Woe to David's City
1. Woe to Ariel, to Ariel, the city where David dwelt! add ye year to year; let them kill sacrifices.
1. Malheur à Ariel, à Ariel, Cité dont David fit sa demeure! Ajoutez année à année, Laissez les fêtes accomplir leur cycle.
1. Loza ho an' i Ariela, loza ho an' i Ariela, ilay tanàna nitoeran' i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ireo hamono zavatra hatao fanatitra.
2. Yet I will distress Ariel, and there shall be heaviness and sorrow: and it shall be unto me as Ariel.
2. "Puis j`assiégerai Ariel; Il y aura des plaintes et des gémissements; Et la ville sera pour moi comme un Ariel."
2. "Dia hampahory an' i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy."
3. And I will camp against thee round about, and will lay siege against thee with a mount, and I will raise forts against thee.
3. Je t`investirai de toutes parts, Je te cernerai par des postes armés, J`élèverai contre toi des retranchements.
3. Ary hanao fahirano anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
4. And thou shalt be brought down, and shalt speak out of the ground, and thy speech shall be low out of the dust, and thy voice shall be, as of one that hath a familiar spirit, out of the ground, and thy speech shall whisper out of the dust.
4. "Tu seras abaissée, ta parole viendra de terre, Et les sons en seront étouffés par la poussière; Ta voix sortira de terre comme celle d`un spectre, Et c`est de la poussière que tu murmureras tes discours."
4. Dia haetry ianao ka hiteny avy ao amin' ny tany, ary avy ao amin' ny vovoka no hivoahan' ny teninao malefaka, ny feonao hivoaka avy amin' ny tany tahaka ny an' ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin' ny vovoka no hibitsibitsihan' ny feonao.
5. Moreover the multitude of thy strangers shall be like small dust, and the multitude of the terrible ones shall be as chaff that passeth away: yea, it shall be at an instant suddenly.
5. La multitude de tes ennemis sera comme une fine poussière, Cette multitude de guerriers sera comme la balle qui vole, Et cela tout à coup, en un instant.
5. "Ary ny hamaroan' ny fahavalonao dia ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny habetsahan' ny olon-dozabe ho tahaka ny akofa indaosina; eny, ho avy tampoka dia tampoka izany."
6. Thou shalt be visited of the LORD of hosts with thunder, and with earthquake, and great noise, with storm and tempest, and the flame of devouring fire.
6. C`est de l`Éternel des armées que viendra le châtiment, Avec des tonnerres, des tremblements de terre et un bruit formidable, Avec l`ouragan et la tempête, Et avec la flamme d`un feu dévorant.
6. Hovalian' i Jehovah, Tompon' ny maro ianao amin' ny kotrokorana sy ny horohorontany sy ny rohondrohona mafy, mbamin' ny oram-baratra sy ny tafio-drivotra ary ny lelafo mandevona.
7. And the multitude of all the nations that fight against Ariel, even all that fight against her and her munition, and that distress her, shall be as a dream of a night vision.
7. Et, comme il en est d`un songe, d`une vision nocturne, Ainsi en sera-t-il de la multitude des nations qui combattront Ariel, De tous ceux qui l`attaqueront, elle et sa forteresse, Et qui la serreront de près.
7. Ary ho tahaka ny fahitana eo amin' ny nofy amin' ny alina ny hamaroan' ny firenena rehetra izay mivory hamely an' i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany, ka mampahory azy.
8. It shall even be as when an hungry man dreameth, and, behold, he eateth; but he awaketh, and his soul is empty: or as when a thirsty man dreameth, and, behold, he drinketh; but he awaketh, and, behold, he is faint, and his soul hath appetite: so shall the multitude of all the nations be, that fight against mount Zion.
8. "Comme celui qui a faim rêve qu`il mange, Puis s`éveille, l`estomac vide, Et comme celui qui a soif rêve qu`il boit, Puis s`éveille, épuisé et languissant; Ainsi en sera-t-il de la multitude des nations Qui viendront attaquer la montagne de Sion."
8. "Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany ny fanahiny; na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany; dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona."
9. Stay yourselves, and wonder; cry ye out, and cry: they are drunken, but not with wine; they stagger, but not with strong drink.
9. "Soyez stupéfaits et étonnés! Fermez les yeux et devenez aveugles! Ils sont ivres, mais ce n`est pas de vin; Ils chancellent, mais ce n`est pas l`effet des liqueurs fortes."
9. Mijanòna ianareo ka mitalanjòna, miantsoantsoa, ka mitarainà, mamo ireo nefa tsy amin' ny divay, mivembena ireo nefa tsy amin' ny toaka.
10. For the LORD hath poured out upon you the spirit of deep sleep, and hath closed your eyes: the prophets and your rulers, the seers hath he covered.
10. "Car l`Éternel a répandu sur vous un esprit d`assoupissement; Il a fermé vos yeux (les prophètes), Il a voilé vos têtes (les voyants)."
10. Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo, dia ny mpaminany sy ny mpanapaka, ary efa nosaronany ny mpahita.
11. And the vision of all is become unto you as the words of a book that is sealed, which men deliver to one that is learned, saying, Read this, I pray thee: and he saith, I cannot; for it is sealed:
11. "Toute la révélation est pour vous comme les mots d`un livre cacheté Que l`on donne à un homme qui sait lire, en disant: Lis donc cela! Et qui répond: Je ne le puis, Car il est cacheté;"
11. "Ary ny fahitana ny amin' izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin' ny boky voaisy tombo-kase izay atolotra olona mahay mamaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy."
12. And the book is delivered to him that is not learned, saying, Read this, I pray thee: and he saith, I am not learned.
12. Ou comme un livre que l`on donne A un homme qui ne sait pas lire, en disant: Lis donc cela! Et qui répond: Je ne sais pas lire.
12. Ary natolotra izay tsy mahay mamaky teny kosa ilay boky ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahay mamaky teny aho.
13. Wherefore the Lord said, Forasmuch as this people draw near me with their mouth, and with their lips do honour me, but have removed their heart far from me, and their fear toward me is taught by the precept of men:
13. "Le Seigneur dit: Quand ce peuple s`approche de moi, Il m`honore de la bouche et des lèvres; Mais son coeur est éloigné de moi, Et la crainte qu`il a de moi N`est qu`un précepte de tradition humaine."
13. "Ary hoy ny Tompo: Satria manatona ahy amin' ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin' ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin' olombelona ampianarina azy ihany;"
14. Therefore, behold, I will proceed to do a marvellous work among this people, even a marvellous work and a wonder: for the wisdom of their wise men shall perish, and the understanding of their prudent men shall be hid.
14. "C`est pourquoi je frapperai encore ce peuple Par des prodiges et des miracles; Et la sagesse de ses sages périra, Et l`intelligence de ses hommes intelligents disparaîtra."
14. "Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin' ity firenena ity Aho, dia asa mahagaga sy mahatalanjona; fa ho foana ny fahendren' ny olon-kendry, ary tsy ho hita ny fahalalan' ny mazava sainany."
15. Woe unto them that seek deep to hide their counsel from the LORD, and their works are in the dark, and they say, Who seeth us? and who knoweth us?
15. Malheur à ceux qui cachent leurs desseins Pour les dérober à l`Éternel, Qui font leurs oeuvres dans les ténèbres, Et qui disent: Qui nous voit et qui nous connaît?
15. Loza ho an' ireo manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan' i Jehovah, sady ao amin' ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
16. Surely your turning of things upside down shall be esteemed as the potter's clay: for shall the work say of him that made it, He made me not? or shall the thing framed say of him that framed it, He had no understanding?
16. Quelle perversité est la vôtre! Le potier doit-il être considéré comme de l`argile, Pour que l`ouvrage dise de l`ouvrier: Il ne m`a point fait? Pour que le vase dise du potier: Il n`a point d`intelligence?
16. "Ny famadihanareo zavatra dia ho tahaka ny tanimangan' ny mpanefy tanimanga tokoa; fa ny natao va hilaza an' izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza an' izay namorona hoe: tsy manam-pahalalana izy?"
17. Is it not yet a very little while, and Lebanon shall be turned into a fruitful field, and the fruitful field shall be esteemed as a forest?
17. Encore un peu de temps, Et le Liban se changera en verger, Et le verger sera considéré comme une forêt.
17. Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
18. And in that day shall the deaf hear the words of the book, and the eyes of the blind shall see out of obscurity, and out of darkness.
18. "En ce jour-là, les sourds entendront les paroles du livre; Et, délivrés de l`obscurité et des ténèbres, Les yeux des aveugles verront."
18. Amin' izany andro izany, dia ho ren' ny marenina ny tenin' ny boky, ary hahita ao amin' ny haizina sy ny haizim-pito ny mason' ny jamba.
19. The meek also shall increase their joy in the LORD, and the poor among men shall rejoice in the Holy One of Israel.
19. Les malheureux se réjouiront de plus en plus en l`Éternel, Et les pauvres feront du Saint d`Israël le sujet de leur allégresse.
19. Ny mpandefitra koa hitombo hafaliana amin' i Jehovah, ary ny mahantra ao amin' ny olona hifaly amin' ny Iray Masin' ny Isiraely.
20. For the terrible one is brought to nought, and the scorner is consumed, and all that watch for iniquity are cut off:
20. Car le violent ne sera plus, le moqueur aura fini, Et tous ceux qui veillaient pour l`iniquité seront exterminés,
20. Fa tonga tsinontsinona ny olon-dozabe, levona ny mpaniratsira, ary fongotra izay miari-tory amin' ny heloka.
21. That make a man an offender for a word, and lay a snare for him that reproveth in the gate, and turn aside the just for a thing of nought.
21. Ceux qui condamnaient les autres en justice, Tendaient des pièges à qui défendait sa cause à la porte, Et violaient par la fraude les droits de l`innocent.
21. Dia ireo manameloka olona amin' ny teny, ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin' ny zavatra tsinontsinona.
22. Therefore thus saith the LORD, who redeemed Abraham, concerning the house of Jacob, Jacob shall not now be ashamed, neither shall his face now wax pale.
22. C`est pourquoi ainsi parle l`Éternel à la maison de Jacob, Lui qui a racheté Abraham: Maintenant Jacob ne rougira plus, Maintenant son visage ne pâlira plus.
22. Koa ny amin' ny taranak' i Jakoba dia izao no lazain' i Jehovah, Izay nanavotra an' i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
23. But when he seeth his children, the work of mine hands, in the midst of him, they shall sanctify my name, and sanctify the Holy One of Jacob, and shall fear the God of Israel.
23. "Car, lorsque ses enfants verront au milieu d`eux l`oeuvre de mes mains, Ils sanctifieront mon nom; Ils sanctifieront le Saint de Jacob, Et ils craindront le Dieu d`Israël;"
23. Fa raha mahita ny zanany izy, izay asan' ny tanako ao aminy, dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin' i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan' Andriamanitry ny Isiraely.
24. They also that erred in spirit shall come to understanding, and they that murmured shall learn doctrine.
24. Ceux dont l`esprit s`égarait acquerront de l`intelligence, Et ceux qui murmuraient recevront instruction.
24. Izay mivily fanahy koa dia mbola hahazo fahalalana, ary izay mimonomonona dia hianatra ny foto-pampianarana.