1. Surely there is a vein for the silver, and a place for gold where they fine it.
1. "Il y a pour l`argent une mine d`où on le fait sortir, Et pour l`or un lieu d`où on l`extrait pour l`affiner;"
1. Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
2. Iron is taken out of the earth, and brass is molten out of the stone.
2. Le fer se tire de la poussière, Et la pierre se fond pour produire l`airain.
2. Ny vy dia alaina avy amin' ny tany, ary ny varahina, arendrika avy amin' ny vato.
3. He setteth an end to darkness, and searcheth out all perfection: the stones of darkness, and the shadow of death.
3. "L`homme fait cesser les ténèbres; Il explore, jusque dans les endroits les plus profonds, Les pierres cachées dans l`obscurité et dans l`ombre de la mort."
3. Manarona ny fahamaizinana izy ary mikatsaka ny fahatanterahana rehetra, dia ny vaton' ny fahamaizinana sy ny aloky ny fahafatesana.
4. The flood breaketh out from the inhabitant; even the waters forgotten of the foot: they are dried up, they are gone away from men.
4. "Il creuse un puits loin des lieux habités; Ses pieds ne lui sont plus en aide, Et il est suspendu, balancé, loin des humains."
4. "Ny tondra-drano dia mipoitra avy amin' ny mponina, dia ny rano tsy diavin' ny tongotra; ritra ireny, lasa nanalavitra ny olombelona."
5. As for the earth, out of it cometh bread: and under it is turned up as it were fire.
5. La terre, d`où sort le pain, Est bouleversée dans ses entrailles comme par le feu.
5. "Ny tany no iavian' ny hanina; ary ny ao ambaniny dia avadika ka tahaka ny afo."
6. The stones of it are the place of sapphires: and it hath dust of gold.
6. Ses pierres contiennent du saphir, Et l`on y trouve de la poudre d`or.
6. Fitoeran' ny safira ny vatony, ary misy vovo-bolamena ao aminy.
7. There is a path which no fowl knoweth, and which the vulture's eye hath not seen:
7. "L`oiseau de proie n`en connaît pas le sentier, L`oeil du vautour ne l`a point aperçu;"
7. Misy lalana tsy fantatry ny voro-manidina, ary tsy hitan' ny mason' ny voltora.
8. The lion's whelps have not trodden it, nor the fierce lion passed by it.
8. Les plus fiers animaux ne l`ont point foulé, Le lion n`y a jamais passé.
8. Tsy nodiavin' ny zana-diona izany ary tsy mbola nalehan' ny liona masiaka.
9. He putteth forth his hand upon the rock; he overturneth the mountains by the roots.
9. "L`homme porte sa main sur le roc, Il renverse les montagnes depuis la racine;"
9. Maninjitra ny tanany amin' ny vatolampy izy ary mamadika ny tendrombohitra hatramin' ny fotony.
10. He cutteth out rivers among the rocks; and his eye seeth every precious thing.
10. "Il ouvre des tranchées dans les rochers, Et son oeil contemple tout ce qu`il y a de précieux;"
10. Manataka ony eo amin' ny vatolampy izy, ary hitan' ny masony izay zava-tsoa rehetra.
11. He bindeth the floods from overflowing; and the thing that is hid bringeth he forth to light.
11. Il arrête l`écoulement des eaux, Et il produit à la lumière ce qui est caché.
11. Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete, ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin' ny mazava.
12. But where shall wisdom be found? and where is the place of understanding?
12. Mais la sagesse, où se trouve-t-elle? Où est la demeure de l`intelligence?
12. Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran' ny fahalalana?
13. Man knoweth not the price thereof; neither is it found in the land of the living.
13. "L`homme n`en connaît point le prix; Elle ne se trouve pas dans la terre des vivants."
13. Tsy misy zanak' olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin' ny tanin' ny velona izany.
14. The depth saith, It is not in me: and the sea saith, It is not with me.
14. "L`abîme dit: Elle n`est point en moi; Et la mer dit: Elle n`est point avec moi."
14. "Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; ary tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina."
15. It cannot be gotten for gold, neither shall silver be weighed for the price thereof.
15. "Elle ne se donne pas contre de l`or pur, Elle ne s`achète pas au poids de l`argent;"
15. "Ny volamena tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;"
16. It cannot be valued with the gold of Ophir, with the precious onyx, or the sapphire.
16. "Elle ne se pèse pas contre l`or d`Ophir, Ni contre le précieux onyx, ni contre le saphir;"
16. Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny onyksa sarobidy sy ny safira.
17. The gold and the crystal cannot equal it: and the exchange of it shall not be for jewels of fine gold.
17. Elle ne peut se comparer à l`or ni au verre, Elle ne peut s`échanger pour un vase d`or fin.
17. "Ny volamena sy ny kristaly tsy azo ampitahaina aminy; ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena tsara izy."
18. No mention shall be made of coral, or of pearls: for the price of wisdom is above rubies.
18. Le corail et le cristal ne sont rien auprès d`elle: La sagesse vaut plus que les perles.
18. "Tsy hotononina akory ny haran-dranomasina sy ny perla; fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny robia."
19. The topaz of Ethiopia shall not equal it, neither shall it be valued with pure gold.
19. La topaze d`Éthiopie n`est point son égale, Et l`or pur n`entre pas en balance avec elle.
19. Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny volamena madio.
20. Whence then cometh wisdom? and where is the place of understanding?
20. D`où vient donc la sagesse? Où est la demeure de l`intelligence?
20. Dia avy aiza àry ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran' ny fahalalana?
21. Seeing it is hid from the eyes of all living, and kept close from the fowls of the air.
21. Elle est cachée aux yeux de tout vivant, Elle est cachée aux oiseaux du ciel.
21. Hita fa miafina amin' ny mason' ny velona rehetra izany ary takona amin' ny voro-manidina eny amin' ny habakabaka.
22. Destruction and death say, We have heard the fame thereof with our ears.
22. Le gouffre et la mort disent: Nous en avons entendu parler.
22. Hoy Ifandringanana sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesanay ny filazana azy.
23. God understandeth the way thereof, and he knoweth the place thereof.
23. "C`est Dieu qui en sait le chemin, C`est lui qui en connaît la demeure;"
23. "Andriamanitra no mahalala ny lalana ho any aminy; Izy no mahafantatra ny itoerany;"
24. For he looketh to the ends of the earth, and seeth under the whole heaven;
24. Car il voit jusqu`aux extrémités de la terre, Il aperçoit tout sous les cieux.
24. Fa Izy no mitsinjo hatramin' ny faran' ny tany, ary mahatazana manerana izao ambanin' ny lanitra rehetra izao,
25. To make the weight for the winds; and he weigheth the waters by measure.
25. Quand il régla le poids du vent, Et qu`il fixa la mesure des eaux,
25. Ka manendry ny lanjan' ny rivotra ary mamatra ny rano amin' ny famarana.
26. When he made a decree for the rain, and a way for the lightning of the thunder:
26. Quand il donna des lois à la pluie, Et qu`il traça la route de l`éclair et du tonnerre,
26. Raha nanao lalana ho an' ny ranonorana Izy sy lalana alehan' ny helatry ny kotrokorana,
27. Then did he see it, and declare it; he prepared it, yea, and searched it out.
27. Alors il vit la sagesse et la manifesta, Il en posa les fondements et la mit à l`épreuve.
27. "Dia nahita ka nanambara izany Izy; nanomana izany Izy sady namantatra azy;"
28. And unto man he said, Behold, the fear of the LORD, that is wisdom; and to depart from evil is understanding.
28. "Puis il dit à l`homme: Voici, la crainte du Seigneur, c`est la sagesse; S`éloigner du mal, c`est l`intelligence."
28. Dia hoy izy tamin' ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena, ary ny fialana amin' ny ratsy no fahalalana.
<
>