1. Woe to the crown of pride, to the drunkards of Ephraim, whose glorious beauty is a fading flower, which are on the head of the fat valleys of them that are overcome with wine!
1. Malheur à la couronne superbe des ivrognes d`Éphraïm, A la fleur fanée, qui fait l`éclat de sa parure, Sur la cime de la fertile vallée de ceux qui s`enivrent!
1. Lozan' ny satroboninahitry ny fiavonavonana sy ny mpimamon' i Efraima, ka ny fahatsaran-tarehy feno voninahitra dia voninkazo mihamalazo izay eo an-dohan' ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
2. Behold, the Lord hath a mighty and strong one, which as a tempest of hail and a destroying storm, as a flood of mighty waters overflowing, shall cast down to the earth with the hand.
2. Voici venir, de la part du Seigneur, un homme fort et puissant, Comme un orage de grêle, un ouragan destructeur, Comme une tempête qui précipite des torrents d`eaux: Il la fait tomber en terre avec violence.
2. "Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin' ny tany."
3. The crown of pride, the drunkards of Ephraim, shall be trodden under feet:
3. "Elle sera foulée aux pieds, La couronne superbe des ivrognes d`Éphraïm;"
3. Ny satroboninahitry ny fiavonavonana, ny mpimamon' i Efraima, dia hohitsahin' ny tongotra.
4. And the glorious beauty, which is on the head of the fat valley, shall be a fading flower, and as the hasty fruit before the summer; which when he that looketh upon it seeth, while it is yet in his hand he eateth it up.
4. Et la fleur fanée, qui fait l`éclat de sa parure, Sur la cime de la fertile vallée, Sera comme une figue hâtive qu`on aperçoit avant la récolte, Et qui, à peine dans la main, est aussitôt avalée.
4. Ary ny fahatsaran-tarehy izay eo an-dohan' ny lohasaha lonaka, dia ho voninkazo malazo, ary toy ny voan' ny aviavy mialin-taona raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny dia arapany.
5. In that day shall the LORD of hosts be for a crown of glory, and for a diadem of beauty, unto the residue of his people,
5. En ce jour, l`Éternel des armées sera Une couronne éclatante et une parure magnifique Pour le reste de son peuple,
5. Ary amin' izany andro izany Jehovah, Tompon' ny maro, dia ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an' ny olony sisa,
6. And for a spirit of judgment to him that sitteth in judgment, and for strength to them that turn the battle to the gate.
6. Un esprit de justice pour celui qui est assis au siège de la justice, Et une force pour ceux qui repoussent l`ennemi jusqu`à ses portes.
6. Ary ho fanahy fitsarana ho an' izay mipetraka eo amin' ny fitsarana sy ho hery ho an' izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
7. But they also have erred through wine, and through strong drink are out of the way; the priest and the prophet have erred through strong drink, they are swallowed up of wine, they are out of the way through strong drink; they err in vision, they stumble in judgment.
7. "Mais eux aussi, ils chancellent dans le vin, Et les boissons fortes leur donnent des vertiges; Sacrificateurs et prophètes chancellent dans les boissons fortes, Ils sont absorbés par le vin, Ils ont des vertiges à cause des boissons fortes; Ils chancellent en prophétisant, Ils vacillent en rendant la justice."
7. "Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon' ny divay ary mivembena azon' ny toaka; ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon' ny toaka; resin' ny divay ireo; mivembena azon' ny toaka izy; miraingiraingy amin' ny fahitana izy ary midoladola eo amin' ny fitsarana."
8. For all tables are full of vomit and filthiness, so that there is no place clean.
8. "Toutes les tables sont pleines de vomissements, d`ordures; Il n`y a plus de place. -"
8. Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
9. Whom shall he teach knowledge? and whom shall he make to understand doctrine? them that are weaned from the milk, and drawn from the breasts.
9. A qui veut-on enseigner la sagesse? A qui veut-on donner des leçons? Est-ce à des enfants qui viennent d`être sevrés, Qui viennent de quitter la mamelle?
9. Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny foto-pampianarana? Ireo izay vao notazana, sy izay vao nitsaha-nono.
10. For precept must be upon precept, precept upon precept; line upon line, line upon line; here a little, and there a little:
10. Car c`est précepte sur précepte, précepte sur précepte, Règle sur règle, règle sur règle, Un peu ici, un peu là. -
10. "Fa didy anampy didy, didy anampy didy; fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; kely ety, ary kely ery;"
11. For with stammering lips and another tongue will he speak to this people.
11. Hé bien! c`est par des hommes aux lèvres balbutiantes Et au langage barbare Que l`Éternel parlera à ce peuple.
11. Fa amin' ny molotra miambakambaka sy amin' ny lela hafa no hitenenany amin' ity firenena ity.
12. To whom he said, This is the rest wherewith ye may cause the weary to rest; and this is the refreshing: yet they would not hear.
12. "Il lui disait: Voici le repos, Laissez reposer celui qui est fatigué; Voici le lieu du repos! Mais ils n`ont point voulu écouter."
12. "Izy no nilazany hoe: Ity no fitsaharana izay hampitsaharanareo ny reraka; ary ity no famelombelomana, nefa tsy nety nihaino ireo."
13. But the word of the LORD was unto them precept upon precept, precept upon precept; line upon line, line upon line; here a little, and there a little; that they might go, and fall backward, and be broken, and snared, and taken.
13. Et pour eux la parole de l`Éternel sera Précepte sur précepte, précepte sur précepte, Règle sur règle, règle sur règle, Un peu ici, un peu là, Afin qu`en marchant ils tombent à la renverse et se brisent, Afin qu`ils soient enlacés et pris.
13. "Ary ny tenin' i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy, eny didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; kely ety, ary kely ery, mba hanaovany dia mianotra ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina."
14. Wherefore hear the word of the LORD, ye scornful men, that rule this people which is in Jerusalem.
14. Écoutez donc la parole de l`Éternel, moqueurs, Vous qui dominez sur ce peuple de Jérusalem!
14. Koa mihainoa ny tenin' i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
15. Because ye have said, We have made a covenant with death, and with hell are we at agreement; when the overflowing scourge shall pass through, it shall not come unto us: for we have made lies our refuge, and under falsehood have we hid ourselves:
15. "Vous dites: Nous avons fait une alliance avec la mort, Nous avons fait un pacte avec le séjour des morts; Quand le fléau débordé passera, il ne nous atteindra pas, Car nous avons la fausseté pour refuge et le mensonge pour abri."
15. Satria hoy ianareo hoe: Efa nanao fanekena tamin' ny fahafatesana izahay, ary efa nanao fifanarahana tamin' ny helo, ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminay izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka no nierenay.
16. Therefore thus saith the Lord GOD, Behold, I lay in Zion for a foundation a stone, a tried stone, a precious corner stone, a sure foundation: he that believeth shall not make haste.
16. "C`est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, j`ai mis pour fondement en Sion une pierre, Une pierre éprouvée, une pierre angulaire de prix, solidement posée; Celui qui la prendra pour appui n`aura point hâte de fuir."
16. "Noho izany, izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, mametraka vato ho fanorenana ao Ziona Aho, dia vato voazaha toetra, vato fehizoro sarobidy, fanorenana azo antoka; ka tsy mba ho taitra izay mino."
17. Judgment also will I lay to the line, and righteousness to the plummet: and the hail shall sweep away the refuge of lies, and the waters shall overflow the hiding place.
17. "Je ferai de la droiture une règle, Et de la justice un niveau; Et la grêle emportera le refuge de la fausseté, Et les eaux inonderont l`abri du mensonge."
17. "Ny fitsarana koa no hataoko ho fitsipika ary ny fahamarinana ho pilao; hopaohin' ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin' ny rano ny toerana fierena."
18. And your covenant with death shall be disannulled, and your agreement with hell shall not stand; when the overflowing scourge shall pass through, then ye shall be trodden down by it.
18. "Votre alliance avec la mort sera détruite, Votre pacte avec le séjour des morts ne subsistera pas; Quand le fléau débordé passera, Vous serez par lui foulés aux pieds."
18. "Ary hofoanana ny fanekenareo amin' ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin' ny helo; raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo."
19. From the time that it goeth forth it shall take you: for morning by morning shall it pass over, by day and by night: and it shall be a vexation only to understand the report.
19. "Chaque fois qu`il passera, il vous saisira; Car il passera tous les matins, le jour et la nuit, Et son bruit seul donnera l`épouvante."
19. "Ary na oviana na oviana no iaviany, dia hahatratra anareo izany; fa isa-maraina isa-maraina no iaviany, na andro na alina; ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fahoriana ihany."
20. For the bed is shorter than that a man can stretch himself on it: and the covering narrower than that he can wrap himself in it.
20. Le lit sera trop court pour s`y étendre, Et la couverture trop étroite pour s`en envelopper.
20. "Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon' ny olona ilamparana; ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy."
21. For the LORD shall rise up as in mount Perazim, he shall be wroth as in the valley of Gibeon, that he may do his work, his strange work; and bring to pass his act, his strange act.
21. Car l`Éternel se lèvera comme à la montagne de Peratsim, Il s`irritera comme dans la vallée de Gabaon, Pour faire son oeuvre, son oeuvre étrange, Pour exécuter son travail, son travail inouï.
21. Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin' ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin' ny lohasahan' i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany, dia ny asany mahagaga, ka hahavitany ny ataony, dia ny asany mahatalanjona.
22. Now therefore be ye not mockers, lest your bands be made strong: for I have heard from the Lord GOD of hosts a consumption, even determined upon the whole earth.
22. "Maintenant, ne vous livrez point à la moquerie, De peur que vos liens ne soient resserrés; Car la destruction de tout le pays est résolue; Je l`ai appris du Seigneur, de l`Éternel des armées."
22. "Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin' i Jehovah, Tompon' ny maro, hamelezana ny tany rehetra."
23. Give ye ear, and hear my voice; hearken, and hear my speech.
23. Prêtez l`oreille, et écoutez ma voix! Soyez attentifs, et écoutez ma parole!
23. "Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; mitandrema, ka mandrenesa ny teniko."
24. Doth the plowman plow all day to sow? doth he open and break the clods of his ground?
24. Celui qui laboure pour semer laboure-t-il toujours? Ouvre-t-il et brise-t-il toujours son terrain?
24. Moa ny mpiasa tany va miasa mandritra ny andro mba hamafy? Na mitombo-doha sy mandravona ny taniny foana?
25. When he hath made plain the face thereof, doth he not cast abroad the fitches, and scatter the cummin, and cast in the principal wheat and the appointed barley and the rie in their place?
25. "N`est-ce pas après en avoir aplani la surface Qu`il répand de la nielle et sème du cumin; Qu`il met le froment par rangées, L`orge à une place marquée, Et l`épeautre sur les bords?"
25. Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin' izay va ny voan' ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra va ny vary tritika tsara indrindra sy ny vary hordea voafantina ary ny spelta eny amin' ny fitoerany?
26. For his God doth instruct him to discretion, and doth teach him.
26. Son Dieu lui a enseigné la marche à suivre, Il lui a donné ses instructions.
26. Fa Andriamanitra no manoro azy izay mety hataony, eny, Izy no mampianatra azy.
27. For the fitches are not threshed with a threshing instrument, neither is a cart wheel turned about upon the cummin; but the fitches are beaten out with a staff, and the cummin with a rod.
27. "On ne foule pas la nielle avec le traîneau, Et la roue du chariot ne passe pas sur le cumin; Mais on bat la nielle avec le bâton, Et le cumin avec la verge."
27. "Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian' ny sarety no akodiadia amin' ny komina; fa ny nigela dia velezina amin' ny fàntaka, ary ny komina amin' ny tehina."
28. Bread corn is bruised; because he will not ever be threshing it, nor break it with the wheel of his cart, nor bruise it with his horsemen.
28. "On bat le blé, Mais on ne le bat pas toujours; On y pousse la roue du chariot et les chevaux, Mais on ne l`écrase pas."
28. Mongomongoina ny varimbazaha atao mofo. Tsy veleziny, na vakiany amin' ny kodiaran' ny saretiny na mongomongoiny amin' ny mpitaingin-tsoavaliny.
29. This also cometh forth from the LORD of hosts, which is wonderful in counsel, and excellent in working.
29. "Cela aussi vient de l`Éternel des armées; Admirable est son conseil, et grande est sa sagesse."
29. Izany koa dia avy amin' i Jehovah, Tompon' ny maro, izay mahagaga amin' ny fisainana ary mahatalanjona amin' ny asa.
<
>