Job

1. Then Job answered the LORD, and said,
1. Job répondit à l`Éternel et dit:
1. ARY Joba dia namaly an' i Jehovah ka nanao hoe:
2. I know that thou canst do every thing, and that no thought can be withholden from thee.
2. Je reconnais que tu peux tout, Et que rien ne s`oppose à tes pensées.
2. Fantatro fa hainao atao ny zavatra rehetra. Ary tsy azo ferana ny fisainanao.
3. Who is he that hideth counsel without knowledge? therefore have I uttered that I understood not; things too wonderful for me, which I knew not.
3. Quel est celui qui a la folie d`obscurcir mes desseins? -Oui, j`ai parlé, sans les comprendre, De merveilles qui me dépassent et que je ne conçois pas.
3. Iza no mahatakona ny fisainanao amin' ny tsy fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga ahy loatra, izay tsy takatry ny saiko.
4. Hear, I beseech thee, and I will speak: I will demand of thee, and declare thou unto me.
4. "Écoute-moi, et je parlerai; Je t`interrogerai, et tu m`instruiras."
4. "Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; hanontany Anao aho, ka ampahafantaro."
5. I have heard of thee by the hearing of the ear: but now mine eye seeth thee.
5. "Mon oreille avait entendu parler de toi; Mais maintenant mon oeil t`a vu."
5. "Fandrenesan' ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;"
6. Wherefore I abhor myself, and repent in dust and ashes.
6. C`est pourquoi je me condamne et je me repens Sur la poussière et sur la cendre.
6. Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin' ny vovoka sy ny lavenona aho.

Epilogue

7. And it was so, that after the LORD had spoken these words unto Job, the LORD said to Eliphaz the Temanite, My wrath is kindled against thee, and against thy two friends: for ye have not spoken of me the thing that is right, as my servant Job hath.
7. Après que l`Éternel eut adressé ces paroles à Job, il dit à Éliphaz de Théman: Ma colère est enflammée contre toi et contre tes deux amis, parce que vous n`avez pas parlé de moi avec droiture comme l`a fait mon serviteur Job.
7. Ary izao no zava-nisy, rehefa voalazan' i Jehovah tamin' i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin' i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako, satria tsy mba marina tahaka ny filàzan' i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
8. Therefore take unto you now seven bullocks and seven rams, and go to my servant Job, and offer up for yourselves a burnt offering; and my servant Job shall pray for you: for him will I accept: lest I deal with you after your folly, in that ye have not spoken of me the thing which is right, like my servant Job.
8. "Prenez maintenant sept taureaux et sept béliers, allez auprès de mon serviteur Job, et offrez pour vous un holocauste. Job, mon serviteur, priera pour vous, et c`est par égard pour lui seul que je ne vous traiterai pas selon votre folie; car vous n`avez pas parlé de moi avec droiture, comme l`a fait mon serviteur Job."
8. "Koa ankehitriny makà vantotr' ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin' i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hivavaka ho anareo, fa izy no ankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan' i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy."
9. So Eliphaz the Temanite and Bildad the Shuhite and Zophar the Naamathite went, and did according as the LORD commanded them: the LORD also accepted Job.
9. Éliphaz de Théman, Bildad de Schuach, et Tsophar de Naama allèrent et firent comme l`Éternel leur avait dit: et l`Éternel eut égard à la prière de Job.
9. Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian' i Jehovah azy, ary Jehovah dia nankasitraka koa an' i Joba.
10. And the LORD turned the captivity of Job, when he prayed for his friends: also the LORD gave Job twice as much as he had before.
10. "L`Éternel rétablit Job dans son premier état, quand Job eut prié pour ses amis; et l`Éternel lui accorda le double de tout ce qu`il avait possédé."
10. Ary Jehovah nanova ny fahababoan' i Joba raha nivavaka ho an' ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany teo aloha Izy.
11. Then came there unto him all his brethren, and all his sisters, and all they that had been of his acquaintance before, and did eat bread with him in his house: and they bemoaned him, and comforted him over all the evil that the LORD had brought upon him: every man also gave him a piece of money, and every one an earring of gold.
11. Les frères, les soeurs, et les anciens amis de Job vinrent tous le visiter, et ils mangèrent avec lui dans sa maison. Ils le plaignirent et le consolèrent de tous les malheurs que l`Éternel avait fait venir sur lui, et chacun lui donna un kesita et un anneau d`or.
11. "Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony, ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran' i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra."
12. So the LORD blessed the latter end of Job more than his beginning: for he had fourteen thousand sheep, and six thousand camels, and a thousand yoke of oxen, and a thousand she asses.
12. Pendant ses dernières années, Job reçut de l`Éternel plus de bénédictions qu`il n`en avait reçu dans les premières. Il posséda quatorze mille brebis, six mille chameaux, mille paires de boeufs, et mille ânesses.
12. Ary Jehovah nitahy ny niafaran' i Joba mihoatra noho ny voalohany, fa nanana ondry efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
13. He had also seven sons and three daughters.
13. Il eut sept fils et trois filles:
13. Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
14. And he called the name of the first, Jemima; and the name of the second, Kezia; and the name of the third, Kerenhappuch.
14. il donna à la première le nom de Jemima, à la seconde celui de Ketsia, et à la troisième celui de Kéren Happuc.
14. Ka ny anaran' ny zokiny nataony hoe Jemina, ary ny anaran' ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran' ny faravavy Kerena-hapoka.
15. And in all the land were no women found so fair as the daughters of Job: and their father gave them inheritance among their brethren.
15. Il n`y avait pas dans tout le pays d`aussi belles femmes que les filles de Job. Leur père leur accorda une part d`héritage parmi leurs frères.
15. "Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin' i Joba hita tany amin' ny tany rehetra; ary niara-nomen-drainy lova tamin' ny anadahiny ireo."
16. After this lived Job an hundred and forty years, and saw his sons, and his sons' sons, even four generations.
16. Job vécut après cela cent quarante ans, et il vit ses fils et les fils de ses fils jusqu`à la quatrième génération.
16. Ary mbola velona efapolo amby zato taona Joba taorian' izany ka nahita ny zanany lahy sy ny zafiny ka hatramin' ny zafindohaliny aza.
17. So Job died, being old and full of days.
17. Et Job mourut âgé et rassasié de jours.
17. Dia maty Joba rehefa tratrantitra ka voky andro.
<
>