1. At this also my heart trembleth, and is moved out of his place.
1. Mon coeur est tout tremblant, Il bondit hors de sa place.
1. Izany koa no mampitempotempo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin' ny fitoerany.
2. Hear attentively the noise of his voice, and the sound that goeth out of his mouth.
2. Écoutez, écoutez le frémissement de sa voix, Le grondement qui sort de sa bouche!
2. Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin' ny vavany.
3. He directeth it under the whole heaven, and his lightning unto the ends of the earth.
3. Il le fait rouler dans toute l`étendue des cieux, Et son éclair brille jusqu`aux extrémités de la terre.
3. Mandefa izany ho eny ambanin' ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin' ny faran' ny tany.
4. After it a voice roareth: he thundereth with the voice of his excellency; and he will not stay them when his voice is heard.
4. "Puis éclate un rugissement: il tonne de sa voix majestueuse; Il ne retient plus l`éclair, dès que sa voix retentit."
4. "Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; mampikotrokorana ny feon' ny fahalehibiazany izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra."
5. God thundereth marvellously with his voice; great things doeth he, which we cannot comprehend.
5. "Dieu tonne avec sa voix d`une manière merveilleuse; Il fait de grandes choses que nous ne comprenons pas."
5. "Mahagaga ny fikotrokotrok' Andriamanitra amin' ny feony; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy."
6. For he saith to the snow, Be thou on the earth; likewise to the small rain, and to the great rain of his strength.
6. Il dit à la neige: Tombe sur la terre! Il le dit à la pluie, même aux plus fortes pluies.
6. "Fa hoy Izy amin' ny orampanala: Milatsaha eny ambonin' ny tany ianao; toy izany koa amin' ny erika sy ny ranonorana mivatravatra amin' ny heriny."
7. He sealeth up the hand of every man; that all men may know his work.
7. Il met un sceau sur la main de tous les hommes, Afin que tous se reconnaissent comme ses créatures.
7. Manisy tombo-kase ny tanan' ny olona rehetra Izy, mba hahalala ny asany ny olombelona rehetra.
8. Then the beasts go into dens, and remain in their places.
8. L`animal sauvage se retire dans une caverne, Et se couche dans sa tanière.
8. Ary miditra ao am-piereny koa ny biby dia ka mamitsaka ao an-davany.
9. Out of the south cometh the whirlwind: and cold out of the north.
9. L`ouragan vient du midi, Et le froid, des vents du nord.
9. Avy any atsimo ny tadio, ary entin' ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
10. By the breath of God frost is given: and the breadth of the waters is straitened.
10. Par son souffle Dieu produit la glace, Il réduit l`espace où se répandaient les eaux.
10. "Ny fofonain' Andriamanitra mahamisy ranomandry; ary noetena ny sakan' ny rano."
11. Also by watering he wearieth the thick cloud: he scattereth his bright cloud:
11. "Il charge de vapeurs les nuages, Il les disperse étincelants;"
11. Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahony mazava dia ampieleziny.
12. And it is turned round about by his counsels: that they may do whatsoever he commandeth them upon the face of the world in the earth.
12. "Leurs évolutions varient selon ses desseins, Pour l`accomplissement de tout ce qu`il leur ordonne, Sur la face de la terre habitée;"
12. Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy izany, hahatanteraka izay rehetra andidiany azy ireo eo ambonin' izao tontolo izao eto an-tany.
13. He causeth it to come, whether for correction, or for his land, or for mercy.
13. C`est comme une verge dont il frappe sa terre, Ou comme un signe de son amour, qu`il les fait apparaître.
13. Izy no mahatonga izany, na ho famaizana, na ho an' ny tany, na ho famindrampo.
14. Hearken unto this, O Job: stand still, and consider the wondrous works of God.
14. Job, sois attentif à ces choses! Considère encore les merveilles de Dieu!
14. Mihainoa izany, ry Joba, mijanòna, ka mba diniho ny asan' Andriamanitra mahagaga.
15. Dost thou know when God disposed them, and caused the light of his cloud to shine?
15. Sais-tu comment Dieu les dirige, Et fait briller son nuage étincelant?
15. Fantatrao va ny fanamboaran' Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselarany ny fahazavan' ny rahony?
16. Dost thou know the balancings of the clouds, the wondrous works of him which is perfect in knowledge?
16. Comprends-tu le balancement des nuées, Les merveilles de celui dont la science est parfaite?
16. Fantatrao va ny fifandanjan' ny rahona, dia ny asa mahagagan' Ilay tanteraka amin' ny fahalalana?
17. How thy garments are warm, when he quieteth the earth by the south wind?
17. Sais-tu pourquoi tes vêtements sont chauds Quand la terre se repose par le vent du midi?
17. Nahoana moa no mafana ny fitafianao raha mampitony ny tany amin' ny rivotra avy any atsimo Izy?
18. Hast thou with him spread out the sky, which is strong, and as a molten looking glass?
18. Peux-tu comme lui étendre les cieux, Aussi solides qu`un miroir de fonte?
18. Moa ianao niara-namelatra taminy ny habakabaka izay mafy toy ny fitaratra an' idina?
19. Teach us what we shall say unto him; for we cannot order our speech by reason of darkness.
19. "Fais-nous connaître ce que nous devons lui dire; Nous sommes trop ignorants pour nous adresser à lui."
19. "Mba ampianaro anay àry izay holazainay aminy; fa tsy hitanay izay halahatray noho ny haizina."
20. Shall it be told him that I speak? if a man speak, surely he shall be swallowed up.
20. Lui annoncera-t-on que je parlerai? Mais quel est l`homme qui désire sa perte?
20. Holazaina aminy va fa miteny aho? raha misy olona miteny, dia hatelina tokoa izy.
21. And now men see not the bright light which is in the clouds: but the wind passeth, and cleanseth them.
21. "On ne peut fixer le soleil qui resplendit dans les cieux, Lorsqu`un vent passe et en ramène la pureté;"
21. "Tsy hita ankehitriny ny mazava, izay mamirapiratra any amin' ny rahona; nefa raha mandalo ny rivotra dia mampisava azy ihany izany."
22. Fair weather cometh out of the north: with God is terrible majesty.
22. Le septentrion le rend éclatant comme l`or. Oh! que la majesté de Dieu est redoutable!
22. "Avy any avaratra ny andro mahafinaritra mitarehim-bolamena; ao amin' Andriamanitra ny fiandrianana mahatahotra."
23. Touching the Almighty, we cannot find him out: he is excellent in power, and in judgment, and in plenty of justice: he will not afflict.
23. Nous ne saurions parvenir jusqu`au Tout Puissant, Grand par la force, Par la justice, par le droit souverain: Il ne répond pas!
23. "Ny momba ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Lehibe amin' ny hery Izy, amin' ny fitsarana ary amin' ny fahamarinana tanteraka: tsy mba hampahory Izy."
24. Men do therefore fear him: he respecteth not any that are wise of heart.
24. "C`est pourquoi les hommes doivent le craindre; Il ne porte les regards sur aucun sage."
24. "Koa izany no hatahoran' ny olona Azy; tsy mijery izay rehetra manao azy ho hendry am-po Izy."
<
>