1. Call now, if there be any that will answer thee; and to which of the saints wilt thou turn?
1. Crie maintenant! Qui te répondra? Auquel des saints t`adresseras-tu?
1. Miantsoa ankehitriny, raha hisy hamaly anao, ary iza amin' ireo masina no hitodihanao?
2. For wrath killeth the foolish man, and envy slayeth the silly one.
2. L`insensé périt dans sa colère, Le fou meurt dans ses emportements.
2. Fa ny adala dia vonoin' ny fahatezerana, ary ny fialonana mahafaty ny kely saina
3. I have seen the foolish taking root: but suddenly I cursed his habitation.
3. "J`ai vu l`insensé prendre racine; Puis soudain j`ai maudit sa demeure."
3. Nahita ny olona adala mamàka aho, nefa poa toy izay dia nanozona ny fonenany aho.
4. His children are far from safety, and they are crushed in the gate, neither is there any to deliver them.
4. "Plus de prospérité pour ses fils; Ils sont foulés à la porte, et personne qui les délivre!"
4. Lavitra ny fiarovana ny zanany ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kanafaka.
5. Whose harvest the hungry eateth up, and taketh it even out of the thorns, and the robber swalloweth up their substance.
5. Sa moisson est dévorée par des affamés, Qui viennent l`enlever jusque dans les épines, Et ses biens sont engloutis par des hommes altérés.
5. "Ny vokatry ny taniny dia lanin' ny noana sady alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny mpangalatra mitelina ny fananany."
6. Although affliction cometh not forth of the dust, neither doth trouble spring out of the ground;
6. "Le malheur ne sort pas de la poussière, Et la souffrance ne germe pas du sol;"
6. Na dia tsy mivoaka avy amin' ny vovoka aza ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin' ny tany ny fahoriana,
7. Yet man is born unto trouble, as the sparks fly upward.
7. L`homme naît pour souffrir, Comme l`étincelle pour voler.
7. Dia teraka ho amin' ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin' ny kilalaon' afo miakatra.
8. I would seek unto God, and unto God would I commit my cause:
8. Pour moi, j`aurais recours à Dieu, Et c`est à Dieu que j`exposerais ma cause.
8. Te-hitady an' Andriamanitra aho, ary Andriamanitra no hanolorako ny adiko,
9. Which doeth great things and unsearchable; marvellous things without number:
9. "Il fait des choses grandes et insondables, Des merveilles sans nombre;"
9. Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
10. Who giveth rain upon the earth, and sendeth waters upon the fields:
10. "Il répand la pluie sur la terre, Et envoie l`eau sur les campagnes;"
10. Dia Izay mampilatsaka ranonorana ety ambonin' ny tany ary mampandeha rano eny amin' ny saha,
11. To set up on high those that be low; that those which mourn may be exalted to safety.
11. "Il relève les humbles, Et délivre les affligés;"
11. Ka apetrany amin' ny avo izay ambany, ary asandrany ho amin' ny fiadanana ny miory,
12. He disappointeth the devices of the crafty, so that their hands cannot perform their enterprise.
12. "Il anéantit les projets des hommes rusés, Et leurs mains ne peuvent les accomplir;"
12. Mandiso fanantenana ny hevitry ny fetsy Izy, mba tsy hahefa ny reharehany ny tanan' ireo.
13. He taketh the wise in their own craftiness: and the counsel of the froward is carried headlong.
13. Il prend les sages dans leur propre ruse, Et les desseins des hommes artificieux sont renversés:
13. "Ny fahafetsen' ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon' ny mpiolakolaka dia rava;"
14. They meet with darkness in the day time, and grope in the noonday as in the night.
14. Ils rencontrent les ténèbres au milieu du jour, Ils tâtonnent en plein midi comme dans la nuit.
14. Mahatsapa fahamaizinana amin' ny antoandro izy, ary miraparapa amin' ny mitataovovonana tahaka ny amin' ny alina.
15. But he saveth the poor from the sword, from their mouth, and from the hand of the mighty.
15. "Ainsi Dieu protège le faible contre leurs menaces, Et le sauve de la main des puissants;"
15. Fa vonjeny kosa ny mahantra tsy ho voan' ny sabatra, tsy ho voan' ny vavany, ary tsy ho azon' ny tanan' ny mahery.
16. So the poor hath hope, and iniquity stoppeth her mouth.
16. Et l`espérance soutient le malheureux, Mais l`iniquité ferme la bouche.
16. Koa manana fanantenana ny mahantra, ary ny heloka mikombom-bava.
17. Behold, happy is the man whom God correcteth: therefore despise not thou the chastening of the Almighty:
17. Heureux l`homme que Dieu châtie! Ne méprise pas la correction du Tout Puissant.
17. "Indro, sambatra ny olona izay ahitsin' Andriamanitra; koa aza hamavoinao ny famaizan' ny Tsitoha;"
18. For he maketh sore, and bindeth up: he woundeth, and his hands make whole.
18. "Il fait la plaie, et il la bande; Il blesse, et sa main guérit."
18. "Fa sady mandratra Izy no mamehy; manorotoro Izy, ary ny tanany ihany no manasitrana."
19. He shall deliver thee in six troubles: yea, in seven there shall no evil touch thee.
19. Six fois il te délivrera de l`angoisse, Et sept fois le mal ne t`atteindra pas.
19. "Amin' ny fahoriana enina dia hanafaka anao Izy; eny, amin' ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao."
20. In famine he shall redeem thee from death: and in war from the power of the sword.
20. Il te sauvera de la mort pendant la famine, Et des coups du glaive pendant la guerre.
20. Amin' ny fotoana mosarena, dia hanavotra anao amin' ny fahafatesana Izy, ary hiaro anao amin' ny herin' ny sabatra Izy amin' ny fotoanan' ny ady.
21. Thou shalt be hid from the scourge of the tongue: neither shalt thou be afraid of destruction when it cometh.
21. Tu seras à l`abri du fléau de la langue, Tu seras sans crainte quand viendra la dévastation.
21. "Hampiereny tsy ho voan' ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;"
22. At destruction and famine thou shalt laugh: neither shalt thou be afraid of the beasts of the earth.
22. "Tu te riras de la dévastation comme de la famine, Et tu n`auras pas à redouter les bêtes de la terre;"
22. "Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny biby eto an-tany."
23. For thou shalt be in league with the stones of the field: and the beasts of the field shall be at peace with thee.
23. Car tu feras alliance avec les pierres des champs, Et les bêtes de la terre seront en paix avec toi.
23. Fa ho vita fanekena amin' ny vato any an-tsaha ianao, ary ny biby any an-tsaha dia hihavana aminao.
24. And thou shalt know that thy tabernacle shall be in peace; and thou shalt visit thy habitation, and shalt not sin.
24. Tu jouiras du bonheur sous ta tente, Tu retrouveras tes troupeaux au complet,
24. "Ary ho fantatrao fa hiadana ny lainao; ary hamangy ny fonenanao ianao ka tsy hanota."
25. Thou shalt know also that thy seed shall be great, and thine offspring as the grass of the earth.
25. Tu verras ta postérité s`accroître, Et tes rejetons se multiplier comme l`herbe des champs.
25. Ary ho fantatrao koa fa ho maro ny taranakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin' ny tany.
26. Thou shalt come to thy grave in a full age, like as a shock of corn cometh in in his season.
26. Tu entreras au sépulcre dans la vieillesse, Comme on emporte une gerbe en son temps.
26. Hiditra any am-pasanao amin' ny fahanteranao ianao, dia tahaka ny amboaram-barimbazaha akarina amin' ny fotoany.
27. Lo this, we have searched it, so it is; hear it, and know thou it for thy good.
27. "Voilà ce que nous avons reconnu, voilà ce qui est; A toi d`entendre et de mettre à profit."
27. "Izany àry no izy, fa efa nandinika azy izahay; henoy izany, ka fantaro izay hahasoa anao."