1. Then Jesus six days before the passover came to Bethany, where Lazarus was, which had been dead, whom he raised from the dead.
1. Six jours avant la Pâque, Jésus arriva à Béthanie, où était Lazare, qu`il avait ressuscité des morts.
1. Koa henemana talohan' ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania izay nitoeran' i Lazarosy ilay efa maty, ka natsangany indray tamin' ny maty.
2. There they made him a supper; and Martha served: but Lazarus was one of them that sat at the table with him.
2. "Là, on lui fit un souper; Marthe servait, et Lazare était un de ceux qui se trouvaient à table avec lui."
2. "Dia nanao fanasana ho an' i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin' izay niara-nipetraka nihinana taminy."
3. Then took Mary a pound of ointment of spikenard, very costly, and anointed the feet of Jesus, and wiped his feet with her hair: and the house was filled with the odour of the ointment.
3. "Marie, ayant pris une livre d`un parfum de nard pur de grand prix, oignit les pieds de Jésus, et elle lui essuya les pieds avec ses cheveux; et la maison fut remplie de l`odeur du parfum."
3. "Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no sarobidy, lanjana iray livatra, dia nanosotra ny tongotr' i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin' ny volon-dohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano."
4. Then saith one of his disciples, Judas Iscariot, Simon's son, which should betray him,
4. Un de ses disciples, Judas Iscariot, fils de Simon, celui qui devait le livrer, dit:
4. Ary hoy Jodasy Iskariota, zanak' i Simona, anankiray amin' ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
5. Why was not this ointment sold for three hundred pence, and given to the poor?
5. Pourquoi n`a-t-on pas vendu ce parfum trois cent deniers, pour les donner aux pauvres?
5. Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telonjato ka nomena ny mahantra?
6. This he said, not that he cared for the poor; but because he was a thief, and had the bag, and bare what was put therein.
6. Il disait cela, non qu`il se mît en peine des pauvres, mais parce qu`il était voleur, et que, tenant la bourse, il prenait ce qu`on y mettait.
6. Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny mahantra, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
7. Then said Jesus, Let her alone: against the day of my burying hath she kept this.
7. Mais Jésus dit: Laisse-la garder ce parfum pour le jour de ma sépulture.
7. Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotahiriziny ho amin' ny andro hanamboarany Ahy halevina io.
8. For the poor always ye have with you; but me ye have not always.
8. Vous avez toujours les pauvres avec vous, mais vous ne m`avez pas toujours.
8. "Fa ny mahantra dia ety aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho ety aminareo mandrakariva."
9. Much people of the Jews therefore knew that he was there: and they came not for Jesus' sake only, but that they might see Lazarus also, whom he had raised from the dead.
9. "Une grande multitude de Juifs apprirent que Jésus était à Béthanie; et ils y vinrent, non pas seulement à cause de lui, mais aussi pour voir Lazare, qu`il avait ressuscité des morts."
9. Ary vahoaka marobe tamin' ny Jiosy no nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an' i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin' ny maty.
10. But the chief priests consulted that they might put Lazarus also to death;
10. Les principaux sacrificateurs délibérèrent de faire mourir aussi Lazare,
10. "Fa nihendry hahafaty an' i Lazarosy koa ny lohan' ny mpisorona;"
11. Because that by reason of him many of the Jews went away, and believed on Jesus.
11. parce que beaucoup de Juifs se retiraient d`eux à cause de lui, et croyaient en Jésus.
11. Satria izy no nialan' ny maro tamin' ny Jiosy ka ninoany an' i Jesosy.
12. On the next day much people that were come to the feast, when they heard that Jesus was coming to Jerusalem,
12. Le lendemain, une foule nombreuse de gens venus à la fête ayant entendu dire que Jésus se rendait à Jérusalem,
12. Ary nony ampitson' iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin' ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
13. Took branches of palm trees, and went forth to meet him, and cried, Hosanna: Blessed is the King of Israel that cometh in the name of the Lord.
13. prirent des branches de palmiers, et allèrent au-devant de lui, en criant: Hosanna! Béni soit celui qui vient au nom du Seigneur, le roi d`Israël!
13. Dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan' ny Isiraely, Ilay avy amin' ny anaran' i Jehovah.
14. And Jesus, when he had found a young ass, sat thereon; as it is written,
14. Jésus trouva un ânon, et s`assit dessus, selon ce qui est écrit:
14. Ary Jesosy, raha nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
15. Fear not, daughter of Sion: behold, thy King cometh, sitting on an ass's colt.
15. "Ne crains point, fille de Sion; Voici, ton roi vient, Assis sur le petit d`une ânesse."
15. "Aza matahotra, ry zanakavavin' i Ziona; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky"
16. These things understood not his disciples at the first: but when Jesus was glorified, then remembered they that these things were written of him, and that they had done these things unto him.
16. "Ses disciples ne comprirent pas d`abord ces choses; mais, lorsque Jésus eut été glorifié, ils se souvinrent qu`elles étaient écrites de lui, et qu`il les avaient été accomplies à son égard."
16. "Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin' ny voalohany; fa rehefa niditra tamin' ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy ireo fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany."
17. The people therefore that was with him when he called Lazarus out of his grave, and raised him from the dead, bare record.
17. "Tous ceux qui étaient avec Jésus, quand il appela Lazare du sépulcre et le ressuscita des morts, lui rendaient témoignage;"
17. Ary tonga vavolombelona ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an' i Lazarosy hivoaka tao amin' ny fasany ka nanangana azy tamin' ny maty.
18. For this cause the people also met him, for that they heard that he had done this miracle.
18. et la foule vint au-devant de lui, parce qu`elle avait appris qu`il avait fait ce miracle.
18. Ary izany koa no nitsenan' ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany fahagagana izany Izy.
19. The Pharisees therefore said among themselves, Perceive ye how ye prevail nothing? behold, the world is gone after him.
19. "Les pharisiens se dirent donc les uns aux autres: Vous voyez que vous ne gagnez rien; voici, le monde est allé après lui."
19. "Ary tamin' izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao."
20. And there were certain Greeks among them that came up to worship at the feast:
20. Quelques Grecs, du nombre de ceux qui étaient montés pour adorer pendant la fête,
20. Ary nisy Grika sasany teo amin' izy ireo niakatra hivavaka tamin' ny andro firavoravoana,
21. The same came therefore to Philip, which was of Bethsaida of Galilee, and desired him, saying, Sir, we would see Jesus.
21. s`adressèrent à Philippe, de Bethsaïda en Galilée, et lui dirent avec instance: Seigneur, nous voudrions voir Jésus.
21. Ary ireo nankany amin' i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba te-hahita an' i Jesosy izahay.
22. Philip cometh and telleth Andrew: and again Andrew and Philip tell Jesus.
22. Philippe alla le dire à André, puis André et Philippe le dirent à Jésus.
22. "Dia lasa Filipo nilaza tamin' i Andrea; ary Andrea sy Filipo indray lasa nilaza tamin' i Jesosy."
23. And Jesus answered them, saying, The hour is come, that the Son of man should be glorified.
23. Jésus leur répondit: L`heure est venue où le Fils de l`homme doit être glorifié.
23. Ary Jesosy namaly azy nanao hoe: Tonga ny ora hankalazana ny Zanak' olona.
24. Verily, verily, I say unto you, Except a corn of wheat fall into the ground and die, it abideth alone: but if it die, it bringeth forth much fruit.
24. "En vérité, en vérité, je vous le dis, si le grain de blé qui est tombé en terre ne meurt, il reste seul; mais, s`il meurt, il porte beaucoup de fruit."
24. "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin' ny tany ny voam-bary tritika ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be."
25. He that loveth his life shall lose it; and he that hateth his life in this world shall keep it unto life eternal.
25. Celui qui aime sa vie la perdra, et celui qui hait sa vie dans ce monde la conservera pour la vie éternelle.
25. "Izay tia ny ainy no hahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin' izao fiainana izao no hiaro izany ho amin' ny fiainana mandrakizay."
26. If any man serve me, let him follow me; and where I am, there shall also my servant be: if any man serve me, him will my Father honour.
26. "Si quelqu`un me sert, qu`il me suive; et là où je suis, là aussi sera mon serviteur. Si quelqu`un me sert, le Père l`honorera."
26. "Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran' ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray."
27. Now is my soul troubled; and what shall I say? Father, save me from this hour: but for this cause came I unto this hour.
27. Maintenant mon âme est troublée. Et que dirais-je?... Père, délivre-moi de cette heure?... Mais c`est pour cela que je suis venu jusqu`à cette heure.
27. "Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin' ity ora ity? nefa ny amin' izany no niaviako ho amin' ity ora ity;"
28. Father, glorify thy name. Then came there a voice from heaven, saying, I have both glorified it, and will glorify it again.
28. Père, glorifie ton nom! Et une voix vint du ciel: Je l`ai glorifié, et je le glorifierai encore.
28. Ray ô, mankalazà ny anaranao.Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.
29. The people therefore, that stood by, and heard it, said that it thundered: others said, An angel spake to him.
29. La foule qui était là, et qui avait entendu, disait que c`était un tonnerre. D`autres disaient: Un ange lui a parlé.
29. Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.
30. Jesus answered and said, This voice came not because of me, but for your sakes.
30. "Jésus dit: Ce n`est pas à cause de moi que cette voix s`est fait entendre; c`est à cause de vous."
30. Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan' izany feo izany, fa noho ianareo.
31. Now is the judgment of this world: now shall the prince of this world be cast out.
31. "Maintenant a lieu le jugement de ce monde; maintenant le prince de ce monde sera jeté dehors."
31. "Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrian' izao tontolo izao no horoahina."
32. And I, if I be lifted up from the earth, will draw all men unto me.
32. Et moi, quand j`aurai été élevé de la terre, j`attirerai tous les hommes à moi.
32. Ary Izaho, raha asandratra hiala amin' ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
33. This he said, signifying what death he should die.
33. En parlant ainsi, il indiquait de quelle mort il devait mourir. -
33. Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana tokony hahafatesany.
34. The people answered him, We have heard out of the law that Christ abideth for ever: and how sayest thou, The Son of man must be lifted up? who is this Son of man?
34. "La foule lui répondit: Nous avons appris par la loi que le Christ demeure éternellement; comment donc dis-tu: Il faut que le Fils de l`homme soit élevé? Qui est ce Fils de l`homme?"
34. "Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin' ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak' olona? Iza moa izany Zanak' olona izany?"
35. Then Jesus said unto them, Yet a little while is the light with you. Walk while ye have the light, lest darkness come upon you: for he that walketh in darkness knoweth not whither he goeth.
35. Jésus leur dit: La lumière est encore pour un peu de temps au milieu de vous. Marchez, pendant que vous avez la lumière, afin que les ténèbres ne vous surprennent point: celui qui marche dans les ténèbres ne sait où il va.
35. "Dia hoy Jesosy taminy: Kely anefa sisa no itoeran' ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin' ny maizina dia tsy mahalala izay alehany."
36. While ye have light, believe in the light, that ye may be the children of light. These things spake Jesus, and departed, and did hide himself from them.
36. Pendant que vous avez la lumière, croyez en la lumière, afin que vous soyez des enfants de lumière. Jésus dit ces choses, puis il s`en alla, et se cacha loin d`eux.
36. Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava ianareo.Izany teny izany no nolazain' i Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
37. But though he had done so many miracles before them, yet they believed not on him:
37. Malgré tant de miracles qu`il avait faits en leur présence, ils ne croyaient pas en lui,
37. Nefa na dia efa nanao izany fahagagana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
38. That the saying of Esaias the prophet might be fulfilled, which he spake, Lord, who hath believed our report? and to whom hath the arm of the Lord been revealed?
38. afin que s`accomplît la parole qu`Ésaïe, le prophète, a prononcée: Seigneur, Qui a cru à notre prédication? Et à qui le bras du Seigneur a-t-il été révélé?
38. Mba hahatanteraka ny teny nataon' Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin' i Jehovah?
39. Therefore they could not believe, because that Esaias said again,
39. Aussi ne pouvaient-ils croire, parce qu`Ésaïe a dit encore:
39. Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
40. He hath blinded their eyes, and hardened their heart; that they should not see with their eyes, nor understand with their heart, and be converted, and I should heal them.
40. "Il a aveuglé leurs yeux; et il a endurci leur coeur, De peur qu`ils ne voient des yeux, Qu`ils ne comprennent du coeur, Qu`ils ne se convertissent, et que je ne les guérisse."
40. Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, dia hiova fo izy, ka hahasitrana azy Aho.
41. These things said Esaias, when he saw his glory, and spake of him.
41. Ésaïe dit ces choses, lorsqu`il vit sa gloire, et qu`il parla de lui.
41. Izany teny izany no nolazain' i Isaia raha nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
42. Nevertheless among the chief rulers also many believed on him; but because of the Pharisees they did not confess him, lest they should be put out of the synagogue:
42. "Cependant, même parmi les chefs, plusieurs crurent en lui; mais, à cause des pharisiens, ils n`en faisaient pas l`aveu, dans la crainte d`être exclus de la synagogue."
42. "Kanefa maro tamin' ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy niaiky Azy ireo, fandrao havoaka hiala amin' ny synagoga."
43. For they loved the praise of men more than the praise of God.
43. Car ils aimèrent la gloire des hommes plus que la gloire de Dieu.
43. Fa tia ny dera avy amin' olona izy ireo, fa tsy ny dera avy amin' Andriamanitra.
44. Jesus cried and said, He that believeth on me, believeth not on me, but on him that sent me.
44. "Or, Jésus s`était écrié: Celui qui croit en moi croit, non pas en moi, mais en celui qui m`a envoyé;"
44. Ary niantso Jesosy ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
45. And he that seeth me seeth him that sent me.
45. et celui qui me voit voit celui qui m`a envoyé.
45. Ary izay mahita Ahy dia mahita izay naniraka Ahy.
46. I am come a light into the world, that whosoever believeth on me should not abide in darkness.
46. Je suis venu comme une lumière dans le monde, afin que quiconque croit en moi ne demeure pas dans les ténèbres.
46. Tonga amin' izao tontolo izao Aho ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy.
47. And if any man hear my words, and believe not, I judge him not: for I came not to judge the world, but to save the world.
47. "Si quelqu`un entend mes paroles et ne les garde point, ce n`est pas moi qui le juge; car je suis venu non pour juger le monde, mais pour sauver le monde."
47. "Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mino, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao."
48. He that rejecteth me, and receiveth not my words, hath one that judgeth him: the word that I have spoken, the same shall judge him in the last day.
48. "Celui qui me rejette et qui ne reçoit pas mes paroles a son juge; la parole que j`ai annoncée, c`est elle qui le jugera au dernier jour."
48. Izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin' ny andro farany,
49. For I have not spoken of myself; but the Father which sent me, he gave me a commandment, what I should say, and what I should speak.
49. "Car je n`ai point parlé de moi-même; mais le Père, qui m`a envoyé, m`a prescrit lui-même ce que je dois dire et annoncer."
49. Satria tsy niteny ho Ahy Aho, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hambarako.
50. And I know that his commandment is life everlasting: whatsoever I speak therefore, even as the Father said unto me, so I speak.
50. Et je sais que son commandement est la vie éternelle. C`est pourquoi les choses que je dis, je les dis comme le Père me les a dites.
50. "Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain' ny Ray tamiko."