Woe to the Obstinate Nation

1. Woe to the rebellious children, saith the LORD, that take counsel, but not of me; and that cover with a covering, but not of my spirit, that they may add sin to sin:
1. Malheur, dit l`Éternel, aux enfants rebelles, Qui prennent des résolutions sans moi, Et qui font des alliances sans ma volonté, Pour accumuler péché sur péché!
1. Loza ho an' ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena nefa tsy avy amin' ny Fanahiko, mba hanampy ota amin' ny ota.
2. That walk to go down into Egypt, and have not asked at my mouth; to strengthen themselves in the strength of Pharaoh, and to trust in the shadow of Egypt!
2. Qui descendent en Égypte sans me consulter, Pour se réfugier sous la protection de Pharaon, Et chercher un abri sous l`ombre de l`Égypte!
2. Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin' ny vavako, mba hampahery ny tenany amin' ny herin' i Farao sy hialokaloka ao amin' ny alokalok' i Egypta.
3. Therefore shall the strength of Pharaoh be your shame, and the trust in the shadow of Egypt your confusion.
3. La protection de Pharaon sera pour vous une honte, Et l`abri sous l`ombre de l`Égypte une ignominie.
3. Kanjo ho tonga henatra ho anareo ny herin' i Farao, ary ho fanalam-baraka anareo ny fitokisana ao amin' ny alokalok' i Egypta.
4. For his princes were at Zoan, and his ambassadors came to Hanes.
4. Déjà ses princes sont à Tsoan, Et ses envoyés ont atteint Hanès.
4. Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
5. They were all ashamed of a people that could not profit them, nor be an help nor profit, but a shame, and also a reproach.
5. Tous seront confus au sujet d`un peuple qui ne leur sera point utile, Ni pour les secourir, ni pour les aider, Mais qui fera leur honte et leur opprobre.
5. Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin' ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
6. The burden of the beasts of the south: into the land of trouble and anguish, from whence come the young and old lion, the viper and fiery flying serpent, they will carry their riches upon the shoulders of young asses, and their treasures upon the bunches of camels, to a people that shall not profit them.
6. Sentence des bêtes du midi: A travers une contrée de détresse et d`angoisse, D`où viennent la lionne et le lion, La vipère et le dragon volant, Ils portent à dos d`ânes leurs richesses, Et sur la bosse des chameaux leurs trésors, A un peuple qui ne leur sera point utile.
6. Faminaniana ny amin' ny biby any atsimo. Any amin' ny tany mampahory sy mampivarahontsana, izay iavian'ny liona tanora sy ny liona antitra, ary ny vipera sy ny menaran' afo manidina, no hitondrany ny hareny eny an-damosin' ny boriky tanora ary ny fananany eo amin' ny trafon' ny rameva, ho any amin' ny firenena tsy mahasoa azy.
7. For the Egyptians shall help in vain, and to no purpose: therefore have I cried concerning this, Their strength is to sit still.
7. "Car le secours de l`Égypte n`est que vanité et néant; C`est pourquoi j`appelle cela du bruit qui n`aboutit à rien."
7. "Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen' ny Egyptiana; noho izany no nanaovako antso hoe: Ny heriny dia ny mitoetra mangina."
8. Now go, write it before them in a table, and note it in a book, that it may be for the time to come for ever and ever:
8. Va maintenant, écris ces choses devant eux sur une table, Et grave-les dans un livre, Afin qu`elles subsistent dans les temps à venir, Éternellement et à perpétuité.
8. Mandehana ankehitriny soraty amin' ny fàfana eo anatrehany izany, ary sorito amin' ny boky, mba haharitra amin' ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
9. That this is a rebellious people, lying children, children that will not hear the law of the LORD:
9. Car c`est un peuple rebelle, Ce sont des enfants menteurs, Des enfants qui ne veulent point écouter la loi de l`Éternel,
9. Fa firenena maditra ity, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn' i Jehovah,
10. Which say to the seers, See not; and to the prophets, Prophesy not unto us right things, speak unto us smooth things, prophesy deceits:
10. Qui disent aux voyants: Ne voyez pas! Et aux prophètes: Ne nous prophétisez pas des vérités, Dites-nous des choses flatteuses, Prophétisez des chimères!
10. "Izay manao amin' ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin' ny mpaminany hoe: Aza maminany zavatra marina aminay; manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,"
11. Get you out of the way, turn aside out of the path, cause the Holy One of Israel to cease from before us.
11. Détournez-vous du chemin, Écartez-vous du sentier, Éloignez de notre présence le Saint d`Israël!
11. "Mialà amin' ny lalana, mivilia amin' ny aleha; atsaharo ny Iray Masin' ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony."
12. Wherefore thus saith the Holy One of Israel, Because ye despise this word, and trust in oppression and perverseness, and stay thereon:
12. C`est pourquoi ainsi parle le Saint d`Israël: Puisque vous rejetez cette parole, Que vous vous confiez dans la violence et dans les détours Et que vous les prenez pour appuis,
12. Koa izao no lazain' ny Iray Masin' ny Isiraely: Satria nandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin' izany,
13. Therefore this iniquity shall be to you as a breach ready to fall, swelling out in a high wall, whose breaking cometh suddenly at an instant.
13. Ce crime sera pour vous Comme une partie crevassée qui menace ruine Et fait saillie dans un mur élevé, Dont l`écroulement arrive tout à coup, en un instant:
13. Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin' ny manda avo, ka dia ho tampoka dia tampoka no haharavany.
14. And he shall break it as the breaking of the potters' vessel that is broken in pieces; he shall not spare: so that there shall not be found in the bursting of it a sherd to take fire from the hearth, or to take water withal out of the pit.
14. Il se brise comme se brise un vase de terre, Que l`on casse sans ménagement, Et dont les débris ne laissent pas un morceau Pour prendre du feu au foyer, Ou pour puiser de l`eau à la citerne.
14. "Ary hovakivakiany izy tahaka ny fahavakivakin' ny vilanin' ny mpanefy tanimanga izay montsamontsana; tsy hotsitsiny; koa rehefa montsamontsana izy dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalan' afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano."
15. For thus saith the Lord GOD, the Holy One of Israel; In returning and rest shall ye be saved; in quietness and in confidence shall be your strength: and ye would not.
15. Car ainsi a parlé le Seigneur, l`Éternel, le Saint d`Israël: C`est dans la tranquillité et le repos que sera votre salut, C`est dans le calme et la confiance que sera votre force. Mais vous ne l`avez pas voulu!
15. "Fa izao no lazain' Andriamanitra Tompo, ny Iray Masin' ny Isiraely: Amin' ny fiverenana sy ny fahatokiana no hamonjena anareo; amin' ny fahanginana sy ny fahatokiana no ho herinareo, fa tsy nety ianareo."
16. But ye said, No; for we will flee upon horses; therefore shall ye flee: and, We will ride upon the swift; therefore shall they that pursue you be swift.
16. Vous avez dit: Non! nous prendrons la course à cheval! -C`est pourquoi vous fuirez à la course. -Nous monterons des coursiers légers! -C`est pourquoi ceux qui vous poursuivront seront légers.
16. "Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo."
17. One thousand shall flee at the rebuke of one; at the rebuke of five shall ye flee: till ye be left as a beacon upon the top of a mountain, and as an ensign on an hill.
17. Mille fuiront à la menace d`un seul, Et, à la menace de cinq, vous fuirez, Jusqu`à ce que vous restiez Comme un signal au sommet de la montagne, Comme un étendard sur la colline.
17. Ny arivo handositra, raha rahonan' ny anankiray, eny, handositra ianareo raha rahonan' ny dimy, mandra-pahatongan' ny sisa aminareo ho tahaka ny tokazo avo any an-tampon' ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin' ny havoana.
18. And therefore will the LORD wait, that he may be gracious unto you, and therefore will he be exalted, that he may have mercy upon you: for the LORD is a God of judgment: blessed are all they that wait for him.
18. "Cependant l`Éternel désire vous faire grâce, Et il se lèvera pour vous faire miséricorde; Car l`Éternel est un Dieu juste: Heureux tous ceux qui espèrent en lui!"
18. "Koa Jehovah dia hiandry mba hiantrany anareo, ary hisandratra Izy mba hamindrany fo aminareo; fa Jehovah dia Andriamanitry ny fitsarana; sambatra izay rehetra miandry Azy."
19. For the people shall dwell in Zion at Jerusalem: thou shalt weep no more: he will be very gracious unto thee at the voice of thy cry; when he shall hear it, he will answer thee.
19. "Oui, peuple de Sion, habitant de Jérusalem, Tu ne pleureras plus! Il te fera grâce, quand tu crieras; Dès qu`il aura entendu, il t`exaucera."
19. "Fa hitoetra ao Ziona any Jerosalema ny firenena; tsy hitomany intsony ianao, fa hamindra fo aminao tokoa izy, raha reny ny fitarainanao; eny, raha vao reny izany dia hamaly anao izy."
20. And though the Lord give you the bread of adversity, and the water of affliction, yet shall not thy teachers be removed into a corner any more, but thine eyes shall see thy teachers:
20. "Le Seigneur vous donnera du pain dans l`angoisse, Et de l`eau dans la détresse; Ceux qui t`instruisent ne se cacheront plus, Mais tes yeux verront ceux qui t`instruisent."
20. "Ary na dia omen' i Jehovah mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana aza ianao dia tsy hafindra an-jorony intsony ny mpampianatra anao, fa ny masonao hahita ny mpampianatra anao;"
21. And thine ears shall hear a word behind thee, saying, This is the way, walk ye in it, when ye turn to the right hand, and when ye turn to the left.
21. Tes oreilles entendront derrière toi la voix qui dira: Voici le chemin, marchez-y! Car vous iriez à droite, ou vous iriez à gauche.
21. Koa na mivily ho amin' ny ankavanana ianao, na mivily ho amin' ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
22. Ye shall defile also the covering of thy graven images of silver, and the ornament of thy molten images of gold: thou shalt cast them away as a menstruous cloth; thou shalt say unto it, Get thee hence.
22. "Vous tiendrez pour souillés l`argent qui recouvre vos idoles, Et l`or dont elles sont revêtues; Tu en disperseras les débris comme une impureté: Hors d`ici! leur diras-tu."
22. "Ary holotoina ny takela-bolafotsy voapetaka amin' ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin' ny sampinao an' idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; mialà amiko! no teny hataonao aminy."
23. Then shall he give the rain of thy seed, that thou shalt sow the ground withal; and bread of the increase of the earth, and it shall be fat and plenteous: in that day shall thy cattle feed in large pastures.
23. "Alors il répandra la pluie sur la semence que tu auras mise en terre, Et le pain que produira la terre sera savoureux et nourrissant; En ce même temps, tes troupeaux paîtront dans de vastes pâturages."
23. "Ary dia hanome ranonorana ho an' ny voa afafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; ary amin' izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny an-kijana malalaka."
24. The oxen likewise and the young asses that ear the ground shall eat clean provender, which hath been winnowed with the shovel and with the fan.
24. Les boeufs et les ânes, qui labourent la terre, Mangeront un fourrage salé, Qu`on aura vanné avec la pelle et le van.
24. "Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin' ny sahiratsy sy ny fikororohana;"
25. And there shall be upon every high mountain, and upon every high hill, rivers and streams of waters in the day of the great slaughter, when the towers fall.
25. Sur toute haute montagne et sur toute colline élevée, Il y aura des ruisseaux, des courants d`eau, Au jour du grand carnage, A la chute des tours.
25. Any amin' ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra, dia hisy ony sy ranovelona amin' ny andro lehibe famonoana, dia amin' ny andro hianjeran' ny tilikambo.
26. Moreover the light of the moon shall be as the light of the sun, and the light of the sun shall be sevenfold, as the light of seven days, in the day that the LORD bindeth up the breach of his people, and healeth the stroke of their wound.
26. La lumière de la lune sera comme la lumière du soleil, Et la lumière du soleil sera sept fois plus grande (Comme la lumière de sept jours), Lorsque l`Éternel bandera la blessure de son peuple, Et qu`il guérira la plaie de ses coups.
26. Ary ny fahazavan' ny volana dia ho tahaka ny fahazavan' ny masoandro, ary ny fahazavan' ny masoandro ho avo fito heny, ka ho tahaka ny hazavan' ny hafitoana, amin' ny andro hamehezan' i Jehovah ny fahatorotoroan' ny olony, sy hanasitranany ny fery tamin' ny namelezana azy.
27. Behold, the name of the LORD cometh from far, burning with his anger, and the burden thereof is heavy: his lips are full of indignation, and his tongue as a devouring fire:
27. "Voici, le nom de l`Éternel vient de loin; Sa colère est ardente, c`est un violent incendie; Ses lèvres sont pleines de fureur, Et sa langue est comme un feu dévorant;"
27. "Indro, avy any lavitra any ny anaran' i Jehovah, mirehitra amin' ny fahatezerana Izy sady midonaka amin' ny setroka be; ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;"
28. And his breath, as an overflowing stream, shall reach to the midst of the neck, to sift the nations with the sieve of vanity: and there shall be a bridle in the jaws of the people, causing them to err.
28. Son souffle est comme un torrent débordé qui atteint jusqu`au cou, Pour cribler les nations avec le crible de la destruction, Et comme un mors trompeur Entre les mâchoires des peuples.
28. Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin' ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin' ny valanoranon' ny olona.
29. Ye shall have a song, as in the night when a holy solemnity is kept; and gladness of heart, as when one goeth with a pipe to come into the mountain of the LORD, to the mighty One of Israel.
29. Vous chanterez comme la nuit où l`on célèbre la fête, Vous aurez le coeur joyeux comme celui qui marche au son de la flûte, Pour aller à la montagne de l`Éternel, vers le rocher d`Israël.
29. Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin' ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian' ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban' ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr' i Jehovah, dia ho any amin' Ilay Maherin' Isiraely.
30. And the LORD shall cause his glorious voice to be heard, and shall shew the lighting down of his arm, with the indignation of his anger, and with the flame of a devouring fire, with scattering, and tempest, and hailstones.
30. Et l`Éternel fera retentir sa voix majestueuse, Il montrera son bras prêt à frapper, Dans l`ardeur de sa colère, Au milieu de la flamme d`un feu dévorant, De l`inondation, de la tempête et des pierres de grêle.
30. Ary Jehovah hanandratra ny feon' ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan' ny sandriny amin' ny firehetan' ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
31. For through the voice of the LORD shall the Assyrian be beaten down, which smote with a rod.
31. "A la voix de l`Éternel, l`Assyrien tremblera; L`Éternel le frappera de sa verge."
31. "Fa ny feon' i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; hasiany amin' ny tsorakazo ireo;"
32. And in every place where the grounded staff shall pass, which the LORD shall lay upon him, it shall be with tabrets and harps: and in battles of shaking will he fight with it.
32. "A chaque coup de la verge qui lui est destinée, Et que l`Éternel fera tomber sur lui, On entendra les tambourins et les harpes; L`Éternel combattra contre lui à main levée."
32. "Ary na aiza na aiza no hamelezan' ny tsorakazo voatendry, izay hamelezan' i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy harpa izany; ary amin' ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy."
33. For Tophet is ordained of old; yea, for the king it is prepared; he hath made it deep and large: the pile thereof is fire and much wood; the breath of the LORD, like a stream of brimstone, doth kindle it.
33. "Depuis longtemps un bûcher est préparé, Il est préparé pour le roi, Il est profond, il est vaste; Son bûcher, c`est du feu et du bois en abondance; Le souffle de l`Éternel l`enflamme, comme un torrent de soufre."
33. "Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; eny, efa natao vonona ho an' ny mpanjaka izany; efa nataony lalina sady malalaka izy; ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; ary ny fofonain' i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy."
<
>