The Charge Against Israel
1. Hear the word of the LORD, ye children of Israel: for the LORD hath a controversy with the inhabitants of the land, because there is no truth, nor mercy, nor knowledge of God in the land.
1. Écoutez la parole de l`Éternel, enfants d`Israël! Car l`Éternel a un procès avec les habitants du pays, Parce qu`il n`y a point de vérité, point de miséricorde, Point de connaissance de Dieu dans le pays.
1. Mihainoa ny tenin' i Jehovah ianareo Zanak' Isiraely, fa Jehovah manana ady amin' ny mponina amin' ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na famindrampo na fahalalana an' Andriamanitra eo amin' ny tany.
2. By swearing, and lying, and killing, and stealing, and committing adultery, they break out, and blood toucheth blood.
2. "Il n`y a que parjures et mensonges, Assassinats, vols et adultères; On use de violence, on commet meurtre sur meurtre."
2. Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa no mirongatra ka mifanontona ny fandatsahan-dra.
3. Therefore shall the land mourn, and every one that dwelleth therein shall languish, with the beasts of the field, and with the fowls of heaven; yea, the fishes of the sea also shall be taken away.
3. "C`est pourquoi le pays sera dans le deuil, Tous ceux qui l`habitent seront languissants, Et avec eux les bêtes des champs et les oiseaux du ciel; Même les poissons de la mer disparaîtront."
3. Ary noho izany dia hisaona ny tany, ary ho reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, mbamin' ny biby eny an-tsaha sy ny voro-manidina eny amin' ny lanitra, eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ho ringana koa.
4. Yet let no man strive, nor reprove another: for thy people are as they that strive with the priest.
4. "Mais que nul ne conteste, que nul ne se livre aux reproches; Car ton peuple est comme ceux qui disputent avec les sacrificateurs."
4. "Kanefa aoka tsy hisy handahatra, na hananatra ny hafa; fa ny olonao dia efa tahaka ny mifanditra amin' ny mpisorona."
5. Therefore shalt thou fall in the day, and the prophet also shall fall with thee in the night, and I will destroy thy mother.
5. Tu tomberas de jour, Le prophète avec toi tombera de nuit, Et je détruirai ta mère.
5. Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin' ny alina, ary haringako ny reninao.
6. My people are destroyed for lack of knowledge: because thou hast rejected knowledge, I will also reject thee, that thou shalt be no priest to me: seeing thou hast forgotten the law of thy God, I will also forget thy children.
6. "Mon peuple est détruit, parce qu`il lui manque la connaissance. Puisque tu as rejeté la connaissance, Je te rejetterai, et tu seras dépouillé de mon sacerdoce; Puisque tu as oublié la loi de ton Dieu, J`oublierai aussi tes enfants."
6. "Ringana ny oloko noho ny tsy fahampian' ny fahalalana; satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; satria efa nanadino ny lalàn' Andriamanitrao ianao, dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao."
7. As they were increased, so they sinned against me: therefore will I change their glory into shame.
7. Plus ils se sont multipliés, plus ils ont péché contre moi: Je changerai leur gloire en ignominie.
7. Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
8. They eat up the sin of my people, and they set their heart on their iniquity.
8. Ils se repaissent des péchés de mon peuple, Ils sont avides de ses iniquités.
8. Arapany ny fahotan' ny oloko, ary apetrany amin' ny helony ny fony.
9. And there shall be, like people, like priest: and I will punish them for their ways, and reward them their doings.
9. "Il en sera du sacrificateur comme du peuple; Je le châtierai selon ses voies, Je lui rendrai selon ses oeuvres."
9. "Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; dia hofaiziko izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy."
10. For they shall eat, and not have enough: they shall commit whoredom, and shall not increase: because they have left off to take heed to the LORD.
10. Ils mangeront sans se rassasier, Ils se prostitueront sans multiplier, Parce qu`ils ont abandonné l`Éternel et ses commandements.
10. Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
11. Whoredom and wine and new wine take away the heart.
11. La prostitution, le vin et le moût, font perdre le sens.
11. Fijangajangana sy divay ary ranomboaloboka no mahalasa ny fo.
12. My people ask counsel at their stocks, and their staff declareth unto them: for the spirit of whoredoms hath caused them to err, and they have gone a whoring from under their God.
12. "Mon peuple consulte son bois, Et c`est son bâton qui lui parle; Car l`esprit de prostitution égare, Et ils se prostituent loin de leur Dieu."
12. "Ny oloko dia mila saina amin' ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an' Andriamaniny."
13. They sacrifice upon the tops of the mountains, and burn incense upon the hills, under oaks and poplars and elms, because the shadow thereof is good: therefore your daughters shall commit whoredom, and your spouses shall commit adultery.
13. Ils sacrifient sur le sommet des montagnes, Ils brûlent de l`encens sur les collines, Sous les chênes, les peupliers, les térébinthes, Dont l`ombrage est agréable. C`est pourquoi vos filles se prostituent, Et vos belles-filles sont adultères.
13. "Eny an-tampon' ny tendrombohitra no anaovany fanatitra ary eny amin' ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin' ny hazo oaka sy ny popola ary ny terebinta satria tsara alokaloka ireny; koa izany no hanaovan' ny zanakavavinareo ny fanaon' ny janga sy hijangajangan' ny vadinareo."
14. I will not punish your daughters when they commit whoredom, nor your spouses when they commit adultery: for themselves are separated with whores, and they sacrifice with harlots: therefore the people that doth not understand shall fall.
14. Je ne punirai pas vos filles parce qu`elles se prostituent, Ni vos belles-filles parce qu`elles sont adultères, Car eux-mêmes vont à l`écart avec des prostituées, Et sacrifient avec des femmes débauchées. Le peuple insensé court à sa perte.
14. "Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha manao ny fanaon' ny janga izy, na ny vadinareo raha mijangajanga izy; fa ireny aza dia manava-tena miaraka amin' ny vehivavy janga, sady manao fanatitra miaraka amin' ny janga izy; ka ho lavo ny olona tsy mahalala."
15. Though thou, Israel, play the harlot, yet let not Judah offend; and come not ye unto Gilgal, neither go ye up to Bethaven, nor swear, The LORD liveth.
15. "Si tu te livres à la prostitution, ô Israël, Que Juda ne se rende pas coupable; N`allez pas à Guilgal, ne montez pas à Beth Aven, Et ne jurez pas: L`Éternel est vivant!"
15. "Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely, aoka ny Joda tsy mba hanota; ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!"
16. For Israel slideth back as a backsliding heifer: now the LORD will feed them as a lamb in a large place.
16. Parce qu`Israël se révolte comme une génisse indomptable, Maintenant l`Éternel le fera paître Comme un agneau dans de vastes plaines.
16. "Fa ny isiraely dia miverin-dalana toy ny vantotr' ombivavy miverin-dalana; ankehitriny dia handrasan' i Jehovah toy ny zanak' ondry eny amin' ny toerana malalaka izy."
17. Ephraim is joined to idols: let him alone.
17. Éphraïm est attaché aux idoles: laisse-le!
17. "Tafaraikitra amin' ny sampy Efraima; avelao izy ho eo."
18. Their drink is sour: they have committed whoredom continually: her rulers with shame do love, Give ye.
18. "A peine ont-ils cessé de boire Qu`ils se livrent à la prostitution; Leurs chefs sont avides d`ignominie."
18. "Marikivy ny fisotrony, nijangajanga mandrakariva izy; amin' ny fahafaham-baraka ny itiavan' ny mpanapany miteny hoe: Omeo!"
19. The wind hath bound her up in her wings, and they shall be ashamed because of their sacrifices.
19. Le vent les enveloppa de ses ailes, Et ils auront honte de leurs sacrifices.
19. Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ireo fanatiny.