Job

1. Then Job answered and said,
1. Job prit la parole et dit:
1. Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2. I know it is so of a truth: but how should man be just with God?
2. "Je sais bien qu`il en est ainsi; Comment l`homme serait-il juste devant Dieu?"
2. "Fantatro fa izany no izy; fa aiza no hahamarina ny zanak' olombelona eo anatrehan' Andriamanitra?"
3. If he will contend with him, he cannot answer him one of a thousand.
3. S`il voulait contester avec lui, Sur mille choses il ne pourrait répondre à une seule.
3. Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin' ny arivo aza.
4. He is wise in heart, and mighty in strength: who hath hardened himself against him, and hath prospered?
4. A lui la sagesse et la toute-puissance: Qui lui résisterait impunément?
4. "Hendry am-po Izy sady matanjaka amin' ny hery; iza no nikiry nanohitra azy ka nambinina?"
5. Which removeth the mountains, and they know not: which overturneth them in his anger.
5. Il transporte soudain les montagnes, Il les renverse dans sa colère.
5. Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin' ny fahatezerany,
6. Which shaketh the earth out of her place, and the pillars thereof tremble.
6. Il secoue la terre sur sa base, Et ses colonnes sont ébranlées.
6. "Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin' ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;"
7. Which commandeth the sun, and it riseth not; and sealeth up the stars.
7. "Il commande au soleil, et le soleil ne paraît pas; Il met un sceau sur les étoiles."
7. "Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka izany, ary manisy tombo-kase ny kintana;"
8. Which alone spreadeth out the heavens, and treadeth upon the waves of the sea.
8. Seul, il étend les cieux, Il marche sur les hauteurs de la mer.
8. "Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;"
9. Which maketh Arcturus, Orion, and Pleiades, and the chambers of the south.
9. Il a créé la Grande Ourse, l`Orion et les Pléiades, Et les étoiles des régions australes.
9. Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
10. Which doeth great things past finding out; yea, and wonders without number.
10. Il fait des choses grandes et insondables, Des merveilles sans nombre.
10. Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
11. Lo, he goeth by me, and I see him not: he passeth on also, but I perceive him not.
11. Voici, il passe près de moi, et je ne le vois pas, Il s`en va, et je ne l`aperçois pas.
11. Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako, ary mihelina koa Izy, nefa tsy fantatro.
12. Behold, he taketh away, who can hinder him? who will say unto him, What doest thou?
12. S`il enlève, qui s`y opposera? Qui lui dira: Que fais-tu?
12. Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
13. If God will not withdraw his anger, the proud helpers do stoop under him.
13. "Dieu ne retire point sa colère; Sous lui s`inclinent les appuis de l`orgueil."
13. Tsy mampihemotra ny fahatezerany Andriamanitra ka miforitra eo ambaniny ny mpomba an-dRahaba.
14. How much less shall I answer him, and choose out my words to reason with him?
14. Et moi, comment lui répondre? Quelles paroles choisir?
14. Mainka ahoana no hamaliako azy sy hifidianako teny hifandaharako aminy?
15. Whom, though I were righteous, yet would I not answer, but I would make supplication to my judge.
15. "Quand je serais juste, je ne répondrais pas; Je ne puis qu`implorer mon juge."
15. Na dia marina aza aho, dia tsy hamaly akory, fa hitaraina amin' ny mpitsara ahy aho.
16. If I had called, and he had answered me; yet would I not believe that he had hearkened unto my voice.
16. Et quand il m`exaucerait, si je l`invoque, Je ne croirais pas qu`il eût écouté ma voix,
16. Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
17. For he breaketh me with a tempest, and multiplieth my wounds without cause.
17. Lui qui m`assaille comme par une tempête, Qui multiplie sans raison mes blessures,
17. Fa manorotoro ahy amin' ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
18. He will not suffer me to take my breath, but filleth me with bitterness.
18. Qui ne me laisse pas respirer, Qui me rassasie d`amertume.
18. Tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany fangidiana aho.
19. If I speak of strength, lo, he is strong: and if of judgment, who shall set me a time to plead?
19. Recourir à la force? Il est Tout Puissant. A la justice? Qui me fera comparaître?
19. "Raha miteny ny amin' ny tanjaka aho, indro mahery izy; ary raha ny amin' ny fitsarana, iza no hanendry fotoana mba handaharako ny teniko?"
20. If I justify myself, mine own mouth shall condemn me: if I say, I am perfect, it shall also prove me perverse.
20. "Suis-je juste, ma bouche me condamnera; Suis-je innocent, il me déclarera coupable."
20. "Raha manamarina ny tenako aho, dia hanameloka ahy ny vavako; raha hoy aho hoe: tanteraka aho, dia izany no hanaporofo fa ratsy aho."
21. Though I were perfect, yet would I not know my soul: I would despise my life.
21. "Innocent! Je le suis; mais je ne tiens pas à la vie, Je méprise mon existence."
21. "Na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia tsy ho fantatro ny fanahiko; ataoko tsinontsinona ny aiko."
22. This is one thing, therefore I said it, He destroyeth the perfect and the wicked.
22. Qu`importe après tout? Car, j`ose le dire, Il détruit l`innocent comme le coupable.
22. Izao zavatra iray izao no lazaiko: Haringany ny tsy manan-tsiny sy ny ratsy fanahy.
23. If the scourge slay suddenly, he will laugh at the trial of the innocent.
23. Si du moins le fléau donnait soudain la mort!... Mais il se rit des épreuves de l`innocent.
23. Raha mahafaty tampoka ny fikapohana, dia hihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
24. The earth is given into the hand of the wicked: he covereth the faces of the judges thereof; if not, where, and who is he?
24. "La terre est livrée aux mains de l`impie; Il voile la face des juges. Si ce n`est pas lui, qui est-ce donc?"
24. "Ny tany efa voatolotra ho eo an-tanan' ny ratsy fanahy; manarona ny tavan' ny mpitsara Izy; raha tsy izany, dia aiza ary iza kosa Izy?"
25. Now my days are swifter than a post: they flee away, they see no good.
25. "Mes jours sont plus rapides qu`un courrier; Ils fuient sans avoir vu le bonheur;"
25. "Ankehitriny ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; lasa ireny, ka tsy nahita soa akory."
26. They are passed away as the swift ships: as the eagle that hasteth to the prey.
26. Ils passent comme les navires de jonc, Comme l`aigle qui fond sur sa proie.
26. "Mihelina tahaka ny sambo faingam-pandeha izy; tahaka ny voromahery mipaoka haza."
27. If I say, I will forget my complaint, I will leave off my heaviness, and comfort myself:
27. Si je dis: Je veux oublier mes souffrances, Laisser ma tristesse, reprendre courage,
27. "Raha hoy aho: Hanadino ny fitarainako aho, hilaozako ny alaheloko, ka hampionon-tena aho;"
28. I am afraid of all my sorrows, I know that thou wilt not hold me innocent.
28. Je suis effrayé de toutes mes douleurs. Je sais que tu ne me tiendras pas pour innocent.
28. Dia mahatahotra ahy ny fahoriako rehetra, fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29. If I be wicked, why then labour I in vain?
29. "Je serai jugé coupable; Pourquoi me fatiguer en vain?"
29. Raha atao ho olon-dratsy aho, nahoana aho no hanasa-tena foana?
30. If I wash myself with snow water, and make my hands never so clean;
30. Quand je me laverais dans la neige, Quand je purifierais mes mains avec du savon,
30. Na dia mandro amin' ny orampanala aza aho, ka manadio ny tanako indrindra,
31. Yet shalt thou plunge me in the ditch, and mine own clothes shall abhor me.
31. Tu me plongerais dans la fange, Et mes vêtements m`auraient en horreur.
31. Dia hanitrika ahy any anaty hady Ianao, ka hataon' ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
32. For he is not a man, as I am, that I should answer him, and we should come together in judgment.
32. Il n`est pas un homme comme moi, pour que je lui réponde, Pour que nous allions ensemble en justice.
32. Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehana amin' ny fitsarana.
33. Neither is there any daysman betwixt us, that might lay his hand upon us both.
33. Il n`y a pas entre nous d`arbitre, Qui pose sa main sur nous deux.
33. Tsy misy manelanelana anay hametraka ny tanany aminay roa tonta.
34. Let him take his rod away from me, and let not his fear terrify me:
34. "Qu`il retire sa verge de dessus moi, Que ses terreurs ne me troublent plus;"
34. Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampihorohoro ahy ny fampitahorany,
35. Then would I speak, and not fear him; but it is not so with me.
35. Alors je parlerai et je ne le craindrai pas. Autrement, je ne suis point à moi-même.
35. "Dia hiteny aho, ka tsy hatahotra Azy aho; nefa tsy izany ny momba ahy."
<
>