1. Now a certain man was sick, named Lazarus, of Bethany, the town of Mary and her sister Martha.
1. Il y avait un homme malade, Lazare, de Béthanie, village de Marie et de Marthe, sa soeur.
1. Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan' i Maria sy Marta rahavaviny.
2. (It was that Mary which anointed the Lord with ointment, and wiped his feet with her hair, whose brother Lazarus was sick.)
2. C`était cette Marie qui oignit de parfum le Seigneur et qui lui essuya les pieds avec ses cheveux, et c`était son frère Lazare qui était malade.
2. "(Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin' ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin' ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary);"
3. Therefore his sisters sent unto him, saying, Lord, behold, he whom thou lovest is sick.
3. Les soeurs envoyèrent dire à Jésus: Seigneur, voici, celui que tu aimes est malade.
3. Noho izany dia naniraka tany amin' i Jesosy izy mirahavavy nanao hoe: Tompoko, indro, marary ilay tianao.
4. When Jesus heard that, he said, This sickness is not unto death, but for the glory of God, that the Son of God might be glorified thereby.
4. "Après avoir entendu cela, Jésus dit: Cette maladie n`est point à la mort; mais elle est pour la gloire de Dieu, afin que le Fils de Dieu soit glorifié par elle."
4. Ary rehefa ren' i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton' izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr' Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak' Andriamanitra.
5. Now Jesus loved Martha, and her sister, and Lazarus.
5. Or, Jésus aimait Marthe, et sa soeur, et Lazare.
5. Jesosy tia an' i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
6. When he had heard therefore that he was sick, he abode two days still in the same place where he was.
6. Lors donc qu`il eut appris que Lazare était malade, il resta deux jours encore dans le lieu où il était,
6. Koa nony ren' i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra roa andro teo amin' izay nitoerany ihany Izy.
7. Then after that saith he to his disciples, Let us go into Judaea again.
7. et il dit ensuite aux disciples: Retournons en Judée.
7. Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin' ny mpianany: Andeha isika ho any Jodia indray.
8. His disciples say unto him, Master, the Jews of late sought to stone thee; and goest thou thither again?
8. Les disciples lui dirent: Rabbi, les Juifs tout récemment cherchaient à te lapider, et tu retournes en Judée!
8. Hoy ny mpianany taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan' ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Ianao?
9. Jesus answered, Are there not twelve hours in the day? If any man walk in the day, he stumbleth not, because he seeth the light of this world.
9. "Jésus répondit: N`y a-t-il pas douze heures au jour? Si quelqu`un marche pendant le jour, il ne bronche point, parce qu`il voit la lumière de ce monde;"
9. Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin' ny folo va ny ora amin' ny indray andro? Raha misy mandeha amin' ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, satria mahita ny fahazavan' ity izao tontolo izao ity.
10. But if a man walk in the night, he stumbleth, because there is no light in him.
10. mais, si quelqu`un marche pendant la nuit, il bronche, parce que la lumière n`est pas en lui.
10. Fa raha misy kosa mandeha amin' ny alina, dia ho tafintohina izy, satria tsy misy mazava ao aminy.
11. These things said he: and after that he saith unto them, Our friend Lazarus sleepeth; but I go, that I may awake him out of sleep.
11. "Après ces paroles, il leur dit: Lazare, notre ami, dort; mais je vais le réveiller."
11. "Izany zavatra izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy amin' ny torimasony Aho."
12. Then said his disciples, Lord, if he sleep, he shall do well.
12. Les disciples lui dirent: Seigneur, s`il dort, il sera guéri.
12. Dia hoy ny mpianany taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara izany.
13. Howbeit Jesus spake of his death: but they thought that he had spoken of taking of rest in sleep.
13. Jésus avait parlé de sa mort, mais ils crurent qu`il parlait de l`assoupissement du sommeil.
13. "NefaJesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon' izy ireo kosa fa ny fialan-tsasatra amin' ny torimaso no nolazainy."
14. Then said Jesus unto them plainly, Lazarus is dead.
14. Alors Jésus leur dit ouvertement: Lazare est mort.
14. "Ary tamin' izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;"
15. And I am glad for your sakes that I was not there, to the intent ye may believe; nevertheless let us go unto him.
15. Et, à cause de vous, afin que vous croyiez, je me réjouis de ce que je n`étais pas là. Mais allons vers lui.
15. "Ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; kanefa andeha isika hankany aminy."
16. Then said Thomas, which is called Didymus, unto his fellowdisciples, Let us also go, that we may die with him.
16. Sur quoi Thomas, appelé Didyme, dit aux autres disciples: Allons aussi, afin de mourir avec lui.
16. Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin' ny mpianatra namany: Andeha koa isika mba hiara-maty aminy.
17. Then when Jesus came, he found that he had lain in the grave four days already.
17. Jésus, étant arrivé, trouva que Lazare était déjà depuis quatre jours dans le sépulcre.
17. Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina tao am-pasana hefarana izy.
18. Now Bethany was nigh unto Jerusalem, about fifteen furlongs off:
18. Et, comme Béthanie était près de Jérusalem, à quinze stades environ,
18. Ary Betania dia tao akaikin' i Jerosalema, tokony ho dimy ambin' ny folo stadio no elanelany.
19. And many of the Jews came to Martha and Mary, to comfort them concerning their brother.
19. beaucoup de Juifs étaient venus vers Marthe et Marie, pour les consoler de la mort de leur frère.
19. Ary maro tamin' ny Jiosy no efa tonga teo amin' i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy ireo noho ny amin' ny anadahiny.
20. Then Martha, as soon as she heard that Jesus was coming, went and met him: but Mary sat still in the house.
20. Lorsque Marthe apprit que Jésus arrivait, elle alla au-devant de lui, tandis que Marie se tenait assise à la maison.
20. "Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano ihany."
21. Then said Martha unto Jesus, Lord, if thou hadst been here, my brother had not died.
21. Marthe dit à Jésus: Seigneur, si tu eusses été ici, mon frère ne serait pas mort.
21. Ary hoy Marta tamin' i Jesosy: Tompoko, raha teto Ianao dia tsy maty ny anadahiko.
22. But I know, that even now, whatsoever thou wilt ask of God, God will give it thee.
22. Mais, maintenant même, je sais que tout ce que tu demanderas à Dieu, Dieu te l`accordera.
22. Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza, na inona na inona no hangatahinao amin' Andriamanitra dia homen' Andriamanitra Anao.
23. Jesus saith unto her, Thy brother shall rise again.
23. Jésus lui dit: Ton frère ressuscitera.
23. Hoy Jesosy taminy: Hitsangana amin' ny maty ny anadahinao.
24. Martha saith unto him, I know that he shall rise again in the resurrection at the last day.
24. Je sais, lui répondit Marthe, qu`il ressuscitera à la résurrection, au dernier jour.
24. Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana indray izy amin' ny fitsanganan' ny maty amin' ny andro farany.
25. Jesus said unto her, I am the resurrection, and the life: he that believeth in me, though he were dead, yet shall he live:
25. "Jésus lui dit: Je suis la résurrection et la vie. Celui qui croit en moi vivra, quand même il serait mort;"
25. "Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray."
26. And whosoever liveth and believeth in me shall never die. Believest thou this?
26. et quiconque vit et croit en moi ne mourra jamais. Crois-tu cela?
26. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mihitsy. Mino izany va ianao?
27. She saith unto him, Yea, Lord: I believe that thou art the Christ, the Son of God, which should come into the world.
27. Elle lui dit: Oui, Seigneur, je crois que tu es le Christ, le Fils de Dieu, qui devait venir dans le monde.
27. "Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak' Andriamanitra, Ilay ho tonga amin' izao tontolo izao."
28. And when she had so said, she went her way, and called Mary her sister secretly, saying, The Master is come, and calleth for thee.
28. Ayant ainsi parlé, elle s`en alla. Puis elle appela secrètement Marie, sa soeur, et lui dit: Le maître est ici, et il te demande.
28. Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an' i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
29. As soon as she heard that, she arose quickly, and came unto him.
29. Dès que Marie eut entendu, elle se leva promptement, et alla vers lui.
29. Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
30. Now Jesus was not yet come into the town, but was in that place where Martha met him.
30. Car Jésus n`était pas encore entré dans le village, mais il était dans le lieu où Marthe l`avait rencontré.
30. Fa tsy mbola tonga tao an-tanàna Jesosy, fa mbola teo amin' ilay nitsenan' i Marta Azy ihany.
31. The Jews then which were with her in the house, and comforted her, when they saw Mary, that she rose up hastily and went out, followed her, saying, She goeth unto the grave to weep there.
31. Les Juifs qui étaient avec Marie dans la maison et qui la consolaient, l`ayant vue se lever promptement et sortir, la suivirent, disant: Elle va au sépulcre, pour y pleurer.
31. Ary ny Jiosy izay tao amin' i Maria tao an-trano, ka nampionona azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, ary nanao hoe: Hankany amin' ny fasana hitomany any izy.
32. Then when Mary was come where Jesus was, and saw him, she fell down at his feet, saying unto him, Lord, if thou hadst been here, my brother had not died.
32. Lorsque Marie fut arrivée là où était Jésus, et qu`elle le vit, elle tomba à ses pieds, et lui dit: Seigneur, si tu eusses été ici, mon frère ne serait pas mort.
32. Ary Maria, rehefa tonga teo amin' izay nitoeran' i Jesosy ka nahita Azy dia niankohoka teo amin' ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko.
33. When Jesus therefore saw her weeping, and the Jews also weeping which came with her, he groaned in the spirit, and was troubled,
33. Jésus, la voyant pleurer, elle et les Juifs qui étaient venus avec elle, frémit en son esprit, et fut tout ému.
33. "Ary Jesosy, nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka sahiran-kevitra Izy;"
34. And said, Where have ye laid him? They said unto him, Lord, come and see.
34. Et il dit: Où l`avez-vous mis? Seigneur, lui répondirent-ils, viens et vois.
34. Ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy?Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
35. Jesus wept.
35. Jésus pleura.
35. Nitomany Jesosy.
36. Then said the Jews, Behold how he loved him!
36. Sur quoi les Juifs dirent: Voyez comme il l`aimait.
36. Dia hoy ny Jiosy: Akory ity halehiben' ny fitiavany azy!
37. And some of them said, Could not this man, which opened the eyes of the blind, have caused that even this man should not have died?
37. Et quelques-uns d`entre eux dirent: Lui qui a ouvert les yeux de l`aveugle, ne pouvait-il pas faire aussi que cet homme ne mourût point?
37. Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain-dralehilahy ity, Izay nampahiratra ny mason' ilay jamba va, ny nanao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
38. Jesus therefore again groaning in himself cometh to the grave. It was a cave, and a stone lay upon it.
38. Jésus frémissant de nouveau en lui-même, se rendit au sépulcre. C`était une grotte, et une pierre était placée devant.
38. "Dia vonto indray ny fanahin' i Jesosy, ka nankeo amin' ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo."
39. Jesus said, Take ye away the stone. Martha, the sister of him that was dead, saith unto him, Lord, by this time he stinketh: for he hath been dead four days.
39. Jésus dit: Otez la pierre. Marthe, la soeur du mort, lui dit: Seigneur, il sent déjà, car il y a quatre jours qu`il est là.
39. Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin' ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa maty hefarana izy.
40. Jesus saith unto her, Said I not unto thee, that, if thou wouldest believe, thou shouldest see the glory of God?
40. Jésus lui dit: Ne t`ai-je pas dit que, si tu crois, tu verras la gloire de Dieu?
40. Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr' Andriamanitra?
41. Then they took away the stone from the place where the dead was laid. And Jesus lifted up his eyes, and said, Father, I thank thee that thou hast heard me.
41. Ils ôtèrent donc la pierre. Et Jésus leva les yeux en haut, et dit: Père, je te rends grâces de ce que tu m`as exaucé.
41. Dia nesoriny ny vato teo amin' ny toerana nametrahany ny maty. Ary nanandratra ny masony Jesosy ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino ahy Ianao.
42. And I knew that thou hearest me always: but because of the people which stand by I said it, that they may believe that thou hast sent me.
42. "Pour moi, je savais que tu m`exauces toujours; mais j`ai parlé à cause de la foule qui m`entoure, afin qu`ils croient que c`est toi qui m`as envoyé."
42. "Ary fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy."
43. And when he thus had spoken, he cried with a loud voice, Lazarus, come forth.
43. Ayant dit cela, il cria d`une voix forte: Lazare, sors!
43. Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin' ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
44. And he that was dead came forth, bound hand and foot with graveclothes: and his face was bound about with a napkin. Jesus saith unto them, Loose him, and let him go.
44. Et le mort sortit, les pieds et les mains liés de bandes, et le visage enveloppé d`un linge. Jésus leur dit: Déliez-le, et laissez-le aller.
44. Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tanany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin' ny olona: Vahao izy, ka avelao andeha.
45. Then many of the Jews which came to Mary, and had seen the things which Jesus did, believed on him.
45. Plusieurs des Juifs qui étaient venus vers Marie, et qui virent ce que fit Jésus, crurent en lui.
45. Ary maro tamin' ny Jiosy, dia ireo nankeo amin' i Maria ka nahita ireo zavatra nataon' i Jesosy, no nino Azy.
46. But some of them went their ways to the Pharisees, and told them what things Jesus had done.
46. Mais quelques-uns d`entre eux allèrent trouver les pharisiens, et leur dirent ce que Jésus avait fait.
46. Fa ny sasany tamin' ireo kosa dia lasa nankany amin' ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataon' i Jesosy.
47. Then gathered the chief priests and the Pharisees a council, and said, What do we? for this man doeth many miracles.
47. Alors les principaux sacrificateurs et les pharisiens assemblèrent le sanhédrin, et dirent: Que ferons-nous? Car cet homme fait beaucoup de miracles.
47. Ary ny lohan' ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no ataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao fahagagana maro.
48. If we let him thus alone, all men will believe on him: and the Romans shall come and take away both our place and nation.
48. Si nous le laissons faire, tous croiront en lui, et les Romains viendront détruire et notre ville et notre nation.
48. "Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika."
49. And one of them, named Caiaphas, being the high priest that same year, said unto them, Ye know nothing at all,
49. "L`un d`eux, Caïphe, qui était souverain sacrificateur cette année-là, leur dit: Vous n`y entendez rien;"
49. Ary ny anankiray taminy, nantsoina hoe Kaiafa, mpisoronabe tamin' izany taona izany, nanao taminy hoe: Tsy mahalala na inona na inona ianareo,
50. Nor consider that it is expedient for us, that one man should die for the people, and that the whole nation perish not.
50. vous ne réfléchissez pas qu`il est dans votre intérêt qu`un seul homme meure pour le peuple, et que la nation entière ne périsse pas.
50. Na misaina akory fa tsara ho antsika, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ny firenena manontolo.
51. And this spake he not of himself: but being high priest that year, he prophesied that Jesus should die for that nation;
51. "Or, il ne dit pas cela de lui-même; mais étant souverain sacrificateur cette année-là, il prophétisa que Jésus devait mourir pour la nation."
51. "Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin' izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy io firenena io;"
52. And not for that nation only, but that also he should gather together in one the children of God that were scattered abroad.
52. "Et ce n`était pas pour la nation seulement; c`était aussi afin de réunir en un seul corps les enfants de Dieu dispersés."
52. Ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak' Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
53. Then from that day forth they took counsel together for to put him to death.
53. Dès ce jour, ils résolurent de le faire mourir.
53. Koa hatramin' izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
54. Jesus therefore walked no more openly among the Jews; but went thence unto a country near to the wilderness, into a city called Ephraim, and there continued with his disciples.
54. "C`est pourquoi Jésus ne se montra plus ouvertement parmi les Juifs; mais il se retira dans la contrée voisine du désert, dans une ville appelée Éphraïm; et là il demeurait avec ses disciples."
54. "Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin' ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin' ny tany akaikin' ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin' ny mpianany."
55. And the Jews' passover was nigh at hand: and many went out of the country up to Jerusalem before the passover, to purify themselves.
55. La Pâque des Juifs était proche. Et beaucoup de gens du pays montèrent à Jérusalem avant la Pâque, pour se purifier.
55. "Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan' ny Paska mba hanadio ny tenany."
56. Then sought they for Jesus, and spake among themselves, as they stood in the temple, What think ye, that he will not come to the feast?
56. Ils cherchaient Jésus, et ils se disaient les uns aux autres dans le temple: Que vous en semble? Ne viendra-t-il pas à la fête?
56. Dia nitady an' i Jesosy ireo, raha nijanona teo amin' ny tempoly ka niresaka hoe: Ahoana ny hevitrareo? tsy mba ho tonga amin' ny andro firavoravoana va Izy?
57. Now both the chief priests and the Pharisees had given a commandment, that, if any man knew where he were, he should shew it, that they might take him.
57. Or, les principaux sacrificateurs et les pharisiens avaient donné l`ordre que, si quelqu`un savait où il était, il le déclarât, afin qu`on se saisît de lui.
57. Ary ny lohan' ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.