1. I am the true vine, and my Father is the husbandman.
1. Je suis le vrai cep, et mon Père est le vigneron.
1. Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
2. Every branch in me that beareth not fruit he taketh away: and every branch that beareth fruit, he purgeth it, that it may bring forth more fruit.
2. "Tout sarment qui est en moi et qui ne porte pas de fruit, il le retranche; et tout sarment qui porte du fruit, il l`émonde, afin qu`il porte encore plus de fruit."
2. "Ny sampany rehetra eo Amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia dioviny mba hamoa bebe kokoa."
3. Now ye are clean through the word which I have spoken unto you.
3. Déjà vous êtes purs, à cause de la parole que je vous ai annoncée.
3. Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko izay nolazaiko taminareo.
4. Abide in me, and I in you. As the branch cannot bear fruit of itself, except it abide in the vine; no more can ye, except ye abide in me.
4. Demeurez en moi, et je demeurerai en vous. Comme le sarment ne peut de lui-même porter du fruit, s`il ne demeure attaché au cep, ainsi vous ne le pouvez non plus, si vous ne demeurez en moi.
4. Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin' ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.
5. I am the vine, ye are the branches: He that abideth in me, and I in him, the same bringeth forth much fruit: for without me ye can do nothing.
5. Je suis le cep, vous êtes les sarments. Celui qui demeure en moi et en qui je demeure porte beaucoup de fruit, car sans moi vous ne pouvez rien faire.
5. "Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha tsy misy Ahy ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona."
6. If a man abide not in me, he is cast forth as a branch, and is withered; and men gather them, and cast them into the fire, and they are burned.
6. "Si quelqu`un ne demeure pas en moi, il est jeté dehors, comme le sarment, et il sèche; puis on ramasse les sarments, on les jette au feu, et ils brûlent."
6. "Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may."
7. If ye abide in me, and my words abide in you, ye shall ask what ye will, and it shall be done unto you.
7. Si vous demeurez en moi, et que mes paroles demeurent en vous, demandez ce que vous voudrez, et cela vous sera accordé.
7. Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
8. Herein is my Father glorified, that ye bear much fruit; so shall ye be my disciples.
8. Si vous portez beaucoup de fruit, c`est ainsi que mon Père sera glorifié, et que vous serez mes disciples.
8. Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
9. As the Father hath loved me, so have I loved you: continue ye in my love.
9. Comme le Père m`a aimé, je vous ai aussi aimés. Demeurez dans mon amour.
9. "Tahaka ny nitiavan' ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin' ny fitiavako ianareo."
10. If ye keep my commandments, ye shall abide in my love; even as I have kept my Father's commandments, and abide in his love.
10. Si vous gardez mes commandements, vous demeurerez dans mon amour, de même que j`ai gardé les commandements de mon Père, et que je demeure dans son amour.
10. Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin' ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin' ny Raiko sy ny itoerako amin' ny fitiavany.
11. These things have I spoken unto you, that my joy might remain in you, and that your joy might be full.
11. Je vous ai dit ces choses, afin que ma joie soit en vous, et que votre joie soit parfaite.
11. Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba haharitra ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
12. This is my commandment, That ye love one another, as I have loved you.
12. C`est ici mon commandement: Aimez-vous les uns les autres, comme je vous ai aimés.
12. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
13. Greater love hath no man than this, that a man lay down his life for his friends.
13. Il n`y a pas de plus grand amour que de donner sa vie pour ses amis.
13. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
14. Ye are my friends, if ye do whatsoever I command you.
14. Vous êtes mes amis, si vous faites ce que je vous commande.
14. Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
15. Henceforth I call you not servants; for the servant knoweth not what his lord doeth: but I have called you friends; for all things that I have heard of my Father I have made known unto you.
15. "Je ne vous appelle plus serviteurs, parce que le serviteur ne sait pas ce que fait son maître; mais je vous ai appelés amis, parce que je vous ai fait connaître tout ce que j`ai appris de mon Père."
15. "Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon' ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin' ny Raiko no nambarako taminareo."
16. Ye have not chosen me, but I have chosen you, and ordained you, that ye should go and bring forth fruit, and that your fruit should remain: that whatsoever ye shall ask of the Father in my name, he may give it you.
16. "Ce n`est pas vous qui m`avez choisi; mais moi, je vous ai choisis, et je vous ai établis, afin que vous alliez, et que vous portiez du fruit, et que votre fruit demeure, afin que ce que vous demanderez au Père en mon nom, il vous le donne."
16. "Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan' ny vokatrareo; koa na inona na inona no hangatahinareo amin' ny Ray amin' ny anarako, dia omeny anareo."
17. These things I command you, that ye love one another.
17. Ce que je vous commande, c`est de vous aimer les uns les autres.
17. Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.
18. If the world hate you, ye know that it hated me before it hated you.
18. Si le monde vous hait, sachez qu`il m`a haï avant vous.
18. Raha halan' izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohan' ny nankahalany anareo.
19. If ye were of the world, the world would love his own: but because ye are not of the world, but I have chosen you out of the world, therefore the world hateth you.
19. "Si vous étiez du monde, le monde aimerait ce qui est à lui; mais parce que vous n`êtes pas du monde, et que je vous ai choisis du milieu du monde, à cause de cela le monde vous hait."
19. Raha avy amin' izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao, fa satria tsy avy amin' izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin' izao tontolo izao, dia halan' izao tontolo izao ianareo.
20. Remember the word that I said unto you, The servant is not greater than his lord. If they have persecuted me, they will also persecute you; if they have kept my saying, they will keep yours also.
20. "Souvenez-vous de la parole que je vous ai dite: Le serviteur n`est pas plus grand que son maître. S`ils m`ont persécuté, ils vous persécuteront aussi; s`ils ont gardé ma parole, ils garderont aussi la vôtre."
20. "Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa."
21. But all these things will they do unto you for my name's sake, because they know not him that sent me.
21. Mais ils vous feront toutes ces choses à cause de mon nom, parce qu`ils ne connaissent pas celui qui m`a envoyé.
21. Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy ireo.
22. If I had not come and spoken unto them, they had not had sin: but now they have no cloak for their sin.
22. "Si je n`étais pas venu et que je ne leur eusses point parlé, ils n`auraient pas de péché; mais maintenant ils n`ont aucune excuse de leur péché."
22. "Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy ireo; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin' ny helony."
23. He that hateth me hateth my Father also.
23. Celui qui me hait, hait aussi mon Père.
23. Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
24. If I had not done among them the works which none other man did, they had not had sin: but now have they both seen and hated both me and my Father.
24. "Si je n`avais pas fait parmi eux des oeuvres que nul autre n`a faites, ils n`auraient pas de péché; mais maintenant ils les ont vues, et ils ont haï et moi et mon Père."
24. "Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon' olona, dia tsy nanan-keloka ireo; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Aho sy ny Raiko koa;"
25. But this cometh to pass, that the word might be fulfilled that is written in their law, They hated me without a cause.
25. Mais cela est arrivé afin que s`accomplît la parole qui est écrite dans leur loi: Ils m`ont haï sans cause.
25. Fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin' ny lalàny hoe: Halany foana Aho.
26. But when the Comforter is come, whom I will send unto you from the Father, even the Spirit of truth, which proceedeth from the Father, he shall testify of me:
26. "Quand sera venu le consolateur, que je vous enverrai de la part du Père, l`Esprit de vérité, qui vient du Père, il rendra témoignage de moi;"
26. "Fa raha tonga ny Mpampionona Izay hirahiko ho aminareo avy amin' ny Ray, dia ny Fanahin' ny fahamarinana, Izay mivoaka avy amin' ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy;"
27. And ye also shall bear witness, because ye have been with me from the beginning.
27. et vous aussi, vous rendrez témoignage, parce que vous êtes avec moi dès le commencement.
27. Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto Amiko hatramin' ny voalohany.
<
>