The LORD's Anger Against Israel

1. When Ephraim spake trembling, he exalted himself in Israel; but when he offended in Baal, he died.
1. Lorsqu`Éphraïm parlait, c`était une terreur: Il s`élevait en Israël. Mais il s`est rendu coupable par Baal, et il est mort.
1. Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nanandra-tena tao amin' ny Isiraely, fa rehefa nanota ny amin' i Bala izy, dia maty.
2. And now they sin more and more, and have made them molten images of their silver, and idols according to their own understanding, all of it the work of the craftsmen: they say of them, Let the men that sacrifice kiss the calves.
2. "Maintenant ils continuent à pécher, Ils se font avec leur argent des images en fonte, Des idoles de leur invention; Toutes sont l`oeuvre des artisans. On dit à leur sujet: Que ceux qui sacrifient baisent les veaux!"
2. "Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an' idina ho azy, dia sampy araka ny fahalalany izay asan' ny mpiasa avokoa; ireny dia lazainy hoe: Aoka izay manao fanatitra hanoroka ny ombilahy kely."
3. Therefore they shall be as the morning cloud, and as the early dew that passeth away, as the chaff that is driven with the whirlwind out of the floor, and as the smoke out of the chimney.
3. C`est pourquoi ils seront comme la nuée du matin, Comme la rosée qui bientôt se dissipe, Comme la balle emportée par le vent hors de l`aire, Comme la fumée qui sort d`une fenêtre.
3. Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay levona raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin' ny rivotra hiala amin' ny famoloana ary ho toy ny setroka avy amin' ny lafaoro.
4. Yet I am the LORD thy God from the land of Egypt, and thou shalt know no god but me: for there is no saviour beside me.
4. Et moi, je suis l`Éternel, ton Dieu, dès le pays d`Égypte. Tu ne connais d`autre Dieu que moi, Et il n`y a de sauveur que moi.
4. Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin' ny tany Egypta, ary tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5. I did know thee in the wilderness, in the land of great drought.
5. Je t`ai connu dans le désert, Dans une terre aride.
5. Izaho dia nahalala anao tany an' efitra, dia tany amin' ny tany mampangetaheta.
6. According to their pasture, so were they filled; they were filled, and their heart was exalted; therefore have they forgotten me.
6. "Ils se sont rassasiés dans leurs pâturages; Ils se sont rassasiés, et leur coeur s`est enflé; C`est pourquoi ils m`ont oublié."
6. "Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; voky izy, ka niavonavona ny fony; koa izany no nanadinoany Ahy."
7. Therefore I will be unto them as a lion: as a leopard by the way will I observe them:
7. "Je serai pour eux comme un lion; Comme une panthère, je les épierai sur la route."
7. Ka dia ho tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no handinihako azy.
8. I will meet them as a bear that is bereaved of her whelps, and will rend the caul of their heart, and there will I devour them like a lion: the wild beast shall tear them.
8. "Je les attaquerai, comme une ourse à qui l`on a enlevé ses petits, Et je déchirerai l`enveloppe de leur coeur; Je les dévorerai, comme une lionne; Les bêtes des champs les mettront en pièces."
8. "Hamely azy toy ny famelin' ny bera very anaka Aho, ka handriatra ny sarom-pony, eny any no handrapahako azy toy ny fandrapaky ny liom-bavy; ny biby dia no hamiravira azy."
9. O Israel, thou hast destroyed thyself; but in me is thine help.
9. Ce qui cause ta ruine, Israël, C`est que tu as été contre moi, contre celui qui pouvait te secourir.
9. Nanimba tena ianao ry Isiraely ô, fa ato amiko ny fanampiana anao.
10. I will be thy king: where is any other that may save thee in all thy cities? and thy judges of whom thou saidst, Give me a king and princes?
10. Où donc est ton roi? Qu`il te délivre dans toutes tes villes! Où sont tes juges, au sujet desquels tu disais: Donne-moi un roi et des princes?
10. Izaho no ho mpanjakanao, aiza ary izay hafa afaka hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra?Ary aiza ireo mpitsaranao izay nilazanao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
11. I gave thee a king in mine anger, and took him away in my wrath.
11. Je t`ai donné un roi dans ma colère, Je te l`ôterai dans ma fureur.
11. Nomeko mpanjaka ianao tamin' ny fahatezerako ary nesoriko izy tamin' ny fahavinirako.
12. The iniquity of Ephraim is bound up; his sin is hid.
12. L`iniquité d`Éphraïm est gardée, Son péché est mis en réserve.
12. Voafehy ny helok' i Efraima, voaafina ny fahotany,
13. The sorrows of a travailing woman shall come upon him: he is an unwise son; for he should not stay long in the place of the breaking forth of children.
13. "Les douleurs de celle qui enfante viendront pour lui; C`est un enfant peu sage, Qui, au terme voulu, ne sort pas du sein maternel."
13. "Ny fahorian' ny vehivavy miteraka no hahazo azy, zazalahy tsy hendry izy; fa tsy tokony hitoetra ela eo amin' ny fotoana fiterahan-jaza izy."
14. I will ransom them from the power of the grave; I will redeem them from death: O death, I will be thy plagues; O grave, I will be thy destruction: repentance shall be hid from mine eyes.
14. Je les rachèterai de la puissance du séjour des morts, Je les délivrerai de la mort. O mort, où est ta peste? Séjour des morts, où est ta destruction? Mais le repentir se dérobe à mes regards!
14. "Havotako tsy ho azon' ny herin' ny fasana izy; hovonjeko ho afaka amin' ny fahafatesana izy; ry fahafatesana ô, Izaho no ho areti-mandringanao; ry fasana ô, Izaho no fandringananao; hafenina tsy ho hitan' ny masoko ny nenina."
15. Though he be fruitful among his brethren, an east wind shall come, the wind of the LORD shall come up from the wilderness, and his spring shall become dry, and his fountain shall be dried up: he shall spoil the treasure of all pleasant vessels.
15. Éphraïm a beau être fertile au milieu de ses frères, Le vent d`orient viendra, le vent de l`Éternel s`élèvera du désert, Desséchera ses sources, tarira ses fontaines. On pillera le trésor de tous les objets précieux.
15. Na dia mahavokatra eo amin' ny rahalahiny aza izy, dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr' i Jehovah hiakatra avy any an' efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany: Hobaboiny ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
16. Samaria shall become desolate; for she hath rebelled against her God: they shall fall by the sword: their infants shall be dashed in pieces, and their women with child shall be ripped up.
16. "Samarie sera punie, parce qu`elle s`est révoltée contre son Dieu. Ils tomberont par l`épée; Leurs petits enfants seront écrasés, Et l`on fendra le ventre de leurs femmes enceintes."
16. "Ho lao Samaria fa niodina tamin' Andriamaniny izy; ho lavon-tsabatra izy, hotorotoroina ny zanany madinika, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana."
<
>