A Prophecy About Jerusalem
1. The burden of the valley of vision. What aileth thee now, that thou art wholly gone up to the housetops?
1. Oracle sur la vallée des visions. Qu`as-tu donc, que tout ton peuple monte sur les toits?
1. Faminaniana ny amin' ny Lohasahan' ny Fahitana. Inona re izato manjo anao, no dia niakatra mihitsy eny an-tampon-trano ianao?
2. Thou that art full of stirs, a tumultuous city, a joyous city: thy slain men are not slain with the sword, nor dead in battle.
2. Ville bruyante, pleine de tumulte, Cité joyeuse! Tes morts ne périront pas par l`épée, Ils ne mourront pas en combattant.
2. Ry ilay be horakoraka, Tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an' ady.
3. All thy rulers are fled together, they are bound by the archers: all that are found in thee are bound together, which have fled from far.
3. "Tous tes chefs fuient ensemble, Ils sont faits prisonniers par les archers; Tous tes habitants deviennent à la fois captifs, Tandis qu`ils prennent au loin la fuite."
3. "Niara-nandositra ny lehibenao rehetra, nafatotry ny mpandefa zana-tsipìka izy; izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza."
4. Therefore said I, Look away from me; I will weep bitterly, labour not to comfort me, because of the spoiling of the daughter of my people.
4. "C`est pourquoi je dis: Détournez de moi les regards, Laissez-moi pleurer amèrement; N`insistez pas pour me consoler Du désastre de la fille de mon peuple."
4. "Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny zanakavavin' ny oloko."
5. For it is a day of trouble, and of treading down, and of perplexity by the Lord GOD of hosts in the valley of vision, breaking down the walls, and of crying to the mountains.
5. Car c`est un jour de trouble, d`écrasement et de confusion, Envoyé par le Seigneur, l`Éternel des armées, Dans la vallée des visions. On démolit les murailles, Et les cris de détresse retentissent vers la montagne.
5. Fa izao dia andro fahoriana sy fanosihosena ary fahaverezan-kevitra avy amin' i Jehovah, Tompon' ny maro ao amin' ny Lohasahan' ny Fahitana, manorotoro ny manda sy ny fitarainana amin' ny tendrombohitra.
6. And Elam bare the quiver with chariots of men and horsemen, and Kir uncovered the shield.
6. "Élam porte le carquois; Des chars de combattants, des cavaliers, s`avancent; Kir met à nu le bouclier."
6. "Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin' ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; ary Kira manaisotra ny fonon' ampinga."
7. And it shall come to pass, that thy choicest valleys shall be full of chariots, and the horsemen shall set themselves in array at the gate.
7. Tes plus belles vallées sont remplies de chars, Et les cavaliers se rangent en bataille à tes portes.
7. Ary izao no hiseho, izay tsara indrindra amin' ny lohasahanao dia ho feno kalesy ary ny mpitaingin-tsoavaly hilahatra eo am-bavahady.
8. And he discovered the covering of Judah, and thou didst look in that day to the armour of the house of the forest.
8. Les derniers retranchements de Juda sont forcés, Et en ce jour tu visites les armures de la maison de la forêt.
8. Dia alàna ny fisalobonan' i Joda, ary nijery ny fiadiana tao an-tranoala ianao tamin' izany andro izany.
9. Ye have seen also the breaches of the city of David, that they are many: and ye gathered together the waters of the lower pool.
9. Vous regardez les brèches nombreuses faites à la ville de David, Et vous retenez les eaux de l`étang inférieur.
9. "Ary hitanareo koa fa betsaka ny banga ao an-Tanànan' i Davida; ary namory ny rano avy amin' ny kamory ambany ianareo."
10. And ye have numbered the houses of Jerusalem, and the houses have ye broken down to fortify the wall.
10. Vous comptez les maisons de Jérusalem, Et vous les abattez, pour fortifier la muraille.
10. Ary nisainareo ny tranon' i Jerosalema, ka dia noravanareo ny trano hoenti-manamafy ny manda.
11. Ye made also a ditch between the two walls for the water of the old pool: but ye have not looked unto the maker thereof, neither had respect unto him that fashioned it long ago.
11. Vous faites un réservoir entre les deux murs, Pour les eaux de l`ancien étang. Mais vous ne regardez pas vers celui qui a voulu ces choses, Vous ne voyez pas celui qui les a préparées de loin.
11. "Nihady lavaka famorian-drano eo anelanelan' ny manda roa koa ianareo halehan' ny rano avy amin' ny kamory ela; kanefa tsy nijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na nahita Izay nikasa izany hatry ny ela."
12. And in that day did the Lord GOD of hosts call to weeping, and to mourning, and to baldness, and to girding with sackcloth:
12. Le Seigneur, l`Éternel des armées, vous appelle en ce jour A pleurer et à vous frapper la poitrine, A vous raser la tête et à ceindre le sac.
12. Ary amin' izany andro izany Jehovah, Tompon' ny maro, hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
13. And behold joy and gladness, slaying oxen, and killing sheep, eating flesh, and drinking wine: let us eat and drink; for to morrow we shall die.
13. Et voici de la gaîté et de la joie! On égorge des boeufs et l`on tue des brebis, On mange de la viande et l`on boit du vin: Mangeons et buvons, car demain nous mourrons! -
13. "Kanjo he izato hafaliana sy haravoravoana sy famonoana omby, sy famonoana ondry ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay; aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty."
14. And it was revealed in mine ears by the LORD of hosts, Surely this iniquity shall not be purged from you till ye die, saith the Lord GOD of hosts.
14. L`Éternel des armées me l`a révélé: Non, ce crime ne vous sera point pardonné que vous ne soyez morts, Dit le Seigneur, l`Éternel des armées.
14. Dia nambaran' i Jehovah, Tompon' ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy mandra-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
15. Thus saith the Lord GOD of hosts, Go, get thee unto this treasurer, even unto Shebna, which is over the house, and say,
15. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel des armées: Va vers ce courtisan, Vers Schebna, gouverneur du palais:
15. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Andeha mankao amin' io mpitahiry fananana io, dia ao amin' i Sebna, lehiben' ny ao an-trano, ka ataovy hoe:
16. What hast thou here? and whom hast thou here, that thou hast hewed thee out a sepulchre here, as he that heweth him out a sepulchre on high, and that graveth an habitation for himself in a rock?
16. Qu`y a-t-il à toi ici, et qui as-tu ici, Que tu creuses ici un sépulcre? Il se creuse un sépulcre sur la hauteur, Il se taille une demeure dans le roc!
16. Manao inona ety ianao, ary inonao moa no ety no manao fasana ety ianao, dia toy izay manao fasana ho azy ety amin' ny avo sy mandoaka fonenana ho azy ety amin' ny harambato?
17. Behold, the LORD will carry thee away with a mighty captivity, and will surely cover thee.
17. "Voici, l`Éternel te lancera d`un jet vigoureux; Il t`enveloppera comme une pelote,"
17. Indro, Jehovah hitondra anao ho amin' ny fahababoana lehibe ka hosaronany tokoa ianao.
18. He will surely violently turn and toss thee like a ball into a large country: there shalt thou die, and there the chariots of thy glory shall be the shame of thy lord's house.
18. "Il te fera rouler, rouler comme une balle, Sur une terre spacieuse; Là tu mourras, là seront tes chars magnifiques, O toi, l`opprobre de la maison de ton maître!"
18. "Ary hanodinkodina anao mafy tokoa Izy sady hanipy anao toy ny kodia eny amin' ny tany malalaka; dia any no hahafaty anao, ary ho henatra ho an' ny ankohonan' ny tomponao ny kalesin' ny voninahitrao."
19. And I will drive thee from thy station, and from thy state shall he pull thee down.
19. Je te chasserai de ton poste, L`Éternel t`arrachera de ta place.
19. Ary horoahiko hiala amin' ny fitoeranao ianao sy haongany hiala amin' ny raharahanao.
20. And it shall come to pass in that day, that I will call my servant Eliakim the son of Hilkiah:
20. "En ce jour-là, J`appellerai mon serviteur Éliakim, fils de Hilkija;"
20. "Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, hantsoiko i Eliakima mpanompoko, zanak' i Hilkia;"
21. And I will clothe him with thy robe, and strengthen him with thy girdle, and I will commit thy government into his hand: and he shall be a father to the inhabitants of Jerusalem, and to the house of Judah.
21. "Je le revêtirai de ta tunique, je le ceindrai de ta ceinture, Et je remettrai ton pouvoir entre ses mains; Il sera un père pour les habitants de Jérusalem Et pour la maison de Juda."
21. "Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao sady hosikinako amin' ny fehikibonao izy; dia hatolotro eo an-tanany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain' ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak' i Joda izy."
22. And the key of the house of David will I lay upon his shoulder; so he shall open, and none shall shut; and he shall shut, and none shall open.
22. "Je mettrai sur son épaule la clé de la maison de David: Quand il ouvrira, nul ne fermera; Quand il fermera, nul n`ouvrira."
22. "Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin' ny tranon' i Davida; dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha."
23. And I will fasten him as a nail in a sure place; and he shall be for a glorious throne to his father's house.
23. Je l`enfoncerai comme un clou dans un lieu sûr, Et il sera un siège de gloire pour la maison de son père.
23. Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin' ny fitoerana azo antoka izy ka ho sezam-boninahitra ho an' ny mpianakavin-drainy.
24. And they shall hang upon him all the glory of his father's house, the offspring and the issue, all vessels of small quantity, from the vessels of cups, even to all the vessels of flagons.
24. Il sera le soutien de toute la gloire de la maison de son père, Des rejetons nobles et ignobles, De tous les petits ustensiles, Des bassins comme des vases.
24. Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinika hatramin' ny lovia ka hatramin' ny siny samy hafa rehetra.
25. In that day, saith the LORD of hosts, shall the nail that is fastened in the sure place be removed, and be cut down, and fall; and the burden that was upon it shall be cut off: for the LORD hath spoken it.
25. En ce jour, dit l`Éternel des armées, Le clou enfoncé dans un lieu sûr sera enlevé, Il sera abattu et tombera, Et le fardeau qui était sur lui sera détruit, Car l`Éternel a parlé.
25. "Amin' izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin' ny fitoerana mafy; eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; fa Jehovah no efa niteny."