autre. Car quiconque s`élève sera abaissé, et celui qui s`abaisse sera élevé.
14. "Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra."
15. And they brought unto him also infants, that he would touch them: but when his disciples saw it, they rebuked them.
15. On lui amena aussi les petits enfants, afin qu`il les touchât. Mais les disciples, voyant cela, reprenaient ceux qui les amenaient.
15. "Ary nisy koa nitondra zaza madinika ho eo amin' i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianany, dia nandrara azy."
16. But Jesus called them unto him, and said, Suffer little children to come unto me, and forbid them not: for of such is the kingdom of God.
16. "Et Jésus les appela, et dit: Laissez venir à moi les petits enfants, et ne les en empêchez pas; car le royaume de Dieu est pour ceux qui leur ressemblent."
16. Fa niantso ireo hankeo aminy Jesosy ka nanao hoe: Avelao ny zaza madinika hanatona Ahy, ary aza rarana, fa an' ny toa azy ny fanjakan' Andriamanitra.
17. Verily I say unto you, Whosoever shall not receive the kingdom of God as a little child shall in no wise enter therein.
17. Je vous le dis en vérité, quiconque ne recevra pas le royaume de Dieu comme un petit enfant n`y entrera point.
17. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan' Andriamanitra tahaka ny zaza madinika, dia tsy ho tafiditra any akory.
18. And a certain ruler asked him, saying, Good Master, what shall I do to inherit eternal life?
18. Un chef interrogea Jésus, et dit: Bon maître, que dois-je faire pour hériter la vie éternelle?
18. Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra Tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
19. And Jesus said unto him, Why callest thou me good? none is good, save one, that is, God.
19. Jésus lui répondit: Pourquoi m`appelles-tu bon? Il n`y a de bon que Dieu seul.
19. Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
20. Thou knowest the commandments, Do not commit adultery, Do not kill, Do not steal, Do not bear false witness, Honour thy father and thy mother.
20. "Tu connais les commandements: Tu ne commettras point d`adultère; tu ne tueras point; tu ne déroberas point; tu ne diras point de faux témoignage; honore ton père et ta mère."
20. Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza milaza vavolombelona tsy marina, manajà ny rainao sy ny reninao
21. And he said, All these have I kept from my youth up.
21. J`ai, dit-il, observé toutes ces choses dès ma jeunesse.
21. Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
22. Now when Jesus heard these things, he said unto him, Yet lackest thou one thing: sell all that thou hast, and distribute unto the poor, and thou shalt have treasure in heaven: and come, follow me.
22. Jésus, ayant entendu cela, lui dit: Il te manque encore une chose: vends tout ce que tu as, distribue-le aux pauvres, et tu auras un trésor dans les cieux. Puis, viens, et suis-moi.
22. "Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an' ny mahantra, dia hanana tahiry any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy."
23. And when he heard this, he was very sorrowful: for he was very rich.
23. "Lorsqu`il entendit ces paroles, il devint tout triste; car il était très riche."
23. "Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo indrindra; fa nanankarena dia nanankarena izy."
24. And when Jesus saw that he was very sorrowful, he said, How hardly shall they that have riches enter into the kingdom of God!
24. Jésus, voyant qu`il était devenu tout triste, dit: Qu`il est difficile à ceux qui ont des richesses d`entrer dans le royaume de Dieu!
24. Ary raha hitan' i Jesosy fa nalahelo indrindra izy, dia hoy Izy: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran' ny manana harena amin' ny fanjakan' Andriamanitra!
25. For it is easier for a camel to go through a needle's eye, than for a rich man to enter into the kingdom of God.
25. Car il est plus facile à un chameau de passer par le trou d`une aiguille qu`à un riche d`entrer dans le royaume de Dieu.
25. Fa ho moramora kokoa ny hidiran' ny rameva amin' ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran' ny mpanankarena amin' ny fanjakan' Andriamanitra!
26. And they that heard it said, Who then can be saved?
26. Ceux qui l`écoutaient dirent: Et qui peut être sauvé?
26. Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
27. And he said, The things which are impossible with men are possible with God.
27. Jésus répondit: Ce qui est impossible aux hommes est possible à Dieu.
27. Fa hoy Jesosy: Ny zavatra izay tsy hay atao amin' olona dia hay atao amin' Andriamanitra.
28. Then Peter said, Lo, we have left all, and followed thee.
28. Pierre dit alors: Voici, nous avons tout quitté, et nous t`avons suivi.
28. Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
29. And he said unto them, Verily I say unto you, There is no man that hath left house, or parents, or brethren, or wife, or children, for the kingdom of God's sake,
29. Et Jésus leur dit: Je vous le dis en vérité, il n`est personne qui, ayant quitté, à cause du royaume de Dieu, sa maison, ou sa femme, ou ses frères, ou ses parents, ou ses enfants,
29. Ary hoy Jesosy tamin' izy ireo: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na ray aman-dreny, na rahalahy, na vady, na zanaka noho ny fanjakan' Andriamanitra,
30. Who shall not receive manifold more in this present time, and in the world to come life everlasting.
30. ne reçoive beaucoup plus dans ce siècle-ci, et, dans le siècle à venir, la vie éternelle.
30. Izay tsy handray be lavitra amin' izao andro ankehitriny izao, ary amin' ny tontolo ho avy dia fiainana mandrakizay.
31. Then he took unto him the twelve, and said unto them, Behold, we go up to Jerusalem, and all things that are written by the prophets concerning the Son of man shall be accomplished.
31. Jésus prit les douze auprès de lui, et leur dit: Voici, nous montons à Jérusalem, et tout ce qui a été écrit par les prophètes au sujet du Fils de l`homme s`accomplira.
31. Ary naka ny roa ambin' ny folo lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin' ny Zanak' olona.
32. For he shall be delivered unto the Gentiles, and shall be mocked, and spitefully entreated, and spitted on:
32. "Car il sera livré aux païens; on se moquera de lui, on l`outragera, on crachera sur lui,"
32. Fa hatolotra ho amin' ny Jentilisa Izy, dia hataony fanesoana sy hisetrasetrany sy hororany,
33. And they shall scourge him, and put him to death: and the third day he shall rise again.
33. "et, après l`avoir battu de verges, on le fera mourir; et le troisième jour il ressuscitera."
33. Ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin' ny andro fahatelo dia hitsangana indray Izy.
34. And they understood none of these things: and this saying was hid from them, neither knew they the things which were spoken.
34. "Mais ils ne comprirent rien à cela; c`était pour eux un langage caché, des paroles dont ils ne saisissaient pas le sens."
34. Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, ka dia tsy fantany izay nolazainy fa nafenina taminy izany teny izany.
35. And it came to pass, that as he was come nigh unto Jericho, a certain blind man sat by the way side begging:
35. Comme Jésus approchait de Jéricho, un aveugle était assis au bord du chemin, et mendiait.
35. Ary izao no niseho, raha nanakaiky an' i Jeriko Jesosy dia indro, jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana,
36. And hearing the multitude pass by, he asked what it meant.
36. Entendant la foule passer, il demanda ce que c`était.
36. Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
37. And they told him, that Jesus of Nazareth passeth by.
37. On lui dit: C`est Jésus de Nazareth qui passe.
37. Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
38. And he cried, saying, Jesus, thou son of David, have mercy on me.
38. Et il cria: Jésus, Fils de David, aie pitié de moi!
38. Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak' i Davida ô, mamindrà fo amiko.
39. And they which went before rebuked him, that he should hold his peace: but he cried so much the more, Thou son of David, have mercy on me.
39. "Ceux qui marchaient devant le reprenaient, pour le faire taire; mais il criait beaucoup plus fort: Fils de David, aie pitié de moi!"
39. Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak' i Davida ô, mamindrà fo amiko.
40. And Jesus stood, and commanded him to be brought unto him: and when he was come near, he asked him,
40. "Jésus, s`étant arrêté, ordonna qu`on le lui amène; et, quand il se fut approché,"
40. "Ary nijanona Jesosy, dia nasainy hoentina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy,"
41. Saying, What wilt thou that I shall do unto thee? And he said, Lord, that I may receive my sight.
41. il lui demanda: Que veux-tu que je te fasse? Il répondit: Seigneur, que je recouvre la vue.
41. Ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratana ny masoko.
42. And Jesus said unto him, Receive thy sight: thy faith hath saved thee.
42. "Et Jésus lui dit: Recouvre la vue; ta foi t`a sauvé."
42. "Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao."
43. And immediately he received his sight, and followed him, glorifying God: and all the people, when they saw it, gave praise unto God.
43. A l`instant il recouvra la vue, et suivit Jésus, en glorifiant Dieu. Tout le peuple, voyant cela, loua Dieu.
43. Ary niaraka tamin' izay, dia nahiratra ny masony ka nanaraka an' i Jesosy izy sady nankalaza an' Andriamanitra, ary ny vahoaka rehetra, raha nahita izany, dia nidera an' Andriamanitra.