1. Paul, an apostle of Jesus Christ by the will of God, and Timotheus our brother,
1. Paul, apôtre de Jésus Christ par la volonté de Dieu, et le frère Timothée,
1. Paoly Apostolin’i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, ary Timoty rahalahintsika,
2. To the saints and faithful brethren in Christ which are at Colosse: Grace be unto you, and peace, from God our Father and the Lord Jesus Christ.
2. "aux saints et fidèles frères en Christ qui sont à Colosses; que la grâce et la paix vous soient données de la part de Dieu notre Père!"
2. Mamangy ny olona masina any Kolosia, sy ny rahalahy mahatoky ao amin’i Kristy: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3. We give thanks to God and the Father of our Lord Jesus Christ, praying always for you,
3. Nous rendons grâces à Dieu, le Père de notre Seigneur Jésus Christ, et nous ne cessons de prier pour vous,
3. Misaotra an’Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika izahay amin’ny fivavahanay mandrakariva ho anareo,
4. Since we heard of your faith in Christ Jesus, and of the love which ye have to all the saints,
4. ayant été informés de votre foi en Jésus Christ et de votre charité pour tous les saints,
4. Rehefa renay ny finoanareo an’i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
5. For the hope which is laid up for you in heaven, whereof ye heard before in the word of the truth of the gospel;
5. à cause de l`espérance qui vous est réservée dans les cieux, et que la parole de la vérité, la parole de l`Évangile vous a précédemment fait connaître.
5. Noho ny fanantenana izay tahirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin’ny tenin’ny fahamarinan’ny filazantsara,
6. Which is come unto you, as it is in all the world; and bringeth forth fruit, as it doth also in you, since the day ye heard of it, and knew the grace of God in truth:
6. "Il est au milieu de vous, et dans le monde entier; il porte des fruits, et il va grandissant, comme c`est aussi le cas parmi vous, depuis le jour où vous avez entendu et connu la grâce de Dieu conformément à la vérité,"
6. "Izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin’izao tontolo izao rehetra koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin’ny andro nandrenesanareo sy nahalalanareo ny fahasoavan’Andriamanitra araka ny marina;"
7. As ye also learned of Epaphras our dear fellowservant, who is for you a faithful minister of Christ;
7. d`après les instructions que vous avez reçues d`Épaphras, notre bien-aimé compagnon de service, qui est pour vous un fidèle ministre de Christ,
7. Tahaka ny efa renareo koa tamin’i Epafra, mpanompo namanay sady malala izay mpanompon’i Kristy mahatoky ho anareo,
8. Who also declared unto us your love in the Spirit.
8. et qui nous a appris de quelle charité l`Esprit vous anime.
8. Sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin’ny Fanahy.
9. For this cause we also, since the day we heard it, do not cease to pray for you, and to desire that ye might be filled with the knowledge of his will in all wisdom and spiritual understanding;
9. C`est pour cela que nous aussi, depuis le jour où nous en avons été informés, nous ne cessons de prier Dieu pour vous, et de demander que vous soyez remplis de la connaissance de sa volonté, en toute sagesse et intelligence spirituelle,
9. "Ary noho izany izahay koa hatramin’ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka ho anareo sady maniry mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra ara-panahy;"
10. That ye might walk worthy of the Lord unto all pleasing, being fruitful in every good work, and increasing in the knowledge of God;
10. pour marcher d`une manière digne du Seigneur et lui être entièrement agréables, portant des fruits en toutes sortes de bonnes oeuvres et croissant par la connaissance de Dieu,
10. "Mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana an’Andriamanitra;"
11. Strengthened with all might, according to his glorious power, unto all patience and longsuffering with joyfulness;
11. fortifiés à tous égards par sa puissance glorieuse, en sorte que vous soyez toujours et avec joie persévérants et patients.
11. Ary ampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana,
12. Giving thanks unto the Father, which hath made us meet to be partakers of the inheritance of the saints in light:
12. Rendez grâces au Père, qui vous a rendus capables d`avoir part à l`héritage des saints dans la lumière,
12. Ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava,
13. Who hath delivered us from the power of darkness, and hath translated us into the kingdom of his dear Son:
13. qui nous a délivrés de la puissance des ténèbres et nous a transportés dans le royaume du Fils de son amour,
13. Sady nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,
14. In whom we have redemption through his blood, even the forgiveness of sins:
14. en qui nous avons la rédemption, la rémission des péchés.
14. Izay ananantsika fanavotana noho ny rany, dia ny famelana ny heloka.
15. Who is the image of the invisible God, the firstborn of every creature:
15. Il est l`image du Dieu invisible, le premier-né de toute la création.
15. "Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny lahimatoan’ny voaforona rehetra;"
16. For by him were all things created, that are in heaven, and that are in earth, visible and invisible, whether they be thrones, or dominions, or principalities, or powers: all things were created by him, and for him:
16. Car en lui ont été créées toutes les choses qui sont dans les cieux et sur la terre, les visibles et les invisibles, trônes, dignités, dominations, autorités. Tout a été créé par lui et pour lui.
16. "Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na ny sezafiandrianana, na ny fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany;"
17. And he is before all things, and by him all things consist.
17. Il est avant toutes choses, et toutes choses subsistent en lui.
17. Ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
18. And he is the head of the body, the church: who is the beginning, the firstborn from the dead; that in all things he might have the preeminence.
18. "Il est la tête du corps de l`Église; il est le commencement, le premier-né d`entre les morts, afin d`être en tout le premier."
18. "Ary Izy no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ny maty, mba ho lohany amin’ny zavatra rehetra Izy."
19. For it pleased the Father that in him should all fulness dwell;
19. "Car Dieu a voulu que toute plénitude habitât en lui;"
19. Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ny fahafenoana rehetra,
20. And, having made peace through the blood of his cross, by him to reconcile all things unto himself; by him, I say, whether they be things in earth, or things in heaven.
20. il a voulu par lui réconcilier tout avec lui-même, tant ce qui est sur la terre que ce qui est dans les cieux, en faisant la paix par lui, par le sang de sa croix.
20. Sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana, amin’ny alalany, hoy aho, na ny ety ambonin’ny tany, na ny any an-danitra.
21. And you, that were sometime alienated and enemies in your mind by wicked works, yet now hath he reconciled
21. Et vous, qui étiez autrefois étrangers et ennemis par vos pensées et par vos mauvaises oeuvres, il vous a maintenant réconciliés par sa mort dans le corps de sa chair,
21. Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny
22. In the body of his flesh through death, to present you holy and unblameable and unreproveable in his sight:
22. pour vous faire paraître devant lui saints, irrépréhensibles et sans reproche,
22. Tao amin’ny tenan’ny nofony, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
23. If ye continue in the faith grounded and settled, and be not moved away from the hope of the gospel, which ye have heard, and which was preached to every creature which is under heaven; whereof I Paul am made a minister;
23. si du moins vous demeurez fondés et inébranlables dans la foi, sans vous détourner de l`espérance de l`Évangile que vous avez entendu, qui a été prêché à toute créature sous le ciel, et dont moi Paul, j`ai été fait ministre.
23. "Raha maharitra amin’ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara, izay efa renareo, sady notorina tamin’ny olona rehetra tambanin’ny lanitra; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo."
24. Who now rejoice in my sufferings for you, and fill up that which is behind of the afflictions of Christ in my flesh for his body's sake, which is the church:
24. "Je me réjouis maintenant dans mes souffrances pour vous; et ce qui manque aux souffrances de Christ, je l`achève en ma chair, pour son corps, qui est l`Église."
24. Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny fiangonana,
25. Whereof I am made a minister, according to the dispensation of God which is given to me for you, to fulfil the word of God;
25. C`est d`elle que j`ai été fait ministre, selon la charge que Dieu m`a donnée auprès de vous, afin que j`annonçasse pleinement la parole de Dieu,
25. Izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran’Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny tenin’Andriamanitra,
26. Even the mystery which hath been hid from ages and from generations, but now is made manifest to his saints:
26. le mystère caché de tout temps et dans tous les âges, mais révélé maintenant à ses saints,
26. Dia ny zava-miafina, ilay voafina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ny olony masina,
27. To whom God would make known what is the riches of the glory of this mystery among the Gentiles; which is Christ in you, the hope of glory:
27. à qui Dieu a voulu faire connaître quelle est la glorieuse richesse de ce mystère parmi les païens, savoir: Christ en vous, l`espérance de la gloire.
27. "Izay efa tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ny voninahitr’ity zava-miafina ity any amin’ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;"
28. Whom we preach, warning every man, and teaching every man in all wisdom; that we may present every man perfect in Christ Jesus:
28. C`est lui que nous annonçons, exhortant tout homme, et instruisant tout homme en toute sagesse, afin de présenter à Dieu tout homme, devenu parfait en Christ.
28. Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’i Jesosy Kristy ny olona rehetra.
29. Whereunto I also labour, striving according to his working, which worketh in me mightily.
29. C`est à quoi je travaille, en combattant avec sa force, qui agit puissamment en moi.
29. Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ny herin’Ilay miasa mahery ato anatiko.