A Linen Belt

1. Thus saith the LORD unto me, Go and get thee a linen girdle, and put it upon thy loins, and put it not in water.
1. "Ainsi m`a parlé l`Éternel: Va, achète-toi une ceinture de lin, et mets-la sur tes reins; mais ne la trempe pas dans l`eau."
1. Izao no nolazain' i Jehovah tamiko: Andeha maka fehikibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
2. So I got a girdle according to the word of the LORD, and put it on my loins.
2. J`achetai la ceinture, selon la parole de l`Éternel, et je la mis sur mes reins.
2. Dia naka fehikibo aho araka ny tenin' i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
3. And the word of the LORD came unto me the second time, saying,
3. La parole de l`Éternel me fut adressée une seconde fois, en ces mots:
3. Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin' i Jehovah hoe:
4. Take the girdle that thou hast got, which is upon thy loins, and arise, go to Euphrates, and hide it there in a hole of the rock.
4. "Prends la ceinture que tu as achetée, et qui est sur tes reins; lève-toi, va vers l`Euphrate, et là, cache-la dans la fente d`un rocher."
4. Ento ny fehikibo izay nalainao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangàna mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-davabato izany.
5. So I went, and hid it by Euphrates, as the LORD commanded me.
5. J`allai, et je la cachai près de l`Euphrate, comme l`Éternel me l`avait ordonné.
5. Koa dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron' i Eofrata izany, araka ny nandidian' i Jehovah ahy.
6. And it came to pass after many days, that the LORD said unto me, Arise, go to Euphrates, and take the girdle from thence, which I commanded thee to hide there.
6. Plusieurs jours après, l`Éternel me dit: Lève-toi, va vers l`Euphrate, et là, prends la ceinture que je t`avais ordonné d`y cacher.
6. Ary izao no niseho, nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangàna ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehikibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
7. Then I went to Euphrates, and digged, and took the girdle from the place where I had hid it: and, behold, the girdle was marred, it was profitable for nothing.
7. "J`allai vers l`Euphrate, je fouillai, et je pris la ceinture dans le lieu où je l`avais cachée; mais voici, la ceinture était gâtée, elle n`était plus bonne à rien."
7. "Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin' ny fitoerana nanafenako azy ilay fehikibo; kanjo, indro, simba ny fehikibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony."
8. Then the word of the LORD came unto me, saying,
8. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
8. Dia tonga tamiko ny tenin' i Jehovah hoe:
9. Thus saith the LORD, After this manner will I mar the pride of Judah, and the great pride of Jerusalem.
9. Ainsi parle l`Éternel: C`est ainsi que je détruirai l`orgueil de Juda Et l`orgueil immense de Jérusalem.
9. Izao no lazain' i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon' ny Joda sy ny haben' ny avonavon' i Jerosalema.
10. This evil people, which refuse to hear my words, which walk in the imagination of their heart, and walk after other gods, to serve them, and to worship them, shall even be as this girdle, which is good for nothing.
10. Ce méchant peuple, qui refuse d`écouter mes paroles, Qui suit les penchants de son coeur, Et qui va après d`autres dieux, Pour les servir et se prosterner devant eux, Qu`il devienne comme cette ceinture, Qui n`est plus bonne à rien!
10. "Ity firenena ratsy ity, izay mandà tsy hihaino ny teniko, fa mandeha amin' ny fisainan' ny fony ka manaraka andriamani-kafa; mba hanompo sy hiankohoka aminy, dia ho tahaka ity fehikibo ity, izay tsy mahasoa na amin' inona na amin' inona."
11. For as the girdle cleaveth to the loins of a man, so have I caused to cleave unto me the whole house of Israel and the whole house of Judah, saith the LORD; that they might be unto me for a people, and for a name, and for a praise, and for a glory: but they would not hear.
11. Car comme on attache la ceinture aux reins d`un homme, Ainsi je m`étais attaché toute la maison d`Israël Et toute la maison de Juda, dit l`Éternel, Afin qu`elles fussent mon peuple, Mon nom, ma louange, et ma gloire. Mais ils ne m`ont point écouté.
11. "Fa toy ny firaikitry ny fehikibo amin' ny valahan' ny olona no nampiraiketako ny taranak' Isiraely sy ny taranak' i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny; kanjo tsy nety nihaino izy."

Wineskins

12. Therefore thou shalt speak unto them this word; Thus saith the LORD God of Israel, Every bottle shall be filled with wine: and they shall say unto thee, Do we not certainly know that every bottle shall be filled with wine?
12. Tu leur diras cette parole: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu d`Israël: Tous les vases seront remplis de vin. Et ils te diront: Ne savons-nous pas Que tous les vases seront remplis de vin?
12. "Koa izao teny izao no lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia hofenoina divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa hofenoina divay ny tavoara rehetra?"
13. Then shalt thou say unto them, Thus saith the LORD, Behold, I will fill all the inhabitants of this land, even the kings that sit upon David's throne, and the priests, and the prophets, and all the inhabitants of Jerusalem, with drunkenness.
13. Alors dis-leur: Ainsi parle l`Éternel: Voici, je remplirai tous les habitants de ce pays, Les rois qui sont assis sur le trône de David, Les sacrificateurs, les prophètes, et tous les habitants de Jérusalem, Je les remplirai d`ivresse.
13. Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain' Jehovah: Indro, hofenoiko fahamamoana ny mponina rehetra amin' ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka amin' ny sezafiandrianan' i Davida sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.
14. And I will dash them one against another, even the fathers and the sons together, saith the LORD: I will not pity, nor spare, nor have mercy, but destroy them.
14. "Je les briserai les uns contre les autres, Les pères et les fils ensemble, dit l`Éternel; Je n`épargnerai pas, je n`aurai point de pitié, point de miséricorde, Rien ne m`empêchera de les détruire."
14. "Ampifameleziko izy, dia ny ray mbamin' ny zanany, hoy Jehovah; tsy hiantra Aho na hitsitsy, na hamindra fo, fa handringana azy."

Threat of Captivity

15. Hear ye, and give ear; be not proud: for the LORD hath spoken.
15. Écoutez et prêtez l`oreille! Ne soyez point orgueilleux! Car l`Éternel parle.
15. "Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; fa Jehovah no niteny."
16. Give glory to the LORD your God, before he cause darkness, and before your feet stumble upon the dark mountains, and, while ye look for light, he turn it into the shadow of death, and make it gross darkness.
16. "Rendez gloire à l`Éternel, votre Dieu, Avant qu`il fasse venir les ténèbres, Avant que vos pieds heurtent contre les montagnes de la nuit; Vous attendrez la lumière, Et il la changera en ombre de la mort, Il la réduira en obscurité profonde."
16. Manomeza voninahitra an' i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin' ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho haizim-pito.
17. But if ye will not hear it, my soul shall weep in secret places for your pride; and mine eye shall weep sore, and run down with tears, because the LORD's flock is carried away captive.
17. "Si vous n`écoutez pas, Je pleurerai en secret, à cause de votre orgueil; Mes yeux fondront en larmes, Parce que le troupeau de l`Éternel sera emmené captif."
17. "Fa raha tsy hihaino izany ianareo, dia hitomany any amin' ny toerana mangingina ny fanahiko noho ny amin' ny fiavonavonanareo; ary ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be satria entina ho babo ny ondrin' i Jehovah."
18. Say unto the king and to the queen, Humble yourselves, sit down: for your principalities shall come down, even the crown of your glory.
18. Dis au roi et à la reine: Asseyez-vous à terre! Car il est tombé de vos têtes, Le diadème qui vous servait d`ornement.
18. Lazao amin' ny mpanjaka lahy sy mpanjaka vavy hoe: Manetre tena, mitombena amin' ny tany, fa ho afaka ny fanapahanareo, dia ny satroboninahitry ny voninahitrareo.
19. The cities of the south shall be shut up, and none shall open them: Judah shall be carried away captive all of it, it shall be wholly carried away captive.
19. "Les villes du midi sont fermées, Il n`y a personne pour ouvrir; Tout Juda est emmené captif, Il est emmené tout entier captif."
19. "Harindrina ny tanàna any amin' ny tany atsimo, ka tsy hisy hamoha; ho lasan-ko babo ny Joda rehetra, ho lasan-ko babo avokoa izy rehetra."
20. Lift up your eyes, and behold them that come from the north: where is the flock that was given thee, thy beautiful flock?
20. Lève tes yeux et regarde Ceux qui viennent du septentrion. Où est le troupeau qui t`avait été donné, Le troupeau qui faisait ta gloire?
20. "Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?"
21. What wilt thou say when he shall punish thee? for thou hast taught them to be captains, and as chief over thee: shall not sorrows take thee, as a woman in travail?
21. Que diras-tu de ce qu`il te châtie? C`est toi-même qui leur as appris à te traiter en maîtres. Les douleurs ne te saisiront-elles pas, Comme elles saisissent une femme en travail?
21. Ahoana re no holazainao raha hanafay anao izy? Fa nampianatra azy ho mpifehy ianao, ary ho mpanapaka anao, tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy mihetsi-jaza?
22. And if thou say in thine heart, Wherefore come these things upon me? For the greatness of thine iniquity are thy skirts discovered, and thy heels made bare.
22. Si tu dis en ton coeur: Pourquoi cela m`arrive-t-il? C`est à cause de la multitude de tes iniquités Que les pans de tes habits sont relevés, Et que tes talons sont violemment mis à nu.
22. Ary raha manao anakampo ianao hoe: Ahoana no nahatonga izao zavatra izao tamiko? Noho ny haben' ny helokao no nampiaingana ny morontongotr' akanjonao sy nanehoana ny ombelahin-tongotrao.
23. Can the Ethiopian change his skin, or the leopard his spots? then may ye also do good, that are accustomed to do evil.
23. Un Éthiopien peut-il changer sa peau, Et un léopard ses taches? De même, pourriez-vous faire le bien, Vous qui êtes accoutumés à faire le mal?
23. Moa va mahova ny hodiny ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Koa afaka hanao ny tsara moa ianareo izay zatra nanao ratsy.
24. Therefore will I scatter them as the stubble that passeth away by the wind of the wilderness.
24. Je les disperserai, comme la paille emportée Par le vent du désert.
24. Noho izany, dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin' ny rivotra avy any an' efitra.
25. This is thy lot, the portion of thy measures from me, saith the LORD; because thou hast forgotten me, and trusted in falsehood.
25. Voilà ton sort, la part que je te mesure, Dit l`Éternel, Parce que tu m`as oublié, Et que tu as mis ta confiance dans le mensonge.
25. Izany no anjaranao, dia ampahan' ny fatranao avy amiko hoy Jehovah, satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin' ny lainga.
26. Therefore will I discover thy skirts upon thy face, that thy shame may appear.
26. Je relèverai tes pans jusque sur ton visage, Afin qu`on voie ta honte.
26. Noho izany, dia hampiainga ny morontongotr' akanjonao ho any amin' ny tavanao Aho mba hisehoan' ny henatrao.
27. I have seen thine adulteries, and thy neighings, the lewdness of thy whoredom, and thine abominations on the hills in the fields. Woe unto thee, O Jerusalem! wilt thou not be made clean? when shall it once be?
27. J`ai vu tes adultères et tes hennissements, Tes criminelles prostitutions sur les collines et dans les champs, J`ai vu tes abominations. Malheur à toi, Jérusalem! Jusques à quand tarderas-tu à te purifier?
27. Efa hitako ny fijanganjanganao sy ny fanenonao, ny faharatsian' ny fijangajanganao ary ny fahavetavetanao eny amin' ny havoana any an-tsaha. Loza ho anao ry Jerosalema! mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?
<
>