1. In the mean time, when there were gathered together an innumerable multitude of people, insomuch that they trode one upon another, he began to say unto his disciples first of all, Beware ye of the leaven of the Pharisees, which is hypocrisy.
1. Sur ces entrefaites, les gens s`étant rassemblés par milliers, au point de se fouler les uns les autres, Jésus se mit à dire à ses disciples: Avant tout, gardez-vous du levain des pharisiens, qui est l`hypocrisie.
1. Ary tamin' izany fotoana izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa fa nifanitsaka, dia niteny tamin' ny mpianany voalohany indrindra Jesosy ka nanao hoe: Mitandrema ianareo ny amin' ny lalivain' ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy.
2. For there is nothing covered, that shall not be revealed; neither hid, that shall not be known.
2. Il n`y a rien de caché qui ne doive être découvert, ni de secret qui ne doive être connu.
2. Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
3. Therefore whatsoever ye have spoken in darkness shall be heard in the light; and that which ye have spoken in the ear in closets shall be proclaimed upon the housetops.
3. C`est pourquoi tout ce que vous aurez dit dans les ténèbres sera entendu dans la lumière, et ce que vous aurez dit à l`oreille dans les chambres sera prêché sur les toits.
3. "Koa na inona na inona teneninareo ao amin' ny maizina dia ho re eo amin' ny mazava; ary izay bitsihinareo ao amin' ny efitrano mangina dia hotorina eny an-tampon-trano."
4. And I say unto you my friends, Be not afraid of them that kill the body, and after that have no more that they can do.
4. Je vous dis, à vous qui êtes mes amis: Ne craignez pas ceux qui tuent le corps et qui, après cela, ne peuvent rien faire de plus.
4. Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
5. But I will forewarn you whom ye shall fear: Fear him, which after he hath killed hath power to cast into hell; yea, I say unto you, Fear him.
5. "Je vous montrerai qui vous devez craindre. Craignez celui qui, après avoir tué, a le pouvoir de jeter dans la géhenne; oui, je vous le dis, c`est lui que vous devez craindre."
5. "Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora izay manam-pahefana hanary any amin' ny helo, rehefa avy namono; eny, hoy Aho aminareo: Matahora Azy."
6. Are not five sparrows sold for two farthings, and not one of them is forgotten before God?
6. Ne vend-on pas cinq passereaux pour deux sous? Cependant, aucun d`eux n`est oublié devant Dieu.
6. Tsy asaria va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan' Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
7. But even the very hairs of your head are all numbered. Fear not therefore: ye are of more value than many sparrows.
7. Et même les cheveux de votre tête sont tous comptés. Ne craignez donc point: vous valez plus que beaucoup de passereaux.
7. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Noho izany, aza matahotra: fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
8. Also I say unto you, Whosoever shall confess me before men, him shall the Son of man also confess before the angels of God:
8. "Je vous le dis, quiconque me confessera devant les hommes, le Fils de l`homme le confessera aussi devant les anges de Dieu;"
8. "Fa lazaiko aminareo koa: Na zovy na zovy hanaiky Ahy eo anatrehan' ny olona, dia hoeken' ny Zanak' olona kosa izy eo anatrehan' ny anjelin' Andriamanitra;"
9. But he that denieth me before men shall be denied before the angels of God.
9. mais celui qui me reniera devant les hommes sera renié devant les anges de Dieu.
9. Fa izay mandà Ahy eo anatrehan' ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan' ny anjelin' Andriamanitra.
10. And whosoever shall speak a word against the Son of man, it shall be forgiven him: but unto him that blasphemeth against the Holy Ghost it shall not be forgiven.
10. "Et quiconque parlera contre le Fils de l`homme, il lui sera pardonné; mais à celui qui blasphémera contre le Saint Esprit il ne sera point pardonné."
10. "Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny zanak' olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manao blasfemia ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka."
11. And when they bring you unto the synagogues, and unto magistrates, and powers, take ye no thought how or what thing ye shall answer, or what ye shall say:
11. "Quand on vous mènera devant les synagogues, les magistrats et les autorités, ne vous inquiétez pas de la manière dont vous vous défendrez ni de ce que vous direz;"
11. "Ary raha mitondra anareo ho ao amin' ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;"
12. For the Holy Ghost shall teach you in the same hour what ye ought to say.
12. car le Saint Esprit vous enseignera à l`heure même ce qu`il faudra dire.
12. Fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin' izany ora izany izay mety holazainareo.
13. And one of the company said unto him, Master, speak to my brother, that he divide the inheritance with me.
13. Quelqu`un dit à Jésus, du milieu de la foule: Maître, dis à mon frère de partager avec moi notre héritage.
13. Ary nisy anankiray teo amin' ny vahoaka nanao tamin' i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
14. And he said unto him, Man, who made me a judge or a divider over you?
14. Jésus lui répondit: O homme, qui m`a établi pour être votre juge, ou pour faire vos partages?
14. Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
15. And he said unto them, Take heed, and beware of covetousness: for a man's life consisteth not in the abundance of the things which he possesseth.
15. "Puis il leur dit: Gardez-vous avec soin de toute avarice; car la vie d`un homme ne dépend pas de ses biens, fût-il dans l`abondance."
15. "Ary hoy Izy tamin' ny olona: Tandremo, ka miarova tena mba tsy ho azon' ny fieremana ianareo; fa ny ain' ny olona tsy miankina amin' ny habetsahan' ny zavatra ananany."
16. And he spake a parable unto them, saying, The ground of a certain rich man brought forth plentifully:
16. Et il leur dit cette parabole: Les terres d`un homme riche avaient beaucoup rapporté.
16. Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin' ny lehilahy mpanankarena anankiray nahavokatra be.
17. And he thought within himself, saying, What shall I do, because I have no room where to bestow my fruits?
17. Et il raisonnait en lui-même, disant: Que ferai-je? car je n`ai pas de place pour serrer ma récolte.
17. Ary nihevitra tao am-pony izy hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
18. And he said, This will I do: I will pull down my barns, and build greater; and there will I bestow all my fruits and my goods.
18. "Voici, dit-il, ce que je ferai: j`abattrai mes greniers, j`en bâtirai de plus grands, j`y amasserai toute ma récolte et tous mes biens;"
18. Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny vokatro rehetra sy ny fananako.
19. And I will say to my soul, Soul, thou hast much goods laid up for many years; take thine ease, eat, drink, and be merry.
19. "et je dirai à mon âme: Mon âme, tu as beaucoup de biens en réserve pour plusieurs années; repose-toi, mange, bois, et réjouis-toi."
19. "Dia hilaza amin' ny fanahiko aho hoe: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin' ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia."
20. But God said unto him, Thou fool, this night thy soul shall be required of thee: then whose shall those things be, which thou hast provided?
20. "Mais Dieu lui dit: Insensé! cette nuit même ton âme te sera redemandée; et ce que tu as préparé, pour qui cela sera-t-il?"
20. Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an' iza izay zavatra noharìnao?
21. So is he that layeth up treasure for himself, and is not rich toward God.
21. Il en est ainsi de celui qui amasse des trésors pour lui-même, et qui n`est pas riche pour Dieu.
21. Toy izany izay manangona tahiry ho an' ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin' Andriamanitra.
22. And he said unto his disciples, Therefore I say unto you, Take no thought for your life, what ye shall eat; neither for the body, what ye shall put on.
22. Jésus dit ensuite à ses disciples: C`est pourquoi je vous dis: Ne vous inquiétez pas pour votre vie de ce que vous mangerez, ni pour votre corps de quoi vous serez vêtus.
22. Ary hoy Jesosy tamin' ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin' ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin' ny tenanareo, izay hotafianareo.
23. The life is more than meat, and the body is more than raiment.
23. La vie est plus que la nourriture, et le corps plus que le vêtement.
23. Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
24. Consider the ravens: for they neither sow nor reap; which neither have storehouse nor barn; and God feedeth them: how much more are ye better than the fowls?
24. "Considérez les corbeaux: ils ne sèment ni ne moissonnent, ils n`ont ni cellier ni grenier; et Dieu les nourrit. Combien ne valez-vous pas plus que les oiseaux!"
24. "Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?"
25. And which of you with taking thought can add to his stature one cubit?
25. Qui de vous, par ses inquiétudes, peut ajouter une coudée à la durée de sa vie?
25. Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny halavan' ny tenany na dia hakiho iray aza?
26. If ye then be not able to do that thing which is least, why take ye thought for the rest?
26. Si donc vous ne pouvez pas même la moindre chose, pourquoi vous inquiétez-vous du reste?
26. Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin' ny sisa?
27. Consider the lilies how they grow: they toil not, they spin not; and yet I say unto you, that Solomon in all his glory was not arrayed like one of these.
27. "Considérez comment croissent les lis: ils ne travaillent ni ne filent; cependant je vous dis que Salomon même, dans toute sa gloire, n`a pas été vêtu comme l`un d`eux."
27. "Hevero ny fanirin' ny lilia; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin' ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin' ireny."
28. If then God so clothe the grass, which is to day in the field, and to morrow is cast into the oven; how much more will he clothe you, O ye of little faith?
28. Si Dieu revêt ainsi l`herbe qui est aujourd`hui dans les champs et qui demain sera jetée au four, à combien plus forte raison ne vous vêtira-t-il pas, gens de peu de foi?
28. Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafian' Andriamanitra toy izany, tsy mainka hampitafiany mihoatra noho izany va ianareo, ry kely finoana?
29. And seek not ye what ye shall eat, or what ye shall drink, neither be ye of doubtful mind.
29. Et vous, ne cherchez pas ce que vous mangerez et ce que vous boirez, et ne soyez pas inquiets.
29. Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, na manana fisainana misalasala.
30. For all these things do the nations of the world seek after: and your Father knoweth that ye have need of these things.
30. Car toutes ces choses, ce sont les païens du monde qui les recherchent. Votre Père sait que vous en avez besoin.
30. "Fa ny jentilisa amin' izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany."
31. But rather seek ye the kingdom of God; and all these things shall be added unto you.
31. "Cherchez plutôt le royaume de Dieu; et toutes ces choses vous seront données par-dessus."
31. Kanefa katsaho aloha ny fanjakan' Andriamanitra, dia hanampy ho anareo izany zavatra rehetra izany.
32. Fear not, little flock; for it is your Father's good pleasure to give you the kingdom.
32. "Ne crains point, petit troupeau; car votre Père a trouvé bon de vous donner le royaume."
32. Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo tokoa ny hanome anareo ny fanjakana.
33. Sell that ye have, and give alms; provide yourselves bags which wax not old, a treasure in the heavens that faileth not, where no thief approacheth, neither moth corrupteth.
33. Vendez ce que vous possédez, et donnez-le en aumônes. Faites-vous des bourses qui ne s`usent point, un trésor inépuisable dans les cieux, où le voleur n`approche point, et où la teigne ne détruit point.
33. "Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia tahiry any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon' ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba,"
34. For where your treasure is, there will your heart be also.
34. Car là où est votre trésor, là aussi sera votre coeur.
34. Fa izay itoeran' ny tahirinareo, dia ho any koa ny fonareo.
35. Let your loins be girded about, and your lights burning;
35. Que vos reins soient ceints, et vos lampes allumées.
35. "Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;"
36. And ye yourselves like unto men that wait for their lord, when he will return from the wedding; that when he cometh and knocketh, they may open unto him immediately.
36. Et vous, soyez semblables à des hommes qui attendent que leur maître revienne des noces, afin de lui ouvrir dès qu`il arrivera et frappera.
36. Ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin' ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohan' ireo miaraka amin' izay.
37. Blessed are those servants, whom the lord when he cometh shall find watching: verily I say unto you, that he shall gird himself, and make them to sit down to meat, and will come forth and serve them.
37. Heureux ces serviteurs que le maître, à son arrivée, trouvera veillant! Je vous le dis en vérité, il se ceindra, les fera mettre à table, et s`approchera pour les servir.
37. Sambatra ireo mpanompo izay ho hitan' ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy ireo hihinana, dia ho avy ka hanompo azy ireo.
38. And if he shall come in the second watch, or come in the third watch, and find them so, blessed are those servants.
38. Qu`il arrive à la deuxième ou à la troisième veille, heureux ces serviteurs, s`il les trouve veillant!
38. Ary raha avy amin' ny fiambenana faharoa amin' ny alina izy, na avy amin' ny fiambenana fahatelo, ka mahita azy toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
39. And this know, that if the goodman of the house had known what hour the thief would come, he would have watched, and not have suffered his house to be broken through.
39. Sachez-le bien, si le maître de la maison savait à quelle heure le voleur doit venir, il veillerait et ne laisserait pas percer sa maison.
39. Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian' ny mpangalatra dia ho niambina izy, ka tsy namela ny tranony hotamìna.
40. Be ye therefore ready also: for the Son of man cometh at an hour when ye think not.
40. Vous aussi, tenez-vous prêts, car le Fils de l`homme viendra à l`heure où vous n`y penserez pas.
40. "Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak' olona amin' ny ora tsy heverinareo."
41. Then Peter said unto him, Lord, speakest thou this parable unto us, or even to all?
41. Pierre lui dit: Seigneur, est-ce à nous, ou à tous, que tu adresses cette parabole?
41. Ary hoy Petera taminy: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany sa ny olona rehetra?
42. And the Lord said, Who then is that faithful and wise steward, whom his lord shall make ruler over his household, to give them their portion of meat in due season?
42. Et le Seigneur dit: Quel est donc l`économe fidèle et prudent que le maître établira sur ses gens, pour leur donner la nourriture au temps convenable?
42. Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandrin-draharaha mahatoky sy hendry izay hotendren' ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin' ny fotoana?
43. Blessed is that servant, whom his lord when he cometh shall find so doing.
43. Heureux ce serviteur, que son maître, à son arrivée, trouvera faisant ainsi!
43. Sambatra ny mpanompo izay ho hitan' ny tompony fa, indro, manao toy izany, raha avy izy.
44. Of a truth I say unto you, that he will make him ruler over all that he hath.
44. Je vous le dis en vérité, il l`établira sur tous ses biens.
44. Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
45. But and if that servant say in his heart, My lord delayeth his coming; and shall begin to beat the menservants and maidens, and to eat and drink, and to be drunken;
45. "Mais, si ce serviteur dit en lui-même: Mon maître tarde à venir; s`il se met à battre les serviteurs et les servantes, à manger, à boire et à s`enivrer,"
45. Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
46. The lord of that servant will come in a day when he looketh not for him, and at an hour when he is not aware, and will cut him in sunder, and will appoint him his portion with the unbelievers.
46. le maître de ce serviteur viendra le jour où il ne s`y attend pas et à l`heure qu`il ne connaît pas, il le mettra en pièces, et lui donnera sa part avec les infidèles.
46. Dia ho avy ny tompon' izany mpanompo izany amin' ny andro izay tsy ampoiziny sy amin' ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin' ny tsy mino.
47. And that servant, which knew his lord's will, and prepared not himself, neither did according to his will, shall be beaten with many stripes.
47. Le serviteur qui, ayant connu la volonté de son maître, n`a rien préparé et n`a pas agi selon sa volonté, sera battu d`un grand nombre de coups.
47. Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon' ny tompony ihany, ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
48. But he that knew not, and did commit things worthy of stripes, shall be beaten with few stripes. For unto whomsoever much is given, of him shall be much required: and to whom men have committed much, of him they will ask the more.
48. Mais celui qui, ne l`ayant pas connue, a fait des choses dignes de châtiment, sera battu de peu de coups. On demandera beaucoup à qui l`on a beaucoup donné, et on exigera davantage de celui à qui l`on a beaucoup confié.
48. "Fa izay tsy nahalala kosa, ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely.Fa izay nomena be, dia be no hotakiana aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy."
49. I am come to send fire on the earth; and what will I, if it be already kindled?
49. Je suis venu jeter un feu sur la terre, et qu`ai-je à désirer, s`il est déjà allumé?
49. Tonga hanipy afo ety ambonin' ny tany Aho, ary inona intsony no iriko, raha mirehitra sahady izany?
50. But I have a baptism to be baptized with; and how am I straitened till it be accomplished!
50. Il est un baptême dont je dois être baptisé, et combien il me tarde qu`il soit accompli!
50. Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterany!
51. Suppose ye that I am come to give peace on earth? I tell you, Nay; but rather division:
51. Pensez-vous que je sois venu apporter la paix sur la terre? Non, vous dis-je, mais la division.
51. Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin' ny tany Aho? Tsia, hoy Aho aminareo, fa fampisarahana.
52. For from henceforth there shall be five in one house divided, three against two, and two against three.
52. "Car désormais cinq dans une maison seront divisés, trois contre deux, et deux contre trois;"
52. Fa hatramin' izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
53. The father shall be divided against the son, and the son against the father; the mother against the daughter, and the daughter against the mother; the mother in law against her daughter in law, and the daughter in law against her mother in law.
53. le père contre le fils et le fils contre le père, la mère contre la fille et la fille contre la mère, la belle-mère contre la belle-fille et la belle-fille contre la belle-mère.
53. "Ny ray hanohitra ny zanany lahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy, ny reny hanohitra ny zanany vavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-baviny."
54. And he said also to the people, When ye see a cloud rise out of the west, straightway ye say, There cometh a shower; and so it is.
54. Il dit encore aux foules: Quand vous voyez un nuage se lever à l`occident, vous dites aussitôt: La pluie vient. Et il arrive ainsi.
54. "Ary hoy Jesosy tamin' ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka avy any andrefana ianareo, miaraka amin' izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany."
55. And when ye see the south wind blow, ye say, There will be heat; and it cometh to pass.
55. Et quand vous voyez souffler le vent du midi, vous dites: Il fera chaud. Et cela arrive.
55. "Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany."
56. Ye hypocrites, ye can discern the face of the sky and of the earth; but how is it that ye do not discern this time?
56. "Hypocrites! vous savez discerner l`aspect de la terre et du ciel; comment ne discernez-vous pas ce temps-ci?"
56. "Ianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin' ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?"
57. Yea, and why even of yourselves judge ye not what is right?
57. Et pourquoi ne discernez-vous pas de vous-mêmes ce qui est juste?
57. Eny, ary nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina?
58. When thou goest with thine adversary to the magistrate, as thou art in the way, give diligence that thou mayest be delivered from him; lest he hale thee to the judge, and the judge deliver thee to the officer, and the officer cast thee into prison.
58. Lorsque tu vas avec ton adversaire devant le magistrat, tâche en chemin de te dégager de lui, de peur qu`il ne te traîne devant le juge, que le juge ne te livre à l`officier de justice, et que celui-ci ne te mette en prison.
58. "Fa raha miara-mandeha amin' ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy; fandrao hitondra anao any amin' ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin' ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina."
59. I tell thee, thou shalt not depart thence, till thou hast paid the very last mite.
59. Je te le dis, tu ne sortiras pas de là que tu n`aies payé jusqu`à dernière pite.
59. Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
<
>