1. Then Pilate therefore took Jesus, and scourged him.
1. Alors Pilate prit Jésus, et le fit battre de verges.
1. Ary tamin' izany dia nalain' i Pilato Jesosy ka nokapohiny.
2. And the soldiers platted a crown of thorns, and put it on his head, and they put on him a purple robe,
2. "Les soldats tressèrent une couronne d`épines qu`ils posèrent sur sa tête, et ils le revêtirent d`un manteau de pourpre; puis, s`approchant de lui,"
2. Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiany lamba volomparasy Izy,
3. And said, Hail, King of the Jews! and they smote him with their hands.
3. ils disaient: Salut, roi des Juifs! Et ils lui donnaient des soufflets.
3. Dia nanatona Azy ireo, ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan' ny Jiosy! sady namely tehamaina Azy ireo.
4. Pilate therefore went forth again, and saith unto them, Behold, I bring him forth to you, that ye may know that I find no fault in him.
4. Pilate sortit de nouveau, et dit aux Juifs: Voici, je vous l`amène dehors, afin que vous sachiez que je ne trouve en lui aucun crime.
4. Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
5. Then came Jesus forth, wearing the crown of thorns, and the purple robe. And Pilate saith unto them, Behold the man!
5. Jésus sortit donc, portant la couronne d`épines et le manteau de pourpre. Et Pilate leur dit: Voici l`homme.
5. Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy.Dia hoy Pilato tamin' ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!
6. When the chief priests therefore and officers saw him, they cried out, saying, Crucify him, crucify him. Pilate saith unto them, Take ye him, and crucify him: for I find no fault in him.
6. "Lorsque les principaux sacrificateurs et les huissiers le virent, ils s`écrièrent: Crucifie! crucifie! Pilate leur dit: Prenez-le vous-mêmes, et crucifiez-le; car moi, je ne trouve point de crime en lui."
6. "Ary rehefa hitan' ny lohan' ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin' ny hazofijaliana Izy! homboy amin' ny hazofijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: entonareo Izy, ka homboy amin' ny hazofijaliana; fa tsy mahita heloka aminy aho."
7. The Jews answered him, We have a law, and by our law he ought to die, because he made himself the Son of God.
7. "Les Juifs lui répondirent: Nous avons une loi; et, selon notre loi, il doit mourir, parce qu`il s`est fait Fils de Dieu."
7. Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalànay izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak' Andriamanitra.
8. When Pilate therefore heard that saying, he was the more afraid;
8. Quand Pilate entendit cette parole, sa frayeur augmenta.
8. Ary nony ren' i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy,
9. And went again into the judgment hall, and saith unto Jesus, Whence art thou? But Jesus gave him no answer.
9. Il rentra dans le prétoire, et il dit à Jésus: D`où es-tu? Mais Jésus ne lui donna point de réponse.
9. Dia niditra tao amin' ny efitra fitsarana indray izy ka nanao tamin' i Jesosy hoe: Avy aiza moa Ianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy.
10. Then saith Pilate unto him, Speakest thou not unto me? knowest thou not that I have power to crucify thee, and have power to release thee?
10. Pilate lui dit: Est-ce à moi que tu ne parles pas? Ne sais-tu pas que j`ai le pouvoir de te crucifier, et que j`ai le pouvoir de te relâcher?
10. Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Ianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin' ny hazofijaliana koa?
11. Jesus answered, Thou couldest have no power at all against me, except it were given thee from above: therefore he that delivered me unto thee hath the greater sin.
11. Jésus répondit: Tu n`aurais sur moi aucun pouvoir, s`il ne t`avait été donné d`en haut. C`est pourquoi celui qui me livre à toi commet un plus grand péché.
11. Jesosy namaly azy hoe: Tsy manana fahefana amiko akory Ianao, raha tsy nomena anao avy any ambony izany, koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.
12. And from thenceforth Pilate sought to release him: but the Jews cried out, saying, If thou let this man go, thou art not Caesar's friend: whosoever maketh himself a king speaketh against Caesar.
12. Dès ce moment, Pilate cherchait à le relâcher. Mais les Juifs criaient: Si tu le relâches, tu n`es pas ami de César. Quiconque se fait roi se déclare contre César.
12. "Ary hatramin' izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan' i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an' i Kaisara."
13. When Pilate therefore heard that saying, he brought Jesus forth, and sat down in the judgment seat in a place that is called the Pavement, but in the Hebrew, Gabbatha.
13. "Pilate, ayant entendu ces paroles, amena Jésus dehors; et il s`assit sur le tribunal, au lieu appelé le Pavé, et en hébreu Gabbatha."
13. Ary rehefa ren' i Pilato izany teny izany, dia nitondra an' i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin' ny seza fitsarana teo amin' ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin' ny teny Hebreo Gabata.
14. And it was the preparation of the passover, and about the sixth hour: and he saith unto the Jews, Behold your King!
14. C`était la préparation de la Pâque, et environ la sixième heure. Pilate dit aux Juifs: Voici votre roi.
14. "Ary andro fiomanana amin' ny Paska ny andro, tokony ho tamin' ny ora fahenina; dia hoy izy tamin' ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!"
15. But they cried out, Away with him, away with him, crucify him. Pilate saith unto them, Shall I crucify your King? The chief priests answered, We have no king but Caesar.
15. Mais ils s`écrièrent: Ote, ôte, crucifie-le! Pilate leur dit: Crucifierai-je votre roi? Les principaux sacrificateurs répondirent: Nous n`avons de roi que César.
15. Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin' ny hazofijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin' ny hazofijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan' ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
16. Then delivered he him therefore unto them to be crucified. And they took Jesus, and led him away.
16. Alors il le leur livra pour être crucifié. Ils prirent donc Jésus, et l`emmenèrent.
16. Ary tamin' izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin' ny hazofijaliana. Dia noraisin' ireo Jesosy ka nentiny.
17. And he bearing his cross went forth into a place called the place of a skull, which is called in the Hebrew Golgotha:
17. Jésus, portant sa croix, arriva au lieu du crâne, qui se nomme en hébreu Golgotha.
17. "Ary nitondra ny hazofijaliany Izy, dia nankany amin' ny toerana atao hoe Ikarandoha, izay atao amin' ny teny Hebreo hoe Golgota;"
18. Where they crucified him, and two other with him, on either side one, and Jesus in the midst.
18. C`est là qu`il fut crucifié, et deux autres avec lui, un de chaque côté, et Jésus au milieu.
18. Teo no nanomboany Azy tamin' ny hazofijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.
19. And Pilate wrote a title, and put it on the cross. And the writing was, JESUS OF NAZARETH THE KING OF THE JEWS.
19. Pilate fit une inscription, qu`il plaça sur la croix, et qui était ainsi conçue: Jésus de Nazareth, roi des Juifs.
19. Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin' ny hazofijaliana. Ary izao no voasoratra: Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan' ny Jiosy.
20. This title then read many of the Jews: for the place where Jesus was crucified was nigh to the city: and it was written in Hebrew, and Greek, and Latin.
20. Beaucoup de Juifs lurent cette inscription, parce que le lieu où Jésus fut crucifié était près de la ville: elle était en hébreu, en grec et en latin.
20. Ary izany teny izany dia novakin' ny Jiosy maro, fa akaikin' ny tanàna ny toerana izay nanomboana an' i Jesosy tamin' ny hazofijaliana: ary voasoratra amin' ny teny Hebreo sy Grika ary Latina izany.
21. Then said the chief priests of the Jews to Pilate, Write not, The King of the Jews; but that he said, I am King of the Jews.
21. Les principaux sacrificateurs des Juifs dirent à Pilate: N`écris pas: Roi des Juifs. Mais écris qu`il a dit: Je suis roi des Juifs.
21. "Ary noho izany ny lohan' ny mpisorona tamin' ny Jiosy dia nanao tamin' i Pilato hoe: Aza soratana hoe: Mpanjakan' ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan' ny Jiosy Aho."
22. Pilate answered, What I have written I have written.
22. Pilate répondit: Ce que j`ai écrit, je l`ai écrit.
22. Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
23. Then the soldiers, when they had crucified Jesus, took his garments, and made four parts, to every soldier a part; and also his coat: now the coat was without seam, woven from the top throughout.
23. Les soldats, après avoir crucifié Jésus, prirent ses vêtements, et ils en firent quatre parts, une part pour chaque soldat. Ils prirent aussi sa tunique, qui était sans couture, d`un seul tissu depuis le haut jusqu`en bas. Et ils dirent entre eux:
23. "Ary rehefa voahombon' ny miaramila tamin' ny hazofijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany."
24. They said therefore among themselves, Let us not rend it, but cast lots for it, whose it shall be: that the scripture might be fulfilled, which saith, They parted my raiment among them, and for my vesture they did cast lots. These things therefore the soldiers did.
24. Ne la déchirons pas, mais tirons au sort à qui elle sera. Cela arriva afin que s`accomplît cette parole de l`Écriture: Ils se sont partagé mes vêtements, Et ils ont tiré au sort ma tunique. Voilà ce que firent les soldats.
24. "Dia nifampiresaka izy hoe: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an' izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Izany zavatra izany no nataon' ny miaramila."
25. Now there stood by the cross of Jesus his mother, and his mother's sister, Mary the wife of Cleophas, and Mary Magdalene.
25. Près de la croix de Jésus se tenaient sa mère et la soeur de sa mère, Marie, femme de Clopas, et Marie de Magdala.
25. Ary nijanona teo akaikin' ny hazofijalian' i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin' i Klopa, sy Maria Magdalena.
26. When Jesus therefore saw his mother, and the disciple standing by, whom he loved, he saith unto his mother, Woman, behold thy son!
26. Jésus, voyant sa mère, et auprès d`elle le disciple qu`il aimait, dit à sa mère: Femme, voilà ton fils.
26. Ary nony hitan' i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin' ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
27. Then saith he to the disciple, Behold thy mother! And from that hour that disciple took her unto his own home.
27. Puis il dit au disciple: Voilà ta mère. Et, dès ce moment, le disciple la prit chez lui.
27. Ary hoy koa Izy tamin' ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin' izany ora izany dia noraisin' ilay mpianatra ho any aminy izy.
28. After this, Jesus knowing that all things were now accomplished, that the scripture might be fulfilled, saith, I thirst.
28. Après cela, Jésus, qui savait que tout était déjà consommé, dit, afin que l`Écriture fût accomplie: J`ai soif.
28. Ary rehefa afaka izany, dia fantatr' i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin' izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.
29. Now there was set a vessel full of vinegar: and they filled a spunge with vinegar, and put it upon hyssop, and put it to his mouth.
29. Il y avait là un vase plein de vinaigre. Les soldats en remplirent une éponge, et, l`ayant fixée à une branche d`hysope, ils l`approchèrent de sa bouche.
29. "Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin' ny hysopa ka nataony tamin' ny vavany."
30. When Jesus therefore had received the vinegar, he said, It is finished: and he bowed his head, and gave up the ghost.
30. Quand Jésus eut pris le vinaigre, il dit: Tout est accompli. Et, baissant la tête, il rendit l`esprit.
30. "Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy, ka nanolotra ny fanahiny."
31. The Jews therefore, because it was the preparation, that the bodies should not remain upon the cross on the sabbath day, (for that sabbath day was an high day,) besought Pilate that their legs might be broken, and that they might be taken away.
31. Dans la crainte que les corps ne restassent sur la croix pendant le sabbat, -car c`était la préparation, et ce jour de sabbat était un grand jour, -les Juifs demandèrent à Pilate qu`on rompît les jambes aux crucifiés, et qu`on les enlevât.
31. Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin' i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon' ireo, ary hoesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro sabata eo amin' ny hazofijaliana (satria andro lehibe izany sabata izany).
32. Then came the soldiers, and brake the legs of the first, and of the other which was crucified with him.
32. Les soldats vinrent donc, et ils rompirent les jambes au premier, puis à l`autre qui avait été crucifié avec lui.
32. Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon' ny voalohany sy ny an' ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin' i Jesosy tamin' ny hazofijaliana.
33. But when they came to Jesus, and saw that he was dead already, they brake not his legs:
33. "S`étant approchés de Jésus, et le voyant déjà mort, ils ne lui rompirent pas les jambes;"
33. Fa nony nankeo amin' i Jesosy izy ireo, ka hitany fa efa maty sahady Izy, dia tsy mba notapahiny ny ranjony.
34. But one of the soldiers with a spear pierced his side, and forthwith came there out blood and water.
34. mais un des soldats lui perça le côté avec une lance, et aussitôt il sortit du sang et de l`eau.
34. Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin' izay dia nisy rà sy rano nandeha.
35. And he that saw it bare record, and his record is true: and he knoweth that he saith true, that ye might believe.
35. "Celui qui l`a vu en a rendu témoignage, et son témoignage est vrai; et il sait qu`il dit vrai, afin que vous croyiez aussi."
35. "Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara,ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa."
36. For these things were done, that the scripture should be fulfilled, A bone of him shall not be broken.
36. Ces choses sont arrivées, afin que l`Écriture fût accomplie: Aucun de ses os ne sera brisé.
36. Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany.
37. And again another scripture saith, They shall look on him whom they pierced.
37. Et ailleurs l`Écriture dit encore: Ils verront celui qu`ils ont percé.
37. Ary hoy koa ny teny iray ao amin' ny Soratra Masina: Hijery Izay nolefoniny izy.
38. And after this Joseph of Arimathaea, being a disciple of Jesus, but secretly for fear of the Jews, besought Pilate that he might take away the body of Jesus: and Pilate gave him leave. He came therefore, and took the body of Jesus.
38. Après cela, Joseph d`Arimathée, qui était disciple de Jésus, mais en secret par crainte des Juifs, demanda à Pilate la permission de prendre le corps de Jésus. Et Pilate le permit. Il vint donc, et prit le corps de Jésus.
38. Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr' i Jesosy izy, nefa tamin' ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin' i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin' i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka naka ny fatin' i Jesosy.
39. And there came also Nicodemus, which at the first came to Jesus by night, and brought a mixture of myrrh and aloes, about an hundred pound weight.
39. Nicodème, qui auparavant était allé de nuit vers Jésus, vint aussi, apportant un mélange d`environ cent livres de myrrhe et d`aloès.
39. Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin' i Jesosy nony alina tamin' ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.
40. Then took they the body of Jesus, and wound it in linen clothes with the spices, as the manner of the Jews is to bury.
40. Ils prirent donc le corps de Jésus, et l`enveloppèrent de bandes, avec les aromates, comme c`est la coutume d`ensevelir chez les Juifs.
40. Dia noraisin' ireo ny fatin' i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin' ny zava-manitra, araka ny fanaon' ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.
41. Now in the place where he was crucified there was a garden; and in the garden a new sepulchre, wherein was never man yet laid.
41. Or, il y avait un jardin dans le lieu où Jésus avait été crucifié, et dans le jardin un sépulcre neuf, où personne encore n`avait été mis.
41. "Ary nisy saha teo amin' ilay nanomboana Azy tamin' ny hazofijaliana; ary teo anatin' ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona."
42. There laid they Jesus therefore because of the Jews' preparation day; for the sepulchre was nigh at hand.
42. Ce fut là qu`ils déposèrent Jésus, à cause de la préparation des Juifs, parce que le sépulcre était proche.
42. Ary teo no nandevenany an' i Jesosy noho ny andro fiomanan' ny Jiosy, satria akaiky ny fasana.
<
>