1. And it came to pass, when all the people were clean passed over Jordan, that the LORD spake unto Joshua, saying,
1. Lorsque toute la nation eut achevé de passer le Jourdain, l`Éternel dit à Josué:
1. Ary izao no niseho, rehefa tafita an' i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin' i Josoa nanao hoe:
2. Take you twelve men out of the people, out of every tribe a man,
2. Prenez douze hommes parmi le peuple, un homme de chaque tribu.
2. Mangalà lehilahy roa ambin' ny folo amin' ny olona, dia lehilahy iray avy amin' ny isam-poko,
3. And command ye them, saying, Take you hence out of the midst of Jordan, out of the place where the priests' feet stood firm, twelve stones, and ye shall carry them over with you, and leave them in the lodging place, where ye shall lodge this night.
3. Donnez-leur cet ordre: Enlevez d`ici, du milieu du Jourdain, de la place où les sacrificateurs se sont arrêtés de pied ferme, douze pierres, que vous emporterez avec vous, et que vous déposerez dans le lieu où vous passerez cette nuit.
3. Ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin' ny folo avy eo afovoan' i Jordana, avy eo amin' izay nampijoro tsara ny tongotry ny mpisorona, ka ento miaraka aminareo, ary avelao eo amin' ny toerana izay handrianareo anio alina.
4. Then Joshua called the twelve men, whom he had prepared of the children of Israel, out of every tribe a man:
4. Josué appela les douze hommes qu`il choisit parmi les enfants d`Israël, un homme de chaque tribu.
4. Dia nantsoin' i Josoa ny lehilahy roa ambin' ny folo izay nomaniny tamin' ny Zanak' Isiraely, dia lehilahy iray avy isam-poko.
5. And Joshua said unto them, Pass over before the ark of the LORD your God into the midst of Jordan, and take you up every man of you a stone upon his shoulder, according unto the number of the tribes of the children of Israel:
5. Il leur dit: Passez devant l`arche de l`Éternel, votre Dieu, au milieu du Jourdain, et que chacun de vous charge une pierre sur son épaule, selon le nombre des tribus des enfants d`Israël,
5. "Ary hoy Josoa taminy: Mandehana eo alohan' ny fiaran' i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan' i Jordana, ka samia ny lehilahy manainga vato iray avy ho eo an-tsorony, araka ny isan' ny fokon' ny Zanak' Isiraely;"
6. That this may be a sign among you, that when your children ask their fathers in time to come, saying, What mean ye by these stones?
6. afin que cela soit un signe au milieu de vous. Lorsque vos enfants demanderont un jour: Que signifient pour vous ces pierres?
6. Mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny rainy ny zanakareo amin' ny andro ho avy manao hoe: inona no hevitrareo ny amin' ireto vato ireto?
7. Then ye shall answer them, That the waters of Jordan were cut off before the ark of the covenant of the LORD; when it passed over Jordan, the waters of Jordan were cut off: and these stones shall be for a memorial unto the children of Israel for ever.
7. "vous leur direz: Les eaux du Jourdain ont été coupées devant l`arche de l`alliance de l`Éternel; lorsqu`elle passa le Jourdain, les eaux du Jourdain ont été coupées, et ces pierres seront à jamais un souvenir pour les enfants d`Israël."
7. "Dia hovalianareo izy ireo hoe: Tapaka ny ranon' i Jordana teo anoloan' ny fiaran' ny faneken' i Jehovah; fa raha nita an' i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an' ny Zanak' Isiraely."
8. And the children of Israel did so as Joshua commanded, and took up twelve stones out of the midst of Jordan, as the LORD spake unto Joshua, according to the number of the tribes of the children of Israel, and carried them over with them unto the place where they lodged, and laid them down there.
8. Les enfants d`Israël firent ce que Josué leur avait ordonné. Ils enlevèrent douze pierres du milieu du Jourdain, comme l`Éternel l`avait dit à Josué, selon le nombre des tribus des enfants d`Israël, ils les emportèrent avec eux, et les déposèrent dans le lieu où ils devaient passer la nuit.
8. Dia nanao izany ny Zanak' Isiraely araka izay nandidian' i Josoa ka naka vato roa ambin' ny folo avy teo afovoan' i Jordana araka izay nolazain' i Jehovah tamin' i Josoa, araka ny isan' ny fokon' ny Zanak' Isiraely, ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin' ny toerana izay nitobiany ka napetrany teo.
9. And Joshua set up twelve stones in the midst of Jordan, in the place where the feet of the priests which bare the ark of the covenant stood: and they are there unto this day.
9. "Josué dressa aussi douze pierres au milieu du Jourdain, à la place où s`étaient arrêtés les pieds des sacrificateurs qui portaient l`arche de l`alliance; et elles y sont restées jusqu`à ce jour."
9. "Ary vato roa ambin' ny folo no natsangan' i Josoa teo Jordana, teo amin' ny toerana nijoroan' ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran' ny fanekena; ary mbola ao ireny mandraka androany."
10. For the priests which bare the ark stood in the midst of Jordan, until everything was finished that the LORD commanded Joshua to speak unto the people, according to all that Moses commanded Joshua: and the people hasted and passed over.
10. Les sacrificateurs qui portaient l`arche se tinrent au milieu du Jourdain jusqu`à l`entière exécution de ce que l`Éternel avait ordonné à Josué de dire au peuple, selon tout ce que Moïse avait prescrit à Josué. Et le peuple se hâta de passer.
10. "Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan' i Jordana mandra-pahavitan' ny zavatra rehetra izay nandidian' i Jehovah an' i Josoa holazaina amin' ny olona, araka izay rehetra nandidian' i Mosesy an' i Josoa; dia nita faingana ny olona."
11. And it came to pass, when all the people were clean passed over, that the ark of the LORD passed over, and the priests, in the presence of the people.
11. Lorsque tout le peuple eut achevé de passer, l`arche de l`Éternel et les sacrificateurs passèrent devant le peuple.
11. Ary izao no niseho, rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran' i Jehovah sy ny mpisorona teo anatrehan' ny olona.
12. And the children of Reuben, and the children of Gad, and half the tribe of Manasseh, passed over armed before the children of Israel, as Moses spake unto them:
12. Les fils de Ruben, les fils de Gad, et la demi-tribu de Manassé, passèrent en armes devant les enfants d`Israël, comme Moïse le leur avait dit.
12. "Ary ny taranak' i Robena sy ny taranak' i Gada ary ny antsasaky ny fokon' i Manase dia voaomana amin' ny fiadiana ka nita teo alohan' ny Zanak' Isiraely koa, araka izay nolazain' i Mosesy taminy;"
13. About forty thousand prepared for war passed over before the LORD unto battle, to the plains of Jericho.
13. Environ quarante mille hommes, équipés pour la guerre et prêts à combattre, passèrent devant l`Éternel dans les plaines de Jéricho.
13. Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana amin' ny fiadiana no nita teo anatrehan' i Jehovah hanafika, ho eo amin' ny tany lemak' i Jeriko.
14. On that day the LORD magnified Joshua in the sight of all Israel; and they feared him, as they feared Moses, all the days of his life.
14. "En ce jour-là, l`Éternel éleva Josué aux yeux de tout Israël; et ils le craignirent, comme ils avaient craint Moïse, tous les jours de sa vie."
14. "Tamin' izany andro izany no nanandratan' i Jehovah an' i Josoa teo imason' ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny natahorany an' i Mosesy, tamin' ny andro rehetra niainany."
15. And the LORD spake unto Joshua, saying,
15. L`Éternel dit à Josué:
15. Ary Jehovah niteny tamin' i Josoa ka nanao hoe:
16. Command the priests that bear the ark of the testimony, that they come up out of Jordan.
16. Ordonne aux sacrificateurs qui portent l`arche du témoignage de sortir du Jourdain.
16. Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran' ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
17. Joshua therefore commanded the priests, saying, Come ye up out of Jordan.
17. Et Josué donna cet ordre aux sacrificateurs: Sortez du Jourdain.
17. Dia nandidy ny mpisorona i Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
18. And it came to pass, when the priests that bare the ark of the covenant of the LORD were come up out of the midst of Jordan, and the soles of the priests' feet were lifted up unto the dry land, that the waters of Jordan returned unto their place, and flowed over all his banks, as they did before.
18. Lorsque les sacrificateurs qui portaient l`arche de l`alliance de l`Éternel furent sortis du milieu du Jourdain, et que la plante de leurs pieds se posa sur le sec, les eaux du Jourdain retournèrent à leur place, et se répandirent comme auparavant sur tous ses bords.
18. Ary izao no niseho, rehefa niakatra niala teo afovoan' i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin' ny tany maina ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran' ny faneken' i Jehovah ireo, dia niverina indray ny ranon' i Jordana nankamin' ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny nataony teo aloha.
19. And the people came up out of Jordan on the tenth day of the first month, and encamped in Gilgal, in the east border of Jericho.
19. Le peuple sortit du Jourdain le dixième jour du premier mois, et il campa à Guilgal, à l`extrémité orientale de Jéricho.
19. Ary niakatra niala teo Jordana ny olona tamin' ny andro fahafolo tamin' ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin' ny sisin-tany atsinanan' i Jeriko.
20. And those twelve stones, which they took out of Jordan, did Joshua pitch in Gilgal.
20. Josué dressa à Guilgal les douze pierres qu`ils avaient prises du Jourdain.
20. Ary ireo vato roa ambin' ny folo nalainy teo Jordana dia natsangan' i Josoa tany Gilgala.
21. And he spake unto the children of Israel, saying, When your children shall ask their fathers in time to come, saying, What mean these stones?
21. Il dit aux enfants d`Israël: Lorsque vos enfants demanderont un jour à leurs pères: Que signifient ces pierres?
21. Dia niteny tamin' ny Zanak' Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny zanakareo amin' ny andro ho avy hoe: Inona no anton' ireto vato ireto?
22. Then ye shall let your children know, saying, Israel came over this Jordan on dry land.
22. vous en instruirez vos enfants, et vous direz: Israël a passé ce Jourdain à sec.
22. Dia ampahafantaro ny zanakareo ka lazao hoe: Tamin' ny tany maina no nitan' ny isiraely ity Jordana ity.
23. For the LORD your God dried up the waters of Jordan from before you, until ye were passed over, as the LORD your God did to the Red sea, which he dried up from before us, until we were gone over:
23. Car l`Éternel, votre Dieu, a mis à sec devant vous les eaux du Jourdain jusqu`à ce que vous eussiez passé, comme l`Éternel, votre Dieu, l`avait fait à la mer Rouge, qu`il mit à sec devant nous jusqu`à ce que nous eussions passé,
23. Fa nataon' i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan' ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon' i Jehovah Andriamanitrareo tamin' ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,
24. That all the people of the earth might know the hand of the LORD, that it is mighty: that ye might fear the LORD your God for ever.
24. afin que tous les peuples de la terre sachent que la main de l`Éternel est puissante, et afin que vous ayez toujours la crainte de l`Éternel, votre Dieu.
24. Mba ho fantatry ny olona rehetra ambonin' ny tany fa mahery ny tanan' i Jehovah, ary mba hatahoranareo an' i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.
<
>