1. Why, seeing times are not hidden from the Almighty, do they that know him not see his days?
1. Pourquoi le Tout Puissant ne met-il pas des temps en réserve, Et pourquoi ceux qui le connaissent ne voient-ils pas ses jours?
1. Koa nahoana raha tsy afenin' ny Tsitoha ny fotoana, no tsy hitan' izay mahalala Azy ny androny?
2. Some remove the landmarks; they violently take away flocks, and feed thereof.
2. "On déplace les bornes, On vole des troupeaux, et on les fait paître;"
2. Ny sasany mamindra faritany sy maka an-keriny ondry aman' osy sady mivelona amin' izany.
3. They drive away the ass of the fatherless, they take the widow's ox for a pledge.
3. "On enlève l`âne de l`orphelin, On prend pour gage le boeuf de la veuve;"
3. Mandroaka ny borikin' ny kamboty izy, ary maka ny ombin' ny mpitondratena ho tsatòka.
4. They turn the needy out of the way: the poor of the earth hide themselves together.
4. On repousse du chemin les indigents, On force tous les malheureux du pays à se cacher.
4. "Manosika ny azom-pahoriana hiala amin' ny lalana izy; miara-miery ny mahantra amin' ny tany."
5. Behold, as wild asses in the desert, go they forth to their work; rising betimes for a prey: the wilderness yieldeth food for them and for their children.
5. "Et voici, comme les ânes sauvages du désert, Ils sortent le matin pour chercher de la nourriture, Ils n`ont que le désert pour trouver le pain de leurs enfants;"
5. "Indro, tahaka ny fivoaky ny boriky dia any an' efitra no fivoak' ireny ho amin' ny asany hiremby; ny tani-hay no ahazoany hanina ho azy sy ho an' ny zanany."
6. They reap every one his corn in the field: and they gather the vintage of the wicked.
6. "Ils coupent le fourrage qui reste dans les champs, Ils grappillent dans la vigne de l`impie;"
6. "Mijinja ny varimbazaha avy eny an-tsaha izy; ary manangona ny voaloboky ny ratsy fanahy."
7. They cause the naked to lodge without clothing, that they have no covering in the cold.
7. "Ils passent la nuit dans la nudité, sans vêtement, Sans couverture contre le froid;"
7. "Mampandry ny mitanjaka tsy mitafy izy, ka tsy manana firakotra amin' ny hatsiaka ireny;"
8. They are wet with the showers of the mountains, and embrace the rock for want of a shelter.
8. Ils sont percés par la pluie des montagnes, Et ils embrassent les rochers comme unique refuge.
8. "Kotsan' ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin' ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana;"
9. They pluck the fatherless from the breast, and take a pledge of the poor.
9. On arrache l`orphelin à la mamelle, On prend des gages sur le pauvre.
9. Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin' ny mahantra.
10. They cause him to go naked without clothing, and they take away the sheaf from the hungry;
10. "Ils vont tout nus, sans vêtement, Ils sont affamés, et ils portent les gerbes;"
10. "Mampandeha azy mitanjaka tsy mitafy izy; ary maka ny amboaram-bary amin' ny noana;"
11. Which make oil within their walls, and tread their winepresses, and suffer thirst.
11. "Dans les enclos de l`impie ils font de l`huile, Ils foulent le pressoir, et ils ont soif;"
11. Izay manao diloilo ao anatin' ny tambohony sy manosihosy ny famiazam-boalobony, nefa mangetaheta.
12. Men groan from out of the city, and the soul of the wounded crieth out: yet God layeth not folly to them.
12. Dans les villes s`exhalent les soupirs des mourants, L`âme des blessés jette des cris... Et Dieu ne prend pas garde à ces infamies!
12. "Mitrona ny lehilahy ao an-tanàna, ary mitaraina ny fanahin' ny voalefona; nefa tsy ahoan' Andriamanitra akory ny ratsy ataony."
13. They are of those that rebel against the light; they know not the ways thereof, nor abide in the paths thereof.
13. D`autres sont ennemis de la lumière, Ils n`en connaissent pas les voies, Ils n`en pratiquent pas les sentiers.
13. "Ireny no mpikomy amin' ny mazava; tsy mba mahalala ny lalana izy, na mitoetra amin' ny alehany."
14. The murderer rising with the light killeth the poor and needy, and in the night is as a thief.
14. L`assassin se lève au point du jour, Tue le pauvre et l`indigent, Et il dérobe pendant la nuit.
14. Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona, ka mamono ny mahantra sy azom-pahasahiranana, ary nony alina dia tahaka ny mpangalatra.
15. The eye also of the adulterer waiteth for the twilight, saying, No eye shall see me: and disguiseth his face.
15. "L`oeil de l`adultère épie le crépuscule; Personne ne me verra, dit-il, Et il met un voile sur sa figure."
15. Ny mason' ny mpijangajanga koa dia miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: tsy misy mahita ahy: dia mampiova ny endriny izy.
16. In the dark they dig through houses, which they had marked for themselves in the daytime: they know not the light.
16. "La nuit ils forcent les maisons, Le jour ils se tiennent enfermés; Ils ne connaissent pas la lumière."
16. "Nony maizina izy dia manamy trano izay efa nomarihiny tamin' ny andro mazava; tsy mahalala ny mazava izy."
17. For the morning is to them even as the shadow of death: if one know them, they are in the terrors of the shadow of death.
17. Pour eux, le matin c`est l`ombre de la mort, Ils en éprouvent toutes les terreurs.
17. "Fa ny maraina amin' izy ireo dia toy ny aloky ny fahafatesana; raha misy mahalala azy, dia ao amin' ny tahotry ny aloky ny fahafatesana izy."
18. He is swift as the waters; their portion is cursed in the earth: he beholdeth not the way of the vineyards.
18. Eh quoi! l`impie est d`un poids léger sur la face des eaux, Il n`a sur la terre qu`une part maudite, Il ne prend jamais le chemin des vignes!
18. "Mailaka toy ny rano izy; voaozona ny anjarany eo amin' ny tany; tsy mahita ny lalana mankany amin' ny tanimboaloboka izy."
19. Drought and heat consume the snow waters: so doth the grave those which have sinned.
19. Comme la sécheresse et la chaleur absorbent les eaux de la neige, Ainsi le séjour des morts engloutit ceux qui pèchent!
19. Toy ny andevonan' ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan' ny fasana izay nanota.
20. The womb shall forget him; the worm shall feed sweetly on him; he shall be no more remembered; and wickedness shall be broken as a tree.
20. Quoi! le sein maternel l`oublie, Les vers en font leurs délices, On ne se souvient plus de lui! L`impie est brisé comme un arbre,
20. "Hanadino azy ny vohoka; hanjary hanim-py ho an' ny olitra izy; tsy hotsarovana intsony izy; ary ho tapaka tahaka ny hazo ny faharatsiana."
21. He evil entreateth the barren that beareth not: and doeth not good to the widow.
21. Lui qui dépouille la femme stérile et sans enfants, Lui qui ne répand aucun bienfait sur la veuve!...
21. "Manisy ratsy ny momba izay tsy niteraka izy; ary tsy manisy soa ny mpitondratena."
22. He draweth also the mighty with his power: he riseth up, and no man is sure of life.
22. "Non! Dieu par sa force prolonge les jours des violents, Et les voilà debout quand ils désespéraient de la vie;"
22. "Misintona ny mahery amin' ny heriny koa izy; mifoha izy ka tsy misy mahazo antoka ny fiainana."
23. Though it be given him to be in safety, whereon he resteth; yet his eyes are upon their ways.
23. Il leur donne de la sécurité et de la confiance, Il a les regards sur leurs voies.
23. Na dia mandry fahizay sy miadana aza izy, ny masony dia mitsinjo ny lalany ihany.
24. They are exalted for a little while, but are gone and brought low; they are taken out of the way as all other, and cut off as the tops of the ears of corn.
24. "Ils se sont élevés; et en un instant ils ne sont plus, Ils tombent, ils meurent comme tous les hommes, Ils sont coupés comme la tête des épis."
24. "Nasandratra vetivety izy, kanjo lasa sy naetry ambany; nesorina tahaka ny olona rehetra izy, ary notangosana tahaka ny laingon’ny salohim-barimbazaha."
25. And if it be not so now, who will make me a liar, and make my speech nothing worth?
25. S`il n`en est pas ainsi, qui me démentira, Qui réduira mes paroles à néant?
25. Ary raha tsy izany, dia iza no hampandainga ahy, ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona?
<
>