1. Let not your heart be troubled: ye believe in God, believe also in me.
1. Que votre coeur ne se trouble point. Croyez en Dieu, et croyez en moi.
1. "Aza mitebiteby ny fonareo; mino an' Andriamanitra ianareo, minoa Ahy koa."
2. In my Father's house are many mansions: if it were not so, I would have told you. I go to prepare a place for you.
2. Il y a plusieurs demeures dans la maison de mon Père. Si cela n`était pas, je vous l`aurais dit. Je vais vous préparer une place.
2. "Ao an-tranon' ny Raiko misy lapa maro; raha tsy izany, dia efa ho nilaza taminareo Aho; handeha hanomana fitoerana ho anareo Aho."
3. And if I go and prepare a place for you, I will come again, and receive you unto myself; that where I am, there ye may be also.
3. Et, lorsque je m`en serai allé, et que je vous aurai préparé une place, je reviendrai, et je vous prendrai avec moi, afin que là où je suis vous y soyez aussi.
3. Ary raha handeha hanomana fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
4. And whither I go ye know, and the way ye know.
4. Vous savez où je vais, et vous en savez le chemin.
4. Ary izay alehako dia fantatrareo, ary fantatrareo koa ny lalana.
5. Thomas saith unto him, Lord, we know not whither thou goest; and how can we know the way?
5. "Thomas lui dit: Seigneur, nous ne savons où tu vas; comment pouvons-nous en savoir le chemin?"
5. Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao, ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?
6. Jesus saith unto him, I am the way, the truth, and the life: no man cometh unto the Father, but by me.
6. Jésus lui dit: Je suis le chemin, la vérité, et la vie. Nul ne vient au Père que par moi.
6. "Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin' ny Ray, afa-tsy amin' ny alalako."
7. If ye had known me, ye should have known my Father also: and from henceforth ye know him, and have seen him.
7. Si vous me connaissiez, vous connaîtriez aussi mon Père. Et dès maintenant vous le connaissez, et vous l`avez vu.
7. "Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin' izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy."
8. Philip saith unto him, Lord, shew us the Father, and it sufficeth us.
8. Philippe lui dit: Seigneur, montre-nous le Père, et cela nous suffit.
8. Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
9. Jesus saith unto him, Have I been so long time with you, and yet hast thou not known me, Philip? he that hath seen me hath seen the Father; and how sayest thou then, Shew us the Father?
9. "Jésus lui dit: Il y a si longtemps que je suis avec vous, et tu ne m`as pas connu, Philippe! Celui qui m`a vu a vu le Père; comment dis-tu: Montre-nous le Père?"
9. "Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray?"
10. Believest thou not that I am in the Father, and the Father in me? the words that I speak unto you I speak not of myself: but the Father that dwelleth in me, he doeth the works.
10. "Ne crois-tu pas que je suis dans le Père, et que le Père est en moi? Les paroles que je vous dis, je ne les dis pas de moi-même; et le Père qui demeure en moi, c`est lui qui fait les oeuvres."
10. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin' ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany, fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
11. Believe me that I am in the Father, and the Father in me: or else believe me for the very works' sake.
11. "Croyez-moi, je suis dans le Père, et le Père est en moi; croyez du moins à cause de ces oeuvres."
11. "Minoa Ahy fa Izaho ao amin' ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa ahy noho ny asa ihany aza."
12. Verily, verily, I say unto you, He that believeth on me, the works that I do shall he do also; and greater works than these shall he do; because I go unto my Father.
12. "En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui croit en moi fera aussi les oeuvres que je fais, et il en fera de plus grandes, parce que je m`en vais au Père;"
12. "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin' ny Raiko Aho."
13. And whatsoever ye shall ask in my name, that will I do, that the Father may be glorified in the Son.
13. et tout ce que vous demanderez en mon nom, je le ferai, afin que le Père soit glorifié dans le Fils.
13. Ary na inona na inona no hangatahinareo amin' ny anarako, dia hataoko izany mba hankalazana ny Ray eo amin' ny Zanaka.
14. If ye shall ask any thing in my name, I will do it.
14. Si vous demandez quelque chose en mon nom, je le ferai.
14. Raha mangataka zavatra amin' ny anarako ianareo, dia hataoko izany.
15. If ye love me, keep my commandments.
15. Si vous m`aimez, gardez mes commandements.
15. Raha tia Ahy ianareo, dia tandremo ny didiko.
16. And I will pray the Father, and he shall give you another Comforter, that he may abide with you for ever;
16. Et moi, je prierai le Père, et il vous donnera un autre consolateur, afin qu`il demeure éternellement avec vous,
16. "Ary Izaho hangataka amin' ny Ray, ary Izy hanome anareo ny Mpampionona hafa mba ho eo aminareo mandrakizay;"
17. Even the Spirit of truth; whom the world cannot receive, because it seeth him not, neither knoweth him: but ye know him; for he dwelleth with you, and shall be in you.
17. "l`Esprit de vérité, que le monde ne peut recevoir, parce qu`il ne le voit point et ne le connaît point; mais vous, vous le connaissez, car il demeure avec vous, et il sera en vous."
17. Dia ny Fanahin' ny fahamarinana, Izay tsy azon' izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany, fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
18. I will not leave you comfortless: I will come to you.
18. Je ne vous laisserai pas orphelins, je viendrai à vous.
18. "Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho."
19. Yet a little while, and the world seeth me no more; but ye see me: because I live, ye shall live also.
19. "Encore un peu de temps, et le monde ne me verra plus; mais vous, vous me verrez, car je vis, et vous vivrez aussi."
19. "Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo."
20. At that day ye shall know that I am in my Father, and ye in me, and I in you.
20. En ce jour-là, vous connaîtrez que je suis en mon Père, que vous êtes en moi, et que je suis en vous.
20. Amin' izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin' ny Raiko, ary ianareo ato Amiko, ary Izaho ao aminareo.
21. He that hath my commandments, and keepeth them, he it is that loveth me: and he that loveth me shall be loved of my Father, and I will love him, and will manifest myself to him.
21. "Celui qui a mes commandements et qui les garde, c`est celui qui m`aime; et celui qui m`aime sera aimé de mon Père, je l`aimerai, et je me ferai connaître à lui."
21. "Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian' ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy."
22. Judas saith unto him, not Iscariot, Lord, how is it that thou wilt manifest thyself unto us, and not unto the world?
22. Jude, non pas l`Iscariot, lui dit: Seigneur, d`où vient que tu te feras connaître à nous, et non au monde?
22. Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin' izao tontolo izao koa?
23. Jesus answered and said unto him, If a man love me, he will keep my words: and my Father will love him, and we will come unto him, and make our abode with him.
23. "Jésus lui répondit: Si quelqu`un m`aime, il gardera ma parole, et mon Père l`aimera; nous viendrons à lui, et nous ferons notre demeure chez lui."
23. "Namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy."
24. He that loveth me not keepeth not my sayings: and the word which ye hear is not mine, but the Father's which sent me.
24. Celui qui ne m`aime pas ne garde point mes paroles. Et la parole que vous entendez n`est pas de moi, mais du Père qui m`a envoyé.
24. "Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an' ny Ray Izay naniraka Ahy."
25. These things have I spoken unto you, being yet present with you.
25. Je vous ai dit ces choses pendant que je demeure avec vous.
25. "Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;"
26. But the Comforter, which is the Holy Ghost, whom the Father will send in my name, he shall teach you all things, and bring all things to your remembrance, whatsoever I have said unto you.
26. Mais le consolateur, l`Esprit Saint, que le Père enverra en mon nom, vous enseignera toutes choses, et vous rappellera tout ce que je vous ai dit.
26. Fa ny Mpampionona, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin' ny Ray amin' ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
27. Peace I leave with you, my peace I give unto you: not as the world giveth, give I unto you. Let not your heart be troubled, neither let it be afraid.
27. Je vous laisse la paix, je vous donne ma paix. Je ne vous donne pas comme le monde donne. Que votre coeur ne se trouble point, et ne s`alarme point.
27. "Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen' izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mitebiteby na matahotra ny fonareo."
28. Ye have heard how I said unto you, I go away, and come again unto you. If ye loved me, ye would rejoice, because I said, I go unto the Father: for my Father is greater than I.
28. "Vous avez entendu que je vous ai dit: Je m`en vais, et je reviens vers vous. Si vous m`aimiez, vous vous réjouiriez de ce que je vais au Père; car le Père est plus grand que moi."
28. "Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria hoy Aho, ho any amin' ny Ray Aho; fa ny Raiko dia lehibe noho Izaho."
29. And now I have told you before it come to pass, that, when it is come to pass, ye might believe.
29. Et maintenant je vous ai dit ces choses avant qu`elles arrivent, afin que, lorsqu`elles arriveront, vous croyiez.
29. Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.
30. Hereafter I will not talk much with you: for the prince of this world cometh, and hath nothing in me.
30. "Je ne parlerai plus guère avec vous; car le prince du monde vient. Il n`a rien en moi;"
30. "Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan' izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato Amiko izy."
31. But that the world may know that I love the Father; and as the Father gave me commandment, even so I do. Arise, let us go hence.
31. mais afin que le monde sache que j`aime le Père, et que j`agis selon l`ordre que le Père m`a donné, levez-vous, partons d`ici.
31. Fa mba ho fantatr' izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian' ny Ray Ahy, dia izany no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.