A Prophecy About Tyre

1. The burden of Tyre. Howl, ye ships of Tarshish; for it is laid waste, so that there is no house, no entering in: from the land of Chittim it is revealed to them.
1. Oracle sur Tyr. Lamentez-vous, navires de Tarsis! Car elle est détruite: plus de maisons! plus d`entrée! C`est du pays de Kittim que la nouvelle leur en est venue.
1. "Faminaniana ny amin' ny loza hanjo an' i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon' i Tarsisy! fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy misy fidirana intsony ao; avy tany amin' ny tany Kitima no nanambaràna izany taminy"
2. Be still, ye inhabitants of the isle; thou whom the merchants of Zidon, that pass over the sea, have replenished.
2. Soyez muets d`effroi, habitants de la côte, Que remplissaient les marchands de Sidon, parcourant la mer!
2. Mangìna ianareo mponina amin' ny nosy, ny mpandranto avy any Sidona izay mandeha eny ambonin' ny ranomasina no efa nameno anao.
3. And by great waters the seed of Sihor, the harvest of the river, is her revenue; and she is a mart of nations.
3. "A travers les vastes eaux, le blé du Nil, La moisson du fleuve, était pour elle un revenu; Elle était le marché des nations."
3. Ary teny amin' ny rano be ny voan' ny Sihora, ny vokatry ny renirano no hareny, ary tonga tsenan' ny firenena izy.
4. Be thou ashamed, O Zidon: for the sea hath spoken, even the strength of the sea, saying, I travail not, nor bring forth children, neither do I nourish up young men, nor bring up virgins.
4. Sois confuse, Sidon! Car ainsi parle la mer, la forteresse de la mer: Je n`ai point eu de douleurs, je n`ai point enfanté, Je n`ai point nourri de jeunes gens, ni élevé de jeunes filles.
4. "Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, dia niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina."
5. As at the report concerning Egypt, so shall they be sorely pained at the report of Tyre.
5. Quand les Égyptiens sauront la nouvelle, Ils trembleront en apprenant la chute de Tyr.
5. Tahaka ny tamin' ny filazana an' i Egypta dia ho toran-kovitra izy noho ny nanjo an' i Tyro.
6. Pass ye over to Tarshish; howl, ye inhabitants of the isle.
6. Passez à Tarsis, Lamentez-vous, habitants de la côte!
6. "Mità ho any Tarsisy ianareo; midradradradrà ianareo, ry mponin' ny nosy."
7. Is this your joyous city, whose antiquity is of ancient days? her own feet shall carry her afar off to sojourn.
7. Est-ce là votre ville joyeuse? Elle avait une origine antique, Et ses pieds la mènent séjourner au loin.
7. Izao va ilay tanànanao miravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola? sady nentin' ny tongony hivahiny any lavitra any.
8. Who hath taken this counsel against Tyre, the crowning city, whose merchants are princes, whose traffickers are the honourable of the earth?
8. Qui a pris cette résolution contre Tyr, la dispensatrice des couronnes, Elle dont les marchands étaient des princes, Dont les commerçants étaient les plus riches de la terre?
8. Iza no nikasa izany hamelezana an' i Tyro, mpanome satroboninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, olo-malaza amin' ny tany ny mpivarony.
9. The LORD of hosts hath purposed it, to stain the pride of all glory, and to bring into contempt all the honourable of the earth.
9. C`est l`Éternel des armées qui a pris cette résolution, Pour blesser l`orgueil de tout ce qui brille, Pour humilier tous les grands de la terre.
9. Jehovah, Tompon' ny maro no nikasa izany mba hampietreny ny fiavonavonan' ny voninahitra rehetra, sy hanalàny ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin' ny tany.
10. Pass through thy land as a river, O daughter of Tarshish: there is no more strength.
10. Parcours librement ton pays, pareille au Nil, Fille de Tarsis! Plus de joug!
10. Mandehana mamaky ny taninao tahaka ny renirano, ry zanakavavin' i Tarsisy: fa tsy misy hery intsony.
11. He stretched out his hand over the sea, he shook the kingdoms: the LORD hath given a commandment against the merchant city, to destroy the strong holds thereof.
11. "L`Éternel a étendu sa main sur la mer; Il a fait trembler les royaumes; Il a ordonné la destruction des forteresses de Canaan."
11. "Ny tanan' i Jehovah nahinjiny tambonin' ny ranomasina; nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah no efa nandidy hanohitra ny tanàna mpivarotra, mba horavana ny fiarovany mafy."
12. And he said, Thou shalt no more rejoice, O thou oppressed virgin, daughter of Zidon: arise, pass over to Chittim; there also shalt thou have no rest.
12. Il a dit: Tu ne te livreras plus à la joie, Vierge déshonorée, fille de Sidon! Lève-toi, passe au pays de Kittim! Même là, il n`y aura pas de repos pour toi.
12. "Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina ampahoriana, zanakavavin' i Sidona; mitsangàna, mità ho any Kitima; nefa koa tsy hahita fitsaharana akory ianao any."
13. Behold the land of the Chaldeans; this people was not, till the Assyrian founded it for them that dwell in the wilderness: they set up the towers thereof, they raised up the palaces thereof; and he brought it to ruin.
13. "Vois les Chaldéens, qui n`étaient pas un peuple, Ces habitants du désert, pour qui l`Assyrien a fondé un pays; Ils élèvent des tours, ils renversent les palais de Tyr, Ils les mettent en ruines."
13. "Indro ny tanin' ny Kaldeana! tsy firenena akory izy fahiny, mandra-panorin' ny Asyriana azy ho an' izay monina any an' efitra; manao tilikambo izy, ary manangana lapa; ary dia noravany izany."
14. Howl, ye ships of Tarshish: for your strength is laid waste.
14. Lamentez-vous, navires de Tarsis! Car votre forteresse est détruite!
14. Midradradradrà, ianareo, ry sambon' i Tarsisy, fa rava ny herinareo.
15. And it shall come to pass in that day, that Tyre shall be forgotten seventy years, according to the days of one king: after the end of seventy years shall Tyre sing as an harlot.
15. En ce temps-là, Tyr tombera dans l`oubli soixante-dix ans, Ce que dure la vie d`un roi. Au bout de soixante-dix ans, il en sera de Tyr Comme de la prostituée dont parle la chanson: -
15. "Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, hohadinoina fitopolo taona Tyro, toy ny andron' ny mpanjaka iray; ary rehefa afaka fitopolo taona, Tyro dia hihira toy ny vehivavy janga."
16. Take an harp, go about the city, thou harlot that hast been forgotten; make sweet melody, sing many songs, that thou mayest be remembered.
16. Prends la harpe, parcours la ville, Prostituée qu`on oublie! Joue bien, répète tes chants, Pour qu`on se souvienne de toi! -
16. "Makà harpa, ka miveziveze eran' ny tanàna ianao, ry janga hadino; mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."
17. And it shall come to pass after the end of seventy years, that the LORD will visit Tyre, and she shall turn to her hire, and shall commit fornication with all the kingdoms of the world upon the face of the earth.
17. "Au bout de soixante-dix ans, l`Éternel visitera Tyr, Et elle retournera à son salaire impur; Elle se prostituera à tous les royaumes de la terre, Sur la face du monde."
17. Ary izao no hiseho, rehefa afaka ny fitopolo taona, Jehovah hamangy an' i Tyro, ka dia hiverina amin' ny filàn-tangy izy, ary hanao fahavetavetana amin' ny fanjakana rehetra manerana ny tany.
18. And her merchandise and her hire shall be holiness to the LORD: it shall not be treasured nor laid up; for her merchandise shall be for them that dwell before the LORD, to eat sufficiently, and for durable clothing.
18. "Mais son gain et son salaire impur seront consacrés à l`Éternel, Ils ne seront ni entassés ni conservés; Car son gain fournira pour ceux qui habitent devant l`Éternel Une nourriture abondante et des vêtements magnifiques."
18. "Ary ny varony sy ny tangy azony, dia hohamasinina ho an' i Jehovah; tsy hotehirizina, na horaketina izany; fa ny varony dia ho an' izay mitoetra eo anatrehan' i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mateza."
<
>