1. Therefore, my brethren dearly beloved and longed for, my joy and crown, so stand fast in the Lord, my dearly beloved.
1. C`est pourquoi, mes bien-aimés, et très chers frères, vous qui êtes ma joie et ma couronne, demeurez ainsi fermes dans le Seigneur, mes bien-aimés!
1. Ary amin’izany, ry rahalahiko sady malalako indrindra no mahamanina ahy, fifaliako sy satroboninahitro, tomoera tsara ao amin’ny Tompo ianareo, ry malalako indrindra.
2. I beseech Euodias, and beseech Syntyche, that they be of the same mind in the Lord.
2. J`exhorte Évodie et j`exhorte Syntyche à être d`un même sentiment dans le Seigneur.
2. Miangavy an’i Eodia aho, ary miangavy an’i Syntike, mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy ireo.
3. And I intreat thee also, true yokefellow, help those women which laboured with me in the gospel, with Clement also, and with other my fellowlabourers, whose names are in the book of life.
3. Et toi aussi, fidèle collègue, oui, je te prie de les aider, elles qui ont combattu pour l`Évangile avec moi, et avec Clément et mes autres compagnons d`oeuvre, dont les noms sont dans le livre de vie.
3. Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miory amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara izy, mbamin’i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.
4. Rejoice in the Lord alway: and again I say, Rejoice.
4. "Réjouissez-vous toujours dans le Seigneur; je le répète, réjouissez-vous."
4. "Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy aho indray: Mifalia."
5. Let your moderation be known unto all men. The Lord is at hand.
5. Que votre douceur soit connue de tous les hommes. Le Seigneur est proche.
5. Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fahononan-tenanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
6. Be careful for nothing; but in every thing by prayer and supplication with thanksgiving let your requests be made known unto God.
6. "Ne vous inquiétez de rien; mais en toute chose faites connaître vos besoins à Dieu par des prières et des supplications, avec des actions de grâces."
6. "Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo mampahafantatra ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra."
7. And the peace of God, which passeth all understanding, shall keep your hearts and minds through Christ Jesus.
7. Et la paix de Dieu, qui surpasse toute intelligence, gardera vos coeurs et vos pensées en Jésus Christ.
7. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
8. Finally, brethren, whatsoever things are true, whatsoever things are honest, whatsoever things are just, whatsoever things are pure, whatsoever things are lovely, whatsoever things are of good report; if there be any virtue, and if there be any praise, think on these things.
8. Au reste, frères, que tout ce qui est vrai, tout ce qui est honorable, tout ce qui est juste, tout ce qui est pur, tout ce qui est aimable, tout ce qui mérite l`approbation, ce qui est vertueux et digne de louange, soit l`objet de vos pensées.
8. Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manankaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany zavatra izany.
9. Those things, which ye have both learned, and received, and heard, and seen in me, do: and the God of peace shall be with you.
9. Ce que vous avez appris, reçu et entendu de moi, et ce que vous avez vu en moi, pratiquez-le. Et le Dieu de paix sera avec vous.
9. "Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana."
10. But I rejoiced in the Lord greatly, that now at the last your care of me hath flourished again; wherein ye were also careful, but ye lacked opportunity.
10. "J`ai éprouvé une grande joie dans le Seigneur de ce que vous avez pu enfin renouveler l`expression de vos sentiments pour moi; vous y pensiez bien, mais l`occasion vous manquait."
10. Ary faly indrindra ao amin’ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
11. Not that I speak in respect of want: for I have learned, in whatsoever state I am, therewith to be content.
11. Ce n`est pas en vue de mes besoins que je dis cela, car j`ai appris à être content de l`état où je me trouve.
11. Tsy filàn-javatra anefa no anaovako izany, fa efa nianatra ny miànina aho na manao ahoana na manao ahoana toerana misy ahy.
12. I know both how to be abased, and I know how to abound: every where and in all things I am instructed both to be full and to be hungry, both to abound and to suffer need.
12. Je sais vivre dans l`humiliation, et je sais vivre dans l`abondance. En tout et partout j`ai appris à être rassasié et à avoir faim, à être dans l`abondance et à être dans la disette.
12. "Mahalala hietry aho ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy hiaritra tsy fisiana."
13. I can do all things through Christ which strengtheneth me.
13. Je puis tout par celui qui me fortifie.
13. Mahay ny zavatra rehetra aho amin’ny alalan’i Kristy izay mampahery ahy.
14. Notwithstanding ye have well done, that ye did communicate with my affliction.
14. Cependant vous avez bien fait de prendre part à ma détresse.
14. Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko.
15. Now ye Philippians know also, that in the beginning of the gospel, when I departed from Macedonia, no church communicated with me as concerning giving and receiving, but ye only.
15. "Vous le savez vous-mêmes, Philippiens, au commencement de la prédication de l`Évangile, lorsque je partis de la Macédoine, aucune Église n`entra en compte avec moi pour ce qu`elle donnait et recevait;"
15. Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny filazantsara, rehefa niala tany Masedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin’ny fanomezana sy ny fandraisana, afa-tsy ianareo ihany.
16. For even in Thessalonica ye sent once and again unto my necessity.
16. vous fûtes les seuls à le faire, car vous m`envoyâtes déjà à Thessalonique, et à deux reprises, de quoi pourvoir à mes besoins.
16. Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hanome izay nilaiko.
17. Not because I desire a gift: but I desire fruit that may abound to your account.
17. "Ce n`est pas que je recherche les dons; mais je recherche le fruit qui abonde pour votre compte."
17. "Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho anareo."
18. But I have all, and abound: I am full, having received of Epaphroditus the things which were sent from you, an odour of a sweet smell, a sacrifice acceptable, wellpleasing to God.
18. "J`ai tout reçu, et je suis dans l`abondance; j`ai été comblé de biens, en recevant par Épaphrodite ce qui vient de vous comme un parfum de bonne odeur, un sacrifice que Dieu accepte, et qui lui est agréable."
18. "Fa manana ny zavatra rehetra aho, sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’i Epafrodito ireo zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany."
19. But my God shall supply all your need according to his riches in glory by Christ Jesus.
19. Et mon Dieu pourvoira à tous vos besoins selon sa richesse, avec gloire, en Jésus Christ.
19. Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra ilainareo araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
20. Now unto God and our Father be glory for ever and ever. Amen.
20. A notre Dieu et Père soit la gloire aux siècles des siècles! Amen!
20. Ary ho an’Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
21. Salute every saint in Christ Jesus. The brethren which are with me greet you.
21. Saluez tous les saints en Jésus Christ. Les frères qui sont avec moi vous saluent.
21. Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay aty amiko.
22. All the saints salute you, chiefly they that are of Caesar's household.
22. Tous les saints vous saluent, et principalement ceux de la maison de César.
22. Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan’i Kaisara.
23. The grace of our Lord Jesus Christ be with you all. Amen.
23. Que la grâce du Seigneur Jésus Christ soit avec votre esprit!
23. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena. (Nosoratan’i Epafrodito tany Roma ho an’ny Filipiana ity epistily ity).